Seminera
Fizarana 7: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–30


Fizarana 7: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–30

Fampidirana

Fotoana fohy talohan’ny Fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny 26 septambra 1830 dia nanome ny fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29 “teo anatrehan’ny loholona enina” ny Tompo (F&F 29, lohatenin’ny fizarana). Azon’ireo rehetra izay voantso hitory ny filazantsara ampiharina ny torolalana ao amin’ity fanambarana ity.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–5

Mijoro ho vavolombelona momba ny Sorompanavotany sy ny faniriany hanangona ny olony ny Tompo

Efa nanontany tena ve ianao fa Andriamanitra dia hitia anao, hiaro anao ary hamela ny helokao? Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–5, ary jereo ny fomba hitiavan’ny Mpamonjy, hiarovany ary hamelany heloka.

Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:2, mampitovy ny Tenany amin’inona ny Mpamonjy?

Rehefa mahatsapa loza mitatao ny reniakoho, dia miantso ny zanany izy. Hanatona ny reniakoho izy ireo, ary hanangona azy ireo eo ambanin’ny elany ny reniakoho mba hiarovany azy ireo. Hanao sorona ny tenany mba hanavotana ny zanany ny reniakoho.

Sary
reniakoho miaraka amin’ny zanany

Eritrereto ny zavatra tokony hataon’ny akohokely mba ahafahan’izy ireo ho voangona eo ambanin’ny fiarovan’ny reniakoho. Inona no mety hitranga raha tsy nanao ny zavatra tokony ho nataony ny akohokely? Inona no mampitovy ny reniakoho manangona sy miaro ny zanany amin’i Jesoa Kristy?

Sary
I Kristy sy ireo zazakely

Manaova famerenana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:2, ary eritrereto ny zavatra tokony hataontsika mba ahafahantsika ho voangona sy voaro ao amin’i Jesoa Kristy. Asio marika ny teny na ny fehezan-teny ao amin’ny andininy 1–2 izay mampianatra ity fahamarinana ity: Hanangona antsika amin’ny sandrin’ny famindram-pony i Jesoa Kristy raha mihaino ny feony, sy manetry ny tena ary miantso ny anarany amin’ny vavaka isika. (Tadidio fa ilay teny hoe mihaino dia midika hoe mihaino amim-pifantohana tsara sy mankatò.)

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no zavatra ataonao amin’izao fotoana izao mba hihainoanao ny feon’ny Mpamonjy? Inona koa no mbola azonao atao?

    2. Tamin’ny fotoana ahoana no nahatsapanao fa akaiky ny Mpamonjy ianao noho ny fihainoanao ny feony na noho ny vavaka izay nataonao?

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:5 dia miatomboka amin’ny andian-teny hoe “asandrato ny fonareo, ary mifalia.” (Azonao asiana marika ao anatin’ny soratra masinao io andian-teny io.) Fa maninona ny Tompo no niteny fa tokony hifaly izy ireo? Inona no azontsika ianarana avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–5 momba ny antony tokony hanandratantsika ny fontsika sy hifaliantsika?

Fitsipika iray izay azontsika ianarana ny hoe satria nanao sorompanavotana hanonerana ny fahotantsika i Jesoa Kristy sady Mpisolovava antsika eo anatrehan’ny Ray, dia afaka manandratra ny fontsika isika ary mifaly. Azonao atao ny manoratra ity fahamarinana ity eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao eo akaikin’ny andininy 5.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nitondran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy fahasambarana sy fifaliana teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’ny olona iray fantatrao.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:6–13

Hanangona ny olom-boafidiny ho fanomanana ny Fiaviany Fanindroa i Jesoa Kristy.

Manana andraikitra ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika rehefa nandray izany. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:7–8, ka jereo hoe iza no tian’ny Mpamonjy hangonin’ireo loholona ireo amin’ny alalan’ny fitorian’izy ireo ny filazantsara. Inona no zavatra nolazain’ny Tompo momba ny olom-boafidiny ao amin’ny andininy 7?

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Araka ny zavatra nianaranao mikasika ny olom-boafidin’ny Tompo, inona no zavatra ataonao amin’ny fiainanao mba hahafahanao ho anisan’ny olom-boafidin’ Andriamanitra?

Ny Mpamonjy dia nampianatra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:10–13 fa “haneho ny Tenany avy any an-danitra amin’ny hery sy ny voninahi-dehibe Izy” (andininy 11), izany hoe, ho avy avy any an-danitra ho ety ambonin’ny tany indray Izy, ary hanjaka amim-pahamarinana mandritra ny 1 000 taona. Rehefa hiverina indray Izy, miaraka amin’ireo Apôstôliny izay hijoro “eo an-tanany ankavanana” (andininy 12) dia hitsara ny olona eto ambonin’ny tany Izy, ary ny marina izay efa maty dia hitsangana indray.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:14–21

Namariparitra ireo famantarana izay hialoha ny Fiaviany Fanindroa ny Mpamonjy

Na dia tsy misy olona mahafantatra ny fotoana marina hiaviany fanindroa aza, dia nilaza ny Mamonjy fa hisy famantarana izay hitranga alohan’ny Fiaviany Fanindroa mba hahafahan’ny olo-marina miomana. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:14–21 ary asio marika ireo zavatra sasany izay hitranga alohan’ny Fiaviany Fanindroa.

  1. Lazao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hahafahan’ny fahafantarana ireo famantarana ny Fiaviana Fanindroa manampy antsika hijanona ho mahatoky.

Rehefa mahatsiaro ilay fifanahafana momba ny reniakoho miantso ny zanany ianao dia hahatakatra bebe kokoa ny hafatry ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo. Avereno vakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:17, ary fantaro ny zavatra hitranga amin’ireo izay tsy manao na inona na inona rehefa miantso ny Mpamonjy.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:17 dia mianatra fitsipika isika fa raha tsy mibebaka isika, dia tsy afaka hanadio antsika ny ra manavotry ny Mpamonjy.

Diniho ny fiainanao raha toa ka misy zavatra tokony hibebahanao ary diniho ny zavatra tokony hataonao mba hahatonga anao ho madio.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:22–30

Ny Arivotaona sy ny Fitsarana Farany

Rehefa nampianatra mikasika ny Fiaviany Fanindroa ny mpamonjy, dia nampianatra ireo Olomasina momba ny zavatra hitranga ao aorian’ny Arivotaona Izy. Ny Arivotaona dia vanim-potoana mandritra ny 1 000 taona feno fiadanana izay hanomboka rehefa hiverina hanjaka mivantana eto ambonin’ny tany indray ny Mpamonjy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:22–30, ary fantaro ny zavatra hitranga ao aorian’ny Arivotaona. (Mety afaka manampy anao ny fahafantarana fa i Mikaela, ilay arikanjely voalaza ao amin’ny andininy 26, dia i Adama [jereo ny F&F 107:54].)

Eritrereto ny fomba izay mety nahafahan’ny fahafantaran’ireo misiônera tany am-boalohany an’ireo fahamarinana ireo manampy azy ireo hanatanteraka tsaratsara kokoa ny antso mba hitory ny filazantsara sy hanangona ny olom-boafidy.

Vakio indray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:27 , ary fantaro ny fitahiana nomena an’ireo izay angonina eo amin’ny Mpamonjy. Azonao atao ny manisy marika teny na andian-teny izay mampianatra ity fitsipika ity: Ireo izay niaina tamim-pahamarinana sy nanatona an’i Jesoa Kristy dia hahazo ny fiainana mandrakizay.

  1. Jereo hoe aiza ho aiza ianao amin’ny ezaka amin’ny fanatonana an’i Jesoa Kristy. Inona no azonao atao anio mba hanakaiky Azy bebe kokoa? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny drafitrao.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–30 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy