Seminera
Fizarana 13: Andro 1, Ilay Toerana Afovoan’i Ziona


Fizarana 13: Andro 1

Ilay Toerana Afovoan’i Ziona

Fampidirana

Ity lesona ity dia manome famintinana amin’ny ankapobeny ny sasantsasany tamin’ireo zava-nitranga teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana izay niseho tany amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri. Ny taom-pahavaratry ny taona 1831 dia nanomboka ny diany mba hanorim-ponenana tany aminʼny faritry ny Fivondronanʼi Jackson, Missouri ny sasany taminʼireo Olomasina izay nivondrona tao Ohio. Tao anatin’ny fanambarana iray nomena ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny Jolay 1831, dia notendren’ny Tompo ho “toerana afovoan’i” Ziona ny tanànan’i Independence, Missouri (F&F 57:3). Nanomboka nanorina ilay tanàna ireo Olomasina ary niezaka mafy niaina araka ny lalàn’ Andriamanitra. Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia nanomboka nisy ny fifandirana teo amin’ireo Olomasina sy ireo mponina hafa tao Missouri izay nahatonga herisetra nataon’ny mpihetraketraka tamin’ireo Olomasina. Noterena handao ny Fivondronan’i Jackson ny volana Nôvambra sy Desambra 1833 ireo Olomasina.

Notendren’ny Tompo ho toerana afovoan’i Ziona i Independence, Missouri

Alaivo sary an-tsaina hoe milasy ianao dia henonao hoe misy oram-baratra manatona. Inona avy ireo fomba sasantsasany mety ahafahanao miaro tena amin’ilay oram-baratra? Ahoana no fomba mety hanampianʼny lay aminʼity toe-java-miseho ity?

Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny mpaminany Isaia dia nampiasa ny fifanahafana amin’ny lay mba hanehoana an’ilay Ziona izay haorina amin’ny andro farany hoenti-miaro ny Olomasina (jereo ny Isaia 54:2). Nampiasa lay ho toeram-pialofana sy ho toeram-pitsaharana ny Isiraelita tamin’ny fotoana nipetrahany tany an-tany foana sy namakivakiny izany. Nampianatra mikasika ny tandindona mifandray amin’ireo lay ireo ny Filoha Ezra Taft Benson:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Alaivo sary an-tsaina hoe misy lay lehibe iray izay tazonin’ny tady maro henjanina amin’ny tsatòka izay milentika tsara amin’ny tany.

“Nampitovian’ireo mpaminany amin’ny trano lay iray lehibe mandrakotra ny tany i Ziona amin’ny andro farany. Izany trano lay izany dia notazonina tamin’ny tady izay mifatotra mafy amin’ny tsatòka. Ireo tsatòka ireo, mazava ho azy, no fikambanana ara-jeôgrafika isankarazany mieli-patrana maneran-tany. Amin’izao fotoana izao dia angonina any amin’ireo tsatòkan’i Ziona isankarazany i Isiraely” (“Strengthen Thy Stakes,” Ensign, jan. 1991, 2).

Sary
trano lay

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:6 ka tadiavo ilay karazana fiarovana nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay hivondrona ao Ziona amin’ny andro farany. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Nandray an’i Ziona ho toy ny toerana ahitana filaminana sy fiarovana amin’ireo olon-dratsy ireo Olomasina tany am-piandohana (jereo ny F&F 45:66–71). Tsy andrin’izy ireo izay hanambaran’ny Tompo ny toerana hisy an’i Ziona mba hahafahan’izy ireo manomboka manorina an’ilay Tanàna masiny. Ny Jolay 1831, dia nambaran’ny Tompo fa ny tanin’i Missouri no ilay tanin’i Ziona nampanantenaina ary i Independence, Missouri, no “toerana afovoan’ny” tanànan’i Ziona (jereo nyF&F 57:1–3).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Raha toa ianao ka mpikamban’ny Fiangonana tany am-piandohany tany, inona no mety ho tsapanao rehefa nahafantatra ny toerana hanorenana ny tanànan’i Ziona ianao?

    2. Oviana no fotoana tianao hanombohana ny fanorenana an’ilay tanàna? Nahoana?

Efa nanangana lay tsy araka ny tokony ho izy ve ianao na niezaka nanangana lay tsy niaraka tamin’ireo zavatra tokony hiaraka aminy rehetra? Inona no nitranga na inona araka ny eritreritrao no mety hitranga?

Toy ny tsy maintsy hananganana lay amin’ny fomba iray manokana miaraka amin’ireo zavatra rehetra tokony hiaraka aminy no tsy maintsy hanorenana an’i Ziona araka ny lamina iray manokana. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:5, ka tadiavo ny fomba tsy maintsy hanorenana ny “lain’i” Ziona mba haneken’ny Tompo izany.

Jereo tsara fa i Ziona dia tsy maintsy aorina amin’ny alalan’ny fitsipiky ny fahamarinan-toetra. Taorian’ny nanambaran’ny Tompo ny toerana hisy ny tanin’i Ziona tamin’ny 1831, dia nanome fanambarana maro Izy nandritra ny roa taona manaraka izay namaritra ireo fitsipika hoentin’ny Olomasina manorina an’i Ziona.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ka tadiavo ireo fitsipiky ny fahamarinan-toetra sy ireo didy izay ho ilain’ny Olomasina harahina mba hanorenana amim-pahombiazana an’i Ziona. Soraty eo amin’ilay faritra malalaka nomena ny sasany amin’ireo fitsipika sy didy hitanao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:14–19

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:10–16

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21–22, 25–27

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:4–9

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Tamin’ny fomba ahoana no mety nanampian’ireo fitsipiky ny fahamarinan-toetra ireo an’ireo Olomasina teo amin’ny fanorenana an’i Ziona sy mba ho voaro amin’ireo oram-baratra ara-panahy?

    2. Nahoana no hiaro antsika amin’izao fotoana izao ny fiainana ireo fitsipika ireo?

Nanomboka nisy fifandirana teo amin’ny Olomasina sy ny mponina tao Missouri

Taorian’ny nanambaran’ny Tompo ny toerana hisy an’i Ziona tamin’ny Jolay 1831, dia maro ireo Olomasina nanao ny dia efa ho 1.448 km niala tany Kirtland, Ohio nankany Independence, Missouri mba hipetraka any sy hanorina an’i Ziona.

Sary
sarintanin’ny dia avy any Independence mankany Kirtland

Avereno jerena ilay sarina lay tany am-piandohan’ny lesona. Azo itarina matetika ireo lay fahiny mba hampidirana fianakaviana mitombo isa. Ho fahatanterahana ny faminanian’i Isaia tamin’ny ampahany mikasika ny hoe halalahana ny itoeran’ny lain’i Ziona, halavaina ny kofehy ary haorina mafy ireo tsatòka, dia voatendry ho “tsatòka ho an’i Ziona” (F&F 82:13) i Kirtland, Ohio, rehefa voaorina tao Independence, Missouri ilay toerana afovoan’i Ziona. Samy mandray ireo fitahiana mifono fiarovana avy amin’i Ziona ireo Olomasina izay mivondrona ao amin’ireo tsatòkan’i Ziona na tao anatin’ny Fiangonana tany am-piandohana izany na ao anatin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao. Midika izany fa ireo Olomasina izay mipetraka ao amin’ireo tsatòkan’i Ziona dia mahazo ireo fitahiana sy fiarovana mitovy amin’ny an’ireo izay mipetraka ao amin’ny toerana afovoan’i Ziona.

Vakio ity fampahalalana manaraka ity izay mikasika ny fomba nanohanan’ireo Olomasina tany amin’ny tsatòkan’i Ziona tao Kirtland ny fanorenana ny toerana afovoan’i Ziona tany Missouri. Tadiavo ny zavatra nataon’ireo Olomasina tany Kirtland mba hitondrana fanampiana amin’ny fanorenana an’i Ziona. Azonao asiana marika ireo zava-baovao sasantsasany izay hitanao fa mahasoa.

Kirtland, Ohio: Tao anatin’ny fivoriana nisesisesy natao nandritra ny Nôvambra 1831, dia natambatry ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana ireo fanambarana izay voaray hatramin’io fotoana io ary nikasa ny hamoaka izany ho boky izy ireo. Nomena anʼi Oliver Cowdery sy i John Whitmer ny andraikitra hitondra ireo fanambarana ho any Missouri mba hahafahanʼi William W. W. Phelps manao printy azy ireny ho lasa Bokinʼireo Didy. Nandritra ny taona 1831–32, dia nandray fanambarana hatrany i Joseph ary nisahana ny fanatanterahana ilay dikantenin’ny Baiboly araka ny fitaomam-panahy. Ny lohataonan’ny 1832, dia nandeha tany Missouri izy hamangy ireo Olomasin’i Ziona mba hampitandrina azy ireo fa i Satana dia mikatsaka ny “hampihodina ny fony hiala amin’ny fahamarinana” (F&F 78:10) ary mila mampitambatra ny heriny izy ireo mikasika ny trano fanobian’ny eveka any Kirtland sy Independence. Olomasina maro no nanohy nifindra tany Ziona ary tany amin’ny fiafaran’ny taona 1832 dia iray ampahatelon’ny mpikamban’ny Fiangonana teo ho eo no nipetraka tany amin’ny Fivondronan’i Jackson Missouri. Tany am-piandohan’ny Fiangonana dia niara-niasa ireo Olomasina tany Ohio sy Missouri mba hitondra anjara biriky ara-bola sy ara-pitaovana hanorenana ny tanànan’i Ziona.

Diniho ireo fomba nentin’ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo Olomasina hafa tany Ohio nanampy ireo Olomasina tany Missouri tamin’ny fanorenana an’i Ziona.

Vakio ity fampahalalana manaraka mikasika an’i Independence, Missouri ity ka tadiavo ny zavatra nanakana ireo Olomasina tsy hanorina an’i Ziona. Azonao asiana marika ireo zava-baovao sasantsasany izay hitanao fa mahasoa.

Independence, Missouri: Toy izao no nolazain’i Parley P. Pratt raha nanazava ny fipetrahan’ireo Olomasina tao Ziona izy: “Fiadanana sy firoboroboana no valisoan’ny asa nataon’izy ireo ary lasa tany namokatra tokoa ilay tany foana” (Autobiography of Parley Parker Pratt, navoakan’i Parley P. Pratt [1938], 93). Nividy tany ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tany Missouri ary nanangana toeram-pivarotana sy fanaovana printy ary nanome izay zavatra nilain’ireo Olomasina vao tonga. Ny volana Jolay 1833 dia nitombo teo amin’ny 1.200 teo ho eo ny isan’ny Olomasin’ny Andro Farany nonina tany. Nianjadian’ny olana ihany koa anefa ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana sy ireo Olomasina. Navelan’ireo mpikambana sasany hanakana azy ireo tsy hiaina ny lalàn’ny fanokanana ny fitiavan-tenany sy ny fimatimatesan-kareny. Ankoatra izany dia nisy mpifindra monina hafa nipetraka tao amin’ilay faritra lasa tena niahiahy mikasika ny fitombon’ireo “Môrmôna” haingana dia haingana sy ny fiantraikany entin’izy ireo amin’ny lafiny ara-toekarena sy ara-pôlitka teo an-toerana. Tsy niombon-kevitra taminʼny finoanʼny Olomasina ny mpitarika fivavahana teo an-toerana. Nisy mpitondra fivavahana anankiray nanaparitaka lainga mikasika ireo mpikamban’ny Fiangonana ary namporisika ny mponina mba haneho fihetsika feno herisetra tamin’izy ireo. Niteraka tsy fitovian-kevitra ara-pôlitika tamin’ny farany ilay olana, ka tafiditra tao anatin’izany ny olan’ny fanandevozana. Taorian’ny namoahan’i W. W. Phelps lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Olona hafa volon-koditra afaka,” dia nandray an-tendrony izany ireo mponina tao Missouri izay mpanohana ny fanandevozana ny ankamaroany, ka nolazain’izy ireo fa nanasa andevo nahazo fahafahana ho tonga ao Missouri hono ny Olomasina. Ny 20 Jolay 1833, dia nisy mpihetraketraka iray nankany Independence, nanipy ilay fitaovana fanaovana printy teny amin’ny arabe, namotika ny birao fanaovana printy ary namotika ny ankamaroan’ireo taratasy tsy mbola voatambatra an’ny Bokin’ireo Didy, nanisy tara sy volom-borona ny Eveka Edward Partridge sy an’i Charles Allen izay niova fo ary nampihorohoro ny tanàna. Nitohy ny fankahalana ka dia noterena handao ny Fivondronan’i Jackson ireo Olomasina ny volana Nôvambra sy Desambra tamin’io taona io.

Sary
mpihetraketraka nanafika ny Olomasina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri

Alaivo sary an-tsaina hoe inona no mety ho tsapanao raha toa ka iray tamin’ireo Olomasina nanantena ny fiarovan’ny Tompo ianao nefa noterena handao an’i Ziona.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina, miainga avy amin’ireo zavatra nianaranao ny antony nahatonga ireo Olomasina tany am-piandohana ho sahirana tamin’ny fanorenana ny tanànan’i Ziona. Inona no azonao ianarana avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo?

Hanao ahoana hoavin’i Ziona?

Moa ve ianao efa nanantena ny hitrangan’ny zavatra anankiray nefa tsy nitranga izany? Inona no tsapanao?

Alaivo sary an-tsaina ny fahadisoam-panantenana sy fisafotofoan-tsaina niainan’ireo Olomasina tany am-piandohana rehefa voaroaka tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri ny mpikamban’ny Fiangonana. Nanoratra taratasy ho an’ireo Olomasina natao sesitany ny Mpaminany Joseph Smith tany Kirtland, Ohio, fotoana fohy taorian’ny nialan’izy ireo tao amin’ny Fivondronan’i Jackson. Tao anatin’izany no nanoratany hoe: “Rehefa henonay ny fijalianareo dia nangoraka mafy anareo ny fonay. Nampalahelo mafy anay izany ary tsy nahatana ny ranomasonay izahay” (ao amin’ny History of the Church,1:454).

Sary
Joseph Smith

Tao anatin’io taratasy io ihany koa no nanoratan’ny Mpaminany ny fanontaniany ny Tompo momba ny antony nandravana ny fanantenan’ireo Olomasina mikasika an’i Ziona: “Fantatro fa havotana i Ziona amin’ny fotoana tian’ny Tompo hisehoan’izany, saingy tsy nasehon’ny Tompo tamiko hoe haharitra hafiriana ny fanadiovana sy ny fahoriana ary ny fijaliana holalovany ary rehefa nanontany azy momba izany toe-javatra izany aho, dia hoy ny Tompo hoe: Mitonia ary fantaro fa izaho no Andriamanitra! Ireo izay hijaly noho ny anarako dia hiara-hanjaka amiko ary na zovy na zovy no manolotra ny ainy noho ny anarako dia hahazo izany indray” (ao amin’ny History of the Church,1:453–54).

Inona no nasain’ny Tompo nataon’i Joseph Smith rehefa nanontany momba ny antony tsy nahombiazan’ny Olomasina tamin’ny fanorenana an’i Ziona izy? Eritrereto hoe ahoana no mety hahatonga ilay valinteny nomen’ny Tompo ny Mpaminany ho mahasoa rehefa misy zavatra tsy mandeha araka ny nanantenanao azy eo amin’ny fiainanao.

Taty aoriana dia nanolotra fanazavana bebe kokoa mikasika ny antony tsy nahombiazan’ny fanandraman’ny Olomasina hanorina ny tanànan’i Ziona ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 105:5–6, 9–10, 23–24, ka tadiavo ny zavatra takian’ny Tompo amin’ny vahoakany alohan’ny hahafahana manorina an’i Ziona.

Hatreto aloha ao anatin’ity lesona ity, i Ziona dia raisina ho toy ny toerana izay hanorenan’ny Olomasina tanàna masina iray, Jerosalema Vaovao. Fa ilay hoe Ziona dia mifono zavatra bebe kokoa noho ny hoe toerana iray miavaka fotsiny izay ahafahan’ny Olomasina ho voaro. Mety nihevitra ireo Olomasina tany am-piandohana fa nasaina nanorina tanàna iray fotsiny izy ireo, saingy ny fikasan’ny Tompo dia ny sady hanorina tanàna no hanorina vahoaka marina koa. Ilay “lay” miaron’i Ziona dia afaka ny ho hita na aiza na aiza ahitana olona mankatò ireo lalàn’ny fanjakana selestialy (jereo ny F&F 105:5).

Mety tsaroanao tao anatin’ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21 fa ny Tompo dia nanazava hoe i Ziona dia ny madio am-po. Avereno dinihina ireo fitsipiky ny fahamarinan-toetra sy ny didy izay notanisainao tany amboalohany tao anatin’ny lesona androany. Eritrereto ny fomba hanampian’ireo fitsipika marina ireo ny vahoaka iray mba ho lasa madio am-po.

Nanazava ny fomba ahafahana manorina an’i Ziona amin’izao androntsika izao ny Loholona David R. Stone tao amin’ny Fitopololahy:

Sary
Loholona David R. Stone

“Na aiza na aiza misy antsika, na aiza na aiza tanàna mety honenantsika, dia afaka manorina ny Zionantsika manokana isika amin’ny alalan’ ireo fitsipiky ny fanjakana selestialy ary ny fikatsahana hatrany ny ho tonga madio am-po. I Ziona no ilay tena tsara ary hazonin’ny Tompo eo an-tanany manokana izy. Afaka ny ho toeram-pialofana sy fiarovana tahaka an’i Ziona ny tokantranontsika.

“Tsy ilaina ny ahatongavantsika ho saribakoly eo am-pelatanan’ny kolontsaina manjaka eo amin’ilay toerana sy amin’io fotoana io. Afaka ny ho feno herimpo isika ary afaka ny handeha eo amin’ny lalan’ny Tompo sy hanaraka ny diany. Ary raha manao izany isika dia ho antsoina hoe Ziona ary ho vahoakan’ny Tompo isika” (“Zion in the Midst of Babylon,” Ensign or Liahona, May 2006, 93).

  1. Fintino ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nianaranao tao anatin’ity lesona momba an’i Ziona ity. Inona no anjara asanao eo amin’ny fanorenana an’i Ziona any amin’ny toerana ipetrahanao?

  2. Diniho ireo fitsipiky ny fahamarinan-toetra izay notanisainao tany am-piandohan’ny lesona. Manorata tanjona iray ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay hanampy anao hiaina amim-pahatokiana bebe kokoa ny iray amin’izy ireo.

  3. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny lesona Toerana Afovoan’i Ziona, ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy