Seminera
Fizarana 17: Andro 4, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82–83


Fizarana 17: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82–83

Fampidirana

Ny fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82 dia nomena tamin’ny 26 aprily 1832 nandritra ny fivorian’ireo mpisorona avo sy loholon’ny Fiangonana tao Independence, Jackson County, Missouri. Ao amin’io fanambarana io ny Tompo dia namela ny fandikan-dalàn’ireo rahalahy sy nampitandrina azy ireo amin’ny fitozoana amin’ny fahotana. Nanome torimarika ireo rahalahy tao Missouri ireo ihany koa ny Tompo momba ny fitantanana ny raharaha rehetra ara-nofon’i Ziona. Efatra andro taty aoriana ny Mpaminany Joseph Smith dia nandray ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 83 izay ahitana ny Tompo nanome torolalana ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny amin’ny fomba fikarakarana ny mananotena sy ny kamboty.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:1–7

Mampitandrina ireo izay nandray bebe kokoa avy Aminy ny Tompo

Mieritrereta fotoana iray nifandiranao tamin’ny namana na olona iray ao amin’ny fianakavianao izay nilamina ihany taty aoriana. Inona no zavatra tsapanao rehefa voalaminao ilay fifandirana?

Amam-bolana maro no nisian’ny tsy fifankahazoana teo amin’i Sidney Rigdon tao Ohio sy ny Eveka Edward Partridge tao Missouri. Ny volana aprily 1832, ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana dia nandeha nankany Missouri ho fankatoavana ny didin’ny Tompo ny amin’ny “hiarahan’izy ireo midinika amin’ireo olomasina izay ao Ziona” (F&F 78:9). Nisy filankevitry ny mpisorona avo sy loholon’ny Fiangonana natao tamin’ny fahatongavan’izy ireo. Voalamin’i Sidney Rigdon sy i Edward Partridge nandritra ny elanelam-potoan’ny fivoriana maraina sy ny fivoriana tolakandron’ny fihaonambe ny disadisa nisy teo amin’izy ireo. Ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82 dia noraisina nandritra ny fivoriana tamin’ny tolakandro.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:1, ka tadiavo ny zavatra notenenin’ny Tompo an’i told Sidney Rigdon sy i William Partridge momba ny fandravonana disadisa nisy teo amin’izy ireo.

Fenoy mifanaraka tamin’izay nianaranao tao amin’ny andininy 1 ity fitsipika manaraka ity izay milazalaza ny fifandraisan’ny famelana ny hafa amin’ny fahazoana ny famelan’ny Tompo: dia singa manan-danja amin’ny fahazoana ny famelan’ny Tompo ny fahotantsika. (Ampitahao amin’ny F&F 64:9–11.)

Na dia nanolotra ny famelany heloka aza ny Tompo tamin’izany dia nanome fampitandremana azy ireo ihany koa Izy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:2 ka tadiavo ny fampitandremana nomen’ny Tompo an’ireo Olomasina ireo.

Rehefa nifindra avy tao Ohio nankao Missouri ny mpikamban’ny Fiangonana dia maro ireo tsy nankato ny torohevitr’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana, ary ny sasany nandà ny hiaina ny lalàn’ny fanokanana. Vokatr’izany, ny sasany tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana ireo dia meloka noho ny fialonana, ny fitsiriritana, ary ny fanaovana an-tsirambina ny adidy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:3–4, ka tadiavo ny antony iray hahatonga ny famaizan’ny Tompo eo amin’ireo izay mitozo amin’ny fahotana.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fitsipika iray nampianarin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:3. Avy eo dia valio izao fanontaniana manaraka izao: Aminao inona no mahatonga ny hoe ireo izay nahazo be avy amin’ny Tompo dia takiana be ihany koa?

  2. Tanisao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ao anatin’ny roa minitra ireo fitahiana faran’izay betsaka azonao eritreretina izay noraisinao tamin’ny Tompo. Ataovy ao anatin’izany ireo fitahiana izay azonao amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao. Avy eo dia misafidiana iray amin’ireo fitahiana nosoratanao ka valio izao fanontaniana manaraka izao:

    1. Aminao, inona no takian’ny Tompo mba hataonao amin’io fitahiana io? (Ohatra hoe, raha toa ka tsapanao fa voatahy ianao tamin’ny fanananao ireo fahamarinan’ny filazantsara eo amin’ny fiainanao, dia mety ho anisan’ireo zavatra takiana ny hizaranao izany fahamarinana izany amin’ny hafa.)

    2. Inona no azonao atao hanombohana ny fanatanterahana izany zavatra takiana izany?

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:5–6, ny Tompo dia nampitandrina ny Olomasina fa mihamitombo hatrany ny hery sy ny fanapahan’i Satana manerana ny tany. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:7, ka mitadiava fampitandremana iray fanampiny izay nomen’ny Tompo ny mpikamban’ny Fiangonana momba ny fahotana. Mianatra isika avy amin’ny io andininy io fa manan-danja tokoa ny mandao tanteraka ny fahotantsika satria raha toa isika ka manota indray rehefa avy nibebaka dia hiverina indray ireo fahotantsika taloha.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony heverinao fa hampiverina indray ny fahotantsika taloha rehefa manota an-tsitrapo isika taorian’ny nitadiavantsika famelan-keloka avy amin’ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–24

Mandidy ny lehilahy sivy hanangana ny orinasa izay hitantana ny raharaha ara-nofon’ny Fiangonana ny Tompo

Mieritrereta toe-javatra nitranga iray izay nilanao na nilan’ny olona iray fantatrao antoka fa Andriamanitra dia mitana ny fampanantenana nataony. Nandritra io filankevitry ny mpisorona avo sy ny loholona tao Missouri io, ny Tompo dia nanome fampanantenana mampatoky ho an’ireo izay mankato ny didiny. Eo am-panohizanao ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82 dia tadiavo ireo fitsipika izay afaka manome antoka ho an’ny olona iray miaina ny toe-javatra mitovy amin’ilay noeritreretinao tetsy ambony.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–9, ka tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompofa homeny ny Olomasina nandritra io filankevitra io. Azonao atao ny manisy marika ireo antony nanomezan’ny Tompo azy ireo io didy vaovao io. Saintsaino ny fomba hiharan’ireo antony ireo amin’ny didy rehetra omen’ny Tompo antsika.

  1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10 (andinin-tsoratra masina fehezina), ka mitadiava fitsipika iray izay afaka manome toky antsika rehefa miezaka ny hankato ny didin’ny Tompo isika. (Azonao atao ny manisy marika miavaka io soratra masina io hanamora ny fitadiavanao izany any aoriana.) Avy eo dia soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity asa ampanaovina manaraka ity:

    1. Fenoy izao fitsipika manaraka izao: Raha mankato ny Tompo isika, dia … Izy

    2. Saintsaino ireo traikefa nanananao izay naneho taminao ny fahamarinan’io fitsipika io, avy eo dia manorata momba ny iray amin’izany traikefa izany.

Araka ny nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78, ny Tompo dia nandidy ireo mpitarika ny Fiangonana tao Kirtland, Ohio, mba hanangana orinasa, fikambanana misahana ny fandraharahana ataon’ny Fiangonana izay fantatra amin’ny hoe United Firm. Ny vola niditra tamin’ny asa fandraharahana nataon’ilay orinasa dia nampiasaina mba hikarakarana ny mahantra sy hamatsina ny zavatra rehetra nilain’ny Fiangonana. Araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:11, 15–17 ny Tompo dia nandidy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana tao Missouri hiditra ao amin’ny United Firm amin’ny alalan’ny fanekempihavanana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:12, ka tadiavo ny tanjon’ny United Firm. Mety hanampy anao eo am-pamakiana ny fampahatsiahivana fa anisan’ireo adidin’ny eveka ny manampy ny mpikamban’ny Fiangonana eo amin’izay zavatra ara-nofo ilainy.

Sary
eveka eo amin’ny biraony

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:14, 18–19, ka mitadiava teny na andian-teny izay manazava bebe kokoa ny antony nandidian’ny Tompo ireo mpitarika hanangana ny United Firm. Azonao atao ny manisy marika ny teny na andian-teny hitanao.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:20–24, ny Tompo dia namarana ity fanambarana ity tamin’ny fampitandremana ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba ho mahatoky amin’ny fanekempihavanana amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny United Firm azy ireo.

Sary
scripture mastery icon
Soratra masina Fehezina— Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10

Andinin-tsoratra masina fehezina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10. Ezaho ny hitadidy izany amin’ny alalan’ny famerimberenana izany imbetsaka. Rehefa tadidinao izany dia ataovy tsianjery amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na amin’ny namana iray ka zarao ny zavatra niainanao izay nanamafy taminao fa ny Tompo dia mihazona tokoa ny fampanantenana nataony tamintsika rehefa manao izay zavatra angatahany isika.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nozarainao tamin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na tamin’ny namana iray.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 83

Manambara ny fomba fikarakarana ny mananotena sy ny kamboty ny Tompo

Efatra andro taorian’ny nandraisana ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82, ny Mpaminany Joseph Smith dia nandray fanambarana mikasika ny fampivelarana ny fisahanana ny zavatra ilain’ny Olomasina ara-nofo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 83:1 ka tadiavo hoe zavatra ilain’iza no resahina ato amin’ity andininy ity.

Mba hahatakarana ity fizarana ity dia tadidio fa maro tamin’ny Olomasina no niaina ny lalàn’ny fanokanana ary nahazo “lova,” na fananana avy amin’ny Fiangonana. Tao anatin’ity fanambarana ity ny Tompo dia nanambara ny zavatra hitranga amin’ny lovan’ny fianakaviana iray raha toa ka maty ny vady na ny ray.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 83:2–3, ka tadiavo ireo torolalana nomen’ny Tompo mikasika ny fikarakarana ny vevihavy maty vady. (Mety hanampy ny mahafantatra fa tamin’izany fotoana izany ny ankabeazan’ny vehivavy rehetra dia niankina tamin’ny vadiny tamin’ny fahazoana ny zavatra nilainy ara-nofo. Ny hoe “hananana fihavanana ao am-piangonana” dia midika hoe satria efa lasana ny mpiahy an-dravehivavy dia ny Fiangonana no misahana ny zavatra rehetra ilainy.) Avy eo dia Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 83:4–6, ka tadiavo ny fomba ataon’ny Fiangonana hikarakarana ny kamboty sy ny mananotena.

Sary
zatovovavy iray mandoko manao aro akanjo mavo
  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 83 anao mikasika ny zavatra tsapan’ny Tompo momba ny mananotena, sy ny kamboty, ary ireo izay sahirana?

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82–83 aho ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy