Seminera
Fizarana 6: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 68–84


Fizarana 6: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 68–84

Fampidirana

Ny fananganana ny Fiangonana tamin’ny 6 aprily 1830 dia nahatonga ireo ôrdônansin’ny fisoronana ho azo tanterahana amin’ireo zanaky ny Ray any An-danitra manerana izao tontolo izao amin’ny andro farany. Talohan’io andro izay efa nandrasana ela io, ny Tompo dia nanomboka nanambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ireo zavatra takina sy ny fomba fanaovana batisa, ny zavatra andrasana amin’ireo mpikamban’ny Fiangonany, ary ireo antsipiriany amin’ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 68–74

Napetraka ireo zavatra takina sy ny fomba fanatanterahana ny batisa

Inona no holazainao amin’ny olona iray tsy mpikamban’ny Fiangonana izay manontany hoe, “Inona no tokony hataoko mba hanaovana batisa ahy ao amin’ny fiangonanareo?”

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, ka tadiavo ireo zavatra takin’ny Tompo amin’ireo izay maniry ny ho lasa mpikamban’ny Fiangonana. Azonao atao ny manisy marika ireo zavatra takina tsirairay izay hitanao tao amin’ilay andinin-tsoratra masina.

Mety hanampy anao ny mahafantatra fa ny fampisehoana fo torotoro sy fanahy manenina dia midika hoe manetry tena sy mora mandray ny sitrapon’ Andriamanitra. Midika koa izany hoe fahatsapana alahelo lalina noho ny ota sy faniriana amin-kitsimpo ny hibebaka.

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Nanazava ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Tamin’ny andro taloha ny olona rehefa te hitsaoka ny Tompo sy hikatsaka ny Fitahiany, dia matetika izy ireo mitondra fanomezana. Ohatra, rehefa nankany amin’ny tempoly izy ireo, dia nitondra sorona hapetraka eo amin’ny alitara. Taorian’ny Sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia nilaza izy fa tsy hanaiky intsony ny biby atao fanatitra dorana. Ny fanomezana na sorona izay ekeny ankehitriny dia ‘fo torotoro sy fanahy manenina.’ [3 Nefia 9:20.] Rehefa mikatsaka ny fitahian’ny fiovam-po ianao dia afaka manolotra ho an’ny Tompo ny fonao torotoro na mibebaka ary ny fanahinao manenina na mankatò. Raha ny marina dia ny fanoloranao ny tenanao izany—dia ny maha-anao anao sy ny hoe lasa inona ianao,” (“When Thou Art Converted,” Ensign or Liahona, May 2004, 12).

Nahoana araka ny eritreritrao no takina ireo toetra ireo alohan’ny hanaovana batisa ny olona iray?

Fenoy avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37 ity fitsipika manaraka ity: Rehefa atao batisa isika dia mijoro ho vavolombelona na maneho fa .

Saintsaino hoe aiza ho aiza ianao amin’ny fiainana araka ireo fanekempihavanan’ny batisanao.

Inona no holazainao amin’ilay namanao tsy mpikamban’ny Fiangonana raha toa izy mametraka izao fanontaniana fanampiny izao: “Ahoana ny fanaovana batisa ao amin’ny fiangonanareo?”

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:72–74, ary asio marika ny fomba fanaovana batisa izay lazalazain’ny Tompo. Avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia mianatra isika fa ny batisa dia tsy maintsy atao amin’ny alalan’ny fanotrihana ary tsy maintsy tanterahan’ny olona iray izay manana ny fahefana hanao izany (jereo koa ny 3 Nefia 11:21–27).

Ahoana no havalinao raha mametraka fanontaniana fahatelo ilay namanao hoe: “Inona no takina amin’ny olona aorian’ ny nanaovana batisa azy ka lasa mpikamban’ny fiangonanareo?”

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:68–69, ary tadiavo ireo zavatra andrasan’ny Tompo amintsika tsirairay aorian’ny nanaovana batisa antsika. Azonao atao ny manisy marika ireo zavatra andrasana ireo ao amin’ny soratra masinao.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:68 dia milaza amintsika ny Tompo fa ireo mpikambana vaovao dia tokony ampianarin’ireo loholona aorian’ny batisa sy alohan’ny fandraisana ho mpikambana. Amin’izao androntsika izao, ny fampianarana omen’ny misiônera an’ireo naman’ny Fiangonana alohan’ny batisa dia mamela ny olona handray ny fanomezan’ny Fanahy Masina fotoana fohy aorian’ny batisany.

Avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:69 dia mianatra isika hoe ahoana no ahafahantsika mampiharihary na mampiseho ny fahamendrehantsika aorian’ny nanaovana batisa antsika. Ampiasao ny torolalan’ny Tompo ho antsika ao amin’io andinin-tsoratra masina io mba hamenoana izao fitsipika manaraka izao: Aorian’ny batisa dia maneho amin’ny Tompo ny fahamendrehantsika isika amin’ny alalan’ny .

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana no zava-dehibe ny fijanonanao ho mendrika aorian’ny nanaovana batisa anao?

    2. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mampiharihary na mampiseho “fandehanana sy firesahana araka an’ Andriamanitra”?

  2. Vakio ny fizarana ao amin’ny Jeunes, Soyez Forts mitondra ny lohateny hoe “Langage” ([2011], 20–21), ka tadiavo ireo fomba mety hanehoan’ny zatovo iray “fandehanana sy firesahana araka an’ Andriamanitra.” Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny momba ireo zavatra niainanao rehefa nahita ny hafa nanao ireo zavatra ireo ianao. Nahoana araka ny eritreritrao no nisy fiantraikany tamin’ny olona manodidina azy ireo ny zavatra nataony sy ny fihetsiny?

Saintsaino ny fomba hanehoanao “fandehanana sy firesahana araka an’ Andriamanitra” afaka andro vitsivitsy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75–79

Ny Tompo dia manome torolalana momba ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo

Efa nanana namana tsy mpikamban’ny Fiangonana ve ianao niaraka taminao nanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo? Raha izay no izy, dia ahoana no nanazavanao ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo? Raha tsy mbola nanana izany fahafahana izany ianao, inona no ho lazainao amin’ny namanao iray mba hanampiana azy hahatakatra ny fanasan’ny Tompo?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75, ka tadiavo ny zavatra natoron’ny Tompo mba hataon’ny mpikambana matetika.

Tao amin’ny fanambarana iray nomena taty aoriana dia nanazava ny Tompo hoe: “Tsy mampaninona izay hohaninareo na izay hosotroinareo rehefa mandray ny fanasan’ ny Tompo ianareo, raha toa ka ataonareo amin’ ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitro izany—sady mahatsiaro eo anoloan’ ny Ray ny vatako izay efa napetraka ho anareo sy ny rako izay efa nalatsaka ho famelana ny fahotanareo” (F&F 27:2). Ankehitriny isika dia mampiasa rano amin’ny fanasan’ny Tompo, “ho fahatsiarovana ny ran’i Jesoa Kristy, izay nalatsaka ho [antsika]” (F&F 20:79, ho solon’ny divay.

Nahoana araka ny eritreritrao isika no nasaina hiaraka handray ny fanasan’ny Tompo matetika? Niresaka momba ny fitahiana manokana izay azo amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro ny Loholona Melvin J. Ballard tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Melvin J. Ballard

“Tianay ny Olomasina tsirairay hanatona ny latabatry ny fanasan’ny Tompo satria izany no toerana fanadihadiana ny tena sy fanaraha-maso ny tena, izay mety hianarantsika hanitsy ny diantsika sy hanova ho marina ny fiainantsika manokana, ary hitondra ny tenantsika mba hirindra amin’ny fampianaran’ny Fiangonana sy amin’ireo rahalahy sy anabavintsika. …

“… Ny zavatra iray izay hitondra fiarovana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra dia ny fahatongavana eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo isaky ny andro Sabata. Tsy ho lasa lavitra loatra isika ao anatin’ny herinandro iray—tsy ho lavitra loatra hany ka tsy afaka hanitsy ireo hadisoana mety ho vitantsika amin’ny alalan’ny fanaovana fandinihan-tena manokana. … Ny lalana mankeo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo no lalan’ny fiarovana ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” (ao amin’ny Bryant S. Hinckley, Sermons and Missionary Services of Melvin Joseph Ballard [1949], 150–51).

Sary
fandraisana ny fanasan’ny Tompo

Saintsaino hoe nahoana no ho fiarovana ho anao ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro.

  1. Mba hianarana ny antony mahatonga ny fanasan’ny Tompo ho lalan’ny fiarovana ho anao, dia soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto lohateny roa ireto:

    Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia mijoro ho vavolombelona fa:

    Rehefa mahatoky amin’ireo fampanantenana ataontsika mandritra ny fanasan’ny Tompo isika, dia mampanantena ny Tompo fa:

    Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77–79 ka tadiavo ny zavatra ijoroantsika ho vavolombelona na ampanantenaintsika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika. Soraty eo ambanin’ilay lohateny hoe” Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika …” ao amin’ny diarinao ny zavatra hitanao. Avy eo dia vakio indray ireo andinin-tsoratra masina, ka tadiavo ireo fampanantenana nataon’ny Tompo. Soraty eo ambanin’ilay lohateny hoe “Rehefa mahatoky …” ao amin’ny diarinao ny zavatra hitanao.

Manaova famerenana ny zavatra takin’ny batisa izay hitanao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37. Inona no fitoviana hitanao eo amin’ny fanekempihavanana natao tamin’ny batisa sy ireo fampanantenana natao mandritra ny fanasan’ny Tompo?

Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao, dia manavao ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny fotoana nanaovana batisa anao sy nandraisana anao ho mpikambana.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no ahafahanao maneho ny fahavononanao hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy?

    2. Inona ireo zavatra vitsivitsy azonao atao mba hahatsiarovana ny Mpamonjy mandritra ny herinandro? (Jereo koa ny Môsià 18:8–10).

    3. Nahoana no manampy anao hampiseho “fandehanana sy firesahana araka an’ Andriamanitra” ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo (F&F 20:69)?

Vakio izao fanambarana manaraka izao izay mikasika ny fitandremana sy fanavaozana ny fanekempihavanan’ny batisantsika: “Mandray fitahiana lehibe ianareo rehefa mitandrina ny fanekempihavanan’ny batisa. Rehefa manavao izany ianao dia manavao ny famelany ny fahotanao izay nampanantenainy ny Tompo. Rehefa voadio amin’ny fahotana ianao dia afaka ny ‘hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminao” (F&F 20:77). Ny fananana ny Fanahy ho namana lalandava no iray amin’ireo fanomezana lehibe indrindra azonao raisina eto amin’ity fiainana an-tany ity. Ny Fanahy Masina dia hitarika anao amin’ireo lalan’ny fahamarinana sy fiadanana, izay mitondra anao ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Rainao any An-danitra sy i Jesoa Kristy ” (Miorim-paka ao amin’ny finoana: Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004]).

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto: Nahoana no mamporisika antsika hanaja ny fanekempihavanan’ny batisantsika ny fahatakarana ilay fitahiana dia ny fananana ny Fanahy Masina ho namantsika?

Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa afaka migoka ny fitahian’ny fanompoan’ny anjely isika rehefa manavao ireo fanekempihavanan’ny batisantsika amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Ireo dingana manan-danja amin’ny famelana ny fahotana dia tanterahina amin’ny alalan’ny ôrdônansy mamonjin’ny batisa sy ny ôrdônansy manavaon’ny fanasan’ny Tompo. …

“… Ireo ôrdônansy ireo koa, izay an’ny Fisoronana Aharôna, dia manan-danja amin’ny fanompoan’ny anjely. …

“… Ny hafatra avy amin’ny anjely dia mety hambara amin’ny alalan’ny feo na amin’ny alalan’ny eritreritra tsotra izao, na amin’ny alalan’ny fahatsapana mifandray amin’ny saina. …

“… Ny ankamaroan’ny fifandraisana amin’ny anjely dia tsapa na re fa tsy hita. …

“Amin’ny ankapobeny, dia ireo izay madio ihany no afaka mahazo ireo fitahian’ny fananana ny Fanahy Masina ho namana sy ny fifandraisana Aminy. … Amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny Fisoronana Aharôna ho an’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo, dia diovina amin’ny fahotantsika isika ary nampanantenaina fa raha toa ka mitandrina ny fanekempihavanantsika isika dia hanana hatrany ny Fanahiny miaraka amintsika. Mino aho fa izany fampanantenana izany dia tsy natao fotsiny hanondroana ny Fanahy Masina fa manondro ihany koa ny fanompoan’ny anjely, ‘Miteny amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina ny anjely; noho izany dia manambara ny tenin’ i Kristy izy’ (2 Nefia 32:3). Noho izany ireo izay mihazona ny Fisoronana Ahaôna dia manokatra ny varavarana ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra izay mandray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo mba hanana ny Fanahin’ny Tompo ho namana sy ny fanompoan’ny anjely” (“The Aaronic Priesthood and the Sacrament,” Ensign, Nov. 1998, 38–39).

Saintsaino ny fomba hiomananao handray ny fanasan’ny Tompo amin’ity herinandro ity.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:80–84

Tokony horaketina an-tsoratra marina tsara ny maha mpikamban’ny Fiangonana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:81–84 dia ahitana ny torolalan’ny Tompo mba hanaovan’ireo loholona ao amin’ny Fiangonana tany am-piandohana ny firaketana an-tsoratra ny anaran’ireo olona izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Nasaina izy ireo hitondra ireo lisitra ireo any amin’ireo fihaonamben’ny Fiangonana mba hahafahany mitahiry izany ao anaty boky. Ny anaran’ireo izay niala tamin’ny Fiangonana dia nofafana. Ambonin’izany, ireo mpikamban’ny Fiangonana izay mifindra ho amin’ny toerana iray hafa dia tokony maka ny fanamarinana ny maha-mpikambana azy ireo miaraka aminy mba homena ny mpitarika azy vaovao ao amin’ny fisoronana. Amin’izao androntsika izao, dia manohy ny firaketana ny maha-mpikambana marina tsara ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ary ireo fomba entina manao izany dia mahomby kokoa.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 68–84 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy