Seminera
Fizarana 21: Andro 1, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98


Fizarana 21: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98

Fampidirana

Nangataka ny tsy hifindran’ny Olomasina ho any amin’ny Fivondronan’i Jackson intsony sy ny hialan’ireo izay efa nipetraka tany, ny vondron’olona avy any Missouri niisa 400–500 tamin’ny 20 jolay 1833. Raha mbola tsy afaka nanome valin-teny akory ny Olomasina tany Missouri dia efa nisy mpihetraketraka nanomboka nandrava ny fananany sy nandrahona ny ainy sahady. Tamin’ny 6 aogositra 1833 ny Mpaminany Joseph Smith no nandray ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98, ka tao no nanomezan’ny Tompo torolalana ny Olomasina mikasika ny fihetsika tokony hasehon’ny Olomasina manoloana ny fanenjehana. Na dia efa mety tonga tany amin’ny Mpaminany tany Kirtland aza ny vaovao sasany mikasika ny fahoriana nisy tany Missouri, Ohio, izay lavitra teo amin’ny 1.450 km teo ho eo, dia tsy afaka nahatakatra ny naha sarotra dia sarotra ny toe-javatra raha izy tsy tamin’ny alalan’ny fanambarana ihany. Ao amin’io fanambarana io dia miaiky ny Tompo fa mijaly ny Olomasina, manome torohevitra mba hanarahana ny lalàm-panorenan’ny firenena Izy ary manoro lalana azy ireo ny hitandrovany ireo fanekempihavanana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–22

Mamerina manome toky ny Olomasina mandritra ny fijalian’izy ireo ny Tompo

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:1–22, dia nanome torohevitra ho an’ireo Olomasina ory ny Tompo mba haneho fankasitrahana amin’ny zava-drehetra sy hiandry ny Tompo amim-paharetana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:11–12, ary tadiavo ny didy izay nomen’ny Tompo ho an’ny Olomasina.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:13–15, ary tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ny Olomasina mikasika ny fitsapana sy ny fizahan-toetra azy ireo. Avy amin’ireo andininy ireo dia mianatra isika fa mampiseho ny fahamendrehantsika amin’ny Tompo isika amin’ny fanajana ireo fanekempihavanana, na dia sarotra aza ny manao izany.

Eritrereto hoe nahoana no mety ho zava-dehibe ho an’ny Olomasina izay nandao an’i Missouri tamin’ny 1833 ny mahatsiaro fa zava-dehibe ny fanajana ireo fanekempihavanana na dia sarotra aza ny manao izany. Nahoana araka ny hevitrao no mety ho zava-dehibe ho antsika ankehitriny ny mahatsiaro fa zava-dehibe ny fanajana ireo fanekempihavanana mandritra ny fotoan-tsarotra?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:23–32

Ambaran’ny Tompo ny fihetsika tokony hasehon’ny Olomasina rehefa iharan’ny fanenjehana

  1. Manaova tsanganana telo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Omeo lohateny hoe Ny Lalàn’ny Tompo momba ny Famaliana ho faty (F&F 98:23–32) ny tsanganana voalohany, ny tsanganana faharoa dia omeo lohateny hoe Ny Lalàn’ny Tompo momba ny Ady (F&F 98:33–38), ary ny tsanganana fahatelo dia omeo lohateny hoe Ny Lalàn’ny Tompo momba ny Famelan-keloka (F&F 98:39–48). Mamelà toerana malalaka eo akaikin’ny tsanganana mba hanoratana ireo fitsipika sy Fotopampianarana hitanao rehefa mandalina ity lesona ity ianao. Rehefa mandroso amin’ny lesona ianao dia hahita torolalana mikasika ny zavatra tokony hosoratana ao amin’ireo tsanganana ireo.

Inona no mety ho tsapanao raha misy mandrahona ianao na ny fianakavianao? Nahoana araka ny hevitrao no mety hanana faniriana hamaly faty manoloana ny olona nandrahona ny olona sasantsasany?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:23–27, ary tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo momba ny famaliana ho faty.

Azonao atao ny manisy marika ny andian-teny “tsy miteny ratsy” sy “mizaka izany amim-paharetana” ao amin’ireo andininy ireo.

Raha miainga avy amin’ny zavatra nampianarin’ny Tompo ny Olomasina tany Missouri, dia mianatra isika fa raha mizaka ny fijaliana amim-paharetana ary raha tsy manao valifaty isika, dia hovalian’ny Tompo soa amintsika izany. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina eo ambanin’ny lohateny “Ny Lalàn’ny Tompo momba ny famaliana ho faty” ity fitsipika ity.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana araka ny hevitrao no mety hampidi-doza ny fikatsahana valifaty?

    2. Eritrereto ny olona iray fantatrao (na novakianao ny momba azy) izay nampiseho faharetana rehefa niaritra fijaliana ary tsy nikatsaka valifaty. Inona no nataon’io olona io mba hampisehoana ny faharetany na dia nampijaliana aza izy?

Rehefa tafatsangana tany amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri ny sabotsy 20 jolay 1833 ny vondron’ny mpihetraketraka, dia tsy nandrava fananana fotsiny izy ireo fa nandrahoana ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ihany koa. Ity tantara manaraka ity dia mampiseho ny fomba namalian’ny Eveka Edward Partridge sy i Charles Allen, izay 27 taona sy mpiova fo vao tsy ela avy tany Pennsylvanie, ny fampijalian’ny mpihetraketraka tao Missouri.

Sary
mpihetraketraka tao Missouri

Ny mpihetraketraka dia nifanditra tamin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri.

“Nosamborin’ny mpihetraketraka ny Eveka Partridge sy i Charles Allen, ary nosintonina teo anivon’ny vahoaka tezitra izy ireo, izay nanopa sy nandratra azy ireo teo an-dalana nankany amin’ny toerana fivezivezen’ny daholobe. Nomena safidy roa izy ireo teto: na mandà ny finoany ny Bokin’i Môrmôna izy ireo na miala ny fivondronana. Tsy nandà ny Bokin’i Môrmôna izy ireo, na koa nanaiky hiala ny fivondronana. Nilaza ny Eveka Partridge, rehefa nomena lalana hiteny, fa tsy maintsy niaina fanenjehana ny olomasina amin’ny fotoana rehetra teto amin’izao tontolo izao, ary vonona hijaly noho ny amin’i Kristy ny tenany, tahaka ny nataon’ireo olomasina tamin’ny fotoana taloha; fa tsy nanao na inona na inona izay mety nanafintohina na iza na iza izy, koa raha manao herisetra aminy izy ireo dia hanao ratsy amin’ny olona tsy manan-tsiny. Teto dia tsy heno ny feony noho ny fifanjevoana teo amin’ny vahoaka, izay nihiaka toy izao ny ankamaroan’izy ireo: ‘Antsoy ny Andriamanitrao mba hanafaka anao … !’ Nesorina teny amin’ireo rahalahy roa ireo, dia i Partridge sy Allen, ny akanjony ka nosorana tara mifangaro voasary makirana na lavenona voahangy na karazana asidra mihinana ny nofo izy ireo ary nanaparitahana volom-borona teo amin’izy ireo. Niaritra izany zavatra natao taminy sy herisetra izany tamim-panetrentena sy fahamoram-panahy lehibe izy ireo ka nanjary nangina ny vahoaka, ary toa gaga tamin’ny zavatra izay hitany. Navela hiala tamim-pahanginana ireo rahalahy ireo” (B. H. Roberts, A Comprehensive History of the Church, 1:333; jereo koa ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, ed. Faharoa [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana], 2003, 133).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no manaitra anao momba ny fomba niatrehan’ny Eveka Partridge sy i Charles Allen ny fanenjehana izay niainany?

    2. Inona no azonao atao mba hanarahana bebe kokoa ny torohevitry ny Tompo mikasika an’ity lohahevitra ity?

Manoro hevitra ny Olomasina ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:28–32 fa raha misy fahavalo manao herisetra amin’izy ireo in-telo ka tsy nikatsaka ny valifatin’ Andriamanitra izy, dia tokony hampitandrina ny fahavalo amin’ny anaran’ny Tompo mba tsy hamerenany izany intsony izy. Manome fanampim-panazavana ny Tompo fa raha mbola mampijaly azy foana aorian’ity fampitandremana ity ny fahavalo, dia voamarina amin’ny “famaliana azy araka ny asany” ny Olomasina (F&F 98:31). Na izany aza anefa dia notenenina ihany koa ireo Olomasina fa raha mamela ny fahavalony izy ireo na dia voamarina amin’ny famaliana ho faty aza dia hahazo valisoa amin’ny fahamarinany izy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:33–38

Nanazava ny fotoana hanamarinana ny ady ny Tompo

Manana havana na namana izay nanompo ny firenena tamin’ny ady ve ianao? Efa nisaintsaina mikasika ny fampianaran’ny Tompo momba ny ady ve ianao?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:33–34, ary tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ny mpanara-dia Azy fahiny momba ny ady.

Fenoy avy amin’ny zavatra novakianao tao amin’ny andininy 33 ny banga mba hamenoana ity andian-teny manaraka ity: Tokony handeha hiady amin’ireo firenena, foko, samy hafa fiteny na mponina, ny Tompo izy ireo. Azonao atao ny manoratra ity fahamarinana manaraka ity ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina eo ambanin’ny hoe “Ny Lalàn’ny Tompo momba ny Ady.” (Tsarovy fa nomen’ny Tompo manokana ho an’ny vahoaka izay niaina tamin’ny vanim-potoana hafa sy kolontsaina hafa ity lalàna ity. Na dia marina aza ny fitsipiky ny lalàna, dia manoa ny lalàn’ny firenena izay hiainantsika ihany koa isika ankehitriny [jereo ny Fanekem-pinoana 1:12].)

Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:34, dia inona no zavatra tokony hataon’ireo mpanara-dia fahiny ireo vantany vao misy manambara ny hiady amin’izy ireo? (Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina eo ambanin’ny hoe “Ny Lalàn’ny Tompo momba ny Ady” ny valintenin’io fanontaniana io.)

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:35–38, ary tadiavo ny zavatra nasain’ny Tompo nataon’ny mpanara-dia Azy fahiny raha toa tsy nekena ny fangatahana fandriampahalemana nataon’izy ireo.

Avy amin’ireo andininy ireo dia mianatra isika fa azo hamarinina ny ady raha ao anatin’ny toe-javatra voalazan’ny Tompo. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fahamarinana ity eo ambanin’ny hoe “Ny Lalàn’ny Tompo momba ny Ady.”

Rehefa betsaka ny firenena nirotsaka tamin’ny ady nandritra ny Ady Lehibe II, ny Filoha David O. McKay dia nanazava ireo toe-javatra izay hanamarinana ny firotsahan’ny mpanara-dia an’ny Tompo amin’ny ady:

Sary
Filoha David O. McKay

“Tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’i Kristy ny ady. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia filazantsaran’ny filaminana. Ny ady no [mifanohitra] amin’izany ary miteraka fankahalana. …

“Misy fepetra roa, anefa, izay mety hanamarina ny Kristianina tena izy amin’ny firotsahana—raha mahatsikaritra ianareo dia hoy aho hoe firotsahana, fa tsy fanombohana—amin’ny ady: (1) Ny fanandraman’ny [olona iray] ny hampiasa fahefana sy hanakana ny olona iray hafa amin’ny fahafahany misafidy malalaka, sy, (2) Fahatokiana amin’ny firenen’ny tena. Mety hisy koa ny fepetra fahatelo, [dia ny], Fiarovana ny firenena osa iray izay voatsindrin’ny firenena iray hafa matanjaka sy mahatsiravina, amin’ny antony tsy rariny” (ao amin’ny Conference Report, apr. 1942, 71–72).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:39–48

Mampianatra ny Olomasina ny Tompo momba ny fomba fihetsika tokony hasehon’izy ireo amin’ny fahavalony

Mifandray amin’ny lalàn’ny Tompo momba ny ady ny lalàn’ny Tompo momba ny famelan-keloka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:39–48. Ity tantara manaraka ity izay momba ny zava-nitranga iray taorian’ny Ady Lehibe II dia mampiseho ny lalàn’ny Tompo momba ny famelan-keloka:

“Nandritra ny Ady Lehibe II, tany Hollande, dia nampiasa ny tranon’izy ireo ho toeram-piafenana ho an’ireo izay nenjehin’ireo Nazi ny fianakaviana Casper ten Boom. Izany no fomba niainan’izy ireo ny finoany amin’ny maha-Kristianina azy. Efatra tamin’ireo olona tao amin’ny fianakaviany no namoy ny ainy noho ny fanomezana izany fialofana izany. Niaritra volana maromaro mampatahotra tao amin’ilay toeram-panangonana malazan’i Ravensbrück i Corrie ten Boom sy i Betsie rahavaviny. Nodimandry tao i Betsie—raha toa ka avotra kosa i Corrie.

“Nianatra i Corrie sy i Betsie, tao Ravensbrück, fa manampy antsika hamela heloka Andriamanitra. Taorian’ny ady dia tapa-kevitra i Corrie fa hizara izany hafatra izany. Tamin’ny fotoana iray dia vao avy niresaka tamina andian’olona iray tany Alemana izy izay nijaly noho ny faharavana nateraky ny ady. Ny hoe ‘mamela heloka Andriamanitra’ no hafany. Tamin’izay no nipoitra ny fitahiana vokatry ny fahatokian’i Corrie ten Boom.

“Nanatona azy ny lehilahy iray. Tadidiny fa iray tamin’ireo mpiambina tena ratsy fanahy indrindra tao am-ponja io. ‘Nanonona ny Ravensbrück ianao tao amin’ny valan-dresakao,’hoy izy. ‘Mpiambina tao aho. … Saingy hatramin’izay fotoana izay … dia lasa Kristianina aho.’ Nanazava izy fa nikatsaka ny famelan-keloka avy amin’ Andriamanitra izy noho ireo zavatra mahatsiravina nataony. Nanolotra ny tanany izy ary nanontany hoe: ‘Hamela ahy ve ianao?’

“Dia nilaza i Corrie ten Boom hoe:

“‘Toa tsy segondra vitsivitsy no nitsanganany teo—niaraka tamin’ny tanany izay natolony—fa ho ahy dia toa naharitra ora maro izany raha nitolona tamin’ny zavatra sarotra indrindra ho ataoko amin’ny fiainako aho.

“‘… Misy fepetra … ilay hafatra hoe mamela heloka Andriamanitra: dia ny hamelantsika ireo izay nandratra antsika. …

“‘… “Ampio aho!” Hoy aho nivavaka mangina. “Afaka maninjitra ny tanako aho. Vitako raha izany. Ianao no hanome ny fahatsapana.”

“‘… Nandray ho azy tamin-kery ilay tanana izay natolotra ahy aho. Rehefa nanao izany aho dia nisy zavatra mahagaga nitranga. Nisy fahatsapana mahery nanomboka tany amin’ny soroko, nihazakazaka nidina ny tanako ka niditra tamin-kery tao amin’ny tananay izay nifandray. Dia toa nameno tanteraka ny vatako iray manontolo izany fahatsapana mahamay izany ka nitondra ranomaso teo amin’ny masoko.

“‘“Mamela anao aho, rahalahy!” Hoy aho. “Amin’ny foko manontolo.”

“‘Nifandray tanana nandritra ny fotoana ela izahay, dia ilay mpiambina taloha sy ilay voafonja taloha. Tsy mbola nahafantatra ny fitiavan’ Andriamanitra tamin’ny fomba mahery vaika toy ny tamin’izay fotoana izay aho.’ [Corrie ten Boom, Tramp for the Lord (1974), 54–55.]” (Keith B. McMullin, “Ny lalan’ny adidintsika,” Ensign na Liahona, mey 2010, 13).

Inona no ampianarin’io tantara io mikasika ny famelana heloka?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:39–40, ary tadiavo ny Lalàn’ny Tompo momba ny Famelan-keloka.

Araka ireo andininy ireo, inona no tokony ataontsika rehefa mangataka ny famelantsika ny olona iray?

Ny andian-teny hoe “hatrany amin’ny fitopolo impito” ao amin’ny andininy 40 dia milaza fa tokony hamela ny hafa hatrany hatrany isika araka izay ilaina rehefa mibebaka sy mikatsaka ny famelantsika aorian’ny fanafintohina na fandratrana antsika izy ireo. (Na dia nodidiana ny hamela aza isika, dia tsy midika izany fa tokony hamela ny hafa hanohy ny fandratrana antsika isika.)

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:41–43, ary karohy ny fahamarinana fanampiny nampianarin’ny Tompo ny Olomasina mikasika ireo fahavalo izay mandiso azy ireo ary tsy mibebaka.

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny famintinana ny Lalàn’ny Tompo momba ny Famelan-keloka eo ambanin’ny hoe “Ny Lalàn’ny Tompo momba ny Famelan-keloka.”

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny hevitrao no nomena didy isika ny hamela ny hafa na dia tsy mangataka famelana aza izy ireo?

    2. Nahoana no nomena didy isika ny hamela ny fahavalontsika?

Eritrereto ny zavatra azonao atao amin’ny fiainanao mba hanarahana ny Lalàn’ny Tompo momba ny Famelan-keloka.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:44–48, dia mampanantena ny Tompo fa raha mibebaka ny fahavalon’ny Olomasina, dia tsy hiharan’ny famaliana avy Aminy.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy