Seminera
Fizarana 24: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111


Fizarana 24: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111

Fampidirana

Narahan-trosa lehibe ny Fiangonana tamin’ny taona 1836. Nandeha tany Salem, Massachusetts, izay toerana nantenaina hahazoana vola handoavana ireo trosan’ny Fiangonana ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Tamin’ny 6 aogositra 1836, dia nandray ilay fanambarana izay voarakitra amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111 i Joseph Smith ka nomen’ny Tompo toky izy tao momba ireo olana mikasika ny trosa sy ny mahasoa an’i Ziona. Nomen’ny Tompo torolalana mifandray amin’ny fijanonan’ireo mpitarika ny Fiangonana tao Salem ihany koa ny Mpaminany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111

Nanome toky sy torolalana ho an’i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana ny Tompo

  1. Ataovy lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sasany amin’ireo zavatra izay mitondra ahiahy sy tebiteby amin’ny fiainanao.

Saintsaino ny toe-javatra nampitebiteby izay niainan’ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana hafa rehefa mamaky ity fampahalalana manaraka ity ianao:

Ny fotoam-pahavaratry ny taona 1836, dia nisahiran-tsaina mikasika ny toe-bolan’ny Fiangonana ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana hafa. Tao anatin’ireo taona mialoha izany dia nanana trosa be niavosa ny Fiangonana rehefa nankatò ny didin’ny Tompo ireo mpitarika ny Fiangonana mba hanangana ny tempolin’i Kirtland sy nividy tany tany Ohio sy Missouri ary niantoka ny Tobin’i Ziona. Nila vola ihany koa ny Fiangonana mba hividianana tany ho an’ireo Olomasina tany Missouri izay noroahina avy tao amin’ny fonenany. Nanome torolalana an’i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana ny Tompo tamin’ny taona 1834 mba “handoa ny trosany rehetra” (F&F 104:78). Nosembantsembanin’ny fahaverezan’ireo raharaham-barotra famoronana fidiram-bola tany Missouri anefa ireo ezaka natao mba handoavana ireo trosa ireo. Noho izany, dia tsy nanana ny vola sahaza hamerenana ny volan’ireo mpampindram-bolan’ny Fiangonana ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Raha mpitarika ao amin’ny Fiangonana ianao nandritra izany vanim-potoana izany, nahoana izany toe-javatra izany no mety hanahirana anao?

Ny Tompo dia nilaza tamin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana fa Izy dia “handefa loharanom-bola [ho azy ireo] ho fanafahana azy ireo” (F&F 104:80) amin’ny olana nananan’ny Fiangonana tamin’ny fibabena trosa. Ny taona 1836 dia tonga tany Kirtland, Ohio ny mpikamban’ny Fiangonana nantsoina hoe William Burgess, ary nilaza ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izy mikasika ny volabe izay azo nampiasaina tany Salem, Massachusetts. Nilaza izy fa ao amin’ny efitra fitehirizan’ny trano iray ny vola ary izy irery ihany no olona mbola velona mahafantatra mikasika ny fitoeran’io vola io.

Raha mpitarika ao amin’ny Fiangonana ianao tamin’io fotoana io, ahoana no mety ho fihetsikao manoloana izany vaovao izany?

I Joseph Smith, Sidney Rigdon, Hyrum Smith ary i Oliver Cowdery dia nandao an’i Kirtland, Ohio ny 25 jolay 1836 mba hifankahita amin’ireo tompo-trosan’ny Fiangonana tany New York. Taorian’ny andro vitsivitsy tany New York, dia nanao ny dia nankany Salem, Massachusetts ilay vondrona. I William Burgess dia nifankahita tamin’izy ireo tany Salem, fa nilaza izy fa niova be ny tanàna hatramin’ny nitoerany tany farany ka tsy afaka nilaza izy hoe aiza no trano misy ny vola. Fotoana fohy taorian’izay dia lasa ny Rahalahy Burgess.

Sary
sarintany, avaratra atsinanan’i Etazonia

Araka ny hevitrao, inona no mety ho tsapanao taorian’ny dia nankany Salem manoloana ny fanantenana ny hahita fomba hamerenana ny trosan’ny Fiangonana tany nefa tsy nahitana ny zavatra nandraindraina akory? Inona no mety ho nataonareo?

Nandany fotoana maromaro ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana tamin’ny fitadiavana ilay trano izay voalaza fa ahitana ilay vola. Ny 6 aogositra 1836, raha mbola tany Salem izy ireo, dia nandray fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111 ny Mpaminany Joseph Smith.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:1, ary tadiavo ny zavatra tsapan’ny Tompo mikasika ny dia tany Salem. Ny teny hoe hadalana dia mety azo fariparitana ho “zavatra atao iray izay maneho fahalemena sy rediredy nefa tsy fandikana lalàna goavana; zavatra atao izay tsy mifanaraka amin’ny faniriana hahay handanjalanja, na amin’ny fitsipiky ny fitandremana mahazatra” (Noah Webster’s First Edition of an American Dictionary of the English Language, 1828 [1967], “folly”). Indraindray, rehefa mirotsaka amin’ny hadalana ny olona, dia tena manandrana amim-kitsimpo ny hanao zavatra tsara izy ireo na dia tsy mandeha any amin’ny tokony ho izy aza ny zavatra ataony.

Na dia tsy nahomby aza ny fikarohana vola tany Salem, dia nilaza ny Tompo fa mbola afaka mitondra tombontsoa ho an’ny fanjakany io dia io. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:2, ary fantaro ny zavatra nolazain’ny Tompo fa hananany ao amin’ny tanànan’i Salem.

Jereo ao amin’ny andininy 2 fa ny Tompo dia nilaza fa hanangona ny vahoakany any Salem amin’ny fotoana mahamety azy. I Joseph Smith sy ireo niaraka taminy dia nitoetra nandritra ny herinandro vitsivitsy tany Salem, ary nitory ny filazantsara izy ireo nandritra ny fotoana nijanonany tany. Dimy taona taty aoriana dia nantsoina hitory ny filazantsara tany Salem i Erastus Snow, ka nanangana sampana iray nahitana mpikambana 120 (jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, fanontana faha-2 [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 2003], 170–71).

Ny fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Joseph Smith tany Salem ary ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:1–2 Afaka mamoaka zava-tsoa avy amin’ny ezaka ataontsika amin-kitsim-po ny Tompo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana no hahafahan’ny Tompo mitondra tombontsoa avy amin’ny ezaka ataontsika, na dia tsy mety araka ny tokony ho izy aza izany ezaka izany tany am-boalohany?

    2. Inona no fiantraikany hisy eo aminao avy amin’ny fahafantarana fa ny Tompo dia afaka mitondra tombontsoa avy amin’ny ezaka ataontsika amim-kitsimpo?

Nanome torolalana an’i Joseph Smith sy ny mpiara-dia aminy ny Tompo ny hanampian’izy ireo Azy hanatanteraka zavatra tsara nandritra ny fitoerana tany Salem, Massachusetts. Manaova fikarohana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:3–8 hitadiavana ny zavatra tian’ny Tompo hataon’izy ireo. (Ny andian-teny hoe “tsy ho hitany ny drafitra miafinareo” ao amin’ny andininy 4, dia milaza fa ny vahoakan’i Salem dia tsy hieritreritra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ireo amin’ny henatra.)

Ny Tompo dia nampianatra an’i Joseph Smith sy ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana hafa tany Salem mikasika ny fomba hahafantarany ny toerana hijanonana ao amin’io tanàna io. Ampiasao ny tenin’ny Tompo ao amin’ny andininy 8 mba hamenoana ity fahamarinana ara-potopampianarana manaraka ity: Afaka mandray ny torolalan’ny Tompo isika amin’ny alalan’ny sy ny Fanahiny.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny hoe nahoana ny fahatsiarovana ity Fotopampianarana ity no afaka manampy anao manoloana ireo olana sy fanamby atrehanao amin’ny fiainana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:9–10, ary fantaro ny asa fanampiny iray nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith ny ny mpiara-dia aminy nandritra ny fotoana nijanonany tany Salem.

Ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo lehilahy hafa dia nanaraka ny torohevitry ny Tompo hoe “hadihadiho fatratra tokoa ny momba ireo mponina tranainy kokoa sady mpanorina [ilay] tanàna” (F&F 111:9). Nitsidika toerana manan-tantara izy ireo raha mbola tany Salem. Fantatr’izy ireo avy tamin’ireny fitsidihana ireny fa nampijaliana sy novonoina ny mponina sasany tao Salem, Massachusetts sy ny manodidina ny faritr’i New England noho ny tsy fandeferana sy fanompoana ara-pivavahana tafahoatra. (Jereo ny History of the Church, 2:464–65.) Ireo zava-nitranga ireo dia nitarika an’i Joseph Smith hanoratra ny tantarany, “Rahoviana ny olona no hitsahatra hiady amin’ny olona, ary hitsahatra amin’ny fanerena azy amin’ny tsy hananany ny zo masin’ny fitsoahana an’Andriamaniny araka ny baikon’ny fieritreretany intsony?” (ao amin’ny History of the Church, 2:465).

Sary
tantara nosoratana tanana

Teny iditra avy amin’ny tantaran’i Joseph Smith

Taty aoriana dia nilaza ny Mpaminany fa anisan’ny finoana fototry ny Fiangonana ny mamela ny olona rehetra hanana ny zon’ny fahalalahana ara-pivavahana (jereo ny Fanekem-pinoana 1:11).

Na dia tsy nahazo ny vola noheveriny fa hita any Salem aza i Joseph Smith sy ny mpiara-dia aminy, dia nahazo harena hafa avy amin’io dia io izy ireo. Anisan’izany ny haren’ny fahalalana sy ny olona ao amin’io faritra io izay natao batisa taty aoriana sy noraisina ho mpikamban’ny Fiangonana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111:11, ary fantaro ny torohevitra nomen’ny Tompo ho famaranana io fanambarana io. (Ny teny hoe rindra araka ny ampiasana azy ao amin’ny andininy 11 dia midika hoe mandamina.)

Fenoy avy amin’ny fitsipika nianaranao tao amin’ny andininy 11 ity fitsipika manaraka ity: Raha toa isika ka sy miala amin’ny , dia harindran’ny Tompo ny zava-drehetra .

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ireo fomba sasantsasany izay hahafahanao haneho fahendrena amin’ny safidy hataonao?

    2. Inona araka ny hevitrao ny dikan’ny hoe “[harindran’ny Tompo] ny zava-drehetra ho tombontsoanareo” (F&F 111:11)?

    3. Oviana ianao no nahita ohatra ny amin’ity fitsipika ity?

  2. Jereo indray ao amin’ny asa nampanaovina 1 ho an’ny lesona androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina—ny lisitry ny zavatra izay mitondra tebiteby na ahiahy amin’ny fiainanao. Manoràta fehezan-teny iray na roa izay manazava ny zavatra nianaranao avy amin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111 izay afaka manampy anao manoloana ireo olana hatrehanao.

  3. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy