Seminera
Fizarana 6: Andro 4, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21–23


Fizarana 6: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21–23

Fampidirana

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia naorina tamin’ny fomba ôfisialy tamin’ny 6 Aprily 1830. Teo amin’ny olona 60 eo ho eo no nanatrika ny fotoam-pivavahana voalohany. Vavaka, fanohanana, fanendrena, fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo ary fandraisana ho mpikambana no natao tamin’ilay fivoriana. Nandritra io fivoriana io ny Mpaminany Joseph Smith dia naharay ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21 ankehitriny. Andro vitsy taty aoriana dia nohazavain’ny Tompo fa ny batisa dia tsy maintsy tanterahan’ireo izay manana ny fahefan’ny fisoroanana mety amin’izany (jereo ny F&F 22). Nanome torohevitra manokana ho an’ny olona dimy izay naniry ny hahafantatra ny andraikiny ihany koa Izy (jereo ny F&F 23).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21

Notondroin’ny Tompo i Joseph Smith ho mpaminany voalohany sy mpahita ao amin’ny Fiangonanan’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny.

Henoy na vakio ny tonon’ny fihirana “Misaotra Anao noho ny Mpaminany” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 72). Inona ireo antony vitsivitsy ahatsapanao fankasitrahana amin’ Andriamanitra noho ny mpaminany? Rehefa mandalina ny lesona atao androany ianao, dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka mampitombo ny fankasitrahanao noho ireo mpaminany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1, ka tadiavo ireo anarana samihafa hahafantarana an’i Joseph Smith. Azonao atao ny manisy marika izany ao amin’ny soratra masinao na manoratra izany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

Ny Loholona John A. Widtsoe tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny hevitry ny anarana hoe “mpaminany” amin’ny ankapobeny sy ny anarana fiantsoana hafa voafono ao anatin’izany:

Sary
Loholona John A. Widtsoe

“Ny mpaminany dia mpampianatra. Izany no tena dikan’io teny io. Mampianatra ny fahamarinana fototra izy, ny filazantsara, izay nampahafantarin’ny Tompo ny olona; ary manazava izany ao anatin’ny fitaomam-panahy izy mba ho azon’ny olona izany. …

“Raha raisina amin’ilay heviny hoe ny mpaminany dia lehilahy mahazo fanambarana avy amin’ny Tompo, ireo anarana hoe ‘mpahita sy mpanambara’ dia zara raha manamafy ny hevitr’ilay anarana fiantsoana hoe ‘mpaminany’ amin’ny ankapobeny. …

“Ny mpahita dia olona iray izay mahita amin’ny maso ara-panahy. Mahatakatra ny hevitry ny zavatra izay toa maizina amin’ny hafa izy; noho izany dia mpandika sy mpanazava ny fahamarinana mandrakizay izy. Mahita mialoha ny hoavy izy raha miainga avy any amin’ny lasa sy ny ankehitriny. Amin’ny herin’ny Tompo no anaovany izany, izay miasa amin’ny alalany amin’ny fomba mivantana, na amin’ny fomba ankolaka amin’ny alalan’ny fanampian’ny fitaovana masina toy ny Orima sy Tomima. Raha fintinina dia olona iray izay mahita izy, izay mandeha amin’ny fahazavan’ny Tompo miaraka amin’ny maso mahiratra. [Jereo ny Môsià 8:15–17].

“Ny mpanambara dia mampahafantatra, miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo, ny zavatra iray izay tsy fantatra teo aloha. Mety ho fahamarinana vaovao izany na adino, na fomba vaovao na adino hampiharana fahamarinana efa fantatra, ka ilain’ny olona. …

“Raha fintinina: ny mpaminany dia mpampianatra ny fahamarinana efa fantatra, ny mpahita dia olona mahatakatra ny fahamarinana miafina, ary ny mpanambara dia mpitondra fahamarinana vaovao. Amin’ny ankapobeny, ilay fampiasan’ny besinimaro indrindra, ilay anarana fiantsoana hoe mpaminany dia mahafaoka ireo anarana fiantsoana hafa ka mahatonga ilay mpaminany ho mpampianatra, sy mpanakatra, ary mpitondra ny fahamarinana” (Evidences and Reconciliations, narindran’i G. Homer Durham, 3 vols. in 1 [1960], 257–58).

Ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, dia mianatra isika fa ny mpaminany dia “olona izay nantsoin’ Andriamanitra sy miteny ho Azy. Mandray didy, faminaniana ary fanambarana avy amin’ Andriamanitra ny mpaminany amin’ny maha-mpitondra hafatr’ Andriamanitra azy. Ny andraikiny dia ny mampahafantatra amin’ny olona ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny tena toetran’ Andriamanitra ary koa ny maneho ny hevitry ny fifandraisany amin’izy ireo. Miampanga ny fahotana ny mpaminany ary manambara mialoha ny vokatra aterany. Mpitory fahamarinana izy. Indraindray dia entanim-panahy ny mpaminany hanambara mialoha ny hoavy, mba ho tombontsoan’ny olombelona. Kanefa ny andraikiny voalohany dia ny mijoro ho vavolombelon’i Kristy” (“Mpaminany,” scriptures.lds.org).

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana ireo anarana nomena an’i Joseph Smith ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:1 no manampy anao hahatakatra ny maha zava-dehibe ny anjara asany sy ireo andraikitra samihafa nosahaniny amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ety an-tany?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:2–3, ka tadiavo ireo teny na andian-teny izay milaza fa nanome fanentanam-panahy an’i Joseph Smith Andriamanitra mba hamerina amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manisy marika ireo andian-teny ireo ao amin’ny soratra masinao.

  1. Hazavao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony hieritreretanao fa manan-danja ny fahafantarana fa i Joseph Smith dia nantsoin’ Andriamanitra hamerina amin’ny laoniny sy hitarika ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–5, ka tadiavo ny hafatra iray manan-danja izay nambaran’ny Tompo momba ilay andro nanorenana ny Fiangonana.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana no mety mitaky “faharetana sy finoana” indraindray ny mihaino ny tenin’ny mpaminany?

Sary
Ny filoha Wilford Woodruff

Ny Filoha Wilford Woodruff dia nanome toky fa afaka mino ny mpaminanin’ny Tompo foana isika: “Tsy hamela ahy na lehilahy hafa izay mijoro ho Filohan’ny Fiangonana hitarika anareo amin’ny fahaverezana ny Tompo na oviana na oviana. Tsy ao anatin’ny fandaharam-potoana izany. Tsy ao an-tsain’ Andriamanitra izany. Raha toa aho ka te hanao izany, dia hoesorin’ny Tompo eo amin’ny toerako” (Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff [2004], 199).

Sary
Filoha Joseph F. Smith

Nanao fijoroana ho vavolombelona mitovitovy amin’izany ny Filoha Joseph F. Smith: “Raha lasa tsy mahatoky [ny Filohan’ny Fiangonana], dia hoesorin’ Andriamanitra amin’ny toerany izy. Mijoro ho vavolombelona aho amin’ny anaran’Andriamanitr’i Isiraely fa tsy ho zakany raha ny lohan’ny Fiangonana, izay nofinidiny hijoro ho mpitarika, no handika ny lalàny sy hihemotra; ny fotoana izay handraisany lalana izay hitarika azy ho amin’izany, dia esorin’ Andriamanitra izy. Nahoana? Satria ny mamela lehilahy ratsy fanahy eo amin’io toerana io dia tahaka ny mamela ny loharano ho voaloto, izay zavatra tsy havelany hitranga mihitsy” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph F. Smith [1998], 227).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:6, ary tanisao ao amin’ny soratra masinao ireo fitahiana telo izay omena ireo izay mandray ny tenin’ny mpaminany amin’ny faharetana sy finoana.

Ahoana no hamintinanao ireo fampanantenana nomena ireo izay mihaino ny tenin’ny mpaminany? (Fomba iray hilazana io fitsipika io izao manaraka izao: Raha mihaino ny tenin’ny mpaminany isika, dia ho voaro amin’ny fahavalo.)

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny momba ny fotoana iray izay nahazoanao na nahazoan’ny olona fantatrao fitahiana noho ny fihainoana ny torohevitra sy ny tenin’ireo mpaminany velona. Azo ampidirina ao anatin’izany ny fanarahana ny torohevitra nomena tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana sy ny bokikely Jeunes, soyez forts.

Sary
Filoha James E. Faust

Ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia niresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fanohanana ny mpaminany velona: “Tsy mino aho fa ireo mpikamban’ity Fiangonana ity dia afaka hifanaraka tanteraka amin’ny Mpamonjy raha tsy manohana ny Mpaminaniny velona ety an-tany, dia ny Filohan’ny Fiangonana. Raha tsy manohana ny mpaminany velona isika, na iza izy na iza, dia maty ara-panahy isika. Somary mampihomehy fa efa maty ara-panahy ny sasany noho ny fanarahana ireo mpaminany izay maty efa ela fotsiny ihany. Ny hafa dia tsy manohana ny mpaminany velona, fa miezaka ny hanandratra ny tenany amin’ny fanambaniana ny mpaminany velona, na dia amin’ny fomba tsy hita mibaribary aza” (“Continuing Revelation,” Ensign, aog. 1996, 5).

Saintsaino ny zavatra tokony hataonao mba hitakiana ireo fitahiana nampanantenaina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:6.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22

Nambaran’ny Tompo fa ny batisa dia tsy maintsy tanterahana amin’ny alalan’ny fahefana ilaina amin’izany

Nisy olona sasantsasany naniry ny hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny volana Aprily 1830 izay efa vita batisa tany amin’ny fiangonana hafa ary nanontany tena hoe mila hatao batisa indray ve izy ireo (jereo ny fampidirana ny F&F 22). Nangataka tamin’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith momba ny tokony hanaovana batisa azy ireo indray na tsia. Ao amin’ny valin-tenin’ny Tompo, dia miresaka Izy momba ny tanjona manan-danja iray nanaovana ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara sy ny Fiangonana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22. Inona no nolazain’ny Tompo momba ny antony ilàna ny batisa atao amin’ny fahefana mety amin’izany?

Ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22:1, dia niresaka momba ny “fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay.” Asio marika ao amin’ity fanazavana manaraka ity izay teny mety hanampy anao hahatakatra ny dikan’izany andian-teny izany:

Ilay fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay dia “ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (F&F 66:2). Vaovao izy isaky ny ampahafantarina indray aorian’ny fotoana iray nisian’ny apôstazia. Maharitra mandrakizay izy noho izy fanekempihavanan’ Andriamanitra sady nisy tamin’ny fotoampitantanan’ny filazantsara rehetra isaky ny nanaiky handray azy ny olona. Nambaran’i Jesoa Kristy indray tamin’ny olona eto an-tany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay. Mirakitra ôrdônansy masina izay tanterahin’ny fahefan’ny fisoroanana izy—ka isan’izany ny batisa sy ny fanambadiana any amin’ny tempoly—izay manome ny olona famonjena, tsy fahafatesana, ary ny fiainana mandrakizay” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina , “Fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay,” scriptures.lds.org).

Rehefa mahatakatra ireo fahamarinana momba ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay ireo isika dia mazava fa ny batisa dia tsy maintsy tanterahin’ny olona iray manana ny fahefana avy any amin’ Andriamanitra. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 22:2–4, ary mitadiava andian-teny izay milaza fa ny Tompo dia tsy manaiky ireo batisa tsy natao tamin’ny fahefan’ny fisoronana mety amin’izany. Mety hanampy anao ny mahafantatra fa ao amin’ny andininy 2 dia fidirana amin’ny “vavahady ety” no nentin’ny Tompo nilaza ny ôrdônansin’ny batisa (jereo ny 2 Nefia 31:17).

  1. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manana ny fahefan’ny fisoronana ilaina mba hanatanterahana ireo ôrdônansy manan-danja toy ny batisa. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Ahoana no nahazoanao fitahiana noho ny maha mpikambana anao ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23

Nantsoina ny mpianatra dimy mba hampatanjaka ny Fiangonana

Asio marika ireto anarana manaraka ireo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23: Oliver, Hyrum, Samuel, Joseph, ary Joseph Knight. Vakio ny fampidirana ilay fizarana mba hianaranao ny zavatra nirian’ireo lehilahy ireo tamin’ny Tompo.

Voalohany dia niresaka tamin’i Oliver Cowdery ny Tompo. I Oliver dia nitondra fanampiana betsaka ho an’ny Mpaminany Joseph Smith nandritra ireo zava-nitranga voalohany tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny anisan’izany ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna sy ny fanorenana ny Fiangonana. Nanana fanomezam-pahasoavana maro sy faniriana maro izy. Nantsoina ho loholona faharoa ao amin’ny Fiangonana izy (jereo ny F&F 20:3) ary notendrena niaraka tamin’i David Whitmer mba hanampy amin’ny fisafidianana ny Apôstôly Roambinifolo. Indrisy anefa, fa navelan’i Oliver hitarika azy amin’ny fieboeboana ny ankamaroan’ireo tombon-tsoa tany aloha ireo, ary nisy fotoana izy niala tamin’ny Fiangonana. Tamin’ny farany dia nanaiky ny hadisoany izy ary naverina natao batisa indray.

  1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23:1–2, ary tadiavo ny fampitandremana nomen’ny Tompo an’i Oliver Cowdery. Avy eo dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no hitondran’ny fiavonavonana mankany amin’ny fakampanahy?

    2. Araka ny hevitrao, inona ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika miala amin’ireo fahatsapana fieboeboana izay hitarika antsika ho amin’ny fakampanahy?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23:3–5, ka tadiavo ireo zavatra mitovy ao amin’ny torolalana nomen’ny Tompo an’i Hyrum Smith, Samuel Smith, ary Joseph Smith Rainy.

Ilay antso mba hanao fanentanana sy fampaherezana dia entina milaza ny andraikitra hampianatra ny filazantsara amin’ny hafa. Jereo ny fomba nanatanterahan’i Hyrum sy i Samuel ary i Joseph Smith rainy an’io andraikitra io rehefa mamaky ity fampahafantarana manaraka momba azy ireo ity ianao:

Nanampy tamin’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna i Hyrum Smith tamin’ny fiasana mivantana niaraka tamin’ilay mpanonta printy. Natao batisa tamin’ny volana Jona 1829 izy, fotoana fohy taorian’ny namerenana tamin’ny laoniny ny fisoronana. Nanompo tamin’ny naha filohan’ny sampana voalohany an’ny Fiangonana tao Colesville, New York izy. Fantatr’olona amin’ny fanetrentenany sy ny fahatokiany i Hyrum, ary nijanona ho mahatoky tamin’ny Tompo sy ny Fiangonana izy nandritra ny fiainany. Maty maritiora niaraka tamin’i Joseph rahalahiny tao Carthage, Illinois izy.

I Samuel Smith, zandrin’ny Mpaminany Joseph, dia natao batisa tamin’ny volana Mey 1829, fotoana fohy taorian’ny namerenana ny Fisoronana Aharôna tamin’ny laoniny. Matetika izy no lazaina fa misiônera voalohany tato amin’ny Fiangonana. Tamin’ny volana Jona 1830 dia nandeha nanao asa fitoriana izy ary nanome Bokin’i Môrmôna izay nitondra ho amin’ny fiovampon’i Brigham Young sy ny maro tamin’ny fianakaviany taty aoriana. Tsy nivadika tamin’ny fianakaviany sy ny Fiangonana i Samuel nandritra ny fiainany.

Joseph Smith Rainy, dadan’ny mpaminany, dia niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny andro nanorenana azy. Ny fahavaratra taorian’io dia nandeha nanao asa fitoriana izy sy ny zanany Don Carlos tany amin’ny havan-tetezana tany New York. Lasa mpisorona avo izy ary taty aoriana dia lasa patriarika voalohan’ny Fiangonana. Tamin’ny fandevenana azy dia nolazaina fa izy dia “lehilahy mahatoky tamin’ny Andriamaniny sy tamin’ny Fiangonana tao anatin’ny fotoana rehetra ary tao anatin’ny toe-javatra niainana rehetra izay niantsoana azy mba hiainany” (Robert B. Thompson, ao amin’ny History of the Church,4:192).

Ny olona farany niresahan’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23 dia i Joseph Knight rainy. Naman’i Joseph Smith zanany akaiky izy ary tsara fanahy be taminy. Nanome vatsy ny Mpaminany izy, toy ny taratasy sy sakafo, nandritra ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Tamin’ny fotoana nandraisana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23 dia tsy mbola vita batisa i Joseph Knight rainy. Nahatsapa faniriana hatao batisa niaraka tamin’ireo olona hafa izy tamin’ny andro nanorenana ny Fiangonana, saingy tsy nanao izany satria naniry ny handalina bebe kokoa ny Bokin’i Môrmôna izy. Na izany aza, dia nanoratra izy taty aoriana hoe “Tokony ho nanana fahatsapana tsara kokoa aho raha niroso” ho amin’ny batisa (jero ny Larry Porter, “The Joseph Knight Family,” Ensign, Oct. 1978, 40; nampitoviana ny tsipelina sy ny litera vaventy nampiasaina).

Halalino ny torohevitry ny Tompo ho an’i Joseph Knight rainy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23:6–7, ka tadiavo ny zavatra nandidian’ny Tompo azy mba hataony. Ny andian-teny hoe “mitondra ny hazofijalianao” raha ny fipetrany eto dia midika hoe manao zavatra izay sarotra ho anao.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana ny Tompo indraindray no mety hitarika antsika hanao zavatra izay tsy mora amintsika ny manao azy?

    2. Inona no porofo hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23:7 fa naniry ny hitahy an’i Joseph Knight rainy ny Tompo?

Fotoana fohy taorian’ny nahazoana ity fanambarana ity, dia nanao safidy ny hatao batisa i Joseph Knight rainy. Nanohy nanolo-tena tanteraka ho an’ny Fiangonana izy nandritra ny fiainany, ary niaro ny Mpaminany Joseph Smith na miafina na ampahibemaso. Taty aoriana ny Mpaminany dia namariparitra an’i Joseph Knight rainy ho “mahatoky sy marina, tsy miangatra sy ohatra azo alain-tahaka, ary tsara toetra sy malemy fanahy, tsy mba nivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 462).

Ianarantsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23 fa rehefa maniry ny hanompo ny Tompo isika, dia afaka mandray fitarihana avy Aminy ho an’ny tenantsika manokana. Nianatra ihany koa isika fa hitahy antsika ny Tompo rehefa manaraka ny fitarihana omeny antsika isika. Saintsaino ny fitarihana voarainao avy amin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, sy ny tenin’ireo mpaminany velona, ary ireo soratra masina. Manaova drafitra mba hanatanteraka ireo fitarihana izay voarainao.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21–23 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy