Seminera
Fizarana 27: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:84–145; 125–26


Fizarana 27: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:84–145; 125–26

Fampidirana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:84–145, izay voaray tamin’ny 19 janoary 1841, dia mirakitra ny torohevitry ny Tompo ho an’ireo mpikambana tsirairay ao amin’ny Fiangonana. Notanisainy ihany koa ny anaran’ireo izay natao hanompo ao amin’ny toerana isan-karazany ho an’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana. Tamin’ny volana martsa 1841, dia naharay ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125 ny Mpaminany Joseph Smith, izay nanambaran’ny Tompo ny sitrapony mikasika ny fiangonan’ireo Olomasina tao amin’ny Faritanin’i Iowa. Tamin’ny 9 jolay 1841 dia naharay ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126 ny Mpaminany, izay nilazan’ny Tompo tamin’i Brigham Young fa tsy hotakina aminy intsony ny handao ny ankohonany mba hanao asa fitoriana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:84–122

Nanome torohevitra ho an’ny olona vitsivitsy manokana ny Tompo

Mieritrereta fotoana iray izay nahazoanao torohevitra avy amin’ny olona izay naniry ny hanampy anao. Nanaraka izany torohevitra izany ve ianao? Nahoana, na raha tsia dia nahoana?

Sary
tovolahy sy eveka

Ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:84–118 dia nanome torohevitra manokana ho an’ireo mpikambana vitsivitsy tao amin’ny Fiangonana, izay nampanantena fitahiana lehibe maro raha narahina. Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, mba hitadiavana ny zavatra mitovy ao amin’ireo torohevitra nomena an’ireo olona ireo. (Mety hanampy ny fahafantarana fa ny hoe torohevitra dia entina ilazana ny fitarihana, na ny torolalana. Azonao atao ny manisy marika ireo torohevitra mitovy.)

Avereno jerena ireo andininy novakinao, mba hitadiavana ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo raha arahan’ireo lehilahy ireo ny torohevitra nomeny azy ireo. Ataovy lisitra eo amin’ny faritra malalaka nomena eo ambany ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo azy ireo:

Fitsipika iray ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo, izay miantefa amin’ny zanak’ Andriamanitra rehetra ny hoe raha mihaino ny torohevitr’ireo mpaminany isika dia ho soa ho antsika izany.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ireo torohevitra manokana nomen’ireo Filohan’ny Fiangonana tao anatin’ireo taona nodiavina vao haingana?

    2. Oviana ianao no notahiana tamin’ny alalan’ny fihainoanao ny torohevitr’ireo mpaminany?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:84, mba hitadiavana ny zavatra nolazain’ny Tompo fa nataon’ny mpikambana iray tao amin’ny Fiangonana izay nantsoina hoe Almon Babbitt raha toa ka tokony hanaraka ny torohevitra avy amin’ny Fiadidian’ny Fiangonana izy. Mety hanampy ny mahafantatra fa ny “ombilahikely volamena” dia entina ilazana ny sampy na ny andriamanitra sandoka izay nataon’i Arona ho an’ny zanak’i Isiraely raha mbola tany an-tendrombohitr’i Sinay ny mpaminany Mosesy (jereo ny Eksodosy 32). Tandindon’ireo zavatra araka izao tontolo izany izany, izay mety mahavariana antsika ka manakana antsika tsy handray ireo fitahiana ara-panahy.

Araka ny voalazan’ny andininy 84, dia ny fikendreny hampanjaka ny toroheviny manokana fa tsy ny torohevitry ny Fiadidiana Voalohany no “ombilahikely volamena” an’i Almon Babbitt.

Vakio ny fampitandremana nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball mikasika ireo andriamanitra sandoka marobe izay tompoin’ny olona amin’izao fotoana izao, ary eritrereto ny fomba mety hisoloan’ireo sampy maoderina ireo ny toeran’ny fanarahana ny torohevitr’ireo mpaminany velona:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Mety haka endrika toy ny akanjo, trano, raharaha ara-barotra, milina, fiara, sambo fakana fahafinaretana, ary ireo zavatra maka fanahy ka mampivily antsika amin’ny lalana hahafahana ho tonga andriamanitra ireo sampy na andriamanitra sandoka maoderina. Toy ny ahoana no mety ho fiantraikany raha tsy mitovy endrika amin’ny sampy ilay zavatra resahina? …

“Afaka ny ho tonga andriamanitra mora foana ihany koa ny zavatra tsy azo tsapain-tanana. Afaka ny ho tonga sampy ny diplaoma sy ny mari-pankasitrahana ary ny toerana tanana amin’ny asa. … Toy ny tena mahatsiriritra ny diplaoma [azo any amin’ny ambaratonga ambony] sy ny harena ary ny filaminam-piainana tonga avy amin’izany ka dia lasa ambanin-javatra ny [fanaovana] asa fitoriana ny filazantsara. Tsinontsinoavin’ny olona sasany ny fanompoana ao amin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ireo taona maro ianaran’izy ireo any amin’ny ambaratonga ambony, noho izy ireo mahatsapa fa tokony hanome lanja kokoa ireo fampianarana araka izao tontolo izao ka tsy miraharaha ireo fanekempihavanana ara-panahy izay nataon’izy ireo. …

“Maro ireo izay mankalaza ny fihazana, ny fandehanana manjono, ny fialan-tsasatra, ireo fitsangantsanganana amin’ny faran’ny herinandro ary ny fandehandehanana. Ny sampin’ny sasany dia ny fifaninanana ara-panatanjahantena, ny baseball, ny football, savika ombilahy na golf. Mazàna ireo fialam-boly no manakatsakana ny fiderana ny Tompo sy amin’ny fanaovana asa fanompoana amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra. Mety ho toy ny hoe tsy zava-dehibe amin’ireo mpandray anjara ity fanantitranterana ity, kanefa izany dia manambara hoe mahatoky amin’ny inona izy ireo.

“Mbola sampy iray hafa ankalazain’ny olona ny hery sy ny laza. Maro ireo izay hanitsaka amin’ny tongony ireo soatoavina ara-panahy ary matetika no ara-pitondrantena rehefa miezaka ny hahita fahombiazana izy ireo. Ireo andriamanitry ny hery, harena ary fitaomana ny hafa ireo no tena mitaky zavatra betsaka indrindra avy amin’ny olona ary efa mila ho azo tsapain-tanana tahaka ireo ombilahikely volamenan’ny zanak’i Isiraely tany an-tany foana” (The Miracle of Forgiveness [1969], 40–42).

Sary
vola vy sy vola ravina
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona avy ireo fomba vitsivitsy izay mety hametrahan’ny olona ny toroheviny mialoha ny torohevitra omen’ny Tompo antsika amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ireo mpaminaniny?

Tadidio fa afaka ny hanana fitokisana ianao amin’ny fanarahana ireo torohevitra sy torolalana avy amin’ireo mpaminany satria milaza ny tenin’ny Tompo izy ireo (jereo ny F&F 1:38).

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:119–22 dia mirakitra ireo torolalana nomena ny Fiangonana mikasika ny fananganana ny Tranon’i Nauvoo, izay tokony ho trano fandraisam-bahinin’ny Fiangonana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:123–45

Mitanisa ny anaran’ireo izay natao hanompo ao amin’ny toerana isan-karazany ho an’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana ny Tompo

Ataovy lisitra ireo toerana ho an’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana ao amin’ny fisoronana ao amin’ny Fiangonana:

Ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:123–45 dia nitanisa ireo olona manokana natao hanompo ao amin’ireo toerana isan-karazany ho an’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana. Vakio ny andininy 123–42, mba hitadiavana ireo toerana ho an’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana izay notononin’ny Tompo. Ampidiro ao izay tsy anananao ao amin’ny lisitra nataonao.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:143, mba hitadiavana ny antony hiantsoan’ny Tompo mpitarika ao amin’ny fisoronana sy hanomezany ny fanalahidin’ny fisoronana.

Mianatra ity fahamarinana manaraka ity isika ao amin’io andininy io: Ny Tompo dia miantso mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hitantana ny asa fanompoana sy hanampy amin’ny fandavorariana ireo Olomasina. (Ny fitondrana ho an’ny asa fanompoana sy ny fandavorariana ny olomasina dia entina ilazana ny asa fanampiana ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra mba hanatona Azy sy hiverina ho eo anatrehany amim-pahamendrehana.) Asio marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra io fahamarinana io ao amin’ny soratra masinareo.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fomba iray na roa nanampian’ireo mpitarika anao ao amin’ny fisoronana anao hanatona bebe kokoa ny Rainao any An-danitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125

Nanome torolalana an’ireo Olomasina ny Tompo mba hiangona ao amin’ireo toerana izay notondroiny

Taorian’ny fandroahana an’ireo Olomasina hiala an’i Missouri tamin’ny ririnin’ny taona 1838–39 dia nandeha nankany Illinois sy Iowa izy ireo ka nanorim-ponenana teo amin’ny sisiny roa tamin’ny Reniranon’i Mississippi. Ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125 dia voaray tamin’ny martsa 1841 ary manambara ny sitrapon’ny Tompo mikasika ireo Olomasina tao amin’ny Faritanin’i Iowa. Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125 ianao dia tadiavo ireo toromarika nomen’ny Tompo an’ireo Olomasina ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126

Tsy takiana intsony ny handaozan’i Brigham Young ny fianakaviany mba hanao asa fitoriana fanampiny

Alaivo sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana izany mandao ny fianakavianao izany mba hanao asa fitoriana ny filazantsara ho an’ny Tompo mandritra ireo fahavaratra dimy manaraka ary avy eo dia antsoina hanao asa fitoriana any amin’ny firenen-kafa mandritra ny roa taona eo ho eo. Inona no mety ho tsapanao raha mandao ny fianakavianao imbetsaka tokoa toy izany? Inona no mety ho tsapanao momba izany raha tompon’andraikitra amin’ny fanomezana izay ilain’ny fianakavianao ianao?

Taorian’ny nidiran’i Brigham Young ho mpikambana tao amin’ny Fiangonana tamin’ny volana Aprily 1832 dia nanao asa fitoriana miisa fito tao anatin’ireo 9 taona taorian’izay izy. Nandritra ny ririnina taorian’ny nanaovana batisa azy ny asa fitoriana nataony voalohany. Nitranga isaky ny fahavaratra nanomboka tamin’ny taona 1833 ka hatramin’ny 1837 ny dimy hafa, ka anisan’izany ny fandraisany anjara tao amin’ny Tobin’i Ziona. Naharitra telo ka hatramin’ny dimy volana ireo asa fitoriana ireo. Tamin’ny taona 1839 dia nantsoina hanao asa fitoriana tany Grande Bretagne i Brigham Young, niaraka tamin’ ireo Apôstôly hafa. Nanaraka ny toromariky ny Tompo izy ireo ny handeha hanainga hanao izany asa fitoriana izany avy ao Far West, Missouri, tamin’ny 26 aprily 1839 (jereo ny F&F 118). Nandany ireo volana vitsivitsy manaraka tao Iowa sy Illinois i Brigham sy ireo Apôstôly hafa, mba hiomana bebe kokoa handeha tany Grande Bretagne. Namely ilay faritra ny valanaretin’ny tazo mahery tamin’ny fahavaratry ny taona 1839 ka dia voan’izay ihany koa izy ireo.

Sary
Filoha Brigham Young

Vakio ity teny manaraka nambaran’i Brigham Young ity mba hitadiavana ny porofo manamarina ny fihetsika nasehon’i Brigham tamin’ny fanompoana ny Tompo na dia narary mafy aza izy ka dia tsy afaka niakatra tao amin’ilay sarety akory raha tsy nisy nanampy rehefa nandeha: “Tena vonona aho ny handeha ho any Angletera na ho faty eo am-piezahana ny hanao izany. Tena tapa-kevitra aho fa hanao ny zavatra izay takina hataoko ao amin’ny Filazantsaran’ny fiainana sy ny famonjena, na ho faty amin’ny fiezahana hanao izany aho” (Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young [1997], 5).

Nitaky fahafoizan-tena avy amin’ny fianakaviany ihany koa ny asa fitoriana nataon’i Brigham Young. Vakio ity famintinana manaraka momba ny toe-javatra nahazo ny fianakavian’i Brigham ity rehefa nandeha nanao ny asa fitoriany tany Grande Bretagne izy:

Nandao an’i Montrose, Iowa hihazo ny Firenena Britanika i Brigham Young tamin’ny 14 septambra 1839, 10 andro monja taorian’ny niterahan’i Mary Ann, vadiny, ny zanany fahefatra. Tratran’ny tazo ihany koa i Mary Ann. Fanindiminy izao no nandefasany an’i Brigham hanao asa fitoriana hatramin’ny fotoana nivadian’izy ireo. Rehefa avy noroahina niala ny tranony sy namoy ny ankamaroan’ny fananany tao Missouri izy ireo herintaona talohan’io dia tafalatsaka tao anatin’ny fahantrana lalina. Tsy afaka nametraka tamin’i Mary Ann afa-tsy 2,72 dôlara ho an’ny fianakaviany i Brigham. Natoky i Brigham sy i Mary Ann fa hamelona azy ireo ny Tompo ary niantehitra tamin’ny fampanantenana nataon’ny Mpaminany Joseph Smith fa horaisina an-tanana ny zavatra ilain’ny fianakavian’ireo Apôstôly raha mbola any am-panaovana ny asa fitoriany izy ireo (jereo ny F&F 118:3).

Rehefa nandeha nankany amin’ny faritra atsinanan’i Etazonia ny Loholona isany Brigham Young, Heber C. Kimball, ary i George A. Smith mba hanao ny asa fitorian’izy ireo tany Grande Bretagne dia, “nikarokaroka tao anatin’ny vatakeliny i Brigham dia nahita foana vola ampy tsara mba handoavana ny saran’ny fanofanana azy ireo manaraka. Noheveriny fa nofenoin’i Heber ilay vola, saingy taty aoriana dia fantany fa tsy nanao izany i Heber. Nanomboka ilay dia tamin’ny vola 13,50 dôlara izay nomen’ny olona ireo rahalahy, kanefa efa nandany mihoatra ny 87 dôlara izy ireo tamin’ny saran’ny fanofanana azy ireo. Tsy fantatr’izy ireo ny fomba nahatongavan’ilay vola fanampiny tao amin’ilay vata ‘afa-tsy hoe tamin’ny alalan’ny iraka tsy hita maso avy any an-danitra mba hampandroso ny fanambarana ny Filazantsara’ [ao amin’ny Leonard J. Arrington, Brigham Young: American Moses [1985], 77.]” (Church History in the Fulness of Times Student Manual, fanontana faharoa [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 228).

Sary
Ireo nosy Britanika

Nitarika ny asa fitoriana tao amin’ireo Nosy Britanika i Brigham Young.

Rehefa nitarika ny fanitarana ny asa fitoriana nanerana an’ireo Nosy Britanika i Brigham Young dia nampiseho fahaiza-manao ara-panahy sy ara-pitantanana lehibe izy. Nahita fitomboana izaitsizy ny Fiangonana tany amin’ny Firenena Britanika teo ambany fitarihan’i Brigham Young sy ireo Apôstôly hafa. Tamin’ny fotoana nahavitan’ny ankamaroan’ireo Apôstôly ny asa fitorian’izy ireo tao amin’ireo Nosy Britanika tamin’ny faran’ny volana aprily 1841 dia olona maherin’ny 5.000 no niditra ho mpikamban’ny Fiangonana, ary tokotokony ho ny 1.000 tamin’izy ireo no nifindra tany Nauvoo volana vitsivitsy talohan’izay.

“Fotoana lehibe nanofanana sy nahamatotra ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo io asa fitoriana io. Afaka nanamafy ny fahaiza-mitarika izay notakina ho ampiharina tsy ho ela tao Nauvoo i Brigham Young. … Niray hina tao anatin’ny fitsapana sy fahafoizan-tena tany amin’ny Firenena Britanika, niaraka tamin’ny filofosana ho an’ny tanjona iraisana ny Roambinifololahy izay nanao izay hampatanjaka ny fitarihana tao amin’ny Fiangonana ho an’ireo taona ho avy” (Church History in the Fulness of Times, 234).

Rehefa avy nitarika ny asa fitorian’ny Fiangonana tany Grande Bretagne i Brigham Young dia tonga tao Nauvoo, Illinois izy tamin’ny 1 jolay 1841. Naharay ilay fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126 ny Mpaminany Joesph Smith valo andro taorian’izay.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126:1–3, mba hitadiavana ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’i Brigham mikasika ny asa fanompoana nataony. Oviana ianao no nahatsapa fa faly tamin’ny asa fanompoana nataonao ny Tompo?

Fenoy avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny andininy 1–2 ity fitsipika manaraka mikasika ny asa fanompoana ataontsika ity: Raha milofo am-pahazotoana ho an’ny Tompo isika dia ny fanatitra marina ataontsika.

“Ankoatra ny fahafahan’i Brigham Young niaraka bebe kokoa tamin’ny fianakaviany taorian’io fanambarana io mihoatra noho ny fahafahana nananany taona maro lasa talohan’izay dia nanakaiky bebe kokoa ny Mpaminany Joseph Smith izy ny ankabeazan’ny fotoana (valo amby roapolo volana tamin’ireo enina amby telopolo volana farany teo amin’ny fiainan’i Joseph).

“Toa hita miharihary fa notazonin’ny Tompo teo akaikin’i Joseph i Brigham, noho ny fahafantarany ny hoavin’i Brigham Young sy ny hoavin’ny Fiangonana, mba hahafahany mianatra ny zavatra izay hilainy ho fantatra mba hitarihana ny Fiangonana aorian’ny fahafatesan’i Joseph” (Doctrine and Covenants Student Manual, fanontana faharoa. [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 313).

Sary
sary vongan’i Brigham Young sy i Joseph Smith

Noho ny fiarahany niasa akaiky tamin’ny Mpaminany Joseph Smith dia nianatra ny zavatra nilainy nofantarina i Brigham Young mba hitarihana ny Fiangonana taorian’ny nahafatesan’i Joseph.

Na dia tsy notakina tamin’i Brigham Young intsony aza ny handaozany ny fianakaviany mba hanao asa fitoriana fanampiny dia mbola nanao asa fitoriana fohifohy ihany izy talohan’ny fahafatesan’ny Mpaminany. Nanaiky ny fanatitra marina nataon’i Brigham Young sy ny ezaka nataony tamim-pahazotoana tamin’ny Asany ny Tompo.

  1. Eritrereto ireo fahafahana anananao mba hanompoana ny Tompo. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fehezan-teny vitsivitsy manazava ny fomba ahafahanao manaraka ny ohatr’ireo mpitarika toa an’i Brigham Young mba hiasa amim-pahazotoana amin’ireo fahafahana ireo.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:84–145; 125–26 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy