Seminera
Fizarana 5: Andro 1, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17


Fizarana 5: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17

Fampidirana

Teo am-pandikana ny Bokin’i Môrmôna ny Mpaminany Joseph Smith dia nahafantatra fa hisy vavolombelona telo izay havela hahita ireo takelaka “amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra” (jereo ny 2 Nefia 27:12–14; Etera 5:2–4). Rehefa nahafantatra izany i Oliver Cowdery sy i David Whitmer dia samy nentanin’ny faniriana mba hanao vavolombelona. Nilaza tamin’i Martin Harris ny Tompo tamin’ny fanambarana iray talohan’izany (F&F 5), fa raha ampy fanetrentena sy mankatò izy dia havela hahita ireo takelaka. Nangataka ny Mpaminany i Oliver Cowdery sy i David Whitmer ary i Martin Harris mba hanontany ny Tompo raha toa izy ireo ka havela hanana izany fahafahana izany. Ny fanambarana izay hianaranao anio, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17 dia manamafy fa ireo lehilahy telo ireo dia havela hahita ireo takelaka sy ireo zavatra hafa miaraka aminy raha toa ka ampy ny finoana ananan’izy ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17

Nilaza tamin’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer ary i Martin Harris ny Tompo fa raha ampy ny finoany dia havela hahita ireo takelaka sy ireo zavatra sarobidy hafa izy ireo.

Hita ao amin’ny toerana roa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny faminaniana mikasika ireo vavolombelona izay hahita sy hijoro ho vavolombelona momba ilay boky na ireo takelaka izay misy ny rakitsoratra. Vakio ny 2 Nefia 27:12–14 sy ny Etera 5:2–4, ary saintsaino hoe mety ho manao ahoana izany vavolombelon’ny takela-bolamena izany. Raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo, dia ahoana no fomba hampisehoana ireo rakitsoratra amin’ireo vavolombelona telo ireo?

Sary
Vavolombelona Telo

Oliver Cowdery, David Whitmer, ary Martin Harris

Nolazain’ny Tompo an’i Joseph Smith tamin’ny fanambarana fa i Oliver Cowdery sy i David Whitmer ary i Martin Harris dia havela hahita ireo takelaka. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:1. Ankoatra ireo takelaka, inona koa ireo zavatra hafa izay afaka ho hitan’ireo vavolombelona ireo? (Ny Fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy 1h dia ahitana resaka momba ny atao hoe “mpanondro lalana mahagaga”, anisan’izany ny 1 Nefia 16:10, 16, 26 ary ny Almà 37:38–47.)

Saintsaino hoe tamin’ny fomba ahoana no nahafahan’ireo zavatra masina ireo (toy ny sabatr’i Labàna sy ny Liahona) nanome porofo misimisy kokoa fa tena nisy ireo vahoaka sy ireo zava-nitranga voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:2–3. Inona no nolazain’ny Tompo fa ilain’ireo vavolombelona alohan’ny ahafahan’izy ireo mahita ireo takelaka?

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto: Nahoana araka ny hevitrao no nila nanana finoana ireo vavolombelona ireo alohan’ny ahafahany mahita ireo takela-bolamena?

Isika koa, na dia hoe mety tsy hahazo tenivavolombelona mitovy amin’ireo Vavolombelona Telo aza, dia afaka mahazo tenivavolombelona momba ireo fahamarinana izay tiantsika fantarina. Saintsaino izay ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:1–3 mikasika ny fomba ahafahantsika mahazo ny tenivavolombelona izay antsika manokana momba ireo fahamarinan’ny filazantsara. Avy eo dia fenoy ity fitsipika manaraka ity araka ny zavatra nianaranao tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo: Raha toa isika , dia afaka mahazo ny tenivavolombelona momba ireo fahamarinana izay tiantsika hofantarina.

  1. Lazalazao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nanehoanao ny finoanao an’ Andriamanitra mba hahazoanao tenivavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna sy ireo fahamarinana hafa momba ny filazantsara. Na koa, raha tsapanao fa mbola mila manana izany tenivavolombelona izany ianao, dia hazavao ny fomba ahafahanao maneho finoana mba hahafahanao mahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna.

I Lucy Mack Smith renin’i Joseph Smith dia nanoratra mikasika ny fomba nilazana tamin’i Martin Harris fa mety ho iray amin’ireo Vavolombelona Telo izy. Taorian’ny takariva iray izay namakiana ny Bokin’i Môrmôna izay vao vita sora-tanana, “ny ampitson’iny, rehefa avy nanatrika ny fotoam-pivoriana mahazatra izahay, izany hoe, namaky ny soratra masina sy nihira ary nivavaka, dia nitsangana avy teo am-pandohalihana i Joseph Smith, ka nanatona an’i Martin Harris tamim-pahamatorana lehibe izay mbola mampientanentana foana hatramin’izao rehefa tsaroako, dia niteny hoe: ‘Martin Harris a! Mila manetry tena eo anatrehan’ Andriamanitra ianao androany mba hahazoanao ny famelana ny fahotanao. Raha manao izany ianao, dia sitrak’ Andriamanitra ny hijerenao ireo takelaka, miaraka amin’i Oliver Cowdery sy i David Whitmer’” (History of Joseph Smith by His Mother, ed. Preston Nibley [1958], 151–52).

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ilaina ny manetry tena rehefa mikatsaka ny famelan-keloka avy amin’ Andriamanitra?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ilaintsika ny mikatsaka ny famelan-kelok’ Andriamanitra rehefa maniry ny hahazo tenivavolombelona momba ny fahamarinana avy Aminy isika?

Alaivo sary an-tsaina hoe ianao dia nosafidiana ho iray amin’ireo Vavolombelona Telo izay navela hahita ireo takelaka “amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra.” Inona no andraikitra tsapanao fa tokony ho tanterahinao rehefa avy niaina zavatra toy izany ianao? Niresaka momba ny andraikitr’izy ireo ny Tompo amin’ny maha-vavolombelon’ny takelaka azy ireo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:3–5 ka tadiavo izay nandidian’ny Tompo ireo Vavolombelona Telo mba hataon’izy ireo rehefa avy nahita ireo takelaka izy ireo.

Hevero ny andraikitra ananantsika rehefa omen’ny Tompo tenivavolombelon’ireo fahamarinana avy amin’ Andriamanitra isika. Azonao atao ny manisy marika ireo fehezan-teny ao amin’ny andininy 3 izay mampianatra izao fitsipika manaraka izao: Rehefa avy mahazo tenivavolombelona momba ny fahamarinana isika, dia manana andraikitra hijoro ho vavolombelona ny amin’izany. Eritrereto ny fomba ahafahan’ny finiavanao hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana ho fanehoana ihany koa ny finoanao an’i Jesoa Kristy.

  1. Tanisao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara vitsivitsy izay fantatrao fa marina. Zarao amin’ny rainao na ny reninao na ny iray tampo aminao ny fijoroana ho vavolombelona anananao, na ny fahatsapanao, na ny eritreritrao mikasika ireo fitsipika ireo.

Fotoana fohy taorian’ny nanomezana ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17 dia nandeha tany amin’ilay alakely tao akaikin’ny tranon’ny fianakaviana Whitmer i Joseph Smith sy i David Whitmer ary i Oliver Cowdery mba “hiezaka ny hahazo, amin’ny alalan’ny vavaka atao amin-kafanampo sy amim-panetrentena” ilay tenivavolombelona izay efa nampanantenaina. Nitantara i Joseph Smith fa rehefa avy nanandrana indroa ka tsy nahita fahombiazana izy ireo dia, “nanome sosokevitra i Martin Harris hoe hisintaka hiala aminay izy, satria nino izy, araka ny nolazainy, fa izy no antony tsy hahazoanay ny zavatra nirianay. Araka izany dia nisintaka niala taminay izy, ka nandohalika indray izahay, ary rehefa nivavaka tsy ela akory izahay dia nahita fahazavana teo amboninay, izay mamirapiratra tokoa; ary indro, nisy anjely nijoro teo anoloanay. Nihazona teny an-tanany ireo takelaka izay nangatahinay… mba ho hitanay izy. Navadibadiny tsirairay ireo takelaka, mba hahafahanay mahita izany, sy manavaka tsara ireo soratra voasokitra eo aminy. … Nahare feo avy amin’ilay hazavana mamirapiratra teo amboninay izahay, nilaza hoe: ‘Nambara tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra sy nadika tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra ireo takelaka ireo. Marina ny dikan-tenin’izy ireo izay hitanareo, ary mandidy anareo aho hijoro ho vavolombelon’ny zavatra izay hitanareo sy renareo ankehitriny.’

“Nandao an’i David sy i Oliver aho avy eo, ka nandeha nankany amin’i Martin Harris, izay hitako nivavaka tamin-kafanampo tamin’ny toerana lavitra avy teo amin’ny nisy anay. Nilaza tamiko avy hatrany izy anefa fa tsy mbola naharesy lahatra ny Tompo, ary nangataka ahy fatratra izy ny mba hiarahako mivavaka aminy, mba hahazoany fitahiana mitovy amin’izay vao azonay teo. Niara-nivavaka izahay araka izany, ary nahazo ny zavatra nirianay nony farany, satria raha mbola tsy nahavita akory izahay, dia nisokatra teo imasonay ilay fahitana mitovy amin’ny teo aloha, farafaharatsiny nisokatra ho ahy izany, ary nahita sy nahare indray ireo zavatra mitovy amin’ny teo aloha aho; ary tamin’izay fotoana izay indrindra dia nihiaka i Martin Harris, toa tanatin’ny fifaliana tanteraka hoe, “‘Ampy izay ; ampy izay; nahita ny masoko; nahita ny masoko’” (ao amin’ny History of the Church, 1:54–55).

Eritrereto hoe nitokisana ianao ka nampahafantarina zavatra izay tsy navela hozarainao na amin’iza na amin’iza mandritra ny fotoana ela. Inona no ho tsapanao rehefa avela hizara izany zavatra izany amin’izay ianao? Eritrereto hoe toy ny ahoana, ho an’i Joseph Smith, izany hoe vavolombelona tokan’ireo takelaky ny Bokin’i Môrmôna izany nandritra ny taona maro be toy izany. Inona no mety ho tsapanao raha teo amin’ny toerany ianao? Inona araka ny eritreritrao no tsapan’i Joseph Smith rehefa nahafantatra izy fa ankehitriny dia misy olona hafa afaka mitondra ny tenivavolombelony sy ny fijoroany ho vavolombelona ho fanampin’ny azy?

Sary
Lucy Mack Smith

Ity tantara manaraka ity izay notantarain’i Lucy Mack Smith, renin’i Joseph Smith, dia milazalaza ny fahatsapana nananan’i Joseph Smith taorian’ny nahitan’ireo Vavolombelona Telo ny takelaka: “Rehefa niverina tao an-trano izy ireo teo anelanelan’ny tamin’ny telo sy tamin’ny efatra tolakandro dia nipetraka tao amin’ny efitrano fatoriana Ramatoa Whitmer sy Andriamatoa Smith [Joseph Smith Rainy] ary ny tenako. Rehefa niditra izy, dia nitsoraka ambany teo anilako, ary niteny hoe, ‘Dada a! Neny a! tsy fantatrareo hoe toy ny ahoana ny hafaliako: ankehitriny dia navelan’ny Tompo ho hitan’ny olona telo ankoatra ahy ireo takelaka. Nahita anjely izy ireo, izay nijoro ho vavolombelona tamin’izy ireo, ary tsy maintsy hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izay nolazaiko izy ireo, satria efa mahafantatra ho an’ny tenany izy ireo, fa tsy hamitaka ny olona aho, ary mahatsapa ho toy ny nafahana tamin’ny enta-mavesatra aho izay toa navesatra loatra tamiko ny nitondra azy, ary ravo ny fanahiko fa tsy irery tanteraka intsony aho eto ambonin’ny tany.’ Tamin’izay fotoana izay indrindra, no niditra i Martin Harris: toa saika heniky ny hafaliana izy, ary nijoro ho vavolombelona tamim-pahavitrihana ny amin’izay zavatra sady hitany no reny. Ary nanao toy izany koa i David sy i Oliver, sady nanampy hoe tsisy fiteny mahalaza ny hafalian’ny fon’izy ireo, sy ny halehiben’ny zavatra izay sady hitany no reny” (History of Joseph Smith by His Mother, 152–53).

  1. Lazalazao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe inona no tsapanao rehefa misy olon-kafa manodidina anao izay nahazo ihany koa tenivavolombelona momba ny zavatra fantatrao fa marina. Manampy anao amin’ny fomba ahoana ny fijoroana ho vavolombelona ananany?

Niresaka momba ny maha-zava-dehibe ny vavolombelona ao amin’ny asan’ny Tompo ny Loholona Loren C. Dunn ao amin’ny Fitopololahy: “Ny lalàna mikasika ny vavolombelona dia tafiditra hatrany ao amin’ny asan’ny Tompo ety an-tany. Io lalàna io dia milaza fa “amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra” (2 Kor. 13:1; jereo koa ny Deot. 17:6; 19:15; Mat. 18:15–16; Jaona 8:12–29). Io vavolombelona io no manamafy fa nisy zavatra nitranga ary marina ireo Fotopampianarana sy fitsipika avy amin’ Andriamanitra” (“Witness,” Ensign, nôv. 1995, 28). Nampiasa ny lalàna mikasika ny vavolombelona ny Tompo mba hanamafisana ny tena fisian’ireo takelaka.

Andro vitsivitsy taorian’ny nanehoana ireo takela-bolamena tamin’ireo Vavolombelona Telo tamin’ny herin’ Andriamanitra, ny Mpaminany Joseph Smith dia navela hampiseho ireo takelaka tamin’ny olona “vitsivitsy araka izay sitrapon’ Andriamanitra izay ho vavolombelona hanambara ny teniny amin’ny zanak’olombelona” (2 Nefia 27:13; jereo koa ny Etera 5:2). Vakio “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo” sy “Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Valo,” (hita ao aorian’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna). Jereo ny fahasamihafan’ny zavatra niainan’izy ireo sy ny fitovian’ny fijoroany ho vavolombelona. Jereo koa fa ireo Vavolombelona Valo dia milaza fa ireo takelaka dia “miendrika volamena” ary ireo soratra voasokitra dia “manana ny endriky ny asa soratra tranainy.” Nijoro ho vavolombelona fotsiny ihany ny amin’izay fantany amin-kitsipo fa marina izy ireo satria tsy fantany raha toa ka tena volamena marina ireo takelaka na koa tena asa soratra tranainy marina ireo soratra voasokitra.

  1. Alaivo sary an-tsaina hoe afaka nampidirina ao amin’ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna tsirairay ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Bokin’i Môrmôna. Manaova pejin’ny tenivavolombelonao manokana eo amin’ny pejy iray mbola tsisy soratra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Ampidiro ao izay zavatra fantatrao fa marina momba ny Bokin’i Môrmôna ka tianao ho fantatry ny hafa ihany koa.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:6 dia ahitana ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Mpamonjy momba ny Bokin’i Môrmôna. Asio marika ilay tenivavolombelona nomeny izao tontolo izao ao amin’io andinin-tsoratra masina io, na soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fijoroany ho vavolombelona. Azonao atao koa ny manoratra hoe Nijoro ho vavolombelona i Jesoa Kristy fa marina ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina na eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny andininy 6. Saintsaino hoe inona no fiantraikan’ny fijoroan’ny Tompo ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Taorian’ny zavatra tena niavaka izay niainan’ireo Vavolombelona Telo, dia niharan’ny fitsapana mahery vaika ny tsirairay tamin’izy ireo ary nosedraina ny finoany an’ Andriamanitra sy ny fijoroany ho vavolombelona momba ny filazantsara. Nandritra ny fotoan-tsarotra nolalovany dia niala tamin’ny Fiangonana avokoa izy telo, saingy taty aoriana i Martin Harris sy i Oliver Cowdery dia niverina ary nijanona ho mahatoky nandritra ny androm-piainany sisa. Na teo aza izany dia tsy nisy tamin’ireo Vavolombelona Telo mihitsy no nandà ny tenivavolombelony momba ny Bokin’i Môrmôna.

Na dia tsy fantatsika aza ny tena antony nialan’ny tsirairay tamin’ireo Vavolombelona Telo tamin’ny Fiangonana rehefa avy nahazo tenivavolombelona mahery vaika toy izany izy ireo, dia manampy antsika hahatakatra ny fomba mety hitrangan’ny zavatra toy izany ny fampitandremana nataon’ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith izay voasoratra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:4 manao hoe: “Fa na dia mety hahazo fanambarana maro aza ny olona iray ary hanan-kery hanaovana asa mahatalanjona maro, kanefa raha mirehareha amin’ny tanjaky ny tenany izy ary manao tsinontsinona ny torohevitr’ Andriamanitra ka manaraka ny fibaikon’ny sitrapony sy ny filan’ny nofony, dia tsy maintsy ho lavo izy ary iharan’ny famalian’Ilay Andriamanitra marina.” Na izany aza dia nijoro ho vavolombelona tamim-pahatokiana hatrany momba ny Bokin’i Môrmôna ny tsirairay tamin’ireo Vavolombelona Telo nandritra ny androm-piainany.

Sary
Oliver Cowdery

Nijoro ho vavolombelona i Oliver Cowdery hoe: “Nosoratako tamin’ny peniko ny Bokin’i Môrmôna iray manontolo (afa-tsy pejy vitsivitsy) araka izay notononin’ny vavan’ny Mpaminany Joseph Smith ireo teny, rehefa nandika izany tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra izy, tamin’ny alalan’ny Orima sy ny Tomima, na, ilay antsoina ao anatin’ilay boky hoe, ‘Fandikan-teny Masina.’ Nojereko tamin’ny masoko ary noraisiko tamin’ny tanako ireo takela-bolamena izay nandikana azy. … Marina izany boky izany. Tsy i Sidney Rigdon no nanoratra azy io; tsy andriamatoa Spaulding no nanoratra azy io. Izaho no nanoratra azy araka izay notononin’ny vavan’ny Mpaminany. Mirakitra ny filazantsara mandrakizay izany. … Mirakitra ireo fitsipiky ny famonjena izany; ary ianareo, ry mpihaino ahy, raha mandeha amin’ny fahazavany ianareo sy mankatò ny foto-keviny dia ho voavonjy amin’ny famonjena mandrakizay ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra any ambony” (ao amin’ny “Last Days of Oliver Cowdery,” Deseret News, 13 apr. 1859, 48).

Sary
David Whitmer

Ny gazety an-tsoratra iray antsoina hoe Richmond Democrat dia nitantara ity fijoroana ho vavolombelona nataon’i David Whitmer momba ny Bokin’i Môrmôna ity andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany manao hoe: “Ny Alahady hariva, tamin’ny 5:30 (22 jan 1888) dia niantso ny fianakaviany sy namana vitsivitsy hivondrona manodidina ny fandriany andriamatoa Whitmer. … Avy eo dia niresaka tamin’ireo rehetra nanodidina ny fandriany izy nanao hoe: ‘Ankehitriny dia mila mitoetra ho mahatoky ao amin’i Kristy ianareo rehetra. Tiako ny milaza aminareo rehetra fa marina ny Baiboly sy ny rakitsoratra momba ny Nefita (Bokin’i Môrmôna), mba hahafahanareo milaza fa efa nahare ny fijoroako ho vavolombelona ianareo teo amin’ny fandriana nahafatesako. Mitoera ho mahatoky ao amin’i Kristy ianareo rehetra, dia hahazo valisoa arakaraka ny asanareo ianareo. Hotahian’ Andriamanitra ianareo rehetra. Matoky an’i Kristy mandrakizay aho, amin’ny tontolo tsy manam-pahataperana. Amena’” (Richmond Democrat, Feb. 2, 1888, quoted in Andrew Jenson, Latter-day Saint Biographical Encyclopedia, 4 vols. [1901], 1:270).

Sary
Martin Harris

Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany, dia nijoro ho vavolombelona i Martin Harris hoe: “Eny, hitako tokoa ireo takelaka izay nanoratana ny Bokin’i Môrmôna; nahita anjely aho; nandre ny feon’ Andriamanitra aho; ary fantatro fa Mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith, izay mihazona ny fanalahidin’ny Fisoronana Masina” (“The Last Testimony of Martin Harris,” recorded by William H. Homer in a statement sworn before J. W. Robinson, Apr. 9, 1927, HDC). (Jereo koa ny Doctrine and Covenants Student Manual [boky torolalana an’i Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2001], 33.)

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:7–9 ary asio marika ireo fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’ireo Vavolombelona Telo raha toa izy ireo mahatoky amin’ny fanambarana ny fijoroany ho vavolombelona. Jereo ilay andian-teny hoe “fikasana marina” ao amin’ny andininy 9. Eritrereto ireo fikasana marina izay tian’ny Tompo hotanterahin’ireo Vavolombelona Telo amin’ny fanambaran’izy ireo ny tenivavolombelony momba ireo takela-bolamena sy ny Bokin’i Môrmôna. (Azonao atao koa ny mamerina nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:4 rehefa mieritreritra izany fanontaniana izany ianao.)

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Inona no mety ho fikasana marina izay hanomezan’ny Tompo anao tenivavolombelona momba ireo fahamarinana irianao ho fantatra?

Tsarovy fa afaka mahazo na manamafy ny fijoroana ho vavolombelona isika rehefa mizara izany. Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Tsy mahataitra ny mahare misiônera miteny hoe, ‘Ahoana no hizarako ny fijoroako ho vavolombelona raha mbola tsy manana izany aho? Ahoana no hijoroako ho vavolombelona fa velona Andriamanitra, fa i Jesoa no Kristy, ary marina ny filazantsara? Raha tsy manana izany fijoroana ho vavolombelona izany aho, tsy ho lasa famitahana ve izany?

“Inay anie aho mba afaka nampianatra anareo ity fitsipika iray ity. Ny fijoroana ho vavolombelona dia azo avy amin’ny fizarana azy! Rehefa mikatsaka ny hahazo fahalalana ara-panahy ianareo, dia efa manana ‘ampahana finoana,’ araka ny filazan’ireo mpanao filôzôfia azy. Amin’izany ianao dia manakaiky ny sisin’ny fahazavana ary mandingana ho ao anatin’ny haizina mba hahitanao fa indray na indroa mandingana fotsiny dia tafiditra amin’ny lalana mazava ianao. ‘Ny fanahin’ny olona,’ araka ny voalazan’ny soratra masina, dia tena ‘jiron’i Jehovah’ tokoa. (Ohab. 20:27.)

“Zavatra iray ny mahazo fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny zavatra novakianao na ny zavatra nolazain’ny hafa; ary tena ilaina izany amin’ny voalohany. Zavatra hafa kosa ny mahazo fanamafisana avy amin’ny Fanahy Masina ao amin’ny tratranao fa marina ny zavatra nijoroanao ho vavolombelona. Takatrao ve fa homena anao izany rehefa mizara izany ianao? Rehefa manome ny zavatra anananao ianao, dia voasolo izany, ary betsaka noho ny teo aloha aza! …

“To speak out is the test of your faith” (“Candle of the Lord,” Ensign, jan. 1983, 54).

Saintsaino hoe iza no afaka hizaranao ny fijoroanao ho vavolombelona ka hahazo tombontsoa amin’ny fandrenesana izany. Zarao amin’io olona io ny fijoroanao ho vavolombelona amin’ity herinandro ity.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy