Seminera
Fizarana 18 Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:43–120


Fizarana 18: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:43–120

Fampidirana

Ny 22 sy ny 23 Septambra 1832 no nandraisan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84. Nampianatra ny Olomasina ny maha-zava-dehibe ny fihainoana sy fankatoavana ny tenin’ Andriamanitra ny Tompo ato amin’ity fanambarana ity ary nanafay azy ireo noho ny fanamaivanan’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna sy ireo didy teo aloha. Ankoatra izany, dia nanantitrantitra ny mba hitorian’ny filankevitry ny Apôstôly sy ireo mpihazona ny fisoronana hafa ny filazantsara manerana izao tontolo izao Izy, ary nanazava ny amin’ny fomba fanatanterahana izany asa izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:43–61

Mampianatra ny maha-zava-dehibe ny fitandremana fatratra ny tenin’ Andriamanitra ny Tompo

Diniho ireo ezaka ataonao amin’ny fandalinana isan’andro ny soratra masina. Aiza ho aiza ny ezaka ataonao mba hanatratrarana izany tanjona izany?

  1. Sarotra indraindray ny mihazona ny fahazarana mandalina isan’andro ny soratra masina. Tanisao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sasany amin’ireo olana atrehanao eo amin’ny fiezahanao handalina isan’andro ny soratra masina. Manorata mikasika ny fotoana iray izay nisafidiananao ny handalina soratra masina na dia sarotra aza ny hahavitana izany. Inona no fitahiana azonao noho ny fanaovana izany?

Rehefa mitozo amin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84 ianao dia hianatra fahamarinana maro izay afaka mitaona anao hanohy ireo ezaka ataonao amin’ny fandalinana isan’andro ny soratra masina. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:43–44, ka tsimpony ireo teny na andian-teny izay mampianatra ny maha-zava-dehibe ny fandalinana sy ny fampiharana ny tenin’ny Tompo. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:45–46. Ireo andininy ireo dia manampy antsika hahatakatra fa ho hazavaina amin’ny alalan’ny Fanahin’i Kristy isika raha toa ka mazoto amin’ny fihainoana sy fankatoavana ny tenin’ Andriamanitra.

Mariho ny andian-teny hoe “ny Fanahin’i Jesoa Kristy” ao amin’ny andininy faha 45. Andian-teny iray hafa izay mitovy dika amin’izany koa ny hoe “ny Fahazavan’i Kristy.” Ny Fahazavan’i Kristy dia “hery mitarika hanao ny tsara eo amin’ny fiainan’ny olon-drehetra. … Indraindray ny Fahazavan’i Kristy dia antsoina hoe ny Fanahin’ny Tompo, ny Fanahin’ Andriamanitra, ny Fanahin’i Kristy, na ny Fahazavan’ny Fiainana ao amin’ny soratra masina.

“Tokony tsy ho afangaro amin’ny Fahazavan’i Kristy ny Fanahy Masina. Tsy olona koa izany, tahaka ny Fanahy Masina. Ny fitaomany dia mitaona ny olona hitady ny tena filazantsara marina, hatao batisa, ary handray ny fanomezana ny Fanahy Masina” (Miorim-paka ao amin’ny finoana: Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004].)

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ny Fahazavan’i Kristy dia ao amin’ny olona tsirairay, ary “na antsoina hoe Fahazavan’i Kristy, na ny fahaiza-manavaka ny tsara sy ny ratsy, na ny feon’ny fieritreretana ity fahazavana ao anaty ity, ity fahalalana ny marina sy ny diso ity, dia afaka mitarika antsika hifehy ny fihetsitsika rehetra izany—raha tsy hoe angaha ampandeferintsika na ampanginintsika izany” (“The Light of Christ,” Ensign na Liahona, apr. 2005, 8–9).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:47 ka fenoy avy amin’ny zavatra hitanao ity fitsipika manaraka ity: Raha toa isika ka mihaino ny Fanahy dia .

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:48 ianao dia mariho ny zavatra hataon’ny Ray rehefa manatona Azy isika.

Ankoatra ny fananana ny Fahazavan’i Kristy, ny olona tsirairay dia afaka manana ny Fanahy Masina ho namana aorian’ny fidirany ao amin’ny fanekempihavanan’ny batisa. Amin’ny alalan’ny fanomezana ny Fanahy Masina dia afaka mahazo fitarihana fanampiny izy ireo ka hotarihana hiverina indray eo anatrehan’ny Ray mba hahazo ny fiainana mandrakizay.

Mieritrereta fotoana iray izay nanandramanao nandeha ara-bakiteny tao anaty haizim-pito. Misy fahasamihafana ve eo amin’ny fomba famindranao ao anaty haizim-pito raha oharina amin’ny fomba famindranao rehefa misy fahazavana? Matetika ny soratra masina dia mampiasa ny teny haizina hanehoana ny toetra ara-panahy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:49–53 ka tadiavo ny olona nolazain’ny Tompo fa ao amin’ny haizina ary maninona izy ireo no ao amin’izany toetra izany.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Inona no mahatonga ny hoe ny miaina eo ambanin’ny famatoran’ny fahotana dia mitovy amin’ny mitoetra ao amin’ny haizina?

Saintsaino ny zavatra tsapanao fa mila hatsaraina mba handraisana ny feony sy hialana amin’ny famatoran’ny fahotana.

Ankoatra ny filazana fa izao tontolo izao dia mitoetra ao amin’ny haizina, ny Tompo dia niteny koa fa ny sain’ny mpikamban’ny Fiangonana dia nohamaizinina. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:54–56 ka mitadiava antony roa nahatonga ny sain’izy ireo nohamaizinina.

Ny fanamaivanana zavatra iray dia midika ho tsy firaharahiana izany na fanaovana izany ho tsinontsinona. Nahoana no mety ho maizina ny sain’ny olona rehefa manaivana ny zavatra masina iray? Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:54 ny andian-teny hoe “nohamaivaninareo ireo zavatra efa noraisinareo” dia entina ilazana manokana ireo Olomasina izay tsy nankato ny zavatra voasoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ireo didy teo aloha.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:57–58 ka fantaro ny zavatra nohamaivanin’ireo Olomasina sy ny zavatra nila nataon’izy ireo mba hisorohana ny antambo sy famaliana. (Ny teny hoe antambo ao amin’ireo andininy ireo dia entina ilazana ny famaizana avy amin’ Andriamanitra na ny fitsarana.)

Diniho fa ireo Olomasina ireo dia tsy niraharaha ny Bokin’i Môrmôna ary koa “ny didy teo aloha” izay nomen’ny Tompo azy ireo. Hoy ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Tsy azo ihodivirana fa ireo didy teo aloha ireo dia nentina nilazana ireo fanambarana nomen’ny Tompo teo aloha, izay voarakitra ao amin’ny Baiboly (ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao) sy ao amin’ireo fanambarana maoderina izay efa nomena ny Olomasina (jereo ny History of the Church, 1:318, 320)” (“Another Testament of Jesus Christ,” Ensign, mar. 1994, 63).

Ity fitsipika manaraka ity no ianarantsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:57–58: Raha toa isika ka manamaivana ny tenin’ Andriamanitra dia hohamaizinina ny saintsika ary hoentina eo ambanin’ny fanamelohana isika.

Vakio ity fanambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson manaraka ity:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Moa ve miankina amin’ny fandraisantsika ity boky ityny voka-javatra mandrakizay? Eny, na izany ho fitahiana ho antsika na ho fanamelohana ho antsika.

“Tokony handalina ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny androm-piainany ny Olomasin’ny Andro Farany tsirairay. Fa raha tsy izany dia tandindomin-doza ny fanahiny ary mandà ireo zavatra izay tokony hitondra firaisan-kina ara-panahy sy ara-pahalalana eo amin’ny fiainany manontolo izy. Misy fahasamihafana eo amin’ny olona niova fo iray izay miorina eo amin’ny vatolampin’i Kristy amin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna ka mbola mifikitra hatrany amin’izany anja-by izany sy ny olona iray izay tsy manao izany” (“The Book of Mormon Is the Word of God,” Ensign, mey 1975, 65; jereo koa ny “The Book of Mormon Is the Word of God,” Ensign, jan. 1988, 5).

“Raha toa ka nofaizina ireo Olomasina tany am-piadohana noho ny nanamaivanan’izy ireo ny fandraisana ny Bokin’i Môrmôna, moa ve isika ho eo ambanin’izany fanamelohana izany raha manao zavatra mitovy amin’izy ireo?”

“… Ndeha isika tsy hijanona eo ambany fanamelohana, miaraka amin’ireo antambo aterany sy ny fitsarany, noho ny fanamaivanana ity fanomezana lehibe sy mahatalanjona nomen’ny Tompo antsika ity. Fa aleo isika handrombaka ireo fampanantenana izay mifandray amin’ny firaketana izany ao am-pontsika” (“The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 4–5, 7).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no mety hamariparitanao ny fomba fandraisanao ny Bokin’i Môrmôna?

    2. Inona no azonao atao mba hahafahanao mandalinana izany mandritra ny androm-piainanao?

    3. Inona no hataonao mba handalinanao amim-pahavitrihana bebe kokoa ny soratra masina sy hiainanao ireo fahamarinana izay ianaranao ao anatin’izany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:62–120

Manome torolalana ireo izay nantsoina hitory ny filazantsarany ny Tompo

Saintsaino ireo olona an-tapitrisany miaina eto an-tany. Ny olona tsirairay dia mila manana fahafahana hianarana ny filazantsara. Na dia izany aza dia tsy ho vitan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay manana ny andraikitra ny hitory ny filazantsara amin’ny firenen-drehetra, ny hampianatra ny olon-drehetra.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:62, ka tadiavo ny fitarihana nomen’ny Tompo ireo izay manana andraikitra ny hitory ny filazantsara.

Marihana fa noho ny tsy fahafahan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana handeha any amin’ny toerana rehetra hitory ny filazantsara dia tsy maintsy mampaniraka ny hafa izy hanampy azy ireo. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:62 dia afaka manampy antsika hahatakatra fa ny Olomasin’ny andro Farany rehetra dia manana andraikitra hitondra ny filazantsara eo amin’izao tontolo izao.

Hoy ny Filoha Spencer W. Kimball:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Mazava tsara ny filazan’ny soratra masina fa tompon’andraikitra amin’ny fanaovana ny asa fitoriana ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra: ‘Hany ka ilaina ny olona rehetra nampitandremana mba hampitandrina ny namany.’ (F&F 88:81.)

“Ny mpaminany tamin’ity fotoampitantanana ity dia nampianatra mazava tsara koa mikasika ilay hevitra hoe andraikitry ny mpikambana rehetra ny asa fitoriana. Ny Filoha David O. McKay dia nampianatra ilay fitsipika tamina teny mifono fanamby hoe, “Ny mpikambana tsirairay dia misiônera!’ (Jereo ny Conference Report, aprily 1959, p. 122.)” (“It Becometh Every Man,” Ensign, ôkt. 1977, 3).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:64–75 ka saintsaino ny antony maha-zava-dehibe ny tokony hitoriana ny filazantsara amin’izao tontolo izao.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Araka ny zavatra novakinao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:64–75, ahoana no hamintinanao ny maha-zava-dehibe ny fampianarana ny hafa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Avy eo dia fenoy ity fehezan-teny manaraka ity: Hotanterahiko ny andraikitro amin’ny fizarana ny filazantsara amin’ny alalan’ny …

Tsipiho izay mety ho tahotra rehetra amin’ity lisitra manaraka ity ka mety hahatonga anao hisalasala hanompo ny Tompo amin’ny maha-misiônera amin’ny fotoana feno anao:

Nanome toky ireo izay mety misalasala na matahotra ny hanompo Azy amin’ny maha-misiônera azy ireo ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:80, 85, 87–88, ka tadiavo ireo andraikitra sy fitahiana avy amin’ny asa fitoriana. Fenoy amin’ny alalan’ny zavatra izay hitanao ny tabilao:

Ireo andraikitra fonosin’ny asa fitoriana

Ireo fitahiana avy amin’ny asa fitoriana

Ireo andinin-tsoratra masina nohalalininao ireo dia manamafy fa ny Tompo dia hiaraka amintsika, hiaro antsika, ary hampatanjaka antsika rehefa mizara ny filazantsara isika.

  1. Hazavao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mety ho fiantraikan’ireo fampanantenana nambara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:80, 85, 88 eo amin’ny fanirianao sy ny fahafahanao mitory ny filazantsara.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:89–97, ny Tompo dia manamafy fa ireo izay mandray ireo misiônerany dia mandray Azy koa ary hotahiana. Nampianatra ihany koa Izy fa ireo izay tsy mandray ny mpanompony sy ny tenininy dia manary fitahiana ary ho voaozona.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:98–102. Mirakitra ny tonon’ny hiram-pifaliana sy fiderana iray mifandray amin’ny fanavotana an’i Ziona ireo andininy ireo. Ny fanavotana an’i Ziona dia entina ilazana ny toe-javatra hiainan’ny olon’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra rehefa misafidy ny hanatona Azy sy handray ireo ôrdônansy sy fitahian’ny filazantsara rehetra izy ireo.

Sary
misiônera mitory amin’ny zatovolahy iray

Araka ny hevitrao, fa maninona ny Tompo no miantso ny misiônera hanompo tsiroaroa?

Mieritrereta antso hafa ao amin’ny Fiangonana izay ahitana ny mpikambana miara-manompo amin’ny olona iray na olona maro hafa. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:106, 109–10, ka tadiavo ny zavatra nasain’ny Tompo hataon’ny mpikamban’ny Fiangonana mba hifampaherezany.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:106 dia mampianatra fa ireo izay matanjaka amin’ny Fanahy dia natao hampiorina ireo izay mety ho malemy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Oviana ianao no nahazo hery tamin’ny alalan’ny fiarahana niasa tamin’ny olona iray izay matanjaka amin’ny Fanahy?

    2. Inona no azonao atao hitadiavana fomba hankaherezana sy hanatanjahana ny hafa?

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:43–120 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy