Seminera
Fizarana 6: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:38–67


Fizarana 6: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:38–67

Fampidirana

Ny fananganana ny Fiangonana tamin’ny 6 Aprily 1830 dia nanome izay zavatra entina manatanteraka ireo ôrdônansin’ny fisoronana ho an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra manerana izao tontolo izao amin’ny andro farany. Talohan’ny nananganana ny Fiangonana, dia nanomboka nanambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny andraikitr’ireo anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana ny Tompo tamin’ny fiandohan’ny vanimpotoana fahavaratry ny taona 1829. NyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 20 dia mametraka ny ankamaroan’ireo andraikitra ireo sy manome torolalana ireo mpihazona ny fisoronana amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansy sy ny fiambenana sy ny fanompoana ireo mpikamban’ny Fiangonana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:38–59

Nohazavaina ny andraikitr’ireo anjara fanompoan’ny fisoronana

Inona no havalinao raha misy manontany hoe, “Iza no mpitarika ao amin’ny fiangonanao?” Rehefa mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:38–67 ianao, dia eritrereto hoe ahoana no hamalianao izany fanontaniana izany.

  1. Adikao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto lohateny sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Avy eo vakio ireo soratra masina ireo, ary tanisao eo ambanin’ny lohateny mifanaraka amin’izany ao amin’ny diarinao ny andraikitr’ireo anjara fanompoana ao amin’ny fisoroanana. Mety hanampy anao ny mahafantatra fa ny teny hoe “loholona” ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia entina milaza ny mpihazona ny Fisoronana Melikizedeka rehetra.

    Loholona

    (F&F 20:38–45)

    Mpisorona

    (F&F 20:46–52)

    Mpampianatra sy diakona

    (F&F 20:53–59)

    Rehefa avy nosoratanao teo ambanin’ny lohateny mifanaraka amin’izany ireo andraikitra, dia asio tsipika eo ambanin’ny fahasamihafana tsikaritrao eo amin’ireo andraikitry ny loholona, ny mpisorona, ny mpampianatra ary ny diakona. Asio boribory manodidina ireo fitoviana.

Koa satria efa avy nandalina kely momba ny andraikitry ny fisoronana ianao izao, dia asio tsipika mampitohy ny anjara fanompoan’ny fisoroanana sy ny andraikitra izay ananan’ireo izay mpihazona ny fisoroanana ny fahefana hanatanteraka azy:

Loholona

Fahefana hanome ny fanomezan’ny Fanahy Masina

Mpisorona

Fahefana hanatanteraka (hitso-drano) ny fanasan’ny tompo

Mpampianatra

Fahefana hanendry diakona

Diakona

Fahefana hampianatra

Hita any amin’ny faran’ity lesona ity ny valiny amin’ity asa fampifandraisana ity. Jereo fa ny anjara fanompoana ambony indrindra ao amin’ny fisoronana dia ahitana ireo andraikitra sy fahefan’ny anjara fanompoana ambanimbany kokoa.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fitsipika iray izay mamintina ny andraikitry ny mpihazona ny fisoronana rehetra.

Ampitahao amin’ity fitsipika manaraka ity ilay fitsipika nosoratanao: Ireo mpihazona ny fisoronana rehetra dia manana andraikitra hanatanteraka ireo ôrdonansy sy hiambina ireo mpikamban’ny Fiangonana ary hanompo azy ireo. Azonao atao ny manoratra io fahamarinana io eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:38–59.

Sary
fanomanana ny fanasan’ny Tompo

Mba hanampiana anao hahatakatra kokoa momba ny andraikitry ny mpihazona ny fisoronana rehetra hiambina sy hanompo ireo mpikamban’ny Fiangonana, dia Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:53–54, 59, ary tadiavo ireo fomba nitarihan’ny Tompo ireo mpihazona ny fisoronana mba hanompoana sy hampahatanjahana ireo mpikamban’ny Fiangonana. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao. Inona ireo fomba vitsivitsy ahafahan’ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna “mitandrina … ny fiangonana ary … miaraka amin’izy ireo sy … manatanjaka azy”?

Ny andraikitry ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna dia tsy mijaona amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansy. Saintsaina ireto toe-javatra mety hiseho ireto, ary diniho ireo fomba hanatanterahan’ny mpihazona ny fisoronana ny andraikiny mba hanasana ny hafa hanatona an’i Kristy sy ireo fomba tsy hanaovany izany:

  • Rehefa avy manampy amin’ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo ny mpihazona Fisoronana Aharôna iray mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo, dia mankany amin’ny Sekoly Alahady izy ary tsy manaja ny mpampianatra sy ireo mpianatra hafa.

  • Misy zatovo mpihazona ny fisoronana iray mody rehefa avy nanao fampianarana isan-tokantrano ary manomboka miresaka momba ny zavatra saro-pady na tsiambaratelo mikasika ireo olona nampianariny isan-tokantrano.

  • Mivory ny vondrona mpihazona fisoronana iray hanomana tetik’asa hanaovana asa fanompoana ary manomboka mananihany sy mihomehimehy ny iray amin’ireo ao amin’ny kôlejy izy ireo.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana no zava-dehibe ho an’ireo mpihazona ny fisoronana ny mahafantatra fa ny andraikitr’izy ireo dia tsy mijanona fotsiny eo amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansy?

Sary
Richard G. Scott

Azonao atao ny manoratra ity teny manaraka ity izay nambaran’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masinao na ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina: “ ny tanjon’ny fahefan’ny fisoronana dia hanome, hanompo, hampitraka, ary hitaona fanahy” (“Hajao ny Fisoronana ary Ampiasao Tsara,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 46).

Eritrereto ny fotoana nahitanao ireo zatovolahy tao amin’ny paroasinao na sampana misy anao izay nanaja ny fisoronana hazoniny amin’ny fiambenana, fanompoana, fampitrakana, fankaherezana na fampahatanjahana ny hafa. Raha mpihazona ny fisoronana ianao, dia azonao atao ny manoratra tanjona izay hanampy anao hanatanteraka amim-pahatokiana ireo ôrdônansy sy hitandrina sy hampahatanjaka ny Fiangonana.

Sary
manampy amin’ny fanaovana zaridaina

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:60–67

Nomena ireo torolalana mikasika ny fanokanana ho ao amin’ny fisoronana

Ianao ve efa niaina na nahita fanendrena ho amin’ny fisoronana? Eritrereto ny fahatsapana nanananao rehefa notendrena na nahita olona hafa notendrena ianao.

Sary
Fanendrena ho amin’ny Fisoronana Aharôna

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:60, ary tadiavo ny hery tokony ampiasain’ilay olona manatanteraka ilay fanendrena ankoatra ny fisoronana. Araka io andinin-tsoratra masina io dia inona no hery tokony hitarika ny mpihazona ny fisoronana iray rehefa mampiasa ny fisoronana izy?

Ahoana no hampisy antoka ny mpihazona fisoronana iray fa amin’io hery io no anatanterahany ny andraikiny? Nohazavain’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe avy aiza ny herin’ny mpihazona fisoronana iray:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ny fahefanareo dia azo avy amin’ny alalan’ny fanendrena anareo; ny herinareo dia azo avy amin’ny fankatoavana sy ny fahamendrehana.

“Ny hery ao amin’ny fisoronana dia tonga avy amin’ny fanaovana ny andraikitrao amin’ireo zavatra mahazatra: fanatrehana ireo fivoriana, fanekena asa ampanaovina, famakiana soratra masina, fitandremana ny Tenin’ny Fahendrena.

“Hoy ny Filoha Woodruff hoe: ‘Nitety kilometatra maro aho ary nitory ny Filazantsara amin’ny maha Mpisorona ahy, ary, araka ny efa nolazaiko tamin’ny vondron’olona maro tany aloha, dia nanohana ahy ny Tompo ary naneho ny Heriny mba hiarovana ny aiko ary mitovy ny nanaovany izany na tamin’izaho nihazona io anjara fanompoana io na tamin’izaho nihazona ny anjara fanompoan’ny Apôstôly. Ny Tompo dia manohana na iza na iza lehilahy mihazona ny fisoronana, na Mpisorona izy, na Loholona, na Fitopololahy, na Apôstôly, raha milofo amin’ny antsony izy sy manatanteraka ny andraikiny” (“The Unseen Power,” New Era, May 2007, 7; jereo koa ny “The Aaronic Priesthood,” Ensign, Nov. 1981, 32–33)

Raha toa ianao zatovolahy, dia diniho amim-bavaka ny zavatra takian’ny Tompo hataonao mba hanasana ny herin’ny Fanahy Masina hiaraka aminao rehefa manatanteraka ireo andraikitrao ao amin’ny fisoronana ianao Raha toa ianao zatovovavy, dia diniho ny fomba mety hanampianao ireo zatovolahy amin’ny ezaka hataony mba hahazoana ny Fanahy Masina amin’ny fiainany sy amin’ny asa fanompoana ataony ao amin’ny fisoronana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:65. Avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’io andinin-tsoratra masina io, nahoana isika no manangana ny tanantsika ao am-piangonana mba hanehoana ny fanohanantsika amin’ny fifidianana? Avy amin’ny Tompo ilay didy nomena ny Fiangonana mba haneho ampahibemaso ny fanohanany mandritra ny fifidianana.

Inona no hevitry ny fananganana ny tananao sy fanehoana ny fanohananao amin’ny fifidianana olona iray hafa? Ny Loholona Loren C. Dunn, izay mpikambana tao amin’ny Fitopololahy dia nanazava ireo andraikitra izay miaraka amin’ny fanatanterahana ny fanohanana:

Sary
Loholona Loren C. Dunn

“Rehefa manohana ireo manam-pahefana ambony isika, dia omena fahafahana ny hanohana ireo izay efa nantsoin’ny Tompo tamin’ny fanambarana. …

“Avy eo dia omen’ny Tompo fahafahana isika hanohana ny asa atao ao anatin’ny antso iray avy amin’ Andriamanitra sy haneho ny hevitsika, raha toa misy antony hahatsapantsika ny mifanohitra amin’izany.

“Ny manohana dia mamatotra ny tenantsika hanao asa sy manao fanoloran-tena amin’ny tenantsika mba hanohana ireo olona izay notohanantsika. Rehefa misy olona iray manao ilay fihetsika masin’ny fananganan-tanana manome efamira, dia tokony hotsaroany amim-pahamatorana ny zavatra izay nataony sy atombony atao mifanaraka amin’ny fanohanana izay nataony am-pahibemaso sy ho azy manokana” (“We Are Called of God,” Ensign, jolay 1972, 43).

Efa nanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo ve ianao izay nanohanan’ny daholobe zatovolahy mba hotendrena amin’ny anjara fanompoan’ny Fisoronana Aharôna? Nanangana ny tanany ve ny daholobe? Nahoana no hanampy ny zatovolahy iray hanatanteraka ireo andraikiny ny fahitany ny hafa manohana ny fanendrena azy.

Sary
fanohanana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo
  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fehezan-teny vitsivitsy manazava ny antony mahafeno fankasitrahana anao noho ny fahefan’ny fisoronana. Zarao amin’ny rainao na reninao na amin’ireo mpitarika ao am-piangonana, na iray tampo na namana ny zavatra nosoratanao. Angataho io olona io hizara aminao ny fahatsapany momba ny dikan’ny fisoronana.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:38–67 aho ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy