Seminera
Fizarana 30: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:19–42


Fizarana 30: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:19–42

Fampidirana

Tamin’ny volana janoary 1847 dia nahazo ilay fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136 ny Filoha Brigham Young tao ny Winter Quarters, Nebraska. Ity lesona ity dia miresaka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:19–42, izay ahitana ny torohevitry ny Tompo ho an’ireo Olomasina momba ny fomba tokony hitondrany tena nandritra ny diany sy ny fanomezan’ny Tompo toky azy ireo ary ny fitarihany azy ireo hitandrina ny didin’ Andriamanitra rehetra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:19–29

Nanoro hevitra ny Olomasina ny Tompo mikasika ny fomba tokony hitondrany tena nandritra dian’izy ireo

Eritrereto ny fahafahana nanananao mba hifanerasera tamin’ny olona hafa ao anatin’ny vondrona iray. Inona ireo lafin-javatra tsara tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny hafa tao anatin’izany vondrona izany?

Sary
olona miasa ao an-jaridaina

Ny fiasana ao anatin’ny vondrona dia mamela antsika hifanampy, kanefa miteraka olana ihany koa izany.

Rehefa noterena handao an’i Nauvoo ny Olomasina tamin’ny fiandohan’ny taona 1846 ka nanomboka nandeha niankandrefana dia betsaka ireo tsy niomana tamin’ilay dia. Niparitaka tao anatin’ny kilaometatra maromaro ireo Olomasina tany am-piandohana, izay nampihena ny fahafahan’izy ireo nifanampy. Tao anatin’ny fanambarana iray izay noraisin’ny Filoha Brigham Young tao Winter Quarters, Nebraska, teo amin’ny iray taona taty aoriana dia nanoro hevitra ny Olomasina ny Tompo mba handamina ny tenan’izy ireo mba hahafahany mifanampy rehefa nanohy ny diany.

Ivereno jerena ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:2, 8–10, ka tadiavo ireo torohevitry ny Tompo ny amin’ny fomba hifanampian’ny Olomasina.

Na dia mamela antsika hifanampy aza ny fiasana ao anatin’ny vondrona dia mety hiteraka olana ihany koa izany. Saintsaino ny momba ireo olana sasany izay mety hitranga rehefa miasa ao anatina vondrona.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:19–27 ka tadiavo ny torohevitry ny Tompo ho an’ireo Olomasina rehefa nandeha sy niara-niasa izy ireo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no torohevitra izay novakianao ka hanampy ny Olomasina handeha sy hiara-hiasa?

    2. Nahoana araka ny eritreritrao no hanampy izany torohevitra izany?

    3. Ahoana no ahafahanao mampihatra izany torohevitra izany rehefa mifanerasera sy miasa miaraka amin’ny olona hafa ianao?

Ivereno ny andininy 23–24. Marihina fa nanoro hevitra ny Olomasina ny Tompo mba “hampitsahatra ny fimamoana” (F&F 136:24) na dia tonga taorian’ny nahazoan’ny Olomasina ny Tenin’ny Fahendrena aza ity fanambarana ity. Nandroso tsikelikely tamin’ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena ny Olomasina. Rehefa nomena ny fanambarana tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136, dia tsy voarara tamin’ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola rehetra tahaka ny amin’ny fotoana izao ny Olomasina.

Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:24, dia tokony hitondra inona eo amin’ireo izay manodidina antsika ny tenintsika? Mba hamaliana ity fanontaniana ity dia fenoy izao fitsipika manaraka izao: Ny tenintsika dia tokony . Asio marika ilay andian-teny ao amin’ny soratra masinao izay mampianatra izany fitsipika izany.

Mety hanampy ny mahafantatra fa ny mampiorina dia midika ho manentana ny olona iray ara-panahy na ara-pihetseham-po.

  1. Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity asa ampanaovina manaraka ity:

    1. Valio izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ho an’ny Olomasina ny mampiasa teny mampiorina rehefa nanao dia niaraka izy ireo?

    2. Tantarao ny zavatra iray niainanao izay nandrenesanao olona iray nampiasa teny izay nampiorina olona iray hafa.

Saintsaino ireo zavatra izay azonao lazaina ka hampiorina ireo izay manodidina anao.

Eo am-pamakianao ireto tantara manaraka ireto momba ny zavatra niainan’ireo Olomasina rehefa nanomboka ny dian’izy ireo niankandrefana ianao dia mieritrereta momba izay mety ho tsapanao sy ny antony nahatonga ireo Olomasina mahatoky ireo ho vonona ny handalo fitsapana toy izany:

Nanoratra i Mary Ann Weston Maughan hoe: “Tsy maintsy nandevina ny roa tamin’ny mpiara-dia taminay izahay izay matin’ny kôlera androany maraina, lehilahy iray nantsoina hoe Brown sy zaza iray. Mbola nisy marary hafa tany amin’ny toby. Nahita ny Renirano Platte ny andro tontolo. Nandeha 24,4 km ary nijanona tao Salt Creek. Vetivety teo dia nitondra zazakely hafa maty indray ny sasany tao amin’ny vondrona nisy anay. Nalevin’izy ireo teo amoron’ny ranokely ilay vata-mangatsiaka rehefa nody ny masoandro. Mitombo ny marary. Mahatonga anay ho mahatsapa alahelo ny mandevina ireo namanay eny an-dalana. Toetrandro tena mafana” (Mary Ann Weston Maughan journal, 3 vols., June 21, 1850, 2:1, Family History Library, Salt Lake City; nampanarahana toetrandro ny fanoratana, ny renintsoratra, ary ny mari-piatoana).

Sary
Clarissa Young Spencer

I Clarissa Young Spencer (zanakavavin’i Brigham Young) dia nanoratra hoe: “Anisan’ireo toetra tsara nampiavaka an’i Dada tamin’ny naha-mpitarika azy ny fomba nijereny ny soa ara-batana sy ara-piarahamonin’ny vahoakany niaraka tamin’ny fitarihana azy ireo tao amin’izay zavatra nilainy ara-panahy. Tamin’ny dia lehibe namakivaky ny tanety izay nanaovan’ireo malemy ny dia an-tongotra nandritra ny ankamaroan’ny fotoana dia niangona manodidina ny afon-dasy ny Olomasina mba hialana voly ny hariva, raha toa ka tsara ny toetrandro. Nohiraina ny hira teo, notendren’ireo mpitendry lokangam-bazaha ny mozika, ary nanadino ny harerahana noho ny fandehanana an-tongotra 24 kilaometatra na mihoatra namakivaky ny tany foana tsy nisy lalana ny lehilahy sy ny vehivavy rehefa nandihy izy ireo. Izany no fomba nampiakarany ny ‘môraly’, na dia tsy mbola nisy namorona akory aza izany teny izany” (miaraka amin’i Mabel Harmer, One Who Was Valiant [1940], 162).

Araka ireo tantara ireo, ahoana no hamaritanao ny zavatra niainan’ny sasany tamin’ireo mpamaky lay Olomasin’ny Andro Farany?

  1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:28–29, ka tadiavo ny torohevitra hita ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fitsipika iray izay mamaritra ny zavatra tokony hataontsika rehefa faly isika ary ny fitsipika iray izay mamaritra ny zavatra tokony hataontsika rehefa malahelo isika.

Eritrereto ireo fotoana izay namalian’ny Ray any An-danitra ny vavakao tamin’ny fanampiana anao mba ho faly. Mizarà traikefa iray amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na ny namanao.

Tsarovy ny midera sy misaotra ny Tompo rehefa faly ianao ary mangataka fanampiana rehefa malahelo ianao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:30–42

Manome toky ny Olomasina ny Tompo ary manoro hevitra azy ireo mba ho mazoto amin’ny fitandremana ireo didiny rehetra

Niaritra fitsapana lehibe ny Olomasina ary fantatr’izy ireo fa ho fanamby lehibe ny diany tsy tapaka miankandrefana.

Inona araka ny eritreritrao no nanampy ny Olomasina hijanona ho mahatoky na dia niaina toe-javatra sarotra toy izany aza?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:30–40, ka tadiavo ireo Fotopampianarana sy fitsipika izay mety ho nankahery ny Olomasina.

Mety hahita ny sasany amin’ireto Fotopampianarana sy fitsipika manaraka ireto ianao:

  • Tsy tokony hatahotra ny fahavalontsika isika satria eo am-pelatanan’ny Tompo izy ireo.

  • Afaka manomana antsika hahazo ny voninahitra izay omanin’ Andriamanitra ho antsika ireo fitsapana lalovantsika.

  • Raha toa ka manetry ny tenantsika isika ka miantso an’ Andriamanitra dia hanazava ny saintsika ny Fanahy.

  • Raha toa ka mahatoky isika amin’ny fitandremana ireo teny rehetra izay nomen’ny Tompo antsika dia hahita ny voninahiny isika indray andro any.

  • Manome antsika ny teniny amin’ny alalan’ny mpaminaniny ny Tompo.

  • Afaka manafaka antsika amin’ireo fahavalontsika ny Tompo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  1. Ahoana araka ny eritreritrao no nanampian’ireo Fotopampianarana sy fitsipika ireo ny Olomasina mba hijanona ho mahatoky?

  2. Ahoana no anampian’ ireo Fotopampianarana sy fitsipika ireo anao mba hijanona ho mahatoky mandritra ireo zavatra sarotra iainanao manokana?

Diniho ny hafatra ankapobeny izay eritreretinao fa mety nianaran’ny Olomasina avy amin’ireo tenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:30–40.

Na dia nahita karazana Fotopampianarana sy fitsipika aza ianao tao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia nanome toky ny Olomasina ny Tompo fa handeha tsara ny zava-drehetra.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:41–42, ka mitadiava fanomezan-toky sy torohevitra fanampiny avy amin’ny Tompo.

Ampiasao ireo zavatra nianaranao avy tamin’ny torohevitry ny Tompo ao amin’ny andininy 42 mba hamenoana izao fitsipika manaraka izao: Raha toa ka mazoto isika , dia tsy ho tonga eo amintsika ny fitsaran’ Andriamanitra, hatanjaka ny finoantsika, ary tsy handresy antsika ireo fahavalontsika amin’ny farany.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Ahoana no hanampian’izany fitsipika izany anao?

Nankatò ireo didin’ny Tompo ny Olomasina. Ny vondrona voalohany tamin’ny mpamaky lay dia nandao an’i Winter Quarters ny 5 aprily 1847. Nandeha 1.000 km mahery izy ireo ary tonga tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake ny faramparan’ny jolay 1847. Rehefa nanopy maso tamin’ny Lohasahan’i Salt Lake ny Filoha Brigham Young tamin’ny 24 jolay 1847 dia nahazo fanamafisana avy tamin’ny Fanahy izy fa nahita ny fonenan’izy ireo vaovao ny Olomasina. Nitaingina tao aorian’ny saretin’i Wilford Woodruff izy tamin’izay satria nanavy.

Sary
Filoha Wilford Woodruff

Nanao izao fitantarana izao ny Filoha Wilford Woodruff mikasika ny fijerena ny Lohasahan’i Salt Lake: “Rehefa nanjary … nahita tanteraka ilay lohasaha izahay dia natodiko ny saretiko, nankany andrefana, ka nitsangana avy teo am-pandriany ny Filoha Young ary nandinika ilay faritra. Raha variana nijery ny zava-niseho teo anoloanay izy dia voasaron’ny fahitana nandritra ny minitra maro. Efa nahita ny lohasaha tamin’ny fahitana izy taloha, ary tamin’io fotoana io izy dia nahita ny voninahitr’i Ziona sy i Isiraely amin’ny fotoana ho avy. … Rehefa tapitra ilay fahitana, dia hoy izy hoe: ‘Ampy izay. Ity no ilay toerana. Mandrosoa.’ Koa nandroso tamin’ilay toby izay efa natsangan’ireo izay tonga nialoha anay aho” (Teaching of Presidents of the Church: Wilford Woodruff [2004], 146).

Nahoana no manan-danja tamin’ny Filoha Brigham Young sy ireo Olomasina ny nandray fanamafisana fa ny Lohasahan’i Salt Lake no toerana tena izy mba hanorenam-ponenana? Nahoana no ho manan-danja aminao ny manana fanomezan-toky fa manao izay tian’ny Tompo atao ianao?

Miezaha mitandrina ireo didy rehetra ary henoy ny fanomezan-toky omen’ny Tompo eo amin’ny fiainanao.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:19–42 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy