Seminera
Fizarana 10: Andro 4,Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43–44


Fizarana 10: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43–44

Fampidirana

Araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43, ny Tompo dia nandidy ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny volana febroary 1831 mikasika ny anjara asa miavakan’ny mpaminany amin’ny fandraisana fanambarana ho an’ny Fiangonana, sy ny filana ireo loholon’ny Fiangonana mba hitory fibebahana ho fanomanana ireo zava-hitranga amin’ny hoavy. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 44 dia ahitana ny toromariky ny Tompo ho an’ireo loholon’ny Fiangonana mba hiara-hivondrona mandritra ny fihaonambe iray.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:1–7

Manambara ny Tompo fa tsy azo afa-tsy amin’ny alalan’ny mpaminany notendreny ny fanambarana sy ny didy

Alaivo sary an-tsaina ny olona roa izay miezaka mitarika anao hihira hira roa samy hafa amin’ny fotoana iray. Afaka hihira ireo hira roa indray miaraka ve ianao? Ahoana no fomba hisafidiananao hoe iza amin’ireo mpitarika hira no harahinao?

Tamin’ny volana febroary 1831 dia nilaza ho nahazo fanambarana sy didy ho an’ny Fiangonana ny mpikambana vao niova fo iray tao Kirtland, Ohio, izay nantsoina hoe Ramatoa Hubble. Voafitaky ny teny nitompoany ny mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana. Nanontany ny Tompo mikasika ny teny nitompoan-dramatoa Hubble ny Mpaminany Joseph Smith ary ho valin’izany dia nahazo ny fanambarana izy izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:1–5 ka tadiavo hoe iza no nolazain’ny Tompo fa handray fanambarana ho an’ny Fiangonana iray manontolo.

Ireo andinin-tsoratra masina ireo dia nanampy ireo mpikambana voalohan’ny Fiangonana hahatakatra fa ny Mpaminany Joseph Smith irery ihany no nanana ny fahefana handray didy sy fanambarana ho an’ny Fiangonana iray manontolo. Ireo andinin-tsoratra masina ireo ihany koa dia manampy antsika hahatakatra fa ny Filohan’ny Fiangonana irery ihany no handray fanambarana ho an’ny Fiangonana iray manontolo. Azonao atao ny manoratra izany Fotopampianarana izany ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:3–4 na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana no manan-danja ny mahafantatra fa ny Filohan’ny Fiangonana irery ihany (na ny Fiadidiana Voalohany) no handray fanambarana ho an’ny Fiangonana iray manontolo?

Tahaka ny nanaovan-dramatoa Hubble sy ireo hafa teny itompoana izay namitaka ny sasany tamin’ireo Olomasina tany amin’ny fiandohan’ny Fiangonana dia misy mpitompo tena na mpamitaka izay manindraindra hevi-diso koa amin’izao fotoana izao. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:5–7 ary fantaro ny lamina izay nambaran’ny Tompo mba hanampiana antsika tsy ho voafitaky ny olona izay manindraindra hevi-diso na mitompo teny fa mahazo fanambarana ho an’ny hafa kanefa tsy manana fahefana hanao izany.

Farito eo amin’ny toerana malalaka ny lamina nambaran’ny Tompo mba hiarovana antsika tsy ho voafitaka amin’izao fotoana izao:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

Ity teny manaraka ity izay nambaran’ny Filoha Joseph Fielding Smith dia manampy antsika hahatakatra fa ny hoe “hiditra amin’ny vavahady” (F&F 43:7) dia ny fanaovana zavatra iray amin’ny fomba araka ny tokony ho izy sy araka ny nahazoana lalana: “Tian’ny Tompo ny hahafantarantsika fa manao ny zava-drehetra amim-pilaminana Izy ary na oviana na oviana no hiantsoany olona iray hitarika ny Fiangonana dia hiditra amin’ny vavahady izany olona izany ka hatokan’ireo izay manana fahefana. Efa toy izany hatramin’ny voalohany ilay izy ary mbola ho toy izany hatramin’ny farany” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:138). Ny hoe “hiditra amin’ny vavahady” dia midika hoe miditra amin’ny fomba ekena sy fantatra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:8–16

Nodidiana hivory mba hampianatra sy hampatanjaka ary hohamasinina ireo loholona

  1. Ataovy lisitra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fivoriana samihafa atrehanao amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao. Soraty eo akaikin’ny fivoriana tsirairay izay eritreretinao ho tanjon’izany fivoriana izany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:8 ary asio marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra izao fitsipika manaraka izao: Rehefa mivory miaraka isika dia mifananatra sy mifampatanjaka mba hahafahantsika mianatra ny fomba fiasana sy fitantanana ny Fiangonana. Ny didy mba hifampatanjaka dia midika hoe tokony hifampahery sy hifampatanjaka ara-panahy ny tsirairay. Ny andian-teny hoe “hitondrana ny fiangonako” ato anatin’ity andinin-tsoratra masina ity dia entina milaza ny mpikamban’ny Fiangonana izay hanarina momba ny fomba hanatanterahan’izy ireo ny adidiny. Atao ireo fivoriana mba hanampiana ny mpikamban’ny Fiangonana hitandrina ny fanekempihavanany sy hanatanteraka ny antsony izay midika hoe manatanteraka ireo andraikitra amin’ny antsony.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra niainanao iray ka nahatsapanao fa nampatanjahana ianao—nampaherezina sy nampatanjahana ara-panahy—rehefa nanatrika fivoriana iray tao am-piangonana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:9–11 ary fantaro ireo zavatra tokony ataontsika rehefa mahafantatra ny lalàna sy didin’ Andriamanitra isika. Ao amin’ny andininy 9, ilay andian-teny hoe “hohamasinina” dia midika hoe atao masina, na diovina avy amin’ny fahotan’izao tontolo izao. Fahamarinana iray hianarantsika avy amin’ny andininy 9 ny hoe tokony hamatotra ny tenantsika mba hanao asa araka ireo fahamarinana ianarantsika isika. (Azonao asiana marika ao anatin’ny soratra masinao ity fitsipika ity.)

Sary
asa mankamin’ny fahalalana
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no ahatongavantsika ho masina rehefa manao asa araka ny zavatra nianarantsika tao amin’ireo fivoriana ao am-piangonana?

    2. Inona araka ny eritreritrao no anjara asan’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo eo aminy fahatongavantsika ho masina?

    3. Oviana ianao no nanolo-tena hanao asa araka ny zavatra nianaranao tao amin’ny fivoriana tao am-piangonana ka dia nanatontosa izany tamin’ny alalan’ny fanatanterahana izany? Ahoana no fomba nitahiana anao noho ny fanaovana izany?

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:12–14 dia nilaza tamin’ireo Olomasina ny Tompo fa handray ireo voninahitry ny fanjakany izy ireo raha toa izy ireo ka hanohana ny mpaminaniny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:17–35

Didiana hitory fibebahana hiomanana amin’ny Fiaviana Fanindroany sy ny Arivotaona ireo mpanompon’ Andriamanitra

Mieritrereta hetsika iray na trangan-javatra iray izay mitaky fiomanana amim-pitandremana, toy ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno, hetsika ara-panatanjahantena, raki-kira, fampianarana, na fanadinana. Ahoana araka ny eritreritrao no mety ho tsapan’ny olona iray raha toa ka tsy vonona izy rehefa tonga ny fotoana andraisany anjara amin’ilay hetsika na ilay trangan-javatra?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:17–22 ka tadiavo ny trangan-javatra iray izay mitaky fiomanana amim-pitandremana.

Nandidy ny loholona ny Tompo mba hilaza amin’ny firenena rehetra mba hiomana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Fenoy avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:20 amin’ny teny mifanaraka amin’izany ireo banga mba hamenoana ity fitsipika ity: Mila mibebaka sy ny tenantsika ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany isika.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:25–28 ka tadiavo ny sasany amin’ireo fomba izay iantsoan’ny Tompo ny olona rehetra mba hibebaka ka hovonjena. Nahoana araka ny eritreritrao no mampiasa feo marobe ny Tompo mba hampitandremana antsika?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43:29–31 ka tadiavo ny zavatra hitranga aorian’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Azonao atao ny manisy marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra fa mandritra ny Arivotaona dia hofatorana i Satana ary hanjaka miaraka amin’ny olony eto ambonin’ny tany i Jesoa Kristy.

Sary
Filoha George Q. Cannon

Nanazava ny fomba hamatorana an’i Satana mandritra ny Arivotaona ny Filoha George Q. Cannon tao amin’ny Fiadidiana Voalohany: “Miresaka isika fa hofatorana i Satana. Hofatorana amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra i Satana; fa hofatorana amin’ny alalan’ny fahavononan’ireo olon’ Andriamanitra tsy hihaino azy sy tsy hotarihiny koa izy” (Gospel Truth: Discourses and Writings of President George Q. Cannon, nofantenin’i Jerreld L. Newquist, 2 vols. [1957–74], 1:86).

Sary
Joseph Smith

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Hanjaka eo amin’ny tany mandritra ny arivo taona maro i Kristy sy ireo Olomasina izay nitsangana tamin’ny maty. Azo antoka fa tsy hipetraka eto ambonin’ny tany izy ireo fa hamangy izany rehefa tian’izy ireo na rehefa ilaina ny mitantana izany” (ao amin’ny History of the Church,5:212).

  1. Saintsaino manokana ny zavatra mety ilainao atao mba hibebahana sy hiomanana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany sy ny Arivotaona. Amin’ny maha asa natao ho an’ny tena mivantana an’ity asa ampanaovina ity dia soraty hoe Tontosa ny asa nampanaovina 5 ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina rehefa vitanao izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 44

Mandidy ny mpanompony ny Tompo mba hiara-hivory

Sary
Ny ao anatin’ny Ivontoeran’ny Fihaonambe

Mivory isaky ny enim-bolana ao amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonambe any Salt Lake City, Utah sy amin’ny toerana hafa manerana izao tontolo izao ny mpikamban’ny Fiangonana mba hihaino ireo Manampahefana Ambony sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 44 dia nandidy ny loholon’ny Fiangonana ny Tompo mba hivory amin’ny fihaonambe. Ity ho fihaonambe fahefatry ny Fiangonana sy fihaonambe voalohany natao tany Kirtland, Ohio. Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 44:1–4 ka tadiavo ireo antony nandidian’ny Tompo ny Olomasina mba hanao ity fihaonambe ity.

Fenoy ireo banga ao amin’ireto fanambarana manaraka ireto ka ampiasao izay zavatra nianaranao avy tamin’ireo andinin-tsoratra masina ireo: Nandidy ireo loholon’ny Fiangonany ny Tompo mba . Nampanantena ny Tompo nandritra ilay fihaonambe fa . Taorian’ilay fihaonambe, ireo loholona dia tokony . Vokatr’izany, olona maro no afaka .

Eo am-pamarananao ity lesona ity dia mieritrereta indray momba ny zavatra hataonao mba hampiharana ireo fitsipika izay nianaranao. Hitahy anao ny Tompo rehefa mampihatra ireo fahamarinana ireo ianao.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 43–44 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy