Seminera
Fizarana 8: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33–34


Fizarana 8: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33–34

Fampidirana

Ao amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33 dia niantso an’i Ezra Thayre sy i Northrop Sweet ny Tompo mba hitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nanome torolalana ho an’ireo lehilahy ireo koa ny Tompo ho amin’ny fampianarana ny filazantsara. Araka ny voarakitrao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34 dia nidera an’i Orson Pratt ny Tompo noho ny finoany ary koa nandidy azy hitory ny filazantsara.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:1–6

Niantso an’i Ezra Thayre sy i Northrop Sweet ny Tompo mba hanambara ny Filazantsarany

Mifandray amin’ireo zanany amin’ny fomba maro samihafa Andriamanitra. Ahoana ohatra no fomba efa nifandraisany taminao na tamin’ny olona fantatrao?

Ny fomba iray mety hifandraisan’ny Tompo amintsika dia amin’ny alalan’ny nofinofy sy fahitana. Vakio ity tantara manaraka momba ny fahitana hitan’i Ezra Thayre ity. Diniho hoe inona no ifandraisan’ilay fahitany amin’ny horonan-taratasy, sy sofina ary trompetra. Eritrereto ihany koa hoe inona no mety ho dikan’ity fahitana ity.

“Nisy lehilahy iray nitondra horonan-taratasy ho ahy ary nampiseho izany tamiko, ary koa trompetra ary nangataka ahy hitsoka izany izy. Nolazaiko azy fa tsy mbola nitsoka trompetra mihitsy aho hatramin’izay niainako. Hoy izy hoe afaka mitsoka izany ianao, fa andramo. Nataoko teo amin’ny molotra ilay izy dia notsofiko, ary dia namoaka feo faran’izay tsara indrindra tamin’ny feo rehetra efa reko izany” (“Testimony of Brother E. Thayre,” The True Latter Day Saints’ Herald, Oct. 1862, 82).

Nipetraka tany Palmyra, New York i Ezra Thayre ary nahafantatra olona tao amin’ny fianakaviana Smith izy tamin’ny alalan’ny asa izay nataon’izy ireo ho azy tsindraindray. Natao batisa tao amin’ny Fiangonana i Ezra Thayre sy i Northrop Sweet izay mponina iray hafa tao Palmyra tamin’ny volana Ôktôbra 1830. Fotoana fohy taorian’ny nanaovana batisa an’i Ezra sy i Northtrop, dia naharay fanambarana ho an’ireo lehilahy roa ireo ny Mpaminany Joseph Smith, izay ankehitriny dia ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33. Taona maro taty aoriana dia nanazava i Ezra hoe, “Ilay horonan-taratasy dia ilay fanambarana ho ahy sy i Northrop Sweet” (“Testimony of Brother E. Thayre,” 82).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:1–2, ary tadiavo ireo teny sy andian-teny izay misy hifandraisany amin’ny horonan-taratasy, sy sofina ary trompetra.

Diniho hoe inona no dikan’ny hoe “sokafy ny sofinareo ary henoy ny feon’ny Tompo Andriamanitrareo” (F&F 33:1). Saintsaino ny fomba ahafahanao maneho amin’ny Tompo fa misokatra ny sofinao mba hihainoana ny feony.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona araka ny eritreritrao no hevitry ny hoe mitory ny filazantsara “tahaka ny fanenon’ny trompetra” (F&F 33:2)?

    2. Tao amin’ny fahitan’i Ezra Thayre, rehefa nitsoka ilay trompetra izy, dia namoaka ny feo tsara indrindra amin’izay feo rehetra reny hatrizay izany. Avy amin’ny zavatra izay nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:2, nahoana araka ny eritreritrao no tsara toy izany ilay feo?

Nampiasa tandindona hafa ny Tompo tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:3, mba hampianarana an’i Ezra sy i Northrop momba ny antson’izy ireo amin’ny maha misiônera azy. Vakio io andinin-tsoratra masina io, ary eritrereto ireo tandindona hita ao. Amin’ity asa ampanaovina manaraka ity, asio tsipika mampitohy ny tandindona tsirairay amin’ny heviny.

Tandindona

Heviny

Ilay saha na tanimboly

Ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy izay manompo mba hanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra ety an-tany

Ireo mpiasa

Izao tontolo izao

ora fahiraika ambin’ny folo

Ny fotoampitantanana faran’ny filazantsara sy ny fotoana farany hametrahan’ny Tompo ny fanjakany ety an-tany alohan’ny Fiaviany Fanindroany (jereo ny Bible Dictionary, “Dispensations”)

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:4, ka tadiavo ny fomba nilazan’ny Tompo ny toetoetr’izao tontolo izao tamin’ny 1830. Inona no olana hitanao ao amin’ny tanimbolin’ny Tompo ankehitriny?

Saintsaino hoe inona no nataon’ny Tompo na ataony mba hanampiana anao hiaina ao amin’ity tontolo feno fahalovana ity. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:5–6. Inona no nolazain’ny Tompo fa nataony mba hanampiana antsika?

  1. Manaova sary ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izay maneho fomba iray izay nanampian’ Andriamanitra ny olony mba hialana amin’ny fahalovan’izao tontolo izao.

Azonao atao ny manisy marika ireo teny na andian-teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:5–6 izay mampianatra izao fahamarinana manaraka izao: Manorina ny Fiangonany sy manangona ireo olom-boafidiny ny Tompo amin’ny andro farany.

  1. Mba hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa io fahamarinana io sy ny maha zava-dehibe azy, dia valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:6, iza ireo olom-boafidy?

    2. Raha jerena ny toetra feno fahalovan’izao tontolo izao, nahoana no zava-dehibe ho an’ireo olom-boafidin’ny Tompo ny miara-mivory?

    3. Ahoana no nanampian’ny Fiangonana anao hiala amin’ny toetra feno fahalovan’izao tontolo izao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:7–18

Nanome torolalana an’i Ezra Thayre sy i Northrop Sweet ny Tompo ho amin’ny fampianarana ny filazantsara

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:7–10 mba hianarana ny zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Ezra Thayre sy i Northtrop Sweet fa tokony hataony amin’ny vavany. Manorata fitsipika iray eo akaikin’ity sary manaraka ity, miainga avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Ny fiantombohan’ilay fitsipika dia azo atao hoe: Raha manokatra ny vavantsika isika hanambara ny filazantsara, ny Tompo dia …

Sary
zatovo anankitelo miresaka
  1. Eritrereto ny fotoana iray izay nahatsapanao fa tokony ho niresaka momba ny filazantsara ianao saingy tsy nanao izany. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ireo toe-javatra vitsivitsy izay mety hahatonga anao hisalasala ny hanokatra ny vavanao hiresaka momba ny filazantsara?

    2. Oviana ianao no nizara ny filazantsara sy nahatsapa fanentanam-panahy hahafantatra ny tokony holazaina? Na oviana ianao no nahita ny hafa nizara ny filazantsara ary nahatsapa fa nentanim-panahy izy ireo tamin’ny zavatra nolazainy?

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:10–15 dia ahitana ny torolalana nomen’ny Tompo an’i Ezra sy i Northtrop mba hitory ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara (finoana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, batisa, ary ny fanomezan’ny Fanahy Masina). Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:16–18 mba hianarana hoe inona no torohevitra fanampiny nomen’ny Tompo an’i Ezra sy Northtrop izay mety hanampy azy ireo hahafantatra ny zavatra holazaina amin’ny maha-misiônera azy ireo. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao. Ny torohevitra ao amin’ny andininy 17 mba hanana “ny fanalanareo voakarakara sy mirehitra ary solika miaraka aminareo” dia midika hoe niomana ara-panahy sy vonona amin’ny fotoana rehetra ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny torohevitra iray nomena ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:16–18, ary hazavao hoe ahoana no ahafahan’izany manampy anao ho vonona hanokatra ny vavanao sy hizara ny filazantsara amin’ny hafa amin’ny fotoana rehetra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34

Nidera an’i Orson Pratt ny Tompo noho ny finoany ary niantso azy hitory ny filazantsara Izy

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34 dia ahitana ohatra maneho olona iray izay notahiana rehefa nanokatra ny vavany ny olona iray hafa mba hizara ny filazantsara. Vakio ny fampidirana ny fizarana misy ity fanambarana ity ao amin’ny soratra masinao mba hianarana hoe iza no nanokatra ny vavany hizara ny filazantsara tamin’i Orson Pratt.

taona i Orson Pratt tamin’izy nataon’i Parley zoky lahiny batisa. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:1, ary jereo ny fomba niresahan’ny Tompo tamin’i Orson.

Halalino indray izao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:2–3, ka tadiavo ny antony niantsoan’ny Tompo an’i Orson hoe zanany.

Mety tsikaritrao ao amin’ny andininy 3 fa ireo rehetra mino an’i Jesoa Kristy dia lasa zanaka lahiny. Izany no tandindon’ny fiainana vaovao izay raisintsika rehefa manaiky ny filazantsaran’ny Mpamonjy isika. Ianarantsika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:1 fa io fampanantenana io dia mihatra ihany koa amin’ireo vehivavy, izay lasa zanakavavin’i Jesoa Kristy rehefa manaiky ny filazantsarany izy ireo.

Rehefa mamaky ity fampahafantarana manaraka ity izay nosoratan’i Orson Pratt momba ny fiainany taloha ianao, dia asio marika ny zavatra nataony mba hanehoana fa nino ny Tompo izy:

Sary
Orson Pratt

“Teo anelanelan’ny faha folo sy fahasivy ambin’ny folo taonako dia nitety faritra maro aho, ary matetika nifindrafindra toerana aho sady tsy nanana toerana nipetrahana maharitra; saingy tamin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia tsy tratran’ny ankamaroan’ireo faharatsiana maro izay atrehan’ny zatovo aho; ny fiorenan’ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fivavahana tato anatiko fony kely noho ny famolavolan’ny ray aman-dreniko ny saiko, dia nijanona tao amiko mandrakariva; ary matetika aho no nahatsapa faniriana lehibe ny hiomana ho amin’ny toetra iray vaovao amin’ny ho avy; kanefa tsy nanomboka nikatsaka ny Tompo mihitsy aho, tamin’ny fomba tena matotra, raha tsy tamin’ny fararanon’ny taona 1829. Nanomboka nivavaka tamin-kafanam-po aho tamin’izay, nibebaka tamin’ny fahotana rehetra. Tao anatin’ny alina mangina, rehefa renoky ny torimaso ny hafa, dia matetika aho no nisintaka ho amin’ny toerana iray mangingina any amin’ny saha mitokana na any amin’ny tany foana manirery, ary miankohoka amin’ny Tompo, sy mivavaka mandritra ny ora maro amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina. Izany no fiononana sy fifaliana ho ahy. Ny fanirian’ny foko lehibe indrindra dia ny hanehoan’ny Tompo ny sitrapony mikasika ahy. Nanohy nivavaka tamin’izany fomba mivaivay izany aho mandrapahatongan’ny Septambra 1830, fotoana izay nahatongavan’ny Loholona roa avy amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany teo amin’ny manodidina, ny iray tamin’ireo dia i Parley rahalahiko. Nanao fotoam-pivoriana maromaro izy ireo izay natrehako.

“Resy lahatra tamin’ny maha tena avy any an-danitra ny Fotopampianarana izay nampianariny aho ka natao batisa tamin’ny 19 Septambra 1830. Tsingerin-taona nahaterahako io, feno sivy ambin’ny folo taona aho. Izaho irery tao amin’ilay faritra no nandray sy nankatò ilay hafatra” (ao amin’ny The Orson Pratt Journals, comp. Elden J. Watson [1975], 8–9).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:4–6 mba hahitana ny zavatra niantsoan’ny Tompo an’i Orson Pratt mba hataony hahatonga azy ho voatahy kokoa. Eritrereto ny antony handraisantsika fitahiana bebe kokoa rehefa mampianatra ny filazantsara amin’ny hafa isika.

Niresaka tamin’i Orson ny Tompo momba ny sasany amin’ireo famantarana izay hitranga alohan’ny Fiaviany Fanindroany (jereo ny F&F 34:7–9). Nofaranany avy eo io fanambarana io tamin’ny famporisihana an’i Orson tamin’ny antsony hitory ny filazantsara. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:10–12 ka tadiavo ireto fahamarinana manaraka ireto: Ireo izay mampianatra ny filazantsara amim-pahazotoana dia hanao izany amin’ny herin’ny Fanahy Masina. Raha mahatoky isika, dia hiaraka amintsika ny Tompo.

Ahoana no mety hitondran’ilay fampanantenana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34:11 fampiononana sy fampaherezana ho an’ny olona iray mandritra ny fotoana mahakivy azy?

  1. Lazalazao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony hieritreretinao fa zava-dehibe ny manana ny herin’ny Fanahy Masina mba hanampiana anao rehefa mampianatra ny filazantsara amin’ny hafa ianao.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33–34 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy