Seminera
Fizarana 11: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:16–75


Fizarana 11: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:16–75

Fampidirana

Nandritra ny vanim-potoana ara-tantara rehetra dia nanana hevitra samy hafa momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ny olona marobe. Tena voamarina izany tamin’ny volana martsa 1831 rehefa voaray ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45. Nanome ny antsipiriany momba ny zavatra hitranga sy ireo famantarana mifanaraka amin’ny Fiaviany Fanindroany ny Tompo ato anatin’ity fanambarana ity, ka anisan’izany ny fananganana ny Jerosalema Vaovao (na Ziona). Nandidy ny Mpaminany Joseph Smith ihany koa ny Tompo mba hanomboka hiasa amin’ny fandikana ny Testamenta Vaovao, mba hanomanana ny Olomasina amin’ireo zavatra izay ho avy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:16–46

Manambara famantarana sy zava-mitranga maro izay hialoha ny Fiaviany Fanindroany ny Mpamonjy

Ahoana no ahafantaranao fa manatona ny oram-baratra? Nahoana no manampy ny mahafantatra hoe inona ireo famantarana ireo?

Ireo izay mahalala ireo famantarana ny zava-hitranga mananontanona dia afaka ho vonona ny amin’izany. Inona ireo famantarana izay fantatrao mba hampitandremana anao fa ireto zava-hitranga manaraka ireto dia efa tò na hoavy?

  • Ny andro farany

  • Ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany

Araka ny nampisehoana tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:16 dia liana tamin’ny fahafantarana bebe kokoa momba ireo zava-mitranga mitarika amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany ireo olona tamin’ny andron’i Joseph Smith sy amin’izao fotoana izao, tahaka ireo olona tamin’ny andron’ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy teto ambonin’ny tany. Namaritra ireo famantarana izay hampandre antsika izany zava-mitranga mananontanona izany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45. Maro amin’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 no zavatra izay nambaran’ny Tompo tamin’ny mpianany izay niaina niaraka taminy tamin’ny fotoana nanompoany teto ambonin’ny tany (jereo ny Matio 24).

  1. Mba hamantarana ireo famantarana nolazain’ny Mpamonjy fa hialoha ny Fiaviany Fanindroany dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto:F&F 45:18–21; F&F 45:22–27; F&F 45:28–31, 33; F&F 45:40–43. Dia Vakio ny andininy tsirairay ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo avy eo ka tadiavo ireo famantarana izay hialoha ny Fiaviana Fanindroany ary soraty eo akaikin’ilay andinin-tsoratra masina ireo famantarana ireo. Raha misafidy ny hanao izany ianao dia ataovy sary izay novakianao mba tsy hanoratana ireo famantarana.

Efa nitranga ny sasany amin’ireo famantarana ny Fiaviana Fanindroany. Ohatra, noravan’ny Romana tamin’ny 70 taorian’i J.K ny tempoly tao Jerosalema (jereo ny F&F 45:18–21). Ny andian-teny hoe “fotoan’ny Jentilisa” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:25 dia entina hilazana ny fotoana izay hanolorana voalohany ny filazantsara amin’ny Jentilisa, na ireo tsy taranaka Jiosy, izay fotoana hiainantsika amin’izao fotoana izao.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:34 ka tadiavo hoe ahoana no fahatsapan’ireo mpianatra tamin’ny andron’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto ambonin’ny tany rehefa nambarany ireo zavatra ireo izy ireo. Nahoana araka ny eritreritrao no mety hahatsapa fahatsapana mitovy amin’izany ny olona amin’izao fotoana izao mikasika ireo famantarana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:38 ka tadiavo hoe inona no ho fantatsika rehefa mahita ny fahatanterahan’ireo famantarana isika.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:32, 39. Eo am-pandalinanao ireo andinin-tsoratra masina ireo dia fantaro hoe inona no hataon’ireo mpanaradia an’i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao mba ho vonona amin’ny Fiaviany Fanindroany. Jereo ny andininy 39, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy a mba hahafantarana teny hafa ilazana ny hoe “matahotra.”

Araka ny zavatra nohalalininao, inona no fampanantenan’ny Tompo amin’ireo izay mitsangana eo amin’ny toerana masina sy mitsaoka Azy? Fenoy izao fitsipika izao: Raha mitsangana eo amin’ny toerana masina isika ka miandry ireo famantarana dia .

Matetika isika no mieritreritra ireo “toerana masina” ho ireo toeran’ny Fiangonana toy ny tempoly na trano fiangonana. Eo am-pamakianao ity teny nambara manaraka ity dia mitadiava fomba iray hafa hitsanganantsika eo amin’ny toerana masina:

“Ny ‘toerana masina’ dia mety hifandraika bebe kokoa amin’ny hoe ahoana no fomba fiainan’ny olona iray mihoatra ny hoe aiza ny olona iray no mipetraka. Rehefa miaina fiainana mendrika ny fananana ny Fanahy Masina ho namana lalandava isika dia mitsangana amin’ny toerana masina iray isika amin’izany. …

Ny toerana masina dia ny toerana rehetra izay hahafahan’ny olona iray migoka ny Fanahin’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpianatra, ed. faha 2 [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 196).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no ahafahantsika miaina ao anatin’izao tontolo izao kanefa mbola mitsangana amin’ny toerana masina ihany?

    2. Ahoana no fomba anehoan’ny mpanaradia an’i Jesoa Kristy ny fahatahorana na fanajana Azy eo amin’ny fiainana andavanandro? Lazalazao ny momba ny olona iray izay fantatrao fa manao izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:47–59

Ny Mpamonjy dia manambara ireo famantarana sy ireo zava-mahatalanjona izay hiaraka amin’ny fanehoany ny tenany amin’ny Jiosy

Rehefa hiverina i Jesoa Kristy dia haneho ny tenany amin’ny andian’olona manokana Izy. Hiseho amin’ny hery sy haja ary voninahitra lehibe Izy ka hahita Azy izao tontolo izao. Mandritra ny iray amin’ny fanehoany ny tenany dia hitsangana eo amin’ny Tendrombohitra Oliva any Jerosalema Izy raha iny misy manafika iny ny Jiosy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:48 ka tadiavo ny zavatra hitranga eo amin’ity tendrombohitra ity sy amin’ny tany rehefa hitsangana eo ambonin’izany Mpamonjy.

Fenoy izao tabilao manaraka izao amin’ny alalan’ny famakiana ireo andinin-tsoratra masina sy amin’ny alalan’ny famaliana ireo fanontaniana amin’ny teninao manokana:

F&F 45:49–50: Inona no hitranga amin’ireo firenen’ny tany amin’ny Fiaviana Fanindroany?

F&F 45:51–53: Nahoana no hitomany ny Jiosy rehefa hiverina ny Tompo?

Raha toa ianao tsy mahafantatra ny fanoharana ny amin’ireo virijiny folo dia Vakio ny Matio 25:1–13. Tamin’ny inona no naha-hendry an’ireo virijiny dimy? Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:56–57 ka tadiavo ny fomba hahatonga anao ho hendry eo amin’ny fiomananao ho amin’ny Fiaviana Fanindroany. Asio marika izay hitanao.

Sary
virijiny dimy hendry

Manorata fitsipika iray misy hoe “Raha–dia” izay manazava ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba ho hendry sy hiomana amin’ny Fiaviana Fanindroany:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ity fanoharana ity sy ny tiana haseho amin’ireo virijiny folo: “Mampihoron-koditra ny rafitr’isa ao amin’ity fanoharana ity. Mazava ho azy fa ireo virijiny folo dia ampitahaina amin’ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy, samy nasaina tamin’ny fampakaram-bady avokoa izy rehetra ary samy nahalala ny fepetra takiana mba ho voaray rehefa tonga ny mpampakatra. Saingy ny antsasany ihany no vonona rehefa tonga izy” (Preparation for the Second Coming,” Ensign or Liahona, May 2004, 8).

Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nampiasa ny fanoharana momba ireo virijiny folo mba hampianarana antsika momba ny fomba ahafahantsika ho vonona amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Mino aho fa maneho ny vahoakan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ireo Virijiny Folo fa tsy ny sisa eo amin’izao tontolo izao. Nanaiky ny fanasana amin’ilay lanonam-pampakaram-bady avokoa ireo virijiny rehetra, na hendry na adala. Nanana fahalalana momba ny fandaharam-potoana izy ireo ary efa nampitandremana mikasika ilay andro manan-danja izay ho avy. …

“Tamin’ny misasakalina! Tamin’ny ora maizina indrindra, tamin’ny fotoana tsy nampoizina no tonga ilay mpampakatra. Rehefa heniky ny safotofoto izao tontolo izao ka mikatsaka fanampiana, kanefa toa tsapa fa efa dify ilay fotoana ary tsy misy ny fanantenana, dia ho avy i Kristy. Ny misasakalin’ny fiainana dia ireo fotoana izay hanoloran’ Andriamanitra fifaliana ho solon’ny harerahan’ny olombelona noho ny fahatokiany na dia eo aza ny fahasarotana. Kanefa rehefa tonga izany fotoana izany dia tsy hisy fotoana hiomanana intsony. …

“Nangataka ny hafa mba hizara ny solik’izy ireo ireo adala, saingy tsy azo zaraina amin’ny fotoana iray ny fiomanana ara-panahy. Nila nandeha ireo hendry, raha tsy izany dia ho tsy nisy nandray ilay mpampakatra. Nila ny solika rehetra ho an’ny tenany izy ireo hany ka tsy afaka nanavotra ireo adala. Tompon’andraikitra tamin’ny tenany ny tsirairay.

“Tsy fitiavan-tena na haratsiam-panahy izany. Tsy azo zaraina ilay karazana solika izay ilaina hanazavana ny lalana sy hampahazava ny haizina. Ahoana no ahafahan’ny olona iray mizara ny fankatoavany ny fitsipiky ny fahafolonkarena; ny filaminan-tsaina avy amin’ny fiainana amim-pahamarinana; ny fanangonana fahalalana? Ahoana no ahafahan’ny olona iray mizara finoana na fijoroana ho vavolombelona? Ahoana no ahafahan’ny olona iray mizara toe-tsaina tsara na fanajana ny fahadiovam-pitondrantena, na ireo zavatra niainana tamin’ny fanaovana asa fitoriana? Ahoana no ahafahan’ny olona iray mizara ireo tombontsoa avy amin’ny tempoly? Tsy maintsy mahazo izany karazana solika izany ho an’ny tenany ny tsirairay.

“Tsy nandà ny hividy solika ireo virijiny adala. Fantatr’izy ireo fa tokony nanana solika izy ireo. Nangatak’andro tsotra izao izy ireo, tsy nahafantatra ny fotoana hahatongavan’ilay mpampakatra.

“Ao amin’ilay fanoharana, ny solika dia afaka vidiana eny an-tsena. Eo amin’ny fiainantsika, ny menaky ny fiomanana dia mitombo tsikelikely avy amin’ny fiainana amim-pahamarinana. Manampy solika tsikelikely ao amin’ny fanalantsika mandritra ny taona maro ny fanatrehana ny fivoriana Fanasan’ny Tompo. Ny fifadian-kanina, vavaky ny mpianakavy, fampianarana isan-tokantrano, fifehezana ny filana ara-nofo, fitoriana ny filazantsara, fandalinana ny soratra masina—ny fihetsika maneho fanoloran-tena sy fankatoavana dia tete iray anampiana ny ao anatin’ny tahirintsika. Ny fihetsika feno hatsaram-panahy, ny fandoavana ny fanatitra sy fahafolonkarena, ny eritreritra sy fihetsika madio, ny fanambadiana ao amin’ny fanekempihavanana mandrakizay—ireo koa dia fanampiana manan-danja ho an’ny solika izay azontsika hamenoana ny fanalantsika ritra amin’ny misasakalina” (Faith Precedes the Miracle, [1972], 256).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Ahoana no hiomananao amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany rehefa mandray ny fahamarinana sy mandray ny Fanahy Masina ho mpitarika anao ianao?

Ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nijoro ho vavolombelona momba ny maha-zava-dehibe ny fananana ny Fanahy mandritra ireo fotoan-tsarotra:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Miaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika—tena fotoan-tsarotra tokoa. Manantena sy mangataka andro tsaratsara kokoa isika. Fa tsy hitranga izany. Milaza izany amintsika ireo faminaniana. Tsy misy tsy hiharan’ireo fisedrana ho avy isika amin’ny maha-vahoaka, amin’ny maha-fianakaviana na amin’ny maha-isam-batan’olona antsika. …

“Tsy mila miaina ao anatin’ny tahotra ny hoavy isika. Manana ny antony rehetra hifaliana isika ary antony kely hatahorana. Raha manaraka ireo bitsiky ny Fanahy isika dia ho voaro, na inona na inona no hoentin’ny hoavy. Haseho antsika izay tokony hatao” (“The Cloven Tongues of Fire,” Ensign, May 2000, 8).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:60–61

Nandidy ny Mpaminany Joseph Smith mba hanomboka ny fandikany ny Testamenta Vaovao ny Tompo

Vakio na tanisao ny Fanekem-pinoana fahavalo. Inona no tian’ilay andian-teny hoe “araka ny mahamarina ny dikanteny” holazaina mikasika ny Baiboly? Namaky andinin-tsoratra masina tao amin’ny Baiboly i Joseph Smith rehefa nikatsaka ny hahafantatra momba ny hoe fiangonana iza no hidirana. Tiany ny Baiboly ary nahita fiononana lehibe avy tamin’ny teny ao amin’izany izy. Rehefa nandalina izany anefa izy dia nahatsikaritra fahadisoana sy fifanoherana ary nahatsapa fa banga na tsy feno ny fampahalalana sasany, ary nanazava izy hoe: “Hita nibaribary fa zavatra maro manan-danja mahakasika ny famonjena ny olona no nesorina tao amin’ny Baiboly, na very talohan’ny nanambarana azy”(Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 217; jereo koa ny Bible Dictionary, “Bible”).

Nilaza ihany koa izy hoe: “Mino ny Baiboly araka izay nosoratan’ny penin’ireo mpanoratra tany am-piandohana aho. Nanao fahadisoana maro ireo mpandika teny tsy manam-pahalalana, na ireo mpandika soratra, na ireo mpitandrina te hitondra ny olona amin’ny sangany sy manana toe-tsaina lomorina” (Teachings: Joseph Smith, 207; jereo koa ny 1 Nephi 13:25–29).

Nanodidina ny fararanon’ny taona 1830 dia nandidy ny Mpaminany Joseph Smith mba handika ny Baiboly ny Tompo. Ity “fandikan-teny” ity dia tsy avy amin’ny fiteny iray havadika ho fiteny iray hafa, na hoe nanana ny dikan-tenin’ny Baiboly tany am-boalohany izay voasoratra tamin’ny tanana mba handikana teny tsy akory ny Mpaminany. Fa namaky sy nandalina andinin-tsoratra avy tao amin’ny Baiboly dikan-tenin’ny Mpanjaka James izy ka nanao fanitsiana na fanampiana araka ny fitaoman’ny Fanahy. Nitahy izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny fanazavana bebe kokoa ny votoatin-kevitra ara-potopampianarana ao amin’ny Baiboly ny Dikantenin’i Joseph Smith (DJS), indrindra fa mikasika ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy sy ny toetoetran’ Andriamanitra.

Teo am-panatanterahana ny asa fanitsiana mazava kokoa ny Testamenta Taloha i Joseph Smith no indro nomena ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45 ny 7 martsa 1831. Ny ampitson’ny nahazoan’i Joseph ity fanambarana ity dia nanomboka nandika ny Testamenta Vaovao izy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:60–61 mba hamantarana ny anton’izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:62–64

Nampilazana mialoha ny Olomasina mba hiangona tany amin’ny tany andrefana

Nandidy ireo Olomasina tany aloha mba hifindra any andrefana, “avy amin’ny tany atsinanana” ny Tompo (F&F 45:64). Jereo ity sarintany manaraka ity mba hijerena izany faritra izany.

Sary
sarintanin’i Etazonia avaratra atsinanana

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:62–64 mba hahafantarana ny antony nandidian’ny Tompo ny Olomasiny mba hiangona mankany amin’ny “tany andrefana” (F&F 45:64).

Inona no nolazain’ny Tompo fa “eo am-baravaranareo aza” (F&F 45:63)?

Saintsaino izany dikan’ny hoe “eo am-baravaranareo aza,” araka ny eritreritrao.

Tamin’ny taona 1831 dia nihitatra nankany amin’ny sisiny andrefan’i Missouri ny faritra andrefan’i Etazonia. Hitarika ny Olomasina any andrefana kokoa ny Tompo taty aoriana—amin’ny toerana izay antsoina hoe Utah ankehitriny. Rehefa nankatò ny torohevitry ny Tompo ny Olomasina dia notarihina hiala amin’ireo antambo nifandray tamin’ny Ady An-trano tany Amerika izy ireo (1861–65).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:65–75

Namariparitra ny ho toetoetran’i Jerosalema Vaovao (Ziona) ny Tompo

Raha toa ka afaka mipetraka amin’ny toerana izay tianao ianao dia aiza izany? Nahoana?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:65–67 ka tadiavo ny anaran’ilay tany lovan’ny Olomasina sy ireo antony hahatonga izany ho toerana nahatehonina.

  1. Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo antony hahatonga an’i Jerosalema Vaovao ho toerana tianao ipetrahana.

Ireo andinin-tsoratra masina ireo dia mampianatra fa i Jerosalema Vaovao dia ho tanin’ny fandriampahalemana sy toerana azo antoka ary ho ao ny voninahitry ny Tompo. Jereo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:67 ny zavatra hafa izay ho ao ho fanampin’ny voninahitry ny Tompo. Niteraka inona araka ny filazan’ny Tompo ny fananana “fihorohoroana amin’ny Tompo” izay teo ihany koa?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:68–71 ka tadiavo hoe iza no hiangona ao amin’ny Jerosalema Vaovao (Ziona).

  1. Farano ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity teny nambara ity: Noho ny zavatra nianarako androany dia hiomana amin’ireo zavatra hoavy aho amin’ny alalan’ny …

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:16–75 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy