Seminera
Fizarana 22: Andro 1, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–101; 102


Fizarana 22: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–101102

Fampidirana

Nandray fanambarana iray mikasika ireo Olomasina tany Missouri izay nandao ny fonenan’izy ireo mba hitsoahana ny fanenjehana ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 16 sy 17 desambra 1833. Maro tamin’ireo Olomasina ireo no noterena handao ny fananan’izy ireo rehetra. Ny fanambarana noraisin’ny Mpaminany, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101, dia resahina ao anatin’ny lesona telo. Tafiditra ao amin’ity lesona fahatelo ity ny fanoharan’ny Tompo momba ny andriandahy sy ny hazo oliva, izay mampianatra ny faniriany mikasika ny fanavotana an’i Ziona. Tafiditra ao amin’izany koa ny torohevitry ny Tompo fa tokony hanohy ny fanangonana sy hikatsaka fahamarinana ho an’ireo izay nomelohina ny Olomasina.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–62

Manome ny fanoharana momba ilay andriandahy sy ireo hazo oliva ny Tompo

Ny fanoharana dia “tantara tsotra enti-maneho sy mampianatra fahamarinana na fitsipika ara-panahy. Ny fanoharana dia mifototra amin’ny fampitahana fahamarinana iray amin’ny zavatra na fitrangan-javatra fahita an-davanandro” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanoharana,” scriptures.lds.org). Mety tsaroanao angamba ireo fanoharana nampianarin’ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany—dia ny fanoharan’ilay Samaritana tsara fanahy, ny fanoharan’ilay zaza adala, ny fanoharan’ireo virijiny folo, sy ny hafa tsy voatanisa.

Anio dia hianatra ny fanoharana momba ny andriandahy sy ny hazo oliva, izay fanoharana nomena tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ianao.

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

Eo am-pandalinana io fanoharana io, dia diniho ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: “Ireo fanoharan’[ny Mpamonjy] dia nisy heviny maro na azo nampiharina tamin’ny fomba maro arakaraka ny fahamatorana ara-panahin’ny mpihaino. Nitondra hafatra na ho an’ny ankizy na ho an’ny manam-pahaizana amin’ny filazantsara izany” (“Scripture Reading and Revelation,” Ensign, jan. 1995, 8). Tadiavo ireo hevitra maro fonosin’io fanoharana io sy ireo fomba maro azo hampiharana izany (jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanoharana”).

Ny Tompo dia nanome ilay fanoharana momba ny andriandahy sy ny hazo oliva mba hanampiana ny vahoakany hahatakatra ny “sitrapony momba ny fanavotana an’i Ziona” (F&F 101:43). Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:44–45, ary tadiavo ny torolalana nomen’ilay andriandahy ao amin’ny fanoharana ho an’ny mpanompony.

Sary
hazo oliva

Nahoana ilay andriandahy no nila mpitily tao amin’ny tanimboaloboka? Nahoana no nila mpitily teny ambony tilikambo izy?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:46–50, ary fantaro hoe nanao ahoana no fomba nanarahan’ireo mpanompo ny torolalan’ilay andriandahy. (Rehefa mamaky ny andininy 50 ianao, dia mety manampy ny fahafantarana fa ny andian-teny hoe “tsy nifanaraka teo izy samy izy” dia midika fa tsy nifankahazo izy samy izy na tsy niray saina izy samy izy.)

Nahoana ireo mpanompo no tsy nahavita nanangana ny tilikambo?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:51, ary tadiavo ny zava-nitranga noho ny tsy nananganan’ireo mpanompo ny tilikambo.

Vakio ny teny nolazain’ilay andriandahy tamin’ireo mpanompony ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:52–54. Araka ny andininy 54, nahoana ilay andriandahy no tezitra fa tsy nanangana tilikambo iray ireo mpanompony?

Inona no ifandraisan’ireo zava-nitranga ao amin’io fanoharana io amin’ny zavatra niainan’ny Olomasina tany Missouri?

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no mety ifandraisan’ilay tilikambo ao amin’ny fanoharana amin’ny tempoly izay tsy tafatsangan’ny Olomasina tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri?

  2. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona ireo fitsipika sasantsasany ao amin’io fanoharana io izay azonao ampiharina eo amin’ny fiainanao? (Eo am-pamalianao io fanontaniana io dia diniho ireto Fotopampianarana sy fitsipika manaraka ireto: Rehefa mankatò ny didin’ny Tompo isika, dia hankaherezina mba hahatohitra ireo fahavalo ara-panahy sy ara-batana. Mpitily eo ambony tilikambo ireo mpaminany, mampitandrina antsika ny amin’ireo loza manatona. Miomana ny handresy ny fahavalo isika amin’ny alalan’ny asa atao any amin’ny tempoly.)

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:55, izay ahitana ny fanomezan’ilay andriandahy ao amin’ny fanoharana torolalana ho an’ny mpanompony iray. Vakio avy eo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:21. Iza no asehon’ilay mpanompo ao amin’ny fanoharana tena?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:56–62, ary tadiavo ny zavatra nasain’ilay andriandahy nataon’ny mpanompo noho ny nandrodanan’ny fahavalo ny ampahan’ny tanim-boaloboka maromaro. I Joseph Smith dia nanaraka ny torolalana ao amin’io fanoharana io. Nampivondrona andian’olona antsoina hoe Tobin’i Ziona mba hanavotra ny tanànan’i Ziona izy. Tonga tany Missouri enim-bolana taorian’ny nanomezana ity fanoharana ity izy ireo. Hianatra misimisy kokoa momba ny Tobin’i Ziona ianao rehefa handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103 sy ny 105.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:63–75

Mandidy ny Olomasina mba hanohy ny asa fanangonana ny Tompo

Na dia noroahina avy tany amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri aza ny Olomasina, dia nodidian’ny Tompo izy ireo mba hanohy ny fananganana ny fanjakany. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:63–64, ary tadiavo ny zavatra nampanantenan’ny Tompo fa mbola hataony hatrany.

Sary
mijinja vary

Ao amin’io fanambarana io dia miresaka momba ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary ny Tompo, izay hamariparitany ny fanangonana ny vahoakany (jereo koa ny Matio 13:24–30, 36–43). Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:65–66, ary tadiavo ireto singa manaraka ao amin’ilay fanoharana ireto: sompitra, vary ary tsimparifary.

Fahiny, dia natao ho toerana fanangonana sy fitehirizana vary ny sompitra. Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome fanazavana mifono tandidona iray an’ilay teny hoe sompitra ao amin’io fanoharana io. Hoy izy: “Ny sompitra dia ny tempoly masina” (“Hitondra anarana iray amim-pahamendrehana ary mitoetra,” Ensign na Liahona, mey 2009, 97). Ny tsimparifary dia ahitra izay mitovitovy amin’ny vary tamin’ny fahatanorany.

Mba hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa io fanoharana io, dia azonao atao ny manoratra ireto fanazavana manaraka ireto ao amin’ny soratra masinao: sompitra = tempoly masina; vary = ireo olo-marina; tsimparifary = ireo ratsy fanahy.

Ny vary dia hangonina ao amin’ny sompitra ao amin’ilay fanoharana. Amin’ny fomba ahoana no iangonantsika ao amin’ny tempoly?

Fenoy ny banga mba hanehoana fitsipika iray izay ampianarin’io fanoharana io: Rehefa miangona any amin’ny isika, dia mandray fiarovana sy manomana ny tenantsika ho amin’ny .

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly no manome fiarovana ho anao sy manomana anao amin’ny fiainana mandrakizay?

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:67–75, fa na dia noterena hiala ny Fivondronan’i Jackson, Missouri aza ny Olomasina, dia nanoro hevitra azy ireo hatrany ny Tompo mba hanohy hividy tany tao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:76–101

Manoro hevitra ny Olomasina ny Tompo mba hanohy hikatsaka fomba iray hiverenana any amin’ny fonenany any Missouri

Ankoatra ny fanoroana hevitra ny Olomasina hividy tany, dia niteny tamin’izy ireo ny Tompo ny “hitambezoany ho an’ny fanarenana” noho ny zavatra nataon’ireo izay nanenjika azy ireo (jereo ny F&F 101:76). Izany hoe, nilaza tamin’izy ireo Izy ny hikatsahana fahamarinana amin’ny alalan’ny rafitra ara-dalàn’ny fitondrana. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:76–80, ary fantaro ny rafitr’ireo lalàna izay hamela ny Olomasina hikatsaka fanampiana avy amin’ireo mpitarika ara-panjakana.

Araka ireo andininy ireo, nahoana ny Tompo no maniry ny hihazonana ny Lalampanorenan’i Etazonia?

  1. Jereo ireo andian-teny hoe “safidim-pitondrantena” sy “azo ampamoahina ny amin’ny fahotany” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:78. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana ny fampamoahana—ny maha-tompon’andraikitra amin’ny zavatra atao—no zava-dehibe iray amin’ny fahafahana misafidy?

    2. Inona no havalinao ny olona iray izay miteny hoe: “Malalaka hanao izay tiako atao aho”?

Fenoy ity Fotopampianarana manaraka ity: Andriamanitra dia nanome antsika fahafahana misafidy, hery hanao safidy, fa isika no ny safidintsika.

Mampiasa fanoharana fahatelo ny Tompo mba hamporisihana ny Olomasina hikatsaka fanampiana avy amin’ny mpitondra fanjakana. Izany dia hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:81–84. (Io fanoharana io dia hita ihany koa ao amin’ny Lioka 18:1–8.) Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:81–84 ianao, dia eritrereto ny fomba niharan’ilay fanoharana tamin’ny Olomasina tany Missouri. Rehefa miseho ny fanoharana ao amin’ilay fanambarana, dia ireo mpikamban’ny Fiangonana no ilay mpitondratena. Ireo mpitondra fanjakana no ilay mpitsara izay hangatahan’ny Olomasina fanampiana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:85–88 mba hahitana ny fomba nampiharan’ny Mpamonjy an’io fanoharana io tamin’ireo Olomasina noroahina tamin’ny toeram-ponenany.

Nanaraka ny didin’ny Tompo ny Olomasina. Nangataka an’i Daniel Dunklin, governoran’i Missouri, ny hanomezana azy ireo fiarovana ara-miaramila rehefa miverina any amin’ny toeram-ponenany izy ireo. Nandà izy, nilaza izy fa tsy manome lalana azy hanao izany ny lalàna. Nangataka an’i Andrew Jackson, filohan’ny Etazonia, ihany koa izy ireo ny hamerenana ny toeram-ponenany sy ny fananany ary ny hanomezana antoka ny fiarovana azy ireo, fa tsy nanampy izy. Tamin’izany fotoana izany dia nahatsapa ny manam-pahefan’ny fitondran’i Etazonia fa ny fitondrana misahana ny faritra no tokony hisahana izany olana izany. Nangataka fanampiana tany amin’ny mpahay lalàn’ny faritra Missouri koa ny Olomasina, fa tsy nanaiky hanampy ireo mpanao pôlitika ireo.

Vakio tsara ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:89–91, ary tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo momba ny maha-tompon’andraikitra ny mpitondra fanjakana raha toa izy ireo ka tsy manaiky ny hanampy ny Olomasina. Vakio avy eo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:92–95, ary tadiavo ny zavatra nasain’ny Tompo nataon’ny Olomasina ho an’ireo mpitondra fanjakany.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:92 momba ny Tompo?

Rehefa mandinika ireo andininy ireo ianao sy manoratra mikasika ny andininy 92, dia makà fotoana hisaintsainana ny fitiavana sy ny famindrampon’ny Tompo. Mariho fa tsy maniry hanasazy olona Izy. Maniry ny hibebahan’ny olon-drehetra mba hahafahany mamindra fo Izy.

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:96–101, ny torolalan’ny Tompo ny hihazonan’ny Olomasina ny fananan-taniny tany amin’ny Fivondronan’i Jackson, na dia tsy navela nipetraka tany aza izy ireo. Tafiditra ao amin’ireo andininy ireo ny fampanantenana avy amin’ny Tompo fa raha miaina amim-pahamendrehana ny Olomasina, dia afaka hipetraka any indray andro any.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102

Ny Tompo dia manome torolalana ny filankevitra avo mikasika ny fomba handaminana ireo fahasahiranana lehibe

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102 dia ahitana ireo torolalan’ny Tompo mikasika ny fomba hitondran’ny filohan’ny tsatòka, izay ampian’ny mpanolotsaina azy sy ny mpikamban’ny filankevitra avo ny filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana ho an’ny olona izay nanao heloka goavana. “Ny tanjon’ny filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana dia (1) ny hamonjena ny fanahin’ireo nandika lalàna, (2) ny hiarovana ireo tsy manan-tsiny, ary (3) ny hitandroana ny fahadiovan’ny Fiangonana, sy ny fahamarinany ary ny laza tsarany” (Miorim-paka ao amin’ny finoana: Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 37–38). Nanambara ny sitrapony tamin’ireo izay niahy filankevitra ampiharana ny fitsipi-pifehezan’ny Fiangonana ny Tompo.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:43–101102 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy