Seminera
Fizarana 14: Andro 1,Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62


Fizarana 14: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62

Fampidirana

Niomana ny handao an’i Independence, Missouri mba hiverina any Ohio ny Mpaminany Joseph Smith sy loholona 10, ny 8 Aogositra 1831. Nanome torolalana an’ireo loholona ny hitorian’izy ireo ny filazantsara mandritra ny diany ny Tompo—torolalana izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60; Niatrika loza teo amin’ny reniranon’i Missouri ny andro fahatelon’ny dia, izy ireo. Tao anatin’ireo andro roa taorian’izay, ny 12 sy 13 aogositra, dia nandray fanambarana roa avy amin’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith. Ireo fanambarana roa ireo dia hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61 ary 62. Tafiditra ao anatin’izany ny torolalana, ny teny fampitandremana sy fampiononana ary fankaherezana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60

Mandidy ny loholona mba hitory ny filazantsara eo am-panaovana ny dia avy any Missouri mankany Ohio ny Tompo.

Sary
tanora mamaky soratra masina ao anaty fiara fitaterana

Tadidio ny fotoana iray izay nisalasalanao amin’ny fizarana ny zavatra hinoanao amin’ny hafa na ny fotoana tsy nampazoto anao hizara ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny filazantsara nanananao.

Nanome tsiny ny loholona sasany izay nanao ny dia tany Independence, Missouri ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:1–2 mba hahafantarana ny antony nahatezitra ny Tompo tamin’ireo loholona sasany. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra nianaranao.

Ny loholona voalaza ao amin’ny andininy 1–2 dia nanao ny dia avy tany Ohio nankany Independence, Missouri, mba handray anjara amin’ny fanokanana ny tany sy ny toerana hisy ny tempoly. Nandidy azy ireo ny Tompo mba hitory ny filazantsara amin’ny hafa rehefa nandeha tany Missouri izy ireo (jereo ny F&F 52:9–10). Ny loholona sasany anefa dia tsy nankatò io didy io. Hoy ny Tompo hoe: “Tsy tiany ny hanokatra ny vavany, fa afeniny ny talenta izay efa nomeko azy” (F&F 60:2). Izany hoe, tsy nizara ny fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara izay nananany izy ireo.

Araka nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:2, inona no antony tsy nizaran’ny loholona sasany ny fijoroany ho vavolombelona amin’ny hafa?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60:3 mba hahafantarana ny zavatra mety hitranga rehefa tsy mizara ny fijoroana ho vavolombelona izay hananantsika isika.

Azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity ao amin’ny soratra masinao: Mety ho very ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika raha tsy mizara izany isika. Tsy ny fitenenana mivantana amin’ny fivoriam-piangonana ihany no atao hoe fizarana ny fijoroana ho vavolombelona. Ny mpikamban’ny Fiangonana sasany, izay tsy miteny mihitsy na mahalana no miteny mandritra ny fivoriam-piangonana dia mizara ny fijoroany ho vavolombelona amin’ny alalan’ny fomba fiainany. Ny sasany dia mijoro ho vavolombelona amin’ny filazantsara rehefa mandalo fitsapana ara-pahasalamana na fahoriana hafa. Ny hafa kosa dia mijoro ho vavolombelona amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana na namana amin’ny alalan’ny fanehoana fanantenana sy finoana.

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona izay ananantsika:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ny Fanahy sy ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy dia ho avy aminao, amin’ny ankapobeny rehefa mizara an’izany ianao ary tsy mijanona ao aminao raha, tsy mizara izany ianao. Ao anatin’io dingana io ny tena fototry ny filazantsara.

“Tsy fampisehoana ny tena maha Kristianina amin’ny fomba feno ve izany? Tsy afaka ny hahita, hihazona, na hanitatra izany ianao raha tsy vonona ny hizara izany sy rehefa vonona ny hizara izany. Rehefa manome izany maimaim-poana ianao no afaka mandray izany ho anao” (“The Candle of the Lord,” Ensign, jan. 1983, 55).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Tamin’ny fotoana ahoana no nahatsapanao fitomboan’ny fijoroana ho vavolombelona anananao satria nizara izany?

    2. Rahoviana, amin’ny herinandro ambony io, ianao no mety hanana fahafahana hizara ny fijoroanao ho vavolombelona?

Ao amin’ny andininy sisa tavela ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60 no hahitanao fa ny Tompo dia nandidy ireo loholona ireo ny hanambaran’izy ireo ny filazantsara rehefa miverina any Ohio indray izy ireo. Rehefa mandalina ianao, dia azonao atao ny manipika teny na andian-teny izay mifandray amin’ny fijoroana ho vavolombelona, tahaka ny hoe “hitory ny teniko” na “hitory.”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61

Nanome torolalana ny Mpaminany Joseph Smith sy ny loholona hafa nandritra ny dian’izy ireo tany Ohio ny Tompo.

Rehefa nanao ny dia tamin’ny alalan’ny lakana teo amin’ny Renirano Missouri izay mahery vaika eo amin’ny fikoriany ny Mpaminany Joseph Smith sy loholona 10 hafa dia hitan’izy ireo fa nisy ny loza nitatao. Rehefa mamaky ity tantara manaraka ity ianao, dia eritrereto ny zavatra mety tsapanao raha nanatrika izany ianao.

Sary
Renirano Missouri, ny fiolanan’i McIlwaine

Renirano Missouri, ny fiolanan’i McIlwaine

Nitantara i Joseph Smith fa tamin’ny andro fahatelon’ny diany dia “maro tamin’ireo loza mahazatra teo amin’ireo rano tany andrefana no niseho; ary taorian’ny nanangananay lay teo amoron’ny renirano, … dia nahita fahitana tamin’ny andro antoandro ny mpandringana miaraka amin’ny heriny faran’izay mahatsiravina, nitety teny ambonin’ny rano Rahalahy [William W.] Phelps; nandre ilay feo ny hafa fa tsy nahita ilay fahitana kosa” (ao amin’ny History of the Church, 1:203). Talohan’io fahitana io dia “nisy fifankahalana sy tsy fifankahazoana teo anivon’ireo rahalahy” (B. H. Roberts, A Comprehensive History of the Church,1:262–63). Ny harivan’io dia niresadresaka momba ny fitsapana izany niainany ny rahalahy ary ny ankamaroany dia nanana fahafahana ny hifamela. Ny ampitson’iny dia nivavaka i Joseph ary nandray ny fanambarana izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:2, 20, 36–37 ary asio marika ny andian-teny izay mety nitondra fampiononana ho an’ireo loholona ireo.

Ankoatra ny famelana ny helok’ireo loholona ireo, dia nampianatra ny Tompo fa hisy “loza maro” hitranga eny amin’ny rano amin’ny andro farany (jereo ny F&F 61:5, 14–19). Niresaka momba ny heriny ihany koa ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:1, 6, 10, ary jereo ny fampianaran’ny Tompo mikasika ny heriny.

Betsaka ny olona nino fa manana fahefana mifehy ny rano i Satana noho ilay fahitana momba ny mpandringana nananan’ i William W. Phelps. NyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:1, kosa anefa dia manambara fa ny Tompo no manana ny hery rehetra. Anisan’izany ny fahefana amin’ny rano. Ny andininy 6 sy 10 dia manambara ny fahafahan’ny Tompo miaro antsika. Azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity ao anatin’ny soratra masinao: Manana ny hery rehetra ny Tompo ary afaka mitsimbina antsika Izy.

Manome torolalana fanampiny ho an’ireo loholona ireo ho fitarihana azy ireo amin’ny fiverenany any Ohio ny Tompo ao amin’ny andininy sisa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62

Nidera ny fahatokian’ny vondrona loholona iray izay nanao ny dia nankany Independence, Missouri ny Tompo.

Asio “X” eo akaikin’ny fanontaniana izay heverinao fa manan-danja indrindra amin’ny Tompo.

Tokony hankany am-piangonana ve aho amin’ny Alahady?

Zipo mainty ve sa zipo maitso no tokony hanaovako miangona? Karavato mena ve sa manga no tokony hanaovako?

Tokony hanompo handeha misiôna ve aho? Raha tena izay no izy dia rahoviana?

Raha manolo-tena hikarakara ny sakafo tiako indrindra ny reniko dia inona no tokony hofidiako?

Noho ny maha-samy hafa ny toe-javatra mitranga, dia betsaka ny fanapahan-kevitra ataontsika izay mety hanan-danja amin’ny Tompo ary misy ihany koa ny tsy dia manan-danja loatra. Ao amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62 no manampy ny loholon’ny Fiangonany ny Tompo hahatakatra fa ny fanapahan-kevitra sasany horaisin’izy ireo dia manan-danja kokoa noho ny fanapahan-kevitra sasany hafa. Rehefa manohy ny fandalinanao ireo fanambarana ireo ianao dia mety hahita hevi-baovao izay hitarika anao handray ny fanapahan-kevitra tokony horaisina.

Vakio ny fampahafantarana ny fizarana mba hahatakaranao ny toe-javatra nisy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62.

Ireo loholona voalaza ao amin’ny fampahafantarana ny fizarana dia nanao ny dia nandritra ny fotoana elaela kokoa nankany Independence, Missouri noho ny ezaka feno fahazotoana nananan’izy ireo amin’ny fitoriana ny filazantsara. Noho izany dia tsy tratran’izy ireo ny fihaonambe izay nanaovana ny fanokanana ny tany sy ny tempoly.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:1–3 ary jereo ny fitahiana sasany izay natokana ho an’ireo mpitory ny filazantsara sy mpizara ny fijoroany ho vavolombelona.

Halalino ny andinin-tsoratra masina natao lisitra eo amin’ny tsanganana ankavia. Soraty eo amin’ny tsanganana tokony hisy azy ny zavatra izay manan-danja amin’ny Tompo sy ny zavatra izay tsy manan-danja Aminy.

Inona no nanan-danja amin’ny Tompo?

Inona no tsy nanan-danja Aminy?

F&F 60:5

F&F 61:21–22

F&F 62:5–7

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana momba ny soratra masina izay nohalalininao tao amin’ilay tabilao ity: Inona no maha-samy hafa ny zavatra izay nanan-danja tamin’ny Tompo sy ireo zavatra izay tsy nanan-danja Taminy?

Tsipiho ny teny na andian-teny ao amin’ity teny manaraka nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, izay manampy anao hahatakatra ny zavatra izay nampianarin’ny Tompo an’ireo loholona rehefa nilaza Izy fa misy ireo zavatra izay manan-danja kokoa Aminy:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Tena mazava tsara fa tsy nilaza tamin’ireo misiônera ireo ny Mpamonjy fa tsy niraharaha velively ny zavatra nataon’izy ireo Izy. Izy kosa dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fametrahana ho lohalaharana ny zavatra manan-danja sy ny fifantohana amin’ny zavatra izay tokony hifantohana. … Ny zavatra tena manan-danja dia ny asa izay niantsoina azy ireo mba hatao; ny fomba nahatongavan’izy ireo teo dia nanan-danja fa tsy ilay tena manan-danja” (“A Reservoir of Living Water,” [Takariva amorom-patana ho an’ny tanora mpitovo sy mpivady vao herotrerony nokarakarain’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 4 feb 2007], 4; LDS.org).

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no hanampian’ilay lamina momba ny zavatra izay manan-danja sy tsy manan-danja amin’ny Tompo anao manoloana ny fanapahan-kevitra izay tokony horaisinao?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 62:8 ary fantaro ny zavatra roa izay ahafahantsika miankina rehefa maka fanapahan-kevitra. Rehefa izany dia fenoy ny banga amin’ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mandray fanapahan-kevitra isika, dia tokony hiankina amin’ sy .

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny hevitrao, inona no maha-zava-dehibe ny fiankinana amin’ny fitsarantsika manokana miaraka amin’ny fiankinana amin’ny fitarihan’ny Fanahy?

    2. Tamin’ny fotoana ahoana ianao no sady nanapan-kevitra avy amin’ny fitsaranao manokana no nanapan-kevitra avy amin’ny fitarihan’ny Fanahy? Ahoana no fomba nitahiana anao noho ny fanaovana izany?

Diniho ny fomba ahafahanao mampihatra fitsipika iray na fitsipika maromaro izay nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 60–62 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy