Seminera
Fizarana 3: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4


Fizarana 3: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4

Fampidirana

Tamin’ny 1829 i Joseph Smith rainy sy i Lucy vadiny dia nitsidika an’i Joseph Smith zanany tao Harmony, Pennsylvanie. Naniry ny hahafantatra izay tian’ny Tompo ho ataony mba hanampiana eo amin’ilay asa Famerenana amin’ny laoniny i Joseph Smith rainy. Nandritra izany fitsidihana izany dia nahazo fanambarana i Joseph Smith zanany. Io fanambarana io izay nomena ny rain’ny Mpaminany, no voalohany amin’ireo andiana fanambarana nomena ireo olona manokana izay naniry hanampy ny Tompo eo amin’ny asany (jereo ihany koa ny F&F 6; 8–9; 11–12; 14–16; 2325).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1–3

Nantsoina hiasa amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra i Joseph Smith rainy

Efa nanam-paniriana hanompo an’ Andriamanitra ve ianao ary naniry ny hahafantatra ny sitrapony mikasika ny fomba tsara indrindra ahafahanao manampy eo amin’ny fanatanterahana ny asany? Naniry hanampy ny Tompo eo amin’ny asany ny rain’i Joseph Smith, kanefa tsy fantany izay tian’ny Tompo hataony. Nangatahany ny zanany, ilay Mpaminany, mba hangataka amin’ny Tompo eo amin’ny toerany. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4 no valinteny nomen’ny Tompo. Notanisain’ny Tompo ato amin’ity fanambarana ity ireo toetra izay andrasany amin’ireo izay maniry hanampy Azy eo amin’ny asany. Rehefa mamaky an’ity fizarana ity ianao dia jereo izay zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Joseph Smith rainy momba ny fomba tokony hanompoantsika Azy.

Sary
Joseph Smith rainy

Tsy mbola voaorina ny rafitry ny Fiangonana tamin’ny fotoana nandraisana ity fanambarana ity, tsy mbola vita ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna, ary tsy mbola voaverina tamin’ny laoniny ny fisoronana. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:1, ka tadiavo ny fomba nanoritsoritan’ny Tompo ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny izay vao nanomboka nitranga. Azonao atao ny manisy marika ny teny izay nampiasain’ny Tompo hanoritsoritana ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny amin’izao andro farany izao. Amin’ny fomba ahoana no naha-“mahatalanjona” ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2, ary tadiavo izay angatahan’ny Tompo amin’ireo izay hanomboka na hirotsaka amin’ny asany. Tohizo ity fitsipika manaraka ity raha miainga avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2: Raha toa isika ka manompo an’ Andriamanitra amin’ny fo, ny hery, ny saina, ary ny tanjaka rehetra dia .

Azonao atao koa ny manisy marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra io fitsipika io ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe manao zavatra amin’ny “fo, hery, saina ary ny tanjaka rehetra”?

    2. Ahoana no fomba ahafahan’ny fahatakaranao sy ny fampianaranao an’io fitsipika io manampy anao rehefa mandray anjara amin’ny asan’ny Tompo ianao?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:3, ary tadiavo hoe inona no ilaintsika ananana ka hanampy antsika hahomby eo amin’ny fanampiana eo amin’ny asan’ Andriamanitra. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Mihevitra ny sasany fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4 dia voalohany indrindra antso ho an’ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno. Kanefa i Joseph Smith rainy, izay nomena ity fanambarana ity, dia tsy voantso ho misiônera amin’ny fotoana feno. Nanaraka ny toromarika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2–3 anefa izy nandritra ny andro sisa niainany, nanompo tamim-panolorantena na taiza na taiza niantsoana azy. Izy dia iray amin’ireo Vavolombelona Valo an’ny Bokin’i Môrmôna, ary iray tamin’ireo olona voalohany natao batisa rehefa naorina tamin’ny fomba ôfisialy ny Fiangonana tamin’ny 6 aprily 1830. Patriarika voalohan’ny Fiangonana koa izy ary Mpanolotsaina mpanampy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Mieritrereta fomba hafa ankoatran’ny asa misiônera amin’ny fotoana feno, izay azonao hanampiana ny Tompo amin’ny asany. Ohatra, ity teny ity, izay nalaina avy tao amin’ny kiboky JRy tanora, Mahereza mikasika ny fanompoana, dia manome hevitra anao mikasika ny fomba ahafahanao manao aza mifanaraka amin’ny fanirianao hanampy amin’ny asan’ny Tompo amin’izao fotoana izao:

Sary
mpampianatra isan-tokantrano mandeha an-tongotra

“Toetra manan-danja ahafantarana ny mpanaradia an’i Jesoa Kristy ny fanompoana ny hafa. Ny mpanaradia dia vonona hitondra ny enta-mavesatry ny olon-kafa, ary hampionona izay mila fampiononana. Matetika dia amin’ny alalanao no hanomezan’ny Ray any An-danitra ny zavatra ilain’ny hafa.

“Misy fomba maro ahafahana manompo ny hafa. Ny azonareo anaovana ny sasany amin’ireo asa fanompoana manan-danja indrindra dia ao an-tokatranonareo. Afaka manompo ihany koa ianareo any amin’ny andraikitra omena anareo any am-piangonana, any an-tsekoly, ary eo anivon’ny fiarahamonina. Afaka manompo ianareo amin’ny alalan’ny fanaovana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Afaka manompo ianareo amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa ankehitriny sy amin’ny maha-misiônera manompo amin’ ny fotoana feno anareo amin’ny ho avy. Matetika ireo asa fanompoana tena manan-danja indrindra no miseho amin’ny alalan’ny asa feno hatsaram-panahy tsotra atao isan’andro. Katsaho isan’andro ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahafantarana izay olona hotompoina sy ny fomba hanampiana azy ireo hahazo ny zavatra ilainy. Araho ny ohatry ny Mpamonjy rehefa manompo ny hafa ianareo” (Ry tanora Mahereza [kiboky, 2011] 32

  1. Fariparito ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba iray manokana izay tianao hanampiana ny Tompo eo amin’ny asany amin’izao fotoana izao eo amin’ny fiainanao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:4

Efa masaka sahady ny eny an-tsaha mba hojinjaina

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:4 ny Tompo dia mampitaha ny olona eo amin’izao tontolo izao amin’ny saha misy volivary. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:4 ary asio marika izay nolazain’ny Tompo mikasika ny sahany (na ny olona eo amin’izao tontolo izao). Mety hanampy anao hahatakatra tsara kokoa ity andininy ity ny fahafantarana fa ny voam-bary tahaka ny varim-bazaha na ny ôrza dia miova loko rehefa mitombo. Raha mbola tanora ilay voa dia maintso, fa rehefa mihamatoy izany dia lasa mihamatsatso. Rehefa vonona hojinjaina ireo voa dia faritana hoe “masaka.” Antsy meloka lehibe antsoina hoe antsimbilona no ampiasaina hijinjana ny voa.

Sary
lehilahy mijinja voa
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona araka ny hevitrao no hevitr’ilay fehezan-teny hoe “efa masaka sahady ny eny an-tsaha mba hojinjaina”?

    2. Inona araka ny hevitrao ny dikan’ny hoe mandroso ny antsimbilonao amin’ny hery?

    3. Inona ilay valisoa resahana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:4 ho an’ireo izay mandroso ny antsimbilony amin-kery?

Ny fahamarinana iray izay azontsika ianarana avy amin’ity andininy ity mikasika ny vokatry ny asantsika eo amin’ny fanompoana ny Tompo dia hoe Rehefa miasa amim-pahazotoana mba hitondra ny hafa any amin’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahazo famonjena ho an’ny tenantsika ihany koa.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fotoana iray izay nahatsapanao ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy rehefa nanampy ny hafa ianao hanatona Azy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:5–7

Manoritsoritra ireo fepetra takina sy toetra miavaka tokony hananana amin’ny fanompoana Azy ny Tompo

Mieritrereta asa na anton’asa roa na telo. Inona avy ireo fahaizana takiana sy toetra mety hilain’ny olona iray mba hahomby amin’ireo asa tsirairay ireo?

Mitadiava fomba fandrahoana sakafo izay ahafahana mahandro ny iray amin’ireo sakafo tena ankafizinao, ary vakio ny lisitr’ireo akora ilaina amin’izany. Inona no hitranga raha toa ka manandrana mahandro an’io sakafo io ianao kanefa tsy mampiasa ny akora iray na roa? Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:5–6 dia ahitana ny lisitr’ireo “akora” na toetra izay mahatonga ny olona iray ho mendrika hanampy amin’ny asan’ny Tompo. Vakio ireo andininy ireo, ary eritrereto ny hanisy marika ny toetra araka an’ Andriamanitra tsirairay izay voatanisa. Azonao atao ihany koa ny manisy marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra ity fitsipika ity: Rehefa miezaka manana ireo toetra araka an’ Andriamanitra isika, dia hanampy antsikaho mendrika hanampy amin’ny ny asan’ny Tompo izany.

Diniho hoe ahoana no fomba ahafahanao manampy tsara kokoa ny Tompo eo amin’ny asany amin’ny alalan’ny fampivelarana ireo toetra araka an’ Andriamanitra ireo.

  1. Mifidiana toetra iray avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:5–6 izay tianao hampitomboina bebe kokoa. Mitadiava soratra masina telo hafa amin’ny alalan’ny fampiasana ireo loharano misy aminao (toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina) izay mampianatra io toetra io. (Azonao atao ihany koa ny mamaky ny teny iditra ao amin’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana na ny teny iditra ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ho an’ilay toetra izay nosafidianao.) Manorata famintinana fohy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina momba izay nianaranao mikasika io toetra io, ankoatr’izay azonao atao ankehitriny mba hanombohana mampitombo io toetra io. Azonao atao ny mizara ny drafitrao amin’ny ray aman-dreny na amin’ny namana akaiky.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:7, ary jereo hoe ahoana no fomba ahafahanao mikatsaka sy mampitombo ireo toetra ireo. Halalino ny mety ho hevitry ny hoe “mangataka” sy ny hoe “mandondòna.” Ahoana no fomba ahafahan’ny vavaka manampy antsika hampitombo ny toetra araka an’ Andriamanitra?

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy