Seminera
Fizarana 29: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134


Fizarana 29: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134

Fampidirana

Ny 17 Aogositra, 1835 dia nihaona tao Kirtland, Ohio, ny fihaonamben’ny Fiangonana, mba hidinika momba ireo votoatiny tokony haroso ao amin’ny edisiôna voalohan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Satria nitsidika ireo Olomasina tany Michigan ny Mpaminany Joseph Smith dia niahy ilay fivoriambe i Oliver Cowdery. Nolanian’ny Olomasina tamin’ny safidy niraisana tao amin’ilay fivoriana ny hampiditra ny fanambarana iray izay nosoratan’i Oliver Cowdery momba ny finoan’ny Fiangonana mikasika ny governemanta sy ireo lalàna.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134 dia ahitana ireo teny sy andian-teny izay mety ho sarotra takarina. Mety hanampy anao eo am-pandalinanao ity fizarana ity izao lisitr’ireo famaritana manaraka izao:

  • Tanana ho dikaina (andininy 2): Azo antoka, tsy dikaina

  • Mpitsara (andininy3, 6): Manampahefana ara-panjakana izay manatanteraka ny lalàna

  • Repoblika (andininy 3): Governemanta iray ka mifidy ireo mpitondra hisolo tena azy ireo ny vahoaka ao anatin’izany

  • Mpanjaka (andininy 3): Mpanapaka lehibe indrindra, toy ny mpanjakalahy na

  • mpanjakavavy

  • Hisalovana (andininy 4): Hitsabaka, mametra, mandika

  • Hamoaka (andininy 4, 6): Hanangana

  • Handidy (andininy 4): Handidy ny olona mba hanao zavatra amin’ny fomba manokana

  • Manafoana (andininy 4): Mametra, manakana

  • Voajanahary tsy azo esorina (andininy 5): Tsy azo lavina, tsy azo esorina

  • Fiodinana (andininy5, 7): Fikomiana amin’ireo mpitondra ny governemanta

  • Fankatoavana (andininy 6): Fanekena, fanoavana

  • Resy (andininy 6): Soloina

  • Fikorontanana (andininy 6): Tsy fisian’ny lalàna—tsy fisian’ireo lalàna sy governemanta na fikomiana amin’ireo lalàna sy

  • governemanta

  • Fiokoana (andininy 7): Ny fiarahana miasa mangingina mba hanonganana governemanta na fikambanana hafa

  • Mandrava (andininy 8): Mandika

  • Manarina (andininy 11): Manitsy

  • Fanitsakitsahan-jo (andininy 11): Fitsabahana tsy ara-dalàna

  • Fotoan-tsarotra (andininy 11): Filàna maika

  • Fanandevozana (andininy 12): Fangejana, fanababoana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:1–4

Napetraka ireo andraikitry ny governemanta

Sary
ny capitol
  1. Alaivo sary an-tsaina hoe mikambana amin’ny fianakaviana hafa ny fianakavianao mba hamorona firenena vaovao iray miaraka amin’ny governemanta vaovao iray. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona araka ny eritreritrao no tanjon’ny governemanta iray?

    2. Inona ireo sasany amin’ireo lalàna izay hatsanganao raha toa ka ianao no mpitarika ao amin’ilay firenena vaovao?

Avereno jerena ny fampidirana ity lesona ity sy ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134. Tadiavo ny antony nahatonga ny Olomasina nahatsapa fa nila namoaka fanambarana iray momba ireo governemanta sy ireo lalàna izy ireo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:1 ka tadiavo izay nametraka ilay hevitra momba ny hananganana governemanta. Fenoy izao fahamarinana manaraka izao araka izay nianaranao avy tamin’ity andinin-tsoratra masina ity: Ny governemanta dia apetrak’ mba ho tombontsoan’ny .

Mianatra izao fahamarinana manaraka izao ihany koa isika avy amin’ny andininy 1: Ireo manampahefana ao amin’ny governemanta dia tompon’andraikitra amin’ Andriamanitra mba hanao asa “ho soa sy ho filaminan’ny fiarahamonina.”

  1. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    1. Ataovy lisitra ireo fomba vitsivitsy izay azon’ireo mpitarika ao amin’ny governemanta atao “ho soa sy ho filaminan’ny fiarahamonina.”

    2. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:2 ka tadiavo ireo zo telo izay tokony harovan’ny governemanta. Ataovy lisitra ireo zo ireo.

    3. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:4, ka soraty ny zo iray hafa izay tokony harovan’ny governemanta.

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-zava-dehibe ilay nantsoiny hoe “ireo zo telo lehibe ananan’ny olombelona.” Ato anatin’ity teny natao manaraka ity, ilay andian-teny hoe “ireo ray mpanorina” dia entina milaza ireo lehilahy izay nanangana ny governemantan’i Etazonia.

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Ny fanambarana ny fahaleovantena dia nanamafy ny finoan’ireo ray mpanorina sy ny fahatokiany an’ Andriamanitra ato anatin’ireto teny ireto: ‘Hazonintsika ireto Fahamarinana ireto ho porofo ho an’ny tena fa nohariana mitovy lenta ny Olombelona, fa notafian’ny Mpahary azy ireo amin’ny zo tsy azo lavina izy ireo, fa anisan’izany ny Fiainana sy ny Fahafahana ary ny Fitadiavana Fahasambarana.’

“Milaza ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana hoe: ‘Mino isika fa tsy misy governemanta afaka miaina amim-piadanana raha tsy arafitra sady tanana ho dikaina ny lalàna izay hiantoka ho an’ny olona tsirairay ny fananana fieritreretana malalaka, ny zo hanana sy hitantana ny fananana ary ny fiarovana ny aina’ (F&F 134:2). Ny fiainana, ny fahafahana, ny fananana—ireo zo telo lehibe ananan’ny olombelona” (“Our Divine Constitution,” Ensign, nôv. 1987, 4).

  1. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo ohatra vitsivitsy momba ny fomba ahafahan’ny governemanta miaro ireo zo voatanisa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:2 ireo. Dia vakio avy eo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:3 ka tadiavo ny zavatra izay azon’ny olom-pirenena any amin’ny firenena sasany atao mba hahazoana antoka fa manohana ny lalàna ireo mpitarika ao amin’ny governemantan’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:5–6, 8

Napetraka ireo andraikitry ny olom-pirenena

Alaivo sary an-tsaina hoe miaina ao amin’ny toerana iray ianao ka arovan’ny governemanta amin’ny ankapobeny ireo zon’ny olom-pirenena ao aminy kanefa vao haingana izany no namoaka lalàna izay tsy ekenao. Iza amin’ireto manaraka ireto no fomba fihetsika tsara aseho? (Asio faribolana ny anakiray.)

  • Manohitra amin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra tsy hanaraka na inona na inona amin’ireo lalàn’ilay governemanta.

  • Mandrahona na mandratra ireo manampahefana ao amin’ny governemanta izay nanorina ilay lalàna tsy ekenao.

  • Mamory ny hafa mba hanongana ilay governemanta.

  • Maneho ara-dalàna ny fijerinao sy ireo olana anananao, kanefa manohana ny governemanta amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo lalàna.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:5–6 ka tadiavo izay ampianarin’izany momba ireo andraikitry ny olom-pirenena.

Fitsipika iray izay ampianarin’ity andininy ity ny hoe: tokony hanohana ny governemanta any amin’ny toerana hipetrahantsika isika.

Fanekempinoana fahafiry no ampahatsiahivin’ity fitsipika ity anao? (Jereo ny Fanekempinoana ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy mba hanamarinana ny valinteninao.)

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ho an’ny olom-pirenena ny manohana ny governemanta?

Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:6 dia tian’ Andriamanitra hanaja sy hankatò ireo lalàn’ Andriamanitra sy ireo lalàn’ny olombelona isika. Inona araka ny eritreritrao no tokony hataontsika rehefa mifanohitra amin’ny finoantsika ny lalànan’ny tany?

Eo am-pieritreretanao momba izany fanontaniana izany dia vakio izao teny manaraka izao izay nolazain’ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona James E. Talmage

“Raha toa ka misy tsy fifanarahana eo amin’ireo zavatra takina tamin’ny alalan’ny teny nambaran’ Andriamanitra sy ireo izay napetraky ny lalàna tsy araka ny fivavahana, iza amin’ireo fahefana ireo no tsy maintsy ankatoavin’ireo mpikamban’ny Fiangonana? Ho valin’izany dia azo ampiharina ireo tenin’i Kristy—adidin’ny vahoaka ny mandoa amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary amin’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra [jereo ny Lioka 20:21–25] …

“Manoloana ny fanapahan’ [Andriamanitra], izay ambony noho ny rehetra, izay manohana ny fahalalahana ara-pivavahana, dia adidin’ny Olomasina ny haneken’izy ireo ny lalàna eo amin’ny fireneny. Na izany aza, dia tokony hampiasa ny fomba mety rehetra izy ireo, amin’ny maha-olom-pirenena na amin’ny maha eo ambanin’ny fitondram-panjakana misy azy ireo tsirairay avy, mba hitandrovana ho azy ireo sy ho an’ny olon-drehetra ny fitahiana entin’ny fahalalahana amin’ny fanompoana ara-pivavahana. Tsy takiana amin’izy ireo ny hiaritra tsy amim-panoherana [ireo] fitakian’ny mpampijaly tsy manara-dalàna, na amin’ny fanatanterahana lalàna tsy rariny; fa ny fanoheran’izy ireo kosa dia tokony atao ara-dalàna sy manaraka ny lamina tokony ho izy. Ny Olomasina dia tena efa nampiseho ny faneken’izy ireo ilay Fotopampianarana fa tsara kokoa ny miaritra ny ratsy toy izy hanao ratsy noho ny fanoherana ny fahefana tsy ara-drariny araka ny maha-olombelona tsotra izao” (The Articles of Faith, ed. faha-12 1924, 422–23).

  1. Mieritrereta momba ny olona izay fantatrao fa manohana ny governemantany sy ny lalàna. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny momba ny iray na roa amin’izy ireny. Inona no hitanao fa nataon’izy ireo mba hanohanana ny governemantany sy ny lalàna?

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:8 fa manana andraikitra hanafay ireo izay manao heloka ny governemanta ary manana andraikitra hanampy “hitondrana ireo mpamadika ny lalàna tsara ho amin’ny famaizana.”

  1. Manorata andiam-pehezanteny fohy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay mamariparitra izay ho ataonao mba hanohanana ny governemantanao sy ireo lalàny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:7, 9–10, 12

Voafaritra ny fifandraisana eo amin’ny fivavahana sy ny governemanta

Sary
Filoha Monson sy Filoha Reagan

Ny Filoha Thomas S. Monson sy i Ronald Reagan, Filohan’i Etazonia tamin’izany fotoana izany

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:7, 9–10, 12 fa tokony hanangana lalàna izay miaro ny fitandroana ny fivavahana ny governemanta saingy tsy tokony hanome laka kokoa ny fivavahana iray mihoatra noho ny iray hafa. Mamaky ihany koa isika fa ireo fiarahamonina ara-pivavahana dia manana zo hanafay ireo mpikambana manao fitondrantena tsy mendrika ao aminy amin’ny alalan’ny fandroahana azy ireo na fanesorana ny maha-mpikambana azy ireo ao aminy kanefa ny fiarahamonina toy izany dia tsy manana fahefana hanao fitsarana na hanome sazy izay hakana ny fananan’ireo mpikambana ao aminy na handratra azy ireo ara-batana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:11.

Nazavaina ny zo hiantso fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana

Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134:11 dia tokony havela hangataka fanampiana avy amin’ny governemantany ny olom-pirenena raha toa ka nisy nanao ratsy tamin’izy ireo. Ity andinin-tsoratra masina ity ihany koa dia ahitana fanambarana iray fa hamarinina amin’ny fiarovana ny tenany sy ny hafa ny olom-pirenena rehefa ilaina maika izany ka tsy afaka manampy ny governemanta.

Mieritrereta momba izay ankasitrahanao mikasika ny firenenao na ny fiarahamonina misy anao.

  1. Soraty ao anatin’ny diarin’ny soratra masinao eny amin’ny farany ambanin’ilay asa nampanaovina izao zavatra manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy