Fizarana 31: Andro 2
Ny fivoahan’ny Voahangy Lafo Vidy
Fampidirana
Tamin’ny taona 1851, ny Loholona Franklin D. Richards ,mpikambana iray tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy filohan’ny Misiôna Anglisy dia namoaka fanambarana sy fandikan-teny ary asa soratra maro nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ka niantso izany hoe Voahangy Lafo Vidy, izay nampidirina tao amin’ireo soratra masina nankatoavina taty aoriana. “Ny Voahangy Lafo Vidy dia fantina avy amin’ ireo lahatsoratra notsongaina mikasika ireo lafiny manan-danja maro momba ny finoana sy ny fotopampianaran’ ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ ny Andro Farany” (sasinteny ho an’ny Voahangy Lafo Vidy). Ny andian-teny hoe “voahangy lafo vidy” dia avy tamin’ny iray tamin’ireo fanoharana nataon’i Jesoa Kristy (jereo ny Matio 13:45–46). Tao anatin’izany fanoharana izany dia nivarotra izay rehetra nanany ny mpivarotra iray mba hahazoana voahangy lafo vidy.
Ny fivoahan’ny Voahangy Lafo Vidy
Fantatrao ve ny mahatonga ny voahangy? Teraka ao anatin’ny akorandriaka iray ny voahangy iray rehefa mamaly ny fandratrana ateraky ny zavatra avy aty ivelany, toy ny vongam-pasika iray, ilay akorandriaka. Mamokatra zavatra mba hanodidina ilay vongan-javatra ilay akorandriaka, ka lasa voahangy izany aty aoriana. Ireo voahangy voa-janahary dia sarotra hita ary voasokajy ho sarobidy.
Hianatra momba ny fiandohan’ny voahangy iray hafa—dia ilay boky soratra masina mitondra ny anarana hoe Voahangy Lafo Vidy ianao ato amin’ity lesona ity. Rehefa mandalina ny fomba nivoahan’ity boky ity ianao dia jereo ireo antony sasany mahatonga ny Voahangy Lafo Vidy ho sarobidy ho antsika.
Vakio ny andiam-pehezan-teny voalohany ao amin’ny sasinteny ho an’ny Voahangy Lafo Vidy ka tadiavo izay hita ao anatin’ny Voahangy Lafo Vidy. Ny teny hoe gazetim-piangonana dia milaza ireo gazety na gazetiboky—famoahana izay nozaraina isan’andro na isan-kerinandro na isam-bolana.
Mianatra isika ao anatin’ny andiam-pehezan-teny faharoa fa tamin’ny 1851 dia nanao fampitambarana ireo lahatsoratra avy tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Loholona Franklin D. Richards tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ka namoaka izany ho ny Voahangy Lafo Vidy. Talohan’ny nahatongavan’ireo lahatsoratra ireo ho ampahany ao amin’ireo soratra masina nankatoavina dia tsy maintsy nankatoavin’ny Fiadidiana Voalohany izany ka natolotra ny Fiangonana nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana ho tohanana amin’ny tsangan-tanana. Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny ôktôbra 1880 dia neken’ny Fiangonana ho soratra masina ny Voahangy Lafo Vidy—ho ampahany amin’ireo soratra masina nankatoavina.
Mianatra isika ao amin’ny andiam-pehezan-teny fahatelo fa hatramin’ny fanontana voalohany ny Voahangy Lafo Vidy dia nisy nesorina na nampiana ny tao anatiny. Ny zavatra sasany tao anatin’izany dia nampidirina ary nafindra tao anatin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana taty aoriana.
Vakio ny ambin’ilay sasinteny ary fantaro ny zavatra hita ao anatin’ny Voahangy Lafo Vidy amin’izao fotoana izao.
Ny Bokin’i Mosesy sy ny Joseph Smith—Matio
Ny Bokin’i Mosesy sy ny Joseph Smith—Matio dia ampahany amin’ny Dikantenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith. Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia “fanitsiana na fandikana ny King James Version an’ny Baiboly amin’ny teny Anglisy, izay natomboky ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny Jona 1830. Nodidian’ Andriamanitra izy hanao ny dikanteny ary nihevitra izany ho ampahany amin’ny antso maha-mpaminany azy” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Dikantenin’i Joseph Smith,” scriptures.lds.org). Nambaran’ny Tompo tamin’i Joseph Smith ny lahatsoratra tao amin’ny bokin’i Mosesy rehefa nampiditra zavatra fanampiny, sy fanovana, ary fanesoran-javatra tao amin’ireo toko voalohany maro tao amin’ny Genesisy izy nandritra ny fandikany ny Baiboly. Ny Bokin’i Mosesy dia ahitana ireo fahamarinana sarobidy mikasika ny drafitry ny Ray any An-danitra.
-
Vakio haingankaingana ny bokin’i Mosesy ka mitadiava farafahakeliny andininy iray izay ahitana fahamarinana iray izay raisinao ho sarobidy. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo andinin-tsoratra masina izay nosafidianao ary soraty ny antony maha-manan-danja izany aminao.
Ny Bokin’i Abrahama
Mamerina amin’ny laoniny ireo fahamarinana sarobidy ny bokin’i Abrahama, tahaka ny bokin’i Mosesy. Mampianatra momba ny fiainantsika taolohan’ny nahaterahana izany ary manolotra fahatakarana bebe kokoa mikasika ny fiainana sy ny asa fanompoan’i Abrahama ary ny fanekempihavanana nataon’ny Tompo taminy. Harena ny fananana ny bokin’i Abrahama sy ny mahita ny fomba nanajany an’ Andriamanitra tamin’ny fotoana rehetra sy ny fomba nanajan’ Andriamanitra azy.
Izao manaraka izao no famariparitana ny fomba nahazoan’ny Mpaminany Joseph Smith ireo lahatsoratra fahiny ao amin’ny bokin’i Abrahama: “Tamin’ny 3 jolay 1835 dia nisy lehilahy iray nantsoina hoe Michael Chandler nitondra faty voavoatra tsy ho lo Egyptiana efatra ary papiriosy maron’ireo lahatsorana Egyptiana tao Kirtland, Ohio. Ireo faty maina notehirizina sy ny papiriosy dia hita tany Egypta taona maro taloha tany tamin’ny alalan’i Antonio Lebolo. Iray tamin’ireo toerana nijanonana tany amin’ny faritra atsinanan’i Etazonia tamin’ny fampisehoan’i Chandler ireo faty maina notehirizina i Kirtland. I Chandler dia nivarotra ireo faty maina notehirizina sy ireo horonam-papiriosy ary noho ny famporisihan’ny Mpaminany Joseph Smith dia mpikamban’ny Fiangonana maro no nanao fanomezana mba hividianana azy ireo. Tamin’ny fanambarana natao ny 5 jolay 1835, dia nanambara ny maha-manan-danja ireo soratra Egyptianina ireo i Joseph Smith ka nanoratra hoe: ‘Nanomboka ny fandikana ny sasany tamin’ireo hierôgilifa aho, ary akory ny hafalianay fa ny iray tamin’ireo horonam-papiriosy dia nahitana ny Bokin’i Abrahama. … Afaka milaza marina isika fa manomboka manambara ny fitobahan’ny fiadanana sy ny fahamarinana ny Tompo (History of the Church, 2:236).” (The Pearl of Great Price Student Manual [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2000], 28).
Ny sasany dia nanontany tena hoe ahoana no nandikan’ny Mpaminany ireo soratra fahiny ireo. Tsy nambaran’i Joseph Smith na oviana na oviana ny fomba nandikany ireo rakitsoratra ireo kanefa nadika tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra ireo rakitsoratra ireo. Ny Fiangonana sy ireo manam-pahaizana ary ireo mpahay tantara dia manohy mikatsaka ny hahatakatra bebe kokoa ny loharano niavian’ity boky ity. Tahaka ireo soratra masina hafa rehetra dia ny fandalinana ilay boky ombam-bavaka no fitaovana lehibe indrindra hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny bokin’i Abrahama. Ho fanampim-panazavana dia mandehana ao amin’ny LDS.org, safidio ny Gospel Topics, ary karohy ny hoe book of Abraham.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana no manan-danja ny mahazo tenivavolombelona ara-panahy momba ny fahamarinan’ny bokin’i Abrahama?
Izao manaraka izao dia lisitr’ireo fanontaniana mipetraka matetika miaraka amin’ireo valim-panontaniana momba ny famoahana ny bokin’i Abrahama:
Fanontaniana: Nahoana no nila nandika ireo rakitsoratr’i Abrahama i Joseph Smith na dia tsy tamin’ny andron’i Abrahama aza no nanaovana ireo sora-tanana ireo?
Valiny: Nilaza ny Mpaminany Joseph Smith fa ny bokin’i Abrahama dia “fandikana ny sasany tamin’ireo Rakitsoratra fahiny izay tonga teto am-pelatanantsika tamin’ny fomba mahagaga, avy tany amin’ireo Catecombs an’i Egypta, izay mitonona ho rakitsoratr’i Abrahama, raha mbola tany Egypta izy” (Times and Seasons, Mar. 1, 1842, 704).
Tamin’ny 1966 dia hita tao amin’ny Metropolitan Museum of Art (Tranom-bakoka momba ny taozavatra) ao New York City ny silaka papiriosy 11 izay nananan’ny Mpaminany Joseph Smith taloha. Ireo papiriosy ireo dia ahitana rakitsoratra Egytiana tena izy, saingy tsy tamin’ny andron’i Abrahama ireo, ary tsy nahitana ny fitantarana nosoratan’i Abrahama tanana mivantana. Manan-danja ny mahatsiaro fa silaka papiriosy vitsy fotsiny fa tsy ny papiriosy rehetra izay nananan’i Joseph Smith no hita. Mety tsy nadika avy tamin’ireo papiriosy izay tsy hita ny bokin’i Abrahama. Mety ho nahitana ny tahadikan’ireo rakitsoratr’i Abrahama ireo papiriosy very.
Amin’izao fotoana izao dia tsy fantatsika tsotra izao ny tena endriky ny fifandraisana teo amin’ny bokin’i Abrahama sy ny papiriosy nananan’i Joseph Smith. Misy fiheverana maro naroso ny amin’ny fomba nandikan’ny mpaminany ireo rakitsoratra ireo, saingy tsy fantatsika tsotra izao ny antsipirihan’izany. Fantatsika fa nandika ny bokin’i Abrahama tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra ny Mpaminany Joseph Smith.
Fanontaniana: Inona no nataon’i Joseph Smith tamin’ny dikanteniny?
Valiny: “Ny bokin’i Abrahama tany am-piandohana dia navoaka nisesisesy tao amin’ny Times and Seasons, izay gazetin’ny Fiangonana, nanomboka tamin’ny martsa 1842 tao Nauvoo, Illinois [jereo ny sasinteny ho an’ny Voahangy Lafo Vidy]. Nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith fa hamoaka bebe kokoa ny amin’ny bokin’i Abrahama izy ao aoriana, kanefa novonoina maritiora izay mialoha ny nahafahany nanao izany. Mikasika ny mety hahalava ny dikanteny feno, dia nilaza i Oliver Cowdery indray andro fa ‘boky’ no ilaina vao hahafeno azy (jereo ny Messenger and advocate, des. 1835, 236)
“Ankoatra ny soratra hiérogliphes dia nahitana sary natao tanana ihany koa ilay rakitsoratra. Ny 23 febroary 1842, ny Mpaminany Joseph Smith dia nangataka an’i Reuben Hedlock, olona matihanina amin’ny sary sokitra no sady mpikamban’ny Fiangonana, mba hisokitra sary avy amin’ny telo amin’ireo sary ireo mba hahafahana mamoaka printy izany. Vitan’i Hedlock tao anatin’ny herinandro ny sokitra ary i Joseph Smith dia namoaka tahadikan’izany tao amin’i Bokin’i Abrahama. Ny fanazavan’i Joseph Smith mikasika ireo sary ireo dia miaraka amin’ireo tahadika” (The Pearl of Great Price Student Manual, 28–29).
Fanontaniana: Inona no nitranga tamin’ireo faty voavoatra tsy ho lo sy ireo papiriosy?
Valiny: “Taorian’ny nahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith dia lasa fananan’i Lucy Mack Smith, izay reny nananotenan’i Joseph ireo faty efatra voavoatra tsy ho lo sy ireo papiriosy. Rehefa nodimandry i Lucy tamin’ny 1856, dia namidin’i Emma Smith, vadin’ny Mpaminany tamin’Andriamatoa A. Combs ireo amboaran-javatra ireo. Fiheverana maro no naroso mikasika ny zavatra nitranga nisesisesy tamin’ireo faty voavoatra tsy ho lo sy ireo papiriosy. Toa hoe faty maina notehirizina roa farafahakeliny no may tamin’ny afo lehibe tao Chicago tamin’ny 1871 (jereo ny B. H. Roberts, New Witnesses for God, 3 vols. [1909–11], 2:380–382).
“Tany amin’ny fiandohan’ny lohataonan’ny 1966 dia nahita silak’ireo papiriosy nisy ny bokin’i Abrahama ny Dr. Aziz S. Atiya, profesora iray tao amin’ny Oniversiten’i Utah, rehefa nanao fikarohana tao amin’ny Metropolitan Museum of Art (Tronom-bakoka momba ny taozavatra) tao New York City. Ireo ampahany ireo dia nasehon’ny talen’ny tranom-bakoka an’ny Fiangonana ny 27 nôvambra 1967. Tsy fantatra ny toerana misy ireo faty voavoatra tsy ho lo hafa sy ireo ampahana papiriosy hafa amin’izao fotoana izao (jereo ny H. Donl Peterson, “Some Joseph Smith Papyri Rediscovered (1967)” ao amin’ny Studies in Scripture, boky faharoa, 183–85)” (The Pearl of Great Price Student Manual, 29).
Ankoatra ny fampianarana ny Fotopampianarana sy ireo fitsipika manan-danja dia porofo ny Voahangy Lafo Vidy fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Amin’ny fomba ahoana avy araka ny eritreritrao no porofon’ny antson’i Joseph Smith amin’ny maha-mpaminanin’ Andriamanitra azy ny Voahangy Lafo Vidy?
Ny Fanekem-pinoana
Namoaka taratasy iray izay nosoratany ho an’i John Wentworth, izay mamokatra ny gazety ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 1 martsa 1842 ka nanazava ny tantara sy ireo finoan’ny Fiangonana. Izany dia fantatry ny olona amin’ny hoe ilay Taratasy ho an’i Wentworth. Ao anatin’io i Joseph dia nanambara fitsipiky ny filazantsara fototra miisa 13. Ireo finoana ireo dia nampidirina tao amin’ny Voahangy Lafo Vidy ho toy ny hoe Fanekem-pinoana. Na dia tsy fanambarana mikasika ny finoantsika rehetra aza izany dia Fotopampianarana sy fitsipika manan-danja.
Tadiavo ary vakio ireo Fanekem-pinoana ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy.
-
Misafidiana fanekem-pinoana roa. Vitao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo asa ampanaovina manaraka ireto ho an’ny tsirairay amin’izany:
-
Soraty amin’ny teninao manokana ny Fotopampianarana sy fitsipika izay ampianarin’ilay fanekem-pinoana.
-
Mitadiava soratra masina iray izay manohana na manazava ilay Fotopampianarana sy fitsipika ao anatin’ilay fanekem-pinoana. Soraty ireo hevi-baovao izay ampian’ilay soratra masina amin’ny fahatakaranao momba izany Fotopampianarana sy fitsipika izany.
-
Tanisao ny fomba iray izay mety hitondrana fitahiana eo amin’ny fiainan’ny olona iray rehefa mahatakatra sy mino izany fanekem-pinoana izany izy.
-
Ny Loholona L. Tom Perry tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka mikasika ny fomba ny ahafahan’ny zoan’ny mpikamban’ny Fiangonana mahazo fanampiana manokana rehefa mahay tsara ireo Fanekem-pinoana:
“Tonga tamin’ny fehin-teny aho fa raha toa ka Nandalina ny voatoatin’ny Fanekem-pinoana tsirairay aho dia afaka nanazava sy niaro ny fitsipiky ny filazantsara tsirairay izay mety hananako fahafahana ny manazava izany amin’ny olona iray izay mitady ny fahamarinana naverina tamin’ny laoniny.
“Fitahiana lehibe raha toa ka mahay tsianjery ny Fanekem-pinoana ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay ka manjary mahafantatra momba ireo fitsipika ao anatin’ny tsirairay amin’izany. Ho niomana kokoa hizara ny filazantsara amin’ny hafa isika. …
“Tsy asan’ny ekipan’ireo manam-pahaizana ny Fanekem-pinoana fa nosoratan’ny lehilahy tokana, nentanim-panahy izay nanambara tamin’ny fomba takatry ny saina sy azo heverina tsara ireo Fotopampianarana manan-danja ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ahitana fanambarana mivantana sy tsotra momba ireo fitsipiky ny fivavahantsika izy ireo, ary porofo matanjaky ny fanentanam-panahy avy amin’ Andriamanitra izay teo amin’ny Mpaminany Joseph Smith” (“The Articles of Faith,” Ensign, May 1998, 23–24).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ahoana no manampy amin’ny fanazavana sy fampianarana ny filazantsara ireo fanambarana mivantana sy tsotra momba ny fitsipika?
-
Soraty ny momba ny zavatra niainana iray rehefa nanampy anao hanazava ny filazantsara tamin’ny olona iray ny Fanekem-pinoana na ireo fahamarinana ao anatin’izy ireny. Raha toa ka tsy mbola niaina zavatra toy izany ianao dia tanisao ireo fanontaniana mety apetraky ny hafa momba ny fivavahantsika ka azo valiana amin’ny alalan’ny Fanekem-pinoana.
-
Azonao atao ny mametraka tanjona mba handalina sy hanao tsianjery ireo Fanekem-pinoana. Ny fanaovana izany dia hampitombo ny fahafahanao manazava ireo fitsipiky ny filazantsara.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny lesona momba “Ny fivoahan’ny Voahangy Lafo Vidy” ary nahavita izany ny (daty).
Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: