Seminera
Fizarana 20: Andro 4, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97


Fizarana 20: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97

Fampidirana

Ny 2 aogositra 1833 no nandraisan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97. Ao amin’io fanambarana io ny Tompo dia nanome torolalana sy fankaherezana an’i Parley P. Pratt izay nitarika ny sekolin’ny mpaminany tao Missouri, sy ireo rahalahy izay nanatrika izany sekoly izany. Nanamafy ny sitrapony koa ny Tompo mikasika ny fanorenan’ny Olomasina tempoly tao Missouri. Nampanantena Izy fa raha manao izany izy ireo ary raha madio am-po dia hitoetra ao ny voninahiny sy ny fanatrehany.

Sary
tsangambato

Sekolin’ny loholona

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:1–9

Mampianatra ireo mpikamban’ny sekolin’ny loholona tao Missouri ny Tompo mikasika ny zavatra tsy maintsy ataony mba ho ekeny

Raha toa ianao ka mampianatra ny namanao ny fomba hahatongavana ho mpianatra mahomby dia inona no toetra sy fitondrantena handrisihanao azy ireo mba hananany?

Ny ririnin’ny taona 1832–33, ny Tompo dia nanome torolalana ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana mba hanangana ny sekolin’ny mpaminany ao Kirtland, Ohio. Teo ambanin’ny fitarihan’ny Mpaminany Joseph Smith no nitarihan’i Parley P. Pratt sekoly nitovy tamin’izany tao Independence, Missouri. Sekolin’ny loholona no niantsoana io sekoly io. Nanoratra taratasy ho an’i Joseph Smith izay tany Ohio ireo mpikambana tao amin’ilay sekolin’ny loholona. Ho valin’izany dia nandefa taratasy iray izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97 ho azy ireo izy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:1, ka fantaro ny zavatra nolazain’ny Tompo mikasika ny maro tamin’ireo rahalahy tao Missouri.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:2, ka tadiavo ny zavatra nampanantenain’ny Tompo ireo lehilahy ireo raha toa izy ireo ka mahatoky hatrany.

Mianatra isika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:1–2 fa raha toa isika ka manetry ny tenantsika sy mikatsaka fatratra ny hianatra dia hahazo fahendrena sy fahamarinana. Azonao atao ny manoratra ity fitsipika ity ao amin’ny soratra masinao.

Sary
zatovo ao am-pianarana
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahazo fahendrena sy fahamarinana?

    2. Nahoana araka ny eritreritrao no manampy anao hahazo fahendrena sy fahamarinana ny fanetrentena sy fahazotoana?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:3–5 ka fantaro ny zavatra tsapan’ny Tompo momba ny asa fanompoana nataon’i Parley P. Pratt sy ny zavatra nampanantenain’ny Tompo ny rahalahy Pratt.

Tahaka an’i Parley P. Pratt, ianao dia afaka mahafantatra fa ny Tompo dia faly aminao rehefa mitozo manaraka Azy ianao.

  1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:7, 9. Ataovy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sarin’ireo hazo voalaza ao amin’ireo andininy ireo. (Raha toa ka tsy te hanao sary ianao dia azonao atao ny manoratra andiam-pehezan-teny roa milazalaza momba ireo hazo ireo.)

Ireo karazana hazo roa ireo dia maneho ireo mpikamban’ny Fiangonana, ary ny voan’ny hazo dia maneho ny asa na ny zavatra ataon’ny mpikambana. Tsarovy fa maro tamin’ireo olomasina tao Missouri no nanetry tena sy nahatoky. Na dia izany aza dia nisy sasany lasa feno fieboeboana sy tsy nankato. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:6–7, ka saintsaino ireo hafatra hitanao ao amin’ireo andininy ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:8–9, ka saintsaino ireo hafatra hitanao ao amin’ireo andininy ireo.

  1. Inona no zavatra nampanantenain’ny Tompo ireo rahalahy ireo raha toa izy ireo ka mitozo manaraka Azy? Manorata fehezan-teny roa na telo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izay manazava ny fomba hahazoanao faharisihana mba ho mahatoky bebe kokoa avy amin’ny famariparitana ireo hazo telo ireo sy ny manodidina izany ao amin’ny andininy 9.

Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:8, dia inona avy ireo toetra sasany ananan’ny olona izay ankasitrahan’ny Tompo? Mba hamaliana io fanontaniana io dia soraty ireo teny izay mahafeno ity fitsipika ity: Raha te ho ankasitrahan’ny Tompo isika dia tsy maintsy .

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Inona avy ireo fahafoizantena sasantsasany nataonao mba hahafahanao “mitandrina ny fanekempihavanana natao[nao]” (F&F 97:8)?

Saintsaino ny fijoroanao eo anoloan’ny Tompo. Eritrereto ny fomba ahafahanao mampihatra ilay fitsipika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:8.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:10–21

Manamafy ny sitrapony mikasika ny fanorenan’ny Olomasina tempoly tao Missouri ny Tompo

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:10–12, ka tadiavo ny fanatitra notakin’ny Tompo tamin’ireo olomasina tao Ziona (Missouri). Ny teny hoe fahafolonkarena ao amin’ireo andininy ireo dia entina ilazana ireo fanatitra amin’ny ankapobeny, fa tsy ny 10 isan-jaton’ny vola miditra isan-taona amin’ny olona iray, izay fantatra amin’ny hoe lalàn’ny fahafolonkarena, izay nambara taty aoriana (jereo ny F&F 119). Mihoatra ny ampahafolon’ny fidiram-bolan’ireo olomasina no ho nilaina nanorenana ilay tempoly, tafiditra tao anatin’izany ny fanolorany fotoana sy ny herin’ny sandriny.

Tsarovy fa efa natoron’ny Tompo roa taona mialoha ny nanomezany io fanambarana io ilay faritra hisy ny tempoly ao Ziona (jereo ny F&F 57:1–3). Ny volana Jona 1833, dia nanoratra tamin’ireo mpitarika ny Fiangonana tao Missouri ny Mpaminany Joseph Smith ary nanome toromarika azy ireo hanomboka tsy misy hatak’andro ny fanorenana ny tempoly (jereo ny History of the Church, 1:363). Na dia izany aza, rehefa nomena ny 2 aogositra 1833 ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97 dia tsy mbola nanomboka ny asa fanorenana akory ireo olomasina tao Missouri.

Diniho ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:12–14, ka tadiavo ireo antony nanirian’ny Tompo ny olomasina hanorina tao Missouri tempoly iray.

Inona no mahatonga ny tempoly ho “toeran’ny fanati-pisaorana” (F&F 97:13) ho anao? Inona no mahatonga azy ho “toeran’ny fianarana” (F&F 97:13)?

Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:15–20 ianao dia tadiavo ireo fampanantenana nomen’ny Tompo ny olomasina raha toa ka manorina tempoly izy ireo.

Sary
Loholona David B. Haight

Ny Lolohona David B. Haight tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa ilay fampanantenana ny hahita an’ Andriamanitra ao amin’ny Tempoly (jereo ny andininy 15–16) dia mety ahitana zavatra bebe kokoa noho ny fahitana an’ Andriamanitra amin’ny mason’olombelona: “Marina tokoa fa tena nahita ny Mpamonjy ny olona sasany, kanefa rehefa mijery ao anatin’ny rakibolana ny olona iray dia mahita fa misy dikany maro ny teny hoe mahita, toy ny hoe lasa mahafantatra Azy, mahay manavaka Azy, mahalala Azy sy mahalala ny asany, mahatsapa ny lanjany na lasa mahatakatra ny momba Azy” (“Temples and Work Therein,” Ensign, nôv. 1990, 61).

Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:15–17, inona no azonao atao mba ho mendrika ny hiaina ny voninahitry ny Tompo sy ny fanatrehany ao amin’ny tempoly? Asio marika ireo teny na andian-teny ao amin’ireo andininy ireo izay mampianatra ny fitsipika manao hoe ao amin’ny tempoly no hanehoan’ Andriamanitra ny tenany amin’ireo izay madio am-po.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no dikan’ny hoe madio am-po aminao?

    2. Inona no azontsika atao hanadiovana ny fontsika mba hahafahantsika mandray ireo fitahian’ny tempoly?

    3. Inona no zavatra niseho izay nahatsapanao fa voatahy ianao rehefa niomana ho any amin’ny tempoly?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21, ary jereo ny fomba namaritan’ny Tompo ny teny hoe Ziona. Azonao atao ny manoratra na manisy marika ao amin’ny soratra masinao ny andian-teny izay mampianatra izao fahamarinana manaraka izao: I Ziona dia izay madio am-po.

Sary
Tempolin’i Guayaquil Equateur

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:22–28

Nanazava ny zavatra tsy maintsy ataontsika ny Tompo mba hahafahana miala amin’ny fahavinirany sy handraisana ny fitahiany

Mba hahatakarana ny hafatry ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:22–24, dia diniho izao fampahalalana izao: Hisy tadio hitranga manerana izao tontolo izao. Ny tadio mahery dia mety hivadika ho tafiodrivotra mahery vaika ka hanimba ny zava-drehetra lalovany. Efa nahita tadio na tafiodrivotra mivantana na tamin’ny horonan-tsary ve ianao?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:22–24, ka tadiavo ny zavatra noharin’ny Tompo tamin’ny tadio.

Ny teny hoe famaliana ao amin’ny andininy 22, dia entina ilazana ny voka-dratsin’ny tsy fankatoavana ny Tompo. Soraty eo amin’ny faritra malalaka ny antony mahatonga ny famalian’ny Tompo mety ho tahaka ny tadio:

Hadihadio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:25–28 hamantaranao ny zavatra tokony hataontsika mba hisorohana ny famalian’ny Tompo ka handraisantsika ireo fitahiany. Azonao atao ny manisy marika ny teny hoe raha isaky ny mahita izany ao amin’ireo andininy ireo ianao.

Eritrereto ny ifandraisan’ny hafatry ny Tompo ao amin’ny andininy 25–28 amin’ireo karazana hazo roa nianaranao teo aloha. Inona no zavatra ampianarin’ny andininy 27–28 momba ny fibebahana sy ny famelana?

Izao fitsipika manaraka izao no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo raha mankato isika dia tsy hianjadian’ny famalian’ny Tompo ka handray fitahiana maro dia maro avy Aminy.

Eritrereto hoe nasain’ny bitsika voarainao nanao inona ianao rehefa avy Nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97. Mandraisa andraikitra eo anatrehan’ireny bitsika ireny mba hahafahanao mahazo ireo fitahian’ny Tompo.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy