Seminera
Fizarana 2: Andro 1, Joseph Smith—Tantara 1:1–20


Fizarana 2: Andro 1

Joseph Smith—Tantara 1:1–20

Fampidirana

Nanomboka nanao asa mikasika ny tantara ôfisialiny i Joseph Smith tamin’ny 1838. Nofariparitany tao anatin’izany ny fianakaviany sy ireo toerana nonenan’izy ireo. Noresahany ihany koa ny mikasika ilay “fahamaizana tsy mbola fahita” mikasika ny antokom-pivavahana izay nanjaka tany amin’ny faritra andrefan’i New York tamin’ny 1820 (Joseph Smith—Tantara 1:5). Io firoboroboana ara-pivavahana io no nitarika azy ho amin’ny “fandinihana lalina sy fahasahiranana lehibe” noho ny “fifanjevoana sy ny adilahy teo anivon’ireo fivavahana samihafa” (Joseph Smith—Tantara 1:8).

Teo am-pandalinana soratra masina i Joseph no namaky ny Jakôba 1:5 (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:11), izay mamporisika ireo izay mila fahendrena mba “hangataka amin’ Andriamanitra.” Nanoratra toy izao i Joseph: “Na oviana na oviana dia tsy nisy andalan-tsoratra masina nanohina fon’olona tamin-kery kokoa noho ny nanohinan’izany ny foko tamin’izay fotoana izay. Toy ny niditra tamin-kery tany amin’ny tsiratsiraky ny foko rehetra izany. Nieritreritra izany ombieny ombieny aho, satria fantatro fa raha misy olona mila fahendrena avy amin’ Andriamanitra, dia izaho izay; satria tsy fantatro izay tokony hatao, ary raha tsy mahazo fahendrena misimisy kokoa noho izay efa nananako tamin’izay aho dia tsy hahafantatra na oviana na oviana; satria ireo mpampianatra fivavahana avy amin’ny antokom-pivavahana samy hafa dia samy nandray andalan-tsoratra masina iray ihany tamin’ny fomba samihafa, hany ka mandrava ny fahatokian-tena rehetra ny famahana ny olana amin’ny alalan’ny Baiboly” (Joseph Smith—Tantara 1:12). Nanapa-kevitra ny hanontany an’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny vavaka izy mba hahazoana valiny ho an’ireo fanontaniany. Ho valin’ny vavaka nataony dia niseho taminy Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany.

Joseph Smith—Tantara 1:1–4

Nanomboka nanoratra ny tantarany i Joseph Smith

Ny Filoha Thomas S. Monson, izay filohan’ny misiôna tany Canada dia nizara ity zavatra niainan’ny roa tamin’ireo misiônerany ity:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Nandondona ny tranon’ Andriamatoa Elmer Pollars ny [misiônera] roa, nahatsiaro nangoraka an’ireto misiônera izay efa saika jihitry ny hatsiaka ireto ity farany ka nanasa azy ireo handroso. Natolotr’izy ireo ny hafatra nentiny ary nanontanian’izy ireo izy raha afaka miara-mivavaka. Tsy nanaiky izany izy raha tsy ny tenany no nanolotra ilay vavaka.

“Nampitolagaga ireo misiônera ny vavaka nataony. Hoy izy hoe: ‘Ray any An-danitra ô, tahio ireto misiônera roa mahonena sy diso lalana ireto mba hody any an-tranony avy ka tsy handany ny fotoany amin’ny filazana amin’ny vahoakan’i Kanada momba ny hafatra iray izay mampitolagaga ary tsy dia fantany loatra akory ny mahakasika izany.’

“Rehefa nitsangana avy nandohalika izy ireo dia nangataka ny misiônera mba tsy hiverina any an-tranony intsony Andriamatoa Pollard. Raha nandao azy izy ireo dia nilaza tamim-panesoana izy hoe: –Tsy afaka milaza amiko akory ianareo hoe tena mino fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith!– dia nakaratony ny varavarana” (“The Prophet Joseph Smith: Teacher by Example,” Ensign, Nov. 2005, 69).

Inona no ho nolazainao tamin’Andriamatoa Pollard mikasika ny Mpaminany Joseph Smith raha toa ka ianao no iray tamin’ireo misiônera ireo?

Nanoratra ny tantaram-piainany i Joseph Smith izay hita ao amin’ny Joseph Smith—Tantara, tamin’ny 1838 ho amin’ny tanjona iray dia ny hamoaka ny tantara ôfisialin’ny Fiangonana. Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:1–2, ary tadiavo ireo antony izay nolazain’i Joseph Smith fa nahatonga azy nanoratra io tantara ôfisialy io.

Ny Joseph Smith—Tantara dia ahitana ny fitantarana amin’ny antsipiriany nosoratan’ny Mpaminany mikasika ny Fahitana Voalohany. Maromaro ny fitantarana fantatra mikasika ny Fahitana Voalohany—ny efatra amin’izy ireo no nosoratan’i Joseph Smith na notononiny, ary ny hafa dia nosoratan’ireo izay namerina nitantara ny zavatra niainan’i Joseph araka ny tenin’izy ireo manokana. Ireo fitantarana ireo dia nomanina tamin’ny fotoana samy hafa, ho an’ny mpihaino samy hafa, ary ho an’ny tanjona samy hafa. Ireo fitantarana rehetra ireo dia samy mifanaraka amin’ilay fahamarinana tena manan-danja hoe tena nisokatra tamin’i Joseph Smith marina ny lanitra ary nahita iraka masina izy, anisan’izany Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo. Koa satria ny fitantarana tamin’ny 1838 dia anisan’ilay tantara ôfisialy mikasika an’i Joseph Smith sy tenivavolombelona ho an’izao tontolo izao, dia noraketina tao amin’ny Voahangy Lafo Vidy izany.

Joseph Smith—Tantara 1:5–13

Teo anivon’ny fisafotofotoana ara-pivavahana dia nanapa-kevitra ny hanontany an’ Andriamanitra izay fiangonana marina i Joseph Smith

Niaina tamin’ny vanim-potoana izay nisian’ny fahalianana sy fientanentanana lehibe mikasika ny fivavahana i Joseph Smith. Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:5–7, ary mitadiava teny na andian-teny izay mamaritra ny toe-javatra natrehan’i Joseph. Azonao atao ny manisy marika ireo teny ireo ao amin’ny soratra masinao. Rehefa vitanao izany dia vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:8, 10, ka tadiavo ny famariparitan’i Joseph Smith ny fahatsapana nananany nandritra izany vanim-potoana izany.

  1. Fintino ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny Joseph Smith—Tantara 1:5–7 sady alaivo sary an-tsaina ianao manazava ny toe-javatra niainan’i Joseph sy ny olana nananany amin’ny olona iray izay tsy mbola naheno mikasika an’i Joseph Smith mihitsy. Ampidiro ao anatin’izany ny hevitra telo farafahakeliny izay tsapanao fa tokony hantitranterinao mikasika an’i Joseph Smith.

Eritrereto ny toe-javatra iray izay nahatonga anao hametra-panontaniana maromaro, ary halalino izay nataonao namahana ireo olana nanananao. Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:11, ary tadiavo hoe taiza no nahitan’i Joseph Smith ny valin’ny fanontaniany. Makà fotoana kely dia averimbereno mafy na ataovy tsianjery ny Jakôba 1:5 araka izay voalaza ao amin’ny andininy 11.

Ny fitsipika iray izay hita ao amin’ny Jakoba 1:5 izay nanampy an’i Joseph Smith hahita ny valin’ny fanontaniany dia ny hoe rehefa mangataka amin’ Andriamanitra amim-pinoana isika dia hamaly ny vavaka ataontsika Izy. Mariho ireo teny na andian-teny izay mampianatra io fitsipika io ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:11. Raha takatrao fa Andriamanitra dia hamaly ny vavaka ataontsika amin’ny fotoany sy ny fombany, dia saintsaino ny fomba nahitanao ny fahamarinan’io fitsipika io teo amin’ny fiainanao manokana.

Nofariparitan’i Joseph ny fomba fiantraikan’io andin-tsoratra masina io teo aminy. Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:12–13, ary fantaro ireo andian-teny izay mamaritra ny zavatra niainan’i Joseph sy ny fihetsiny rehefa avy namaky ny Jakôba 1:5. Efa nisy soratra masina ve nanohina ny fonao tamin-kery? Araka izay voalaza ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:13, inona no tian’i Joseph Smith ho resena? Inona no tsapany fa tsy maintsy hataony?

Joseph Smith—Tantara 1:14–20

Nahita an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany i Joseph Smith

Ny Joseph Smith—Tantara 1:15–20 dia andinin-tsoratra masina fehezina. Azonao lokoina miavaka kely izany.

Raha manana fihirana an’ny Olo-masin’ny Andro Farany ianao dia vakio ny tonon’ny “Vavaka Voalohany nataon’i Joseph Smith” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, p. 28). Avy eo dia vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:14–15.

Nahoana araka ny hevitrao no niezaka nanakana an’i Joseph Smith tsy hivavaka i Satana? Mba hahafahana mahita izay nataon’i Joseph Smith nanoloana ity “fahefana mahagaga,” ity dia vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:16. Inona araka ny hevitrao no tian’ny Mpaminany holazaina raha nilaza izy fa nampiasa “ny [heriny] rehetra mba hiantso an’ Andriamanitra”? Saintsaino hoe inona no azon’ny ohatra nasehon’i Joseph Smith ampianarina anao mikasika izay tokony ho fihetsika hasetrinao rehefa miatrika tranga sarotra na fakam-panahin’i Satana ianao.

Voarakitra ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:17 ny iray amin’ireo zava-nitranga manan-danja indrindra teo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona. Rehefa mamaky io andininy io ianao dia andramo alaina sary an-tsaina io zava-nitranga masina io. Ny fahamarinana iray manan-danja izay hianarantsika ao amin’io andininy io dia hoe nahita an’ Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Zanany i Joseph Smith. Niresaka tamin’ Izy ireo ihany koa izy ary nandray torolàlana avy tamin’ Izy ireo. Ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith no zava-nitranga ifotoran’ny Famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny amin’izao andro farany izao.

Sary
Ny Fahitana Voalohany
  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony araka ny eritreritrao mahatonga ny fananana fijoroana ho vavolombelona fa i Joseph Smith dia nahita an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany ho zava-dehibe ho anao sy ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay.

Avereno jerena ny Joseph Smith—Tantara 1:15–17, ary jereo ireo fahamarinana fanampiny azontsika ianarana avy amin’ny fitantarana ny fisehoan’ny Ray sy ny Zanaka tamin’i Joseph Smith.

Indraindray mety misy fakam-panahy na fitsapana tonga aorian’ny zavatra niainana ara-panahy iray. Niaina fitsapana i Joseph Smith mialoha kely ny Fahitana Voalohany. Ho an’i Mosesy dia tonga avy hatrany ny fitsapana rehefa avy niresaka tamin’ Andriamanitra izy (jereo ny Mosesy 1:9–12). Nianatra i Joseph Smith fa raha toa isika mikatsaka mafy ny fanampian’ Andriamanitra rehefa miezaka ny hanakivy antsika i Satana, dia afaka hanafaka antsika Andriamanitra.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Manampy antsika amin’ny fomba ahoana ny fahafantarantsika fa hoe afaka mahazo fanampiana avy amin’ Andriamanitra isika hanoherana ny fahasarotana sy ny fahakiviana?

    2. Inona no fitsipika hafa azonao ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Joseph ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:15–16 ka manampy anao handresy ny fakam-panahy?

  2. Inona no azontsika ianarana mikasika ny Andriamanitra ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:15–17? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valinteninao.

Ny sasany amin’ireo Fotopampianarana mikasika ny Ny Andriamanitra hita ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:15–17 dia hoe: Velona Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany. Olona misaraka miavaka tsara ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany.

I Joseph Smith dia nanontany tamin’ny Tompo hoe iza amin’ireo fiangonana rehetra nisy no tokony hidirany ho mpikambana. Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:18–20, ary asio marika ny valiny voarain’i Joseph Smith ho an’ny fanontaniany.

Tadidinao ve ilay fitantarana an’ireo misiônera nozaraina tany amin’ny fiantombohan’ny lesona? Nolazain’ny Filoha Monson izay nataon’ireo misiônera rehefa avy nanakaratoka varavarana tamin’izy ireo ilay olona:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Mbola tsy tonga lavitra akory ireo misiônera dia niteny tamim-pahamenamenarana kely ilay misiônera mbola vao haingana hoe ‘Elder, tsy namaly an’ Andriamatoa Pollard isika.’

“Namaly ilay misiônera efa za-draharaha hoe: ‘Voaroaka isika. Andao handeha.’

“Nikiry anefa ilay misiônera mbola tanora ka dia niverina teo amin’ny varavaran’ Andriamatoa Pollard izy roalahy.’ Namoha varavarana Atoa Pollard sady niteny tamin-katezerana hoe: ‘Tsy efa niteny anareo aho ry zatovolahy mba tsy hiverina intsony?’

“Dia niteny avy eo ilay misiônera vao haingana, tamin’ny herimpo rehetra izay nananany hoe –Atoa Pollard, rehefa nandao ny varavaranao izahay dia nolazainao hoe tsy tena mino akory fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith. Te hijoro ho vavolombelona aminao aho, Andriamatoa Pollard, fa fantatro fa mpaminan’ Andriamanitra i Joseph Smith, ary tamin’ny alalan’ny fitaomam-panahy no nandikany ilay rakitsoratra masina fantatra amin’ny hoe Bokin’i Môrmôna, ary tena nahita an’ Andriamanitra Ray sy Jesoa Zanany izy.– Dia niala teo amin’ny tokonam-baravaravana ireo misiônera.

“[Nijoro ho vavolombelona Andriamatoa Pollard taty aoriana nanao hoe]: ‘Tsy nahita tory ny alin’iny. Nihodin-kavia aho, nihodin-kavanana. Henoko niverimberina tao an-tsaiko ireo teny manao hoe: “Mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith. Fantatro izany. … Fantatro izany. … Fantatro izany.” Tsy andriko izay ahatongavan’ny maraina. Nantsoiko an-telefaonina ireo misiônera, ka ilay laharan’izy ireo izay vita printy tamin’ny baoritra kely nahitana ireo Fanekem-pinoana no nampiasaiko. Niverina izy ireo ary tamin’ity indray mitoraka ity dia nandray anjara tamin’ny fifanakalozan-kevitra izahay mivady sy ny fianakaviako ka nikatsaka marina ny fahamarinana. Vokatr’izany dia nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy avokoa izahay rehetra’” (“The Prophet Joseph Smith,” 69).

Raha mbola tsy namaky ny Joseph Smith—Tantara ianao dia ataovy izany ary angataho ny Ray any An-danitra hanampy anao hahafantatra fa marina ny fitantaran’i Joseph Smith ny Fahitana Voalohany na hanamafy ny faharesenao lahatra fa marina izany. Azonao atao ihany koa ny mitady fahafahana hizara ny hafatry ny Fahitana Voalohany amin’olon-kafa.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinana soratra masina ny zavatra tsapanao momba ny Mpaminany Joseph Smith na ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba azy.

Sary
scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—Joseph Smith—Tantara 1:15–20

Manokana fotoana hanandramana mitadidy tsianjery io andinin-tsoratra masina fehezina io. Raha mahatsapa ianao fa tsy vitanao ny mitadidy an’ireo andininy rehetra, dia azonao zaraina ho ampahany fohifohy kokoa maromaro izany, na ny andininy 16–17 ihany no tadidio tsianjery na ny famintinana an’ireo andininy fotsiny. Indro misy fomba hanampiana anao hitadidy ireo andininy ireo: Averimbereno ny andian-teny iray mandra-pahatadidinao azy tsianjery. Ampio andian-teny faharoa indray ary averimbereno ireo mandra-pahaizanao tsianjery azy roa ireo. Ampio andian-teny fahatelo indray, dia toy izany hatrany hatrany. Ataovy haingankaingana rehefa mamerina ireo andian-teny izay efa laninao tsianjery ary miadana kokoa rehefa mitanisa ireo izay mbola vaovao.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Joseph Smith—Tantara 1:1–20 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy