Seminera
Fizarana 31: Andro 4, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138


Fizarana 31: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138

Fampidirana

Nahita ny fahitana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 ny Filoha Joseph F. Smith tamin’ny 3 ôktôbra 1918. Nahita ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty izay nanao asa fanompoana tamin’ireo fanahy marina miandry ny fanafahana azy ireo amin’ny famatoran’ny fahafatesana izy tao anatin’izany fahitana izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–11

Ny Filoha Joseph F. Smith dia nandalina ireo soratra masina sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Manana olon-tiana izay nodimandry ve ianao na mahafantatra namana iray izay manana olon-tiana nodimandry? Rehefa maty ny olona iray dia misaraka ny fanahy sy ny vatana, ary mandeha any amin’ny tontolon’ny fanahy ny fanahiny. Ahoana no fiheveranao izany hoe tontolon’ny fanahy izany?

Sary
Filoha Joseph F. Smith

Filoha Joseph F. Smith

Nahazo fanambarana iray momba ny tontolon’ny fanahy ny Filoha Joseph F. Smith, filoha fahenina an’ny Fiangonana. Vakio ny fampidirana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138, ka tadiavo ny zavatra niainan’ny Filoha Smith nandritra ireo volana nialoha ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny ôktôbra 1918.

Nisaona ny fahafatesan’i Hyrum Mack Smith zanany lahy, , izay mpikambana azy tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ny Filoha Joseph F. Smith nandritra ireo volana ireo. Maty vao haingana tamin’izany taona izany i Hyrum Mack Smith rehefa vaky kambontsinay tamin’ny faha-45 taonany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:1–4, ka tadiavo ilay Fotopampianarana izay nosaintsainin’ny Filoha Joseph F. Smith tamin’ny 3 ôktôbra 1918.

Mianatra isika ao amin’ny andininy 4 fa azo vonjena amin’ny alalan’ny Sorompanavotana sy amin’ny fankatoavana ny fitsipiky ny filazantsara ny olombelona.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:5, ka tadiavo ny zavatra niainanan’ny Filoha Smith rehefa nisaintsaina ny Sorompanavotana izy.

Efa nisy fotoana ve ka nisy soratra masina tonga tao an-tsainao ianao rehefa nisaintsaina ny lafin-javatra iray ao amin’ny filazantsara ianao? Hahita ianao fa afaka mitondra izany ao an-tsainao ny Fanahy Masina rehefa ilaina izany amin’ny alalan’ny fanohizana mandalina ny tenin’ Andriamanitra sy fifehezana ireo andinin-tsoratra masina manan-danja.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:6–10, ka tadiavo ireo fampianarana izay nanaitra ny Filoha Smith.

Nanokatra ny soratra masiny ny Filoha Smith ka namaky ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny 1 Petera 3 ary 4. Nanazava i Petera ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa nitsidika ny tontolon’ny fanahy i Jesoa Kristy taorian’ny nahafatesany. Nampianatra ny filazantsara tao amin’ny tontolon’ny fanahy ny Mpamonjy mba hahafahan’ny olona rehetra hotsaraina araka ny rariny.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:11, ka tadiavo izay hitan’ny Filoha Smith rehefa nisaintsaina ny soratra masina izy.

Mialoha ny hianaranao momba ny fahitana ny tontolon’ny fanahy nananan’ny Filoha Smith dia diniho ny dingan’ny fanambarana izay nofariparitany: Rehefa nisaintsaina ny soratra masina izy dia nieritreritra momba ny fotopampianaran’ny Sorompanavotana sy ny fitiavana izay noporofoin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny fahatoganvan’ny Mpamponjy teto amin’izao tontolo izao. Ireo eritreritra ireo dia nahatonga ny tenin’i Petera tao an-tsainy. Avy eo, rehefa namaky sy nisaintsaina indray ny tenin’i Petera izy, dia “nosokafana ny masom-pahatakarany” (F&F 138:11), nitoetra teo aminy ny Fanahy Masina ary hitany ny tontolon’ny fanahy. Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ity tantara ity ny hoe manomana ny tenantsika mba handray fanambarana isika rehefa mamaky sy misaintsaina ny soratra masina.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no manampy amin’ny fanasana ny fanambarana ny famakiana sy fisaintsaina ny soratra masina?

    2. Fariparito ny zavatra niainanao rehefa nanaraka izany lamina izany ianao tao anatin’ny fandalinanao ny soratra masina. Ahoana no nanovan’ny fanarahana izany lamina izany ny fomba fandalinanao ny soratra masina?

Namariparitra ny fomba tokony handalinantsika ny soratra masina ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Eo am-pamakianao ny famaritana nataony dia asio marika ireo hevitra izay azonao ampiharina rehefa mandalina ny soratra masina ianao.

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Rehefa miteny aho hoe ‘mandalina,’ dia zavatra mihoatra noho ny mamaky no tiako holazaina. … Indraindray dia azoko sary an-tsaina ianareo mamaky andininy vitsivitsy, miato mba handinika izany, mamaky tsara indray ireo andininy, sy rehefa mieritreritra momba ny hevitra tian’izy ireo ambara ianareo, mivavaka mba hahatakatra izany, mametra-panontaniana ao an-tsainareo, miandry hevitra avy amin’ny fitaomam-panahy, ary manoratra ireo hevitra sy fahatakarana izay tonga ireo mba hahafahanareo mitadidy sy mianatra bebe kokoa” (“When Thou Art Converted,” Ensign na Liahona, mey 2004, 11).

Mametraha tanjona mba hamaky sy hisaintsaina ny soratra masina amin’ny fomba nofariparitan’ny Loholona Christofferson amin’ity herinandro.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:12–24, 38–50

I Joseph F. Smith dia nahita ireo olo-marina nodimandry eo am-piandrasana ny fitsanganan’izy ireo amin’ny maty

Inona no trangan-javatra ho avy izay andrasanao indrindra? Nahoana ianao no tsindrin-daona ny amin’izany?

Rehefa nahita ny tontolon’ny fanahy tao anatin’ny fahitana ny Filoha Joseph F. Smith dia nahita andiana fanahy marobe nangonina miaraka izy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:12–13, ka tadiavo hoe karazana fanahy manahoana no nangonina. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:38–49, ka tadiavo ny anaran’ny sasany tamin’ireo olona tsirairay izay nivory tao amin’io fivoriana io.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:15–16, 50. Karazana fahafahana inona no nandrasan’ireto fanahy marina ireto? Saintsaino vetivety ny antony maha-toy ny fanafahana iray ny fikambanan’ny fanahy sy ny vatana ho an’ireo fanahy marina ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:17 mba hahitana ireo fitahiana izay azon’ireo olo-marina rehefa mikambana indray ny fanahiny sy ny vatany.

Mianatra ireto Fotopampianarana manaraka ireto isika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:16–17: Hohafahana amin’ny famatoran’ny fahafatesana isika amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Afaka mahazo ny fahafenoan’ny fifaliana isika amin’ny alalan’ny fitsanganana amin’ny maty.

Rehefa mandalina izao fanambarana manaraka nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izao ianao dia tadiavo ny antony maha-manan-danja ny vatantsika mba hahazoana ny fahafenoan’ny fifaliana:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Ny vatantsika dia manome fahafahana hahazo traikefa lalina sy mahery vaika, izay tsy afaka ny ho azo mihitsy nandritra ny fisiantsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Noho izany, ny fifandraisantsika amin’ny olona hafa, ny hery ananantsika ny hanaiky sy hanao zavatra mifanaraka amin’ny fahamarinana, ary ny fahafahatsika mankatò ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mihamafy amin’ny alalan’ny vatantsika. …

“Ny drafitry ny Ray dia natao mba hanome torolalana ho an’ireo zanany, mba hanampiana azy ireo ho faly, ary hitondrana azy ireo hiverina soa aman-tsara any Aminy miaraka amin’ny vatana nitsangana tamin’ny maty sy nasandratra” (“Mino isika fa tokony ho Madio Fitondrantena,” Ensign na Liahona, mey 2013, 41, 43).

Eritrereto vetivety izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana no mila vatana isika mba hahazoana ny fahafenoan’ny fifaliana?

Ny fahafenoan’ny fifaliana dia ilay karazana fifalina iainan’ny Ray any An-danitra. Ny Ray any An-danitra dia manana vatana nofo sy taolana (jereo ny F&F 130:22). Rehefa misaraka ny vatantsika sy ny fanahintsika, dia tsy mitovy Aminy isika ka tsy afaka handray ny fahafenoan’ny fifaliana (jereo ny F&F 93:33–34). Rehefa tonga tahaka Azy isika dia afaka miaina ireo fitahiana sy ny fiadanana ary ny fifaliana izay iainany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:51–52, ka tadiavo ireo andian-teny fanampiny izay mamaritra ny zavatra avelan’ny fitsanganana amin’ny maty ataon’ireo fanahy marina. Asio marika ny zavatra hitanao.

  1. Alao sary an-tsaina hoe mangataka anao mba hanazava ny antony maha-manan-danja ny fitsangana amin’ny maty ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny namanao iray. Manorata fanazavana iray ho an’ilay namanao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ka ampiasao izay nianaranao hatreto tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 sy ny teny nambaran’ny Loholona Bednar.

Ireo fanahy marina tao amin’ny tontolon’ny fanahy dia niandry ny “fiaviana,” na ny fahatongavan’ny zanak’Andriamantira mba hanafaka azy ireo sy hamerina azy ireo amin’ny “endriny tanteraka” (F&F 138:16–17). Alao sary an-tsaina izay zavatra nitranga teto ambonin’ny tany rehefa nangonina ireo fanahy marina ireo. Nijaly tao Getsemane sy teo ambony hazofijaliana i Jesoa Kristy. Niandry ny fanafahana azy ireo amin’ny fahafatesana nandritra ny arivotaona maro ny sasany tamin’ireo fanahy marina tao amin’ny tontolon’ny fanahy ireo. Nanolotra fanavotana tamin’ny fahafatesana ara-batana ho azy ireo ny sorona nataon’i Jesoa Kristy, ary ho an’ny olona rehetra taty aoriana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:18–24, ka alao sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana ilay tranga voafariparitra ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no mety ho noeritreretinao na tsapanao raha toa ka teo ianao mba haheno ny Mpamonjy nitory tao amin’ny tontolon’ny fanahy?

    2. Inona no fihetsika mety ho nasehonao ny Mpamonjy, izay vao nanatontosa ny Sorompanavotana ho anao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:25–37

Nianatra ny fomba fitoriana ny filazantsara tany amin’ny tontolon’ny fanahy i Joseph F. Smith

Mety ho tsikaritrao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:20–22 fa nisy fanahy sasany tsy afaka nahita ny Mpamonjy rehefa nitsidika ny tontolon’ny fanahy Izy. Rehefa nisaintsaina ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny 1 Petera ny Filoha Joseph F. Smith dia nambaran’ny Tompo taminy ny fomba hahazoan’ireo olona ao amin’ny tranomaizina ny fahafahana hahazo ireo fitahian’ny filazantsara. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:29–31, ka tadiavo ny fomba hahazoan’ireo fanahy ao amin’ny tranomaizina fahalalana momba ny filazantsara. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

  1. Ampiasao izay nianaranao tao amin’ny andininy 29–31 mba hanoratana fanazavana fohy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina mikasika ny fomba ampianarana ny filazantsara any amin’ny tontolon’ny fanahy.

Nanoratra ny Filoha Joseph F. Smith ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:32–37 fa nahita ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay nampianarina tamin’ny karazana fanahy roa tao amin’ny tranomaizina izy: ireo izay maty tsy nanana fahalalana momba ny filazantsara sy ireo izay nandà ireo mpaminany tamin’ny fiainany an-tany. Ireo fanahy ireo, izay tao amin’ny tranomaizin’ny fanahy dia hahazo fahafahana hibebaka sy hanaiky ny filazantsara avokoa amin’ny alalan’ireo fampianaran’ireo mpitondra hafatra nofinidin’ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:53–60

Ny Filoha Smith dia nahita ireo fanahy lehibe sy mahery izay hitory ny filazantsara any amin’ny tranomaizin’ny fanahy.

Eritrereto ireo olo-marina tao amin’ny fianakavianao na ireo razambenao izay nodimandry. Efa nanontany tena mikasika ny zavatra ataon’izy ireo ao amin’ny tontolon’ny fanahy ve ianao?

Tao anatin’ilay fahitana dia nahita an’i Hyrum Smith rainy sy i Joseph Smith dadatoany ary ireo fanahy nofinidy hafa ny Filoha Joseph F. Smith. Nandray anjara tamin’ny asan’ny Tompo nandritra ny fiainana teto an-tany ireo fanahy lehibe rehetra ireo. Nomanina mialoha ny nahaterahany izy ireo sy ny maro hafa mba hanatanteraka zavatra lehibe eto an-tany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:57, ka tadiavo ny zavatra mbola hataon’ireo loholona mahatoky hatrany aorian’ny fahafatesan’izy ireo. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Sary
Filoha Joseph F. Smith

Nanazava ihany koa ny Filoha Joseph F. Smith fa tsy voafetra ho an’ireo mpihazona ny fisoronana Melkizedeka fotsiny ny asa any amin’ny tontolon’ny fanahy: “Ireo rahavavy izay natokana sy notendrena tamin’ny asa ary nantsoina ho amin’izany, … dia hahazo lalana tanteraka sy omena fahefana hitory ny filazantsara” (Gospel Doctrine, ed. faha 5 [1939], 461).

Anisan’ireo fahamarinana ianarantsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:57 sy ny teny nolazain’ny Filoha Smith ny hoe aorian’ny fialana amin’ny fiainana an-tany dia hanohy ny asan’izy ireo amin’ny fitoriana ny filazantsara ireo Olomasina mahatoky.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:60, ka tadiavo ny fijoroana ho vavolombelona nananan’ny Filoha Joseph F. Smith momba ireo fahamarinana izay noraketiny.

Fitahiana mahafinaritra ny mahafantatra fa ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra dia hahazo fahafahana hanaiky sy hiaina ny filazantsara. Ny asa ataontsika any amin’ny tempoly ho an’ireo maty dia manome azy ireo fahafahana ho voadio amin’ny fahotany, ho voavotra ao amin’ny tranomaizina ary handray anjara amin’ilay asa fanavotana lehibe ao amin’ny tontolon’ny fanahy.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy