Seminera
Fizarana 17: Andro 1, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–119; 77


Fizarana 17: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–11977

Fampidirana

Ity lesona ity dia mamelabelatra ilay fahitana momba ny fanjakana selestialy nomena ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon, araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76. Nomena tany Hiram, Ohio, ny 16 febroary 1832 io fanambarana io. Nilazalaza izay nianarany mikasika ireo izay handova ny fanjakana telestialy sy ny vokatry ny fandavana ny filazantsara sy ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy i Joseph sy i Sidney. Nilazalaza mikasika ny mampiavaka ny fanjakana telestialy amin’ireo fanjakam-boninahitra hafa ihany koa izy ireo ary nanazava ny zavatra tsy maintsy ataon’ny olona tsirairay mba hahafahany mahita sy mahatakatra ho an’ny tenany manokana ny zava-miafina momba ny fanjakan’ Andriamanitra. Taty aoriana, tamin’ny Martsa 1832, dia noraketin’i Joseph Smith ny valintenin’ny Tompo tamin’ny fanontaniany momba ny Bokin’ny Fanambarana. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 no ahitana izany fanambarana izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–112

Nomen’ny Tompo fahitana momba ny fanjakana telestialy i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon

Alaivo sary an-tsaina hoe mifanakalo hevitra momba ny fivavahana amin’ny namanao iray avy amina finoana Kristianina iray hafa ianao. Hoy ilay namanao hoe: “Tamin’ny Alahady lasa teo ny pasiteranay dia nilaza tany am-piangonana fa rehefa maty isika dia mankany an-danitra na mankany amin’ny helo. Toa tsapako hoe tsy mbola mendrika ny ho any an-danitra aho amin’izao fotoana izao, nefa tsapako ihany koa hoe tsy dia ratsy fanahy loatra kosa aho ka tokony ho any amin’ny helo. Inona no ampianarin’ny fivavahanao momba ny lanitra sy ny helo?”

Jereo ny fanehoana an-tsary ny “ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76: Topimaso ankapoben’ny fahitana” hita ao amin’ny Fizarana 16: Andro 3 ato amin’ity boky fandalinana ity. Jereo fa ny fanjakam-boninahitra farany hitan’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon tao anaty fahitana dia ny fanjakana telestialy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–83, 103, ka mitadiava teny na andian-teny milazalaza momba ny olona handova ny fanjakana telestialy. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Ao amin’ny andininy faha 103, ny atao hoe mpanompo sampy dia ireo olona izay mikatsaka ny hifehy sy hampiasa hery amin’ny alalan’ny fahefan’ny devoly. Ny atao hoe mpijangajangadia ireo olona izay manao firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana sy ireo fahavetavetana hafa rehetra.

Anisan’ireo toetra mamaritra ny fanjakana izay holovain’ny vehivavy na lehilahy iray ny fomba fandraisany ny filazantsara sy ny tenivavolombalon’i Jesoa Kristy. Vakio ny andinin-tsoratra masina voalaza ao anatin’ity tabilao manaraka ity. Lazalazao eo amin’ny toerana navela ho malalaka ny fomba fandraisan’ireo olona handova ireo fanjakana ireo ny filazantsara sy ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy.

Fanjakana

Fomba fandraisana ny Filazantsara sy ny Tenivavolombelon’i Jesoa Kristy

Selestialy (F&F 76:50–51)

Terestrialy (F&F 76:74, 79)

Telestialy (F&F 76:82, 101)

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona avy ireo fomba ataonao mba hanatanjahanao ny fijoroana ho vavolombelona ananao momba an’i Jesoa Kristy?

    2. Araka ny hevitrao, fa maninona ny fomba fandraisan’ny olona iray ny filazantsara sy ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy no misy fiantraikany lehibe eo amin’izay fanjakana holovainy?

    3. Ahoana no hahafahanao ho maherifo amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:84–85, 104–6, ary asio marika ny andian-teny mampianatra ireto fahamarinana manaraka ireto: Ireo izay handova ny fanjakana telestialy dia tsy maintsy mijaly any amin’ny helo mialoha ny hanavotan’ny Mpamonjy azy.

Manampy tokoa ny mahafantatra fa fomba roa farafahakeliny no ampiasan’ny soratra masina ny teny hoe helo. Voalohany, ny helo dia ampahany amin’ny tontolon’ny fanahy izay itoeran’ny olon-dratsy ary toerana izakana ara-bakiteny kanefa tsy maharitra ilay toetran’ny fanahy mijaly sy ory (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:84–85, 104–6). Ny hoe “afo mandrakizay” dia teny ankolaka entina ilazana ny hirifirin’ny fijaliana sy fahoriana izay mitranga any amin’ny helo. Faharoa, indraindray ny soratra masina dia mampiasa ny teny helo ilazana ny haizina ivelany izay indraindray ilazana ny toetra maharitry ny fijaliana sy ny fahoriana izay mitohy ho an’ireo zanaky ny fahaverezana aorian’ny fitsanganany amin’ny maty sy ny fitsarana azy, ary koa ho an’i Satana sy ireo mpanara-dia azy hatrany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. (Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Helo,” scriptures.lds.org.)

Ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao momba ny helo:

Loholona James E. Talmage

“Tahaka ny isian’ny fidirana mankany amin’ny helo no isian’ny fivoahana avy any ihany koa. … Ny helo dia toerana voaomana hampianarana, sy hanitsiana ireo izay tsy nanana fahafahana nianatra ny zavatra izay tokony ho nianarany fony izy tety an-tany (ao amin’ny Conference Report, apr. 1930, 97).

“Raha ny amin’ny faharetan’ny famaizana kosa dia afaka mahazo toky isika fa ho arakaraka ny fahotana natao ihany, ary diso koa ny fiheverana fa tsy hanam-pahataperana ny famaizana rehetra vokatry ny fahotana natao [jereo F&F 19:6–12; 76:36, 44]. Na dia misy fiantraikany lehibe amin’ny fiainantsika aorian’ny fahafatesana aza ny fiainantsika mandritra ity fiainana an-tany ity, ary na dia ho tompon’andraikitra tanteraka tamin’ny tsy fanararaotana ny fotoana nomena antsika mba hibebahana aza isika, Andriamanitra dia mihazona ny fahefana hamela ny fahotantsika aorian’ny fahafatesana. Kanefa ny soratra masina dia miresaka mikasika ny famaizana mandrakizay sy tsisy fiafarana. Ny famaizana rehetra avy amin’ Andriamanitra dia tsisy fiafarana satria Izy dia tsisy fiafarana [jereo F&F 19:10–12]. Azy ny famaizana tsisy fiafarana, satria hisy foana toerana na toetra voaomana ho an’ireo fanahy tsy mpankato; kanefa hitsahatra ny fijaliana aterak’ilay sazy rehefa ampy ny fibebahana sy ny fanonerana” (The Articles of Faith,12th ed. [1924], 60–61).

Inona ireo andian-teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:85, 106 izay mampianatra fa tsy maharitra no hitoeran’ireo izay handova ny fanjakana telestialy ao amin’ny helo?

Filoha Joseph Fielding Smith

Nanazava ny vokatry ny fijalian’ireo izay handova ny fanjakana telestialy any amin’ny helo ny Filoha Joseph Fielding Smith: “Ho fitaovana fanadiovana na fandiovana io fijaliana io, ka amin’ny alalan’izany no hitondrana ny ratsy fanahy ho amin’ny toetra izay hahafahany mahazo ny tsy fahafatesana amin’ny alalan’ny fanavotan’i Jesoa Krist. Hikambana indray ny vatany sy ny fanahiny ka hitoetra ao amin’ny fanjakana telestialy izy ireo. Kanefa tsy ho tonga izany fitsanganana amin’ny maty izany raha tsy amin’ny faran’izao tontolo izao” (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 2:298).

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:106–8, dia mianatra isika fa ny olon-dratsy dia hijaly noho ny fahotany mandra-pahavitan’i Jesoa Kristy ny asany sy mandra-panolorany ny Rainy ny fanjakan’ Andriamanitra ety an-tany, izay hitranga aorian’ny Arivotaona. Handray ny satroboninahiny i Kristy amin’izany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:111 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9, ka jereo ao ny zavatra mamaritra ny fanjakam-boninahitra holovaintsika.

Ny fitsipika iray azontsika ianarana amin’ireo andininy ireo ny hoe ny asa ataontsika sy ny fanirian’ny fontsika mandritra ity fiainana ity no hamaritra ny fanjakam-boninahitra izay holovaintsika.

Loholona Russell M. Nelson

Mety hanampy anao hahatakatra bebe kokoa io fitsipika io teny manaraka izay nambaran’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: “Ny tsirairay avy aminareo dia hotsaraina araka ny asanareo sy ny fanirian’ny fonareo [jereo F&F 137:9]. Tsy hotakiana aminao ny hanefa ny trosan’olon-kafa. Tsy kisendrasendra no hametrahana anao any amin’ny fanjakana selestialy, na terestrialy, na telestialy. Ny Tompo dia nametraka fepetra takina izay tsy miova ho an’ny fanjakana tsirairay. Afaka mahafantatra ny zavatra ampianarin’ny soratra masina ianao ary mampifanaraka ny fiainanao amin’izany [jereo ny Jaona 14:2; 1 Korintiana 15:40–41; F&F 76:50–119; 98:18]” (“Constancy amid Change,” Ensign, nôv. 1993, 35).

  1. journal iconValio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Inona no fiantraikan’ny fahatakarana io fitsipika io amin’ny safidy ataonao anio?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:86–89, 98, 112, ka tadiavo ny teny na andian-teny izay milazalaza ny amin’ny mety ho endriky ny tsy fahafatesana ho an’ireo izay handova ny fanjakana telestialy. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Raha nilazalaza momba ireo mponin’ny fanjakana telestialy ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon, dia nanome fanazavana mikasika ny mampiavaka ny tsirairay avy amin’ireo fanjakam-boninahitra telo ihany koa izy ireo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:91–98, ka tadiavo ny mampiavaka ny voninahitry ny fanjakana tsirairay.

Inona no mampiavaka ny voninahitry ny fanjakana selestialy amin’ny voninahitry ny fanjakana terestrialy sy ny fanjakana telestialy?

masoandro, volana, kintana

Ny fahasamihafana misy eo amin’ny voninahitry ny fanjakana selestialy, terestrialy, ary telestialy dia azo aseho amin’ny alalan’ny fahasamihafan’ny hazavan’ny masoandro, sy ny volana, ary ny kintana raha jerena avy ety an-tany. Raha jerena avy ety an-tany, ny kintana faran’izay mamiratra indrindra dia manodidina ny avo 100 henin’ny hazavan’ny kintana faran’izay matroka indrindra ny hazavany. Ny volana dia manodidina ny avo 30.000 henin’ny hazavan’ny kintana faran’izay mamiratra indrindra ny hazavany. Ny masoandro dia manodidina ny avo 400.000 henin’ny hazavan’ny volana iray manontolo ny hazavany. Ireo fahasamihafana eo amin’ny fahazavana ireo dia afaka maneho ireo fahasamihafana misy eo amin’ireo fanjakam-boninahitra hitan’i Joseph sy i Sidney. Araka ny hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavana 76:94–95, ny fitahiana azon’ireo izay mendrika ny handova ny voninahitra selestialy dia lehibe lavitra noho ny fitahiana azon’ireo izay handova ny voninahitra telestialy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:113–19

Nanazava ny zavatra tsy maintsy ataon’ny tsirairay i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon mba hahafahany hahita sy hahatakatra mivantana ireo zava-miafin’ny fanjakan’ Andriamanitra

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:113–19 dia mirakitra ny fanazavana nomen’ny Mpaminany Joseph Smith sy i Sidney Rigdon fa nodidina izy ireo tsy hanoratra izay rehetra naseho azy ireo. Nanazava ny zavatra tsy maintsy hataon’ny hafa mba hahafahan’izy ireo hahita sy hahatakatra mivantana ny zava-miafin’ Andriamanitra ihany koa izy ireo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:116, ka tadiavo ny fomba hahafahan’ny olona iray hahita sy hahatakatra ny zava-miafin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Araka ny voalazan’ny andininy faha 116, inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray mba hahafahany hahita sy hahatakatra ny zava-miafin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina?

  1. journal iconSoraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’ilay toe-javatra nalaina sary an-tsaina naroso tany am-piandohan’ity lesona ity, izay ahitana namana iray manontany mikasika ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny any an-danitra sy ny helo,. Ampiaraho amin’izay avalinao an’ilay namanao ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

    1. Inona no zavatra nambaran’ny Tompo hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76momba ny any an-danitra sy ny helo?

    2. Inona avy no mampiavaka ny fanjakam-boninahitra tsirairay amin’ny haizina ivelany?

    3. Inona avy no mampiavaka ny safidy ataon’ireo mandova ireo fanjakana isan-karazany sy ny an’ireo any amin’ny haizina ivelany?

  2. journal iconHo fanampiana anao hampihatra ny zavatra nianaranao tamin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76, dia fenoy ny tsirairay avy amin’ireto fehezan-teny manaraka ireto ka ataovy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina:

    Vokatry ny zavatra nianarako avy tamin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:

    1. Izaho dia mino na mahafantatra fa …

    2. Izaho dia te …

    3. Izaho dia h …

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77

Ny Tompo dia nanambara ny valin’ny fanontanian’i Joseph Smith momba ny bokin’ny Fanambarana

Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77, dia jereo ny fahasamihafan’ireo andininy ireo amin’ny andininy hita any amin’ny fizarana hafa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Vakio ny fampidirana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana faha 77, ka jereo ny zavatra nataon’ny Mpaminany Joseph Smith rehefa nandray io fanambarana io izy.

Fanitsiana maro mazava tsara no nataon’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny Testamenta Vaovao nanomboka tamin’ny volana Marsa 1831 ka hatramin’ny volana Jolay 1833. (Hita ao amin’ny fandikana ny Baiboly nataon’i Joseph Smith ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra masina ny ankamaroan’ireo fanitsiana ireo.) Nandritra ny fandikana ny bokin’ny Fanambarana dia nanontany ny Tompo momba ny dikan’ny sasany tamin’ireo andinin-tsoratra masina tao ny Mpaminany. Ireo fanontanian’i Joseph sy ny valintenin’ny Tompo dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77. Avereno vakiana ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo, ary diniho fa ialohavan’ny tarehintsoratra F foana ny fanontaniana apetrak’i Joseph Smith amin’ny Tompo ary ialohavan’ny tarehintsoratra V foana ny valintenin’ny Tompo.

zatovovavy iray mamaky soratra masina

Ny zavatra niainan’i Joseph Smith tamin’ny nandraisany ny fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77 dia mampianatra antsika fa ny Tompo dia manambara ny fandikan-teny marin’ny soratra masina amin’ny alalan’ny Mpaminaniny. Afaka mianatra ihany koa isika fa raha manontany ny Tompo isika dia afaka manampy antsika hahatakatra ny soratra masina Izy.

Mety hanampy tokoa ny mahatakatra fa ny 7000 taona hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:6, dia miresaka momba ny taona nisian’ny tany, izany hoe ny fisian’ny tany nanomboka tany amin’ny Fahalavoan’i Adama. Tsy miresaka momba ny taonan’ny tany akory io.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–11977 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: