Seminera
Fizarana 14: Andro 4, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:20–43


Fizarana 14: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:20–43

Fampidirana

Nandray fanambarana izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64 ny 11 Septambra 1831 ny Mpaminany Joseph Smith. Teo amin’ny roa herinandro teo ho eo talohan’ny nandraisany an’io fanambarana io no nahatafaverina ny Mpaminany tany Ohio rehefa avy nanara-maso ny fanokanana ny tany sy ny toerana hananganana ny tempoly ao Ziona any Independence, Missouri. Mirakitra ny fampianaran’ny Tompo momba ny fahafoizan-tena izay takiany amin’ny Olomasina sy momba ny fanorenana an’i Ziona amin’izao andro farany izao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:20–43.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:20–25

Mampianatra ny Tompo fa mitaky ny fontsika Izy

Soraty eto ambany eto ny momba ny fotoana iray izay nahatsapanao fa nanolotra fahafoizan-tena tokoa ianao mba hanarahana ny didin’ Andriamanitra (tahaka ny tsy fandraisana anjara amin’ny seho ara-panatanjahantena iray na zavatra mitovy lenta amin’izany mba hitandremana ny andro Sabata ho masina):

Diniho ny mety ho fitahiana azonao noho ny fanaovanao an’io fahafoizantena io. Hianatra bebe kokoa momba ny fahafoizantena izay takian’ny Tompo amintsika ianao rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:20–43 ary mamaky ny didin’ Andriamanitra ho an’i Isaac Morley, Frederick G. Williams ary tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana tany amboalohany hafa.

Sary
toeram-pambolena sy fiompian’i Isaac Morley, Kirtland, Ohio

toeram-pambolena sy fiompian’i Isaac Morley, Kirtland, Ohio

Nanana toeram-pambolena sy fiompiana lehibe tany Kirtland, Ohio i Isaac Morley. Nanasa malalaka ireo mpikamban’ny Fiangonana izy, ka anisan’izany i Joseph Smith sy ny vadiny, mba hipetraka teo amin’ny taniny.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:20 ary jereo ny torolalana nomen’ny Tompo an’i Isaac Morley momba ny toeram-pamboleny. Soraty eo amin’ny toerana tokony hisy azy eo amin’ity tabilao manaraka ity ny zavatra nasain’ny Tompo ataon’i Isaac Morley.

Isaac Morley (F&F 64:20)

Frederick G. Williams (F&F 64:21)

Inona no zavatra notenenin’ny Tompo fa tokony hataony?

Ahoana ny fihetsiny manoloana ny torolalan’ny Tompo? (Jereo ny fanazavana eto ambany.)

Inona ny vokatry ny fankatoavana ny torolalan’ny Tompo? (Jereo ny fanazavana eto ambany.)

Izany dia fahafoizantena lehibe tokoa ho an’i Isaac Morley. Ny ankamaroan’ny vola azo avy amin’ny fivarotana ilay toeram-pambolena sy fiompiana dia nampiasaina mba hividianana tany ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana hafa any Independence, Missouri.

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:20 ary jereo ireo fitahiana hampanantenan’ny Tompo an’i Isaac Morley raha toa ka hamidiny ny toeram-pamboleny. Mianatra isika avy amin’io andininy io fa raha manaraka ny sitrapon’ny Tompo amintsika isika, dia tsy ho azon’ny fakam-panahy mihoatra izay azontsika zakaina.

Nanaraka ny didin’ Andriamanitra ny hivarotra ny toeram-pamboleny i Isaac Morley ary notahiana izy ka afaka nizaka ny fakam-panahy. Iray amin’ireo Olomasina voalohany nanorim-ponenana tao Independence, Missouri izay nikatsaka ny hanorina an’i Ziona izy. Nanompo ny Tompo tamim-pahatokiana nandritra ny fiainany manontolo izy. Soraty eo amin’ilay tabilao ny fihetsik’i Isaac sy ny vokatr’izany.

  1. Ataovy lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny didy roa na telo izay nomena antsika rehetra (tahaka ny didy mivavaka mandrakariva) Rehefa izany dia hazavao ny fomba anampian’ny fankatoavana ireo didy ireo anao handresy ny fakam-panahy.

I Frederick G. Williams dia lehilahy nanana toeram-pambolena sy fiompiana tany Kirtland ihany koa. Ny toeram-pamboleny dia nahitana trano roa, toeram-pitehirizana lehibe iray ary tany betsaka. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:21 mba hahitana ny didy nomen’ny Tompo an’i Frederick G. Williams.

Soraty eo amin’ilay tabilao eo ambony ny didin’ Andriamanitra ho an’i Frederick G. Williams mikasika ny toeram-pamboleny.

Na dia tsy nasaina nivarotra ny toeram-pamboleny tahaka an’i Isaac Morley aza i Frederick G. Williams, dia nampiseho finiavana ny hahafoy izy. Nilaza tamin’ny Mpaminany Joseph Smith izy fa azo ampiasaina hampiantranoina ny mpikamban’ny Fiangonana izay mila fanampiana ny toeram-pamboleny sy fiompiany, ka anisan’izany ny ray aman-drenin’ny Mpaminany. Ankoatran’izany dia navelan-dRahalahy Williams ampiasana ho sakafo sy ho vatsy ho an’ny Olomasina ny voly sy ny biby fiompy tao amin’ilay toerana. Nanokana ny toeram-pamboleny rehetra ho an’ny Fiangonana maimaim-poana izy taty aoriana. Tamin’ny alalan’ny fahafoizan-tenan’i Frederick G. Williams sy ireo Olomasina mahatoky hafa tany Ohio dia nitana “toeram-pamaharana mafy [t]ao Kirtland, [n]andritra ny dimy taona” ny Tompo (F&F 64:21). Tamin’izany fotoana izany no nananganana ny Tempolin’i Kirtland. Nanokana ny tempoly ny taona 1836, dimy taona taorian’ny fotoana nandraisana ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64 izy ireo.

Fenoy ao amin’ilay tabilao ny tsanganana misy an’i Frederick G. Williams amin’ny alalan’ny fanoratana ny zavatra nataony sy ny vokatr’izany ao amin’ny toerana tokony hisy azy.

Mianatra ity fitsipika manaraka ity isika avy amin’ny ohatra nasehon’i Isaac Morley sy i Frederick G. Williams: Tahiana isika rehefa mankatò ny Tompo sy manolotra ny fahafoizantena izay hangatahany amintsika. Azonao soratana ao anatin’ny soratra masinao ity fitsipika ity.

Ny fahafoizantena izay nataon’i Isaac Morley sy i Frederick G. Williams manoloana ny toeram-pamboleny dia mampiseho fahafoizantena hafa takian’ny Tompo, izay mbola takiany amintsika amin’izao fotoana izao. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:22 mba hahitana ny karazana fahafoizantena izay takian’ny Tompo amintsika.

Azonao atao ny manisy marika ity fitsipika manaraka ity ao amin’ny andininy 22: Mitaky ny fon’ny zanak’olombelona ny Tompo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny hevitrao, inona no mety ho dikan’ny hoe “mitaky ny fontsika ny Tompo”?

    2. Ahoana no fomba ampisehoanao ny Tompo fa vonona ny hanome ny fonao ho Azy ianao?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:23–25 ary fantaro ny didy iray izay azontsika arahina mba hampisehoana fa efa nanome ny fontsika ho an’ny Tompo isika.

Tamin’io vanim-potoan’ny tantaran’ny Fiangonana io, dia natokana ho an’ireo fanatitra an-tsitrapo na fandraisana anjara rehetra ho an’ny Fiangonana ny teny hoe “fahafolonkarena.” Tamin’ny taona 1838 ny teny hoe fahafolonkarena dia nofaritana fa iray ampahafolon’ny fitomboan’ny fiharian-karenan’ny olona iray (jereo ny sasin-tenin’ny F&F 119). Nanomboka teo ny mpikambana rehetra dia nasaina nandoa iray ampahafolon’ny fitomboan’ny fiharian-karenany isan-taona.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana no ampisehoan’ny fandoavana ny fahafolokarena fa nanome ny fontsika ho an’ny Tompo isika?

    2. Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny fandoavana fahafolonkarena feno sy amim-pahamarinana?

Manaova famerenana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:23 ary jereo ny fampanantenana homen’ny Tompo an’ireo izay mandoa fahafolonkarena.

Raha toa ka mihatra amin’ny fiainana hoavy ny fitahiana voalaza ao amin’ny andininy 23, ny Tompo dia mitahy antsika ihany koa ankehitriny rehefa mandoa fahafolonkarena isika. Tadidio ireo zavatra niainanao izay nitahiana anao na nitahiana ny fianakavianao noho ny fandoavana fahafolonkarena.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:26–43

Manome torolalana mikasika ny fananganana an’i Ziona ny Tompo.

Tadidio ny fotoana iray izay nitenenana anao mba hanao asa tena sarotra na manahiran-tsaina tokoa.

Nomen’ny Tompo andraikitra goavana ny Olomasina mba hitady ny vola hividianana ny tany rehetra ilaina amin’ny fananganana ny tanànan’i Ziona ao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri , ny volana Aogositra 1831. Nahafantatra ny Olomasina fa rehefa voavidin’izy ireo ny tany dia tsy maintsy hiasa mafy mba hananganana ny tanàna sy ny tempoly eo izy ireo.

Sary
ny trano fitehirizan’i Newel K. Whitney any Kirtland, Ohio

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:26–29 dia mirakitra ny didin’ny Tompo ho an’ny mpanompony roa, i Newel K. Whitney sy i Sidney Gilbert, mba hampiasana ny trano fitehirizan’izy ireo tany Kirtland, Ohio ho fanampiana ny Olomasina sahirana. Io dia ohatra iray mampiseho ny fahafoizantena nasaina nataon’ny Olomasina sy ny fandraisana anjara amin’ny fananganana an’i Ziona.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:30–33 ary jereo ny andian-teny izay mety nanome herim-po ho an’ny Olomasina izay nikatsaka ny hanatanteraka ilay andraikitra goavana dia ny fananganana an’i Ziona.

Fenoy ity fitsipika manaraka ity, avy amin’ny zavatra izay nianaranao tamin’ireo andininy ireo:

Raha toa isika ka , dia afaka hahavita zavatra lehibe.

Taorian’ny nanentanan’ny Tompo ireo Olomasina hanao zavatra tsara amin’ny fahazotoana dia niresaka indray momba ny fankatoavana Izy. Efa nankatò ray aman-dreny, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na mpanazatra iray tsy tamin’ny finiavana feno ve ianao? Jereo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:34 ny teny izay mamariparitra ny tokony ho toe-tsaina ananantsika rehefa mankatò ny Tompo isika.

Azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny andininy 34: Tokony mankatò ny Tompo amin’ny fo sy ny saina marisika isika.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no mety ho dikan’ny fankatoavana “amin’ny fo sy ny saina marisika”?

    2. Tadidio ny fotoana iray izay nankatoavinao ny Tompo tamin’ny fo sy saina marisika. Inona no naha samy hafa izany tamin’ny fotoana hafa izay tsy nanananao faharisihana loatra naneho fankatoavana?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:41–43 mba hahitana fanazavana mikasika ny fananganana an’i Ziona amin’izao androntsika izao. Zava-dehibe tokoa ny mahatsiaro fa amin’ny andro farany dia tsy hisy amin’ny toerana voafaritra ara-jeografia iray ihany i Ziona, tahaka an’i Independence, Missouri. Hitsangana eny anivon’ny firenena rehetra i Ziona rehefa mankatò ny Tompo amin’ny fo sy ny saina marisika ny olona.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny tanjona iray mikasika ny zavatra izay hataonao mba hankatoavana ny Tompo amin’ny fo sy amin’ny faharisihana misy misy kokoa. Rehefa miezaka ny hahatratra io tanjona io ianao dia jereo ny zavatra hoentin’io karazana fankatoavana io eo amin’ny fiainanao.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:20–43 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy