Seminera
Fizarana 22: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104


Fizarana 22: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104

Fampidirana

Nanana olana ara-bola ny Fiangonana raha nanatona ny lohataonan’ny 1834, ary ireo ezaka fanangom-bola hoentina manavotra azy dia tsy nahomby. Ny Tompo dia nanoro lalana ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny taona 1832, mba “hanangana ny toeram-pivarotan’ny Fiangonana sy hamoahana ireo fandraisana anjara amin’ny famoronana ‘orinasa’ izay hanara-maso ireo ezaka ireo sy hampidi-bola ho fanorenana an’i Ziona ary ho tombontsoan’ny mahantra. Io orinasa io, izay fantatra amin’ny hoe Orinasa Miray, dia natsangana ny aprily 1832 ary natsahatra ny taona 1834 (jereo ny fizarana 82)” (fampidirana ny fizarana Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78). Ny 23 aprily 1834 dia nandray fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104 ny Mpaminany Joseph Smith. Nanambara ny Tompo ao amin’io fanambarana io fa tokony hatsangana indray ny Orinasa Miray ary ny fananana ao aminy dia tokony hozaraina amin’ny mpikambana ao aminy mba ho tantanany. Nosoloina hoe “Lamina Miray” ilay voambolana hoe “Orinasa Miray” tao anatin’izany fanambarana izany teo ambany fitarihan’i Joseph Smith. Ity lesona ity dia mampiasa ny teny hoe Lamina Miray mba hifanarahana amin’ny fiteny ampiasaina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104. Ny Tompo dia nanoro lalana ny mpikamban’ny Fiangonana ihany koa mikasika ny fomba fikarakarana ny mahantra sy nanoro hevitra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mikasika ny trosan’izy ireo. Ny mpikamban’ny Lamina Miray dia i Joseph Smith, Sidney Rigdon, Oliver Cowdery, William W. Phelps, Edward Partridge, John Whitmer, Sidney Gilbert, Martin Harris, Newel K. Whitney, John Johnson, ary i Frederick G. Williams.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:1–18

Manome torolalana mikasika ny Lamina Miray ny Tompo

Sary
fanalahidin’ny fiarakodia

Alaivo sary an-tsaina hoe nomen’ny ray aman-dreninao ny fanalahidin’ny fiarany ianao (na eritrereto ny zavatra hafa iray izay mitaky fanalahidy, tahaka ny tranonao ohatra). Midika ve izany fa ianao no tompon’ny fiara? Afaka ampiasainao amin’izay tianao rehetra ve ilay fiara? Nahoana, na raha tsia dia nahoana? Nahoana no misy fiantraikany amin’ny ho fampiasanao azy ny fahafantarana fa ho tompon’andraikitra amin’ny hataonao amin’ilay fiara ianao?

Ny martsa sy aprily 1832, dia nanoro lalana ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny Tompo ny hananganana ny Orinasa Miray (na Lamina Miray), ary ny mpikambana tao aminy dia ho tompon’andraikitra amin’ny fanarahana maso ny tranom-pivarotan’ny Fiangonana sy ny asan’ny famoahana mba hikarakarana ny mahantra sy hampandrosoana ny asany. Raha tonga ny lohataonan’ny 1834, dia nieritreritra ny fandravana ilay orinasa ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana noho ny antony maro. Ny Tompo, anefa dia naniry ny hananganan’ireo rahalahy izany indray ary ny hizarana ny fananana ao aminy amin’ny mpikambana ao aminy ho tantanany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:1–4, ary fantaro ny iray amin’ireo antony maro nananan’ny Lamina Miray olana.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:5–10 dia ahitana lalàna avy amin’ny Tompo fa ny vokatry ny fandikana ny fanekempihavanana mifandray amin’ny Lamina Miray dia ahitana ny ozona sy ny fanesorana tsy ho mpikamban’ny Fiangonana intsony.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:11–13, ary tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo fa horaisin’ny mpikamban’ny Lamina Miray tsirairay avy. (Mety hanampy ny fahafantarana fa ny tompon’andraikitra dia olona iray nomena andraikitra ho an’ny zavatra tsy azy fa an’ny olona iray hafa.)

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:14, ary tadiavo hoe iza no tompon’ny fananana mifandray amin’ny Lamina Miray. Asio marika ireo andian-teny izay mampianatra ny Fotopampianarana fa ny Tompo dia nahary ny tany, ary ny zavatra rehetra ao aminy dia Azy.

  1. Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity asa ampanaovina manaraka ity:

    1. Ataovy lisitra ny fananana eto an-tany 10 izay hanananao (ohatra trano, akanjo, zaridaina, sakafo).

    2. Manoràta momba ny mety ho fiantraikan’ny Fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:14 eo amin’ny fomba fijerinao sy fampiasanao izany fananana izany.

Ny fampatsiahivan’ny Tompo ny Olomasina fa ny zavatra rehetra eto an-tany dia Azy dia mety nanome toky azy ireo fa afaka hikarakara ny filàn’izy ireo ara-nofo Izy. Nanohy Izy amin’ny fanazavana ny fomba fampiasa ireo loharano ireo mba hikarakarana ny Olomasiny. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:15–16, ary tadiavo ny fomba izay nolazain’ny Tompo fa hikarakarany ny Olomasiny.

Ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome hevitra mikasika ny fomba hikarakaran’ny Tompo ny Olomasiny: “Ny fomba ny Tompo dia ny manampy ny olona mba hahafahany manampy ny tenany. Hasandratra ny mahantra satria miasa ho an’ny fanampiana tsy maharitra izay azony izy ireo, ampianarina ireo fitsipika marina izy ireo ary afaka manandratra ny tenany avy ao amin’ny fahantrana mankamin’ny fizakan-tena. Haetry ny manankarena satria manetry ny tenany izy mba hanome amin-kalalahan-tanana amin’ny fananany ho an’ireo sahirana” (“Inspired Church Welfare,” Ensign, mey 1999, 77). Ankehitriny dia tafiditra ao amin’ny “fomban’ny Tompo” izay “manampy olona mba hanampiany ny tenany” ny drafitry ny fanampiana ao amin’ny Fiangonana sy ny fanangonana fanatitra amin’ny fifadian-kanina.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:17–18, ary tadiavo ny torolalana nomen’ny Tompo antsika mikasika ny tokony hanaovantsika ny zavatra betsaka nomeny.

Ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo fa tompon’andraikitra isika amin’ny fampiasantsika ny zavatra nomen’ny Tompo antsika mba hanampiana ny hafa.

Eritrereto indray ilay ohatry ny fanalahidin’ny fiarakodia nomena teo alohan’ny lesona teo sy ny fiantraikan’ny fomba fampiasanao ny fiara noho ny maha-tompon’andraikitra anao aminy. Inona no ifandraisan’izany amin’ny ohatra ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:14–18?

Sary
lehilahy mandray sakafo

Afaka mihevitra isika fa ny “mahantra sy ny sahirana” dia tsy mila fanampiana ara-bola ihany fa ny mila fanampiana ara-panahy, ara-pihetsehampo, ara-tsaina ary ara-piaraha-monina ihany koa. Toy izany koa, isika dia afaka mihevitra fa ny fananana feno amby ampy izay ananantsika dia mihoatra ny vola na ny fananana ara-nofo ananantsika. Tafiditra ao amin’ny fananana feno amby ampy izay ananantsika koa ny fotoana, talenta, fahalalana ary fahaiza-manao.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ny mizara ny fananana feno amby ampy izay noraisintsika tamin’ny Tompo?

    2. Inona ireo ohatra sasantsasany ao amin’ny soratra masina mikasika olona izay nanampy ny sahirana? Ahoana no nanampiany ny hafa amin’ny fomban’ny Tompo?

    3. Ahoana no hanampianao ny hafa amin’ny fomban’ny Tompo? (Manoràta tanjona iray mazava tsara mba hanatanterahana izany.)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:19–77

Nanome torolalana mikasika ny Lamina Miray sy ny fitantanan-draharaha ary ny tahiry ny Tompo

Manome torolalana mazava tsara momba ny andraikitra nomena ny mpikamban’ny Lamina Miray samy hafa ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:19–53. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:23, 25, 31, 33, 35, 38, 42, 46, ary jereo ny lamina hita ao mikasika ny fampanantenan’ny Tompo ho an’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny lamina. Mety hanampy anao ny fahafantarana fa ny andian-teny “Ary raha” dia midika hoe “raha toa izy ka” na “satria izy.”

  1. Avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ireo andininy ireo dia soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fitsipika iray manazava ny zavatra hitranga raha toa isika manetry tena sy mahatoky. Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no afaka ianaranao avy amin’io fitsipika io mikasika ny fiantraikan’ny fankatoavana amin’ny fitahiana raisintsika?

    2. Tamin’ny fotoana ahoana ianao no nahita olona iray nahatoky tamin’ny andraikiny amin’ny Tompo ka notahiana araka izany?

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:54–77, dia manome torolalana ny Tompo mba hananganana tahirim-bola izay hahafahana mametraka ny vola voangona avy amin’ny andraikitra nomena ho an’ny tombontsoan’ny Fiangonana, tahaka ny fanaovana printy ny soratra masina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:78–86

Nanoro lalana ireo mpitarika ny Fiangonana ny tompo mikasika ireo trosan’ny Lamina Miray

Eritrereto ny fotoana iray izay nangatahana anao hanatanteraka zavatra iray izay noheverina fa tsy hay tanterahina na tena sarotra be mihitsy ny nanatanteraka azy.

Teo am-pankatoavana ireo didin’ny Tompo, dia nidi-trosa be ny Lamina Miray. Zava-nitranga maro no nanakana ny lamina hamerina ny vola nindramina. Ohatra, ny fandravan’ny mpihetraketraka ny trano printy tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, dia nanakana ny Olomasina amin’ny fandraisana vola avy amin’ny fanaovana printy ny soratra masina sy ny vokatra hafa, ary ny mpihetraketraka koa dia nanakana ny Olomasina amin’ny fampiasana ny trano fitehirizana tao Independence.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:78, ary asio marika ny torolalan’ny Tompo mikasika ny trosan’ny Fiangonana.

Mety nahatsapa ny Olomasina fa tsy hay tanterahina ny famerenana ny volan’ny trosa, fa ny Tompo anefa dia nanome torolalana mba hanampiana azy ireo.

  1. Manaova tsanganana roa ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina—omeo lohateny hoe RAHA ny iray ary ny iray kosa DIA. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104:80–82. Soraty eo ambanin’ny tsanganana misy hoe “RAHA” ny zavatra nangatahan’ny Tompo hataon’ny mpikamban’ny lamina mba handraisana ny fanampiana avy Aminy amin’ny famerenana ny volan’ny trosany. Soraty eo ambanin’ny tsanganana hoe “DIA” ny zavatra nampanantenan’ny Tompo fa hataony mba hanampiana ny Olomasina hiala amin’ny trosa. Manoràta fitsipika iray izay azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo miainga avy amin’ny zavatra novakinao sy nosoratanao.

  2. Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray na maromaro amin’ireto asa nampanaovina manaraka ireto:

    1. Manoràta momba ny olona iray ao amin’ny soratra masina na olona fantatrao izay ohatra ny amin’ny fitsipika nosoratanao tao amin’ny asa nampanaovina 4. Lazalazao ny fahitanao io fitsipika io eo amin’ny fiainan’io olona io. Na manoràta mikasika ny fomba nahitanao io fitsipika io eo amin’ny fiainanao manokana.

    2. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no zavatra sasantsasany nangatahan’ny Tompo hataon’ny mpikamban’ny Fiangonana izay mety heverina fa sarotra? Inona araka ny eritreritrao no anjara asan’ny fanetrentena, fahatokiana sy vavaka amin’ny fanatanterahana ireo zavatra nasain’ny Tompo hataonao?

    3. Soraty ny fomba hahafahanao ho mpanetry tena, mahatoky sy mpivavaka bebe kokoa mba hahafahan’ny Tompo manampy anao hanatanteraka ireo zavatra nasainy hataonao. Soraty ny tanjona ny hanatanterahana izany.

  3. Soraty ao anatin’ny diarin’ny soratra masinao eny amin’ny farany ambanin’ilay asa nampanaovina izao zavatra manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy