Seminera
Fizarana 32: Andro 3, Fanafainganana ny asa famonjena


Fizarana 32: Andro 3

Fanafainganana ny asa famonjena

Fampidirana

Tamin’ny fiatombohan’ny Famerenana amin’ny Laoniny dia nitatra naneran-tany ny asan’ny Tompo. Miaina ao anatin’ny fotoana iray izay hanafainganan’ny Tompo ny asany isika. Mety manana loharano sy fahafahana maro ianao handraisana anjara amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo.

Manafaingana ny asany ny Tompo

Inona ireo antony sasany mety hanafainganan’ny olona iray ny fanaovana asa iray? Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:73, ka tadiavo izay nolazain’ny Tompo fa hohafainganiny (jereo ihany koa ny Jakôba 5:61–62, 70–71).

Raha niresaka momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:73 ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe: “Izany fotoana fanafainganana izany dia ankehitriny” (“Thus Shall My Church Be Called,” Ensign, mey 1990, 17).

Isika amin’izao fotoana dia miaina amin’ny fotoana izay hanafainganan’ny Tompo ny asany. Mampandeha haingana sy mampandroso bebe kokoa ireo ezaka ataony mba hanatanterahana ny famonjena ny olona ny Tompo amin’ny alalan’ny fanafainganana ny asany.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Inona ireo fomba sasany izay hitanao fa hanafainganan’ny Tompo ny asany?

Nandritra ny asa fanompoan’ny Filoha Spencer W. Kimball tamin’ny naha-Filohan’ny Fiangonana azy dia nanafaingana ny asany ny Tompo. Ohatra, ny asa fitoriana dia niitatra ary ny Fiangonana dia namoaka edisiôna vaovaon’ireo soratra masina. Rehefa namporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hibosesika handroso ny Filoha Kimball dia niteny izy fa “ampy ny fotoana ela be nitsaharan’ny Fiangonana tamin’ny fandrosoana. Aoka isika handroso hatrany hatrany” (“Let Us Move Forward and Upward,” Ensign, mey 1979, 82). Nampianatra koa izy fa “Tsy maintsy manalava ny ezaka ataontsika isika ary tsy maintsy manao izany izao” (“Always a Convert Church: Some Lessons to Learn and Apply This Year,” Ensign, sept. 1975, 3).

Rehefa “mampitombo ny ezaka ataony” ny mpikamban’ny Fiangonana dia mampitombo ny ezaka ataony mba handraisana anjara amin’ny asan’ny Tompo izy ireo. Ohatra, miasa amim-pahazotoana bebe kokoa izy ireo mba hizara ny filazantsara, handalina ny soratra masina, ary hanao ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.

Fanafainganana ny asa fitoriana

Ny Filoha Spencer W. Kimball dia nilaza tamin’ireo Olomasina fa ny Tompo dia nanomana varavarana mivoha ho azy ireo mba hizarany ny filazantsara, ary tafiditra ao anatin’izany ireo firenena izay tsy namela ny hanaovana asa fitoriana tao aminy. Niteny ihany koa anefa izy fa ny Olomasina dia mila manomana ny tenan’izy ireo mba handray ireny fahafahana ireny. Nijoro ho vavolombelona ihany koa ny Filoha Kimball fa raha toa ka niomana hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ny zatovolahy tsirairay dia hanokatra varavarana sy hanome lalana iray handehanan’ny asa fitoriana amin’izao tontolo izao manontolo ny Tompo.

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

‘Mieritreritra momba ireo firenena marobe izay tsy mbola nokasihina aho. Fantatro fa manana voaly [famerana amin’ny fitaomana avy aty ivelany] izy ireo, tahaka ny voaly vy sy voaly bararata. Fantatro ny hasarotan’izany satria isika dia efa nanao ezaka. …

“Saingy tsy mahita antony tsara hanokafan’ny Tompo varavarana izay tsy niomanantsika hidirana aho. Ahoana no hamotehany ny voalim-bỳ na ny voalin-kazo na ny voaly hafa raha tsy niomana hiditra isika?” (“When the World Will Be Converted,” Ensign, ôkt. 1974, 5, 7).

Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia nanaraka ny torohevitry ny Filoha Kimball ary miomana ny hizara ny filazantsara. Nandritra ny fitantanan’ny Filoha Kimball dia nitombo ho 50 isan-jato mahery ny isan’ireo misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno. Tamin’ny faran’ny taona 80 sy ny fiandohan’ny taona 90 dia nanomboka namela ny misiônera mba hizara ny filazantsara any amin’ny fireneny ireo governemanta Atsimon’i Alemana, ireo firenena tao anatin’ny Firaisana Sôvietika, ary ireo firenena hafa izay nametra ny asa fitoriana teo aloha. Tanteraka ny faminanian’ny Filoha Kimball ary mitohy ny fahatanterahan’izany rehefa miitatra ny asa fitoriana.

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

Rehefa namporisika ny mpikamban’ny Fiangonana mba hampitombo ny ezaka ataon’izy ireo ny Filoha Kimball dia nanazava andraikitra iray izay ananan’ny zatovolahy tsirairay ato amin’ny Fiangonana izy: “Apetraka matetika ilay fanontaniana hoe: Tokony hanatanteraka asa fitoriana ve ny zatovolahy tsirairay? Ary ny Tompo dia nanome ny valiny. Izany dia, Eny. Ny zatovolahy rehetra dia tokony hanao asa fitoriana” (“When the World Will Be Converted,” 8).

Hatramin’izay dia nanohy namporisika ny zatovolahy tsirairay izay mendrika sy afaka manao izany mba hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ireo mpaminany. Ireo mpaminany koa dia mandray an-tanandroa ireo zatovovavy mba hanompo amin’nyhanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno raha manam-paniriana ny hanao izany izy ireo. Nilaza fanovana nentanim-panahy amin’ny taona takina ho amin’ny misiônera ny Filoha Thomas S. Monson tamin’ny volana ôktôbra 2012, izay mamela ny zatovolahy hanomboka ny asa fitoriana amin’ny faha 18 taonany ary ny zatovovavy amin’ny faha 19 taonany. Tokony hiomana hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno sy hitandrina ny tenany ho mendrika ny hanompo ny zatovolahy tsirairay.

Sary
zatovolahy mamaky soratra masina
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana ny zatovolahy tsirairay no tokony hiomana hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno?

    2. Ahoana no afaka izao manampy anao hitondra anjara biriky amin’ny asan’ny Tompo ny fiomananao amin’ny asa fitoriana amin’izao fotoana?

    3. Nahoana araka ny eritreritrao no nandray anjara tamin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo ilay fanovana nentanim-panahy momba ny taona takina ho an’ny misiônera amin’ny fotoana feno?

Edisiôna vaovaon’ny soratra masina

Inona no holazainao raha toa ka miteny izao aminao ny namana akaiky iray: “Te hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra aho. Inona no tokony hataoko?”

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

Vakio izao teny manaraka izay nolazain’ny Filoha Spencer W. Kimball izao: “Hitako fa rehefa ataoko tsizarizary ny fifandraisako amin’ Andriamanitra ary rehefa toy ny hoe tsy misy sofin’ Andriamanitra mihaino, ary tsy misy feon’ Andriamanitra miteny, dia tena lavitra tokoa aho. Fa rehefa miroboka ao anatin’ny soratra masina aho, dia mihena ny elanelana ary miverina ny aim-panahy” (Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball [2006], 67).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:6, 24–30 ka tadiavo ny antony nanirian’ny Tompo ny hamoahan’ireo mpitarika ny Fiangonana ireo fanambarana. Ahoana no hanampian’ny soratra masina antsika hampitombo ny ezaka ataontsika sy hitondra anjara biriky amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo?

Tany amin’ny fiandohan’ny taona 70 dia neken’ireo mpitarika ny Fiangonana fa mila mahafantatra bebe kokoa ny soratra masina ny mpikamban’ny Fiangonana ary mila edisiônan’ny Baiboly mitovy izy ireo amin’ny fandalinana sy fampianarana. Ny taona 1979, taorian’ny taona maro feno aingam-panahy sy ezaka dia natontan’ny Fiangonany ny Baiboly edisiôna ôfisialy King James amin’ny teny anglisy. Ity edisiônan’ny Baiboly ity dia ahitana fanampiana betsaka ho amin’ny fandalinana izay tsy nananana teo aloha, anisan’izany ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy miaraka amin’ireo soratra masina mifandray sy ireo fanampiana hafa; ireo sasin-tenin’ny toko izay nohavaozina; ireo ampahany amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith; ny Torolalana ho an’ny soratra masina; ary ny Bible Dictionary. Namoaka edisiôna vaovaon’ny triptika—Bokin’i Môrmôna, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana , ary Voahangy Lafo Vidy—tamin’ny teny anglisy ny Fiangonana tamin’ny taona 1981, izay ahitana ireo fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy sy sasin-teny ho an’ny toko nohavaozina, sy ireo sarintany ary tovana iray. Ny taona 2009, ny Fiangonana dia namoaka ny edisiôna LDS ny Baiboly Reina-Valera amin’ny teny espaniola.

Vakio izao fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izao herintaona taorian’ny namoahana ny triptika amin’ny teny anglisy tamin’ny taona 1981. Tadiavo ny fomba fijeriny fa ireo edisiôna vaovaon’ny soratra masina ireo dia hitahy fiainana maro sy hampandroso ny asan’ Andriamanitra.

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Amin’ny fandehanan’ny taona maro, ireo soratra masina ireo dia hiteraka taranaka Kristianina mifandimby mahatoky izay mahafantatra ny Tompo Jesoa Kristy ary vonona ny hankatò ny sitrapony.

“… Hisokatra amin’izy ireo amin’ny fomba tsy mbola nisy ohatra izany mihitsy teto ambonin’ny tany ny fanambarana … Hahazo fahalalana ambony mifandraika amin’ny filazantsara mihoatra lavitra ny zavatra takatr’ireo razambeny izy ireo. Hanana fijoroana ho vavolombelona izy ireo fa i Jesoa no Kristy ary hanana fahafahana ny hanambara sy hiaro Azy” (“Soratra Masina,” Ensign, nôv. 1982, 53).

Mijoro ho vavolombelona ny soratra masina fa i Jesoa no Kristy. Afaka manampy antsika hahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy hanampy antsika hameno ny fiainantsika amin’ny Fanahy Masina ny fandalinana ny soratra masina. Ezaka lehibe no efa natao sy mbola atao hatrany mba hanolorana soratra masina sy fitaovana tena manampy hoenti-mandalina amin’ny fitenin-drazany ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana no manan-danja ny fandalinana isan’andro ny soratra masina?

    2. Ahoana no nanampy anao handray anjara amin’ny asan’ny Tompo ny fandalinanao manokana ny soratra masina?

Fanafainganana ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana

Nitombo be tokoa ny fananganana tempoly teo ambany fitarihan’ny Filoha Gordon B. Hinckley. Tamin’ny taona 1995, raha mbola latsaky ny 50 isa ny tempoly am-perinasa nanerana izao tontolo izao, dia hoy izy hoe: “Manana faniriana mivaivay aho ny mba hisian’ny tempoly akaikikaiky kokoa ny Olomasin’ny Andro Farany manerana izao tontolo izao. … Ny asa dia mandroso haingana araka izay azontsika atao. Vavaka tsy tapaka ataoko ny mba handehanan’izany haingana kokoa mba ho afaka hiditra mora kokoa ny trano masin’ny Tompo ny vahoakantsika” (“Of Missions, Temples, and Stewardship,” Ensign, nôv. 1995, 52–53).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15, 17, ka tadiavo ny andraikitra ananantsika amin’ireo razambentsika. Nilaza izao fitsipika manaraka izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Andraikitsika araky ny fanekempihavanana ny mikaroka ny momba ireo razambentsika ary manatanteraka ho azy ireo ny ôrdônansin’ ny famonjena ao amin’ ny filazantsara” (“Hitodika ny fon’ny zanaka,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 25).

Ny fananganana tempoly sy ny fandrosoan’ny tantaram-pianakaviana dia porofo fa manafaingana ny asany Andriamanitra any amin’ny ilan’ny voaly any.

Sary
Loholona David A. Bednar

Vakio izao fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Bednar izao, ka tadiavo izay azonao atao mba handraisana anjara amin’ny asan’ny Tompo: “Tsy kisendrasendra ny fahatongavan’ ny FamilySearch sy ireo fitaovana hafa amin’ izao fotoana izao izay fotoana maha havanana an’ ireo tanora eo amin’ ny lafin’ ny teknôlôjia ara-pahalalam-baovao sy ara-pifandraisana amin’ ny endriny maro. Voaofana handefa hafatra amin’ ireo finday sy amin’ ireo solosaina ny rantsantananareo mba hanafainganana sy hampandrosoana ny asan’ ny Tompo—fa tsy hoe hifandraisana amin’ ny fomba haingana fotsiny amin’ ireo namanareo. Ireo fahaiza-manao hita soritra eo anivon’ ireo tanora maro amin’ izao fotoana izao dia isan’ ny fiomanana mba hitondra anjara biriky ao anatin’ ilay asa famonjena” (“Ny fon’ny zanaka,” 26).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Inona ireo zavatra niainanao manana lafiny tsara tamin’ny asan’ny tantaram-pianakaviana na fandehanana tany amin’ny tempoly mba hanatanteraka ireo ôrdônansy ho an’ny maty?

Ny andraikitsika amin’ny fampandrosoana ny asa

Eo am-pamakianao izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Loholona David B. Haight ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia asio marika ny fitahiana izay afaka ho azontsika tsirairay:

Sary
Loholona David B. Haight

“Ry rahalahy sy rahavavy, ny Tompo dia nanokatra lalana ary manao izay hitaran’ny asany manerana ny tany, ary toa fitahiana lehibe ho antsika rehetra—ny fandraisana anjara —amin’ny fomban’ny tsirairay manokana—amin’izany. …

“Iza ankoatra ireo mpaminanin’ Andriamanitra no afaka nahita mialoha ny fahagagana ny amin’ny hafainganam-pivoaran’ny asan’ny Tompo? Raha ny marina, araka ny nolazain’ny Tompo mialoha ao amin’ny fizarana 88 an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manafaingana ny asany amin’ny fotoany Izy (jereo ny F&F 88:73)” (“Missionary Work—Our Responsibility,” Ensign, nôv. 1993, 61, 62).

Afaka ny ho voatahy amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo isika. Saintsaino ireo fahafahana anananao mba hitondrana anjara biriky amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona avy ireo fomba sasany ahafahanao mitondra anjara biriky amin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo?

    2. Inona ireo fitahiana niainanao rehefa nandray anjara tamin’ny fanafainganana ny asan’ny Tompo ianao?

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny lesona “Fanafainganana ny asa famonjena” ary nahavita izany ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy