Seminera
Fizarana 3: Andro 1, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3; 10


Fizarana 3: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 310

Fampidirana

Teo anelanelan’ny tapatapaky ny volana aprily sy ny tapatapaky ny volana Jona 1828 teo ny Mpaminany Joseph Smith no nandika ny takela-bolamena raha mbola nipetraka tao Harmony, Pennsylvanie. Lehilahy iray mpamboly sy mpiompy sady mpandraharaha nanan-karena antsoina hoe Martin Harris no mpitan-tsoratra raha nandika ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith. Zokin’i Joseph 22 taona i Martin ary nanome 50 dôlara (izay vola be ihany tamin’izany fotoana izany) ho an’i Joseph sy Emma mba hifindran’izy ireo ho any Harmony izay nonenan’ny fianakavian’i Emma, ka nanampy teo amin’ny fanohanana an’i Joseph raha nandika ireo takelaka izy. Tamin’ny febroary 1828, dia navelan’i Joseph hitondra ny tahadikan’ireo endri-tsoratra avy tao amin’ny takelaka i Martin mba ho porofoin’ny profesora roa tao New York City (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:63–65). Lasa niahiahy fatratra i Lucy Harris, vadin’i Martin, mikasika ny fahalianan’ny vadiny sy ny fandraisany anjara ara-bola teo amin’ny fandikana ireo takelaka. Nanomboka nanery an’i Martin mihitsy izy sy ny olona maro hafa mba hanaporofoany ny fisian’ireo takelaka. Mba hampitoniana ny ahiahin’izy ireo, tany amin’ny tapaky ny volana jona, dia nangataka an’i Joseph i Martin mba hamela azy hitondra ireo soratanana 116 pejy izay efa voadikan’izy ireo mba haseho ka hatao porofo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1–3

Nianatra i Joseph Smith fa tsy azo sakanana ny asan’ Andriamanitra

Mieritrereta fotoana maromaro izay nahatonga anao nalaim-panahy hihaino ny torohevitry ny namana iray fa tsy hihaino ny torohevitry ny Ray any An-danitra na ny didiny. Ohatra hoe mety nalaim-panahy ianao hamela namana iray handika ny enti-modinao, na nalaim-panahy hijery horonan-tsary tsy mendrika tao amin’ny internet niaraka tamin’ireo namanao. Nahoana indraindray no sarotra ny manohitra ireo namana rehefa miangavy anao izy ireo hanao zavatra izay efa fantatrao fa ratsy?

Tamin’ny tapatapaky ny volana Jona 1828, dia nahavita nandika ireo soratanana 116 takila avy tao amin’ireo takela-bolamena ny Mpaminany Joseph Smith niaraka tamin’i Martin Harris izay nitantsoratra. Niangavy an’i Joseph i Martin mba hamela azy hitondra ny pejy voadika mba “hovakiany amin’ireo namany ary [angamba] mba ho afaka handresy lahatra azy ireo momba ny fahamarinana izy” (Histories, Volume 1: Joseph Smith Histories, 1832–1844, vol. 1 of the Histories series of The Joseph Smith Papers [2012], 15). Nanadina ny Tompo i Joseph nitondra ny fangatahan’ny Martin saingy nolazaina azy fa tsy tokony hiala eo am-pelatanany ireo pejy voadika. Noresen’i Martin lahatra i Joseph hanontany indray—izay nitondra tamin’ny fandavan’ny Tompo fanindroany. Voataonan’i Martin i Joseph hanontany indray mandeha indray, ary tamin’ity fangatahana fanintelony ity dia nomen’ny Tompo lalana i Martin hitondra ireo pejy voadika raha toa ka vonona izy ny tsy hampiseho izany afa-tsy amin’ny vadiny sy olona vitsy voafantina ao amin’ny fianakaviany. Na dia izany aza dia nandika ny fianianany i Martin ary very ireo soratanana. Koa satria tsy nanaiky ny torohevitry ny Tompo tamin’ny voalohany i Joseph fa nanolotra “izay masina ho eo an-tanan’ny lehilahy ratsy” (F&F 3:12), dia nalain’i Môrônia tany amin’ny Mpaminany ireo takelaka sy ny Orima ary ny Tomima. Na dia izany aza dia nolazaina tamin’i Joseph fa afaka mahazo ireny indray izy raha manaiky ho “mpanetry tena sy hibebaka” (Lucy Mack Smith, History of Joseph Smith by His Mother, ed. Preston Nibley [1958], 134).

Sary
Martin Harris

Eritrereto izay zavatra fantatrao mikasika an’i Martin Harris sy ny zavatra rehetra nataony ho an’i Joseph Smith, nahoana araka ny hevitrao no nisisika nanontany an’ Andriamanitra i Joseph hoe moa ve azon’i Martin Harris entina ireo pejy voadika, na dia efa nanome valiny mazava aza Andriamanitra tamin’ireo fotoana roa voalohany nangatahany?

Taorian’ny nahaverezan’ireo 116 takila dia nahatsapa fitaintainan’ny fanahy fatratra ny Mpaminany. Tamin’ny Jolay 1828, dia namerina vetivety ny Orima sy Tomima tamin’i Joseph i Môrônia mba ho an’ny tanjona iray dia ny handraisana ilay fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1–3, dia asio marika ny fahamarinana iray izay nambaran’ Andriamanitra tamin’ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ireo andininy ireo.

Mianatra avy amin’ireo andininy ireo isika fa tsy azo sakanana ny tanjon’ Andriamanitra. Mety hanampy anao ny mahatakatra fa araka ny ampiasana azy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1, ny teny hoe sakanana dia midika hoe manao izay tsy hahatanteraka.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nahafahan’io fahamarinana io nankahery an’i Joseph Smith tamin’izany fotoana izany. Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ho an’ireo izay mirotsaka amin’ny fanompoana ny Tompo ny mahatakatra ihany koa fa tsy azo sakanana ny tanjon’ Andriamanitra?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:4–15

Nobedesin’ny Tompo i Joseph Smith ary namporisihany mba hibebaka

Na dia nanome toky an’i Joseph aza ny Tompo, dia tiany ho takatr’ilay mpaminaniny vao herotrerony ihany koa ireo fahadisoana vitany sy ny vokatr’ireo fahadisoana ireo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:4–6 ary tadiavo ireo teny sy andian-teny izay mety ho mafy tamin’i Joseph Smith ny nihaino azy.

Vakio indray izao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:12–15, ary tadiavo hoe nahoana no heloka lehibe teo imason’ny Tompo ny zavatra vitan’i Joseph. Mety hanampy ny mahatakatra ny tian’ny Tompo holazaina rehefa niantso an’i Martin Harris hoe “lehilahy ratsy” Izy (F&F 3:12). Tsy hoe lehilahy tia fahotana na tsy mpibebaka na maloto fitondrantena akory i Martin. Fa lehilahy izay nanota tamin’ny nileferany tamin’ny fahalemena tao amin’ny tenany ihany, anisan’ izany ny hambom-po. Jereo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:13 ny antony izay nomen’ny Tompo ka manazava ny maha-ratsy an’i Martin.

Nampahatsiahy an’i Joseph ny Tompo ny amin’izay tokony ho nataony rehefa niharan’ny faneren’i Martin Harris. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:7, dia fenoy miainga avy amin’ny torohevitra nomen’ny Tompo ho an’i Joseph Smith ity fahamarinana manaraka ity: Isika dia tokony hatahotra an’ Andriamanitra mihoatra ny . Azonao atao ny manisy marika ireo teny na andian-teny ao amin’ny andininy 7 izay mampianatra io fitsipika io.

Ity fanazavana manaraka ity izay nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa io fahamarinana io:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Misy toerana maro ao amin’ny soratra masina izay manoro hevitra ny olombelona mba hatahotra an’ Andriamanitra. Amin’izao androntsika izao dia matetika adikantsika hoe “fanajana” na “fanajana lalina” na “fitiavana” ny teny hoe fahatahorana, noho izany, midika hoe fitiavana an’ Andriamanitra na fanajana Azy sy ny lalàny ny fahatahorana an’ Andriamanitra. Mety ho marina izany matetika raha vakina kanefa manontany tena aho raha toa ka tsy midika hoe fahatahorana tokoa ny fahatahorana indraindray, toy ny rehefa miresaka momba ny fahatahorana hanafintohina an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandikana ny didiny ny mpaminany. …

“… Tokony hitia sy hanaja azy fatratra isika ka hatahotra amin’ny fanaovana na inona na inona ratsy eo imasony, na inona na inona mety ho fihevitra na fanerena ataon’ny hafa” (“A Sense of the Sacred” Takariva amorom-patana ho an’ny tanora mpitovo sy mpivady vao herotrerony an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 7 nôv. 2004, 6–7).

  1. Hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe ahoana no ahafahan’ny fahatahorana izay midika hoe fitiavana sy fanehoam-panajana, ary fahatahorana sao hampalahelo an’ Andriamanitra, araka izay nohazavain’ny Loholona Christofferson, manampy antsika haka fanapahan-kevitra tsara na dia iharan’ny faneriteren’ny hafa aza.

Nolazaina tamin’i Joseph Smith izay ho nataon’ Andriamanitra raha toa ka nihaino ny valinteniny voalohany i Joseph tamin’ny fangatahan’i Martin Harris. Asio marika io fanomezan-toky io ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:8.

  1. Araka izay nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:8, dia fenoy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fitsipika hoe “raha toa ka–dia” ity: Raha toa ka mahatoky amin’ny didin’ny Tompo isika, dia …

Mieritrereta fotoana iray na maro izay nifidiananao hanaraka ny didin’ny Tompo fa tsy ny fandresen-dahatra na fitarihan’ny olon-kafa. Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny fahatanterahan’io fampanantenana io teo amin’ny fiainanao?

  1. Tany amin’ny fiandohan’ity lesona ity ianao dia nangatahana mba hieritreritra mikasika ny toe-javatra izay mety hahatonga anao halaim-panahy hihaino namana iray toy izay ho mpankatò ny Ray any An-danitra. Hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’io fahamarinana nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:8 io manampy anao rehefa alaim-panahy ianao na mahatsiaro faneriterena hanao zavatra izay fantatrao fa tsy mety.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:9–11, ary tadiavo ilay fampanantenana nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith na dia teo aza ny halehiben’ireo fahadisoana nataony. Eritrereto ny fomba hiharan’io fampanantenana io amintsika rehefa manota isika na manao fahadisoana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:16–20

Nanazava ny tanjony amin’ny Bokin’i Môrmôna ny Tompo

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:16–20 no hanazavana ireo tanjon’ny Tompo mikasika ny Bokin’i Môrmôna. Vakio ireto andininy ireto, ary tadiavo hoe nahoana no zava-dehibe tokoa amin’ny Tompo sy ho an’ny vahoakany ny asa izay nataon’i Joseph Smith.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:1–4

Naverin’ny Tompo indray tamin’i Joseph ny fanomezam-pahasoavana handika teny

Fotoana kely taorian’ny namerenana tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ireo takelaky ny Bokin’i Môrmôna sy ny Orima sy Tomima, dia nahazo torolalana avy tamin’ny Tompo izy mikasika izay tokony ho ataony amin’ilay ampahany amin’ireo takelaka mifandraika tamin’ireo pejy voadika izay very. Nodidian’ny Tompo i Joseph mba tsy handika io ampahany io intsony, ary nambarany ihany koa ny tetik’i Satana handravana ny asan’ Andriamanitra. Avy eo Izy dia nandidy an’i Joseph mba handika ireo takelaka kelin’i Nefia izay ho ampiasaina mba hanoloana ny zavatra tao amin’ireo pejy 116 izay very, ary nanazava ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna sy ny anjara asan’izany eo amin’ny fanorenana ny Fiangonany.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:1–2 ny Tompo dia nampahatsiahy an’i Joseph ny antony nanalana taminy ny fahefana handika teny sy ny zavatra nitranga vokatry ny hadisoany. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:3–4 ary mitadiava torohevitra izay nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith raha vao nanomboka namerina nandika indray izy.

Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fanenenan’i Joseph Smith mikasika ny fahaverezan’ny soratra voadika teo amin’ny faniriany hiasa mafy kokoa teo amin’ny fiezahany handika teny? Fantatry ny Tompo fa nanana laharam-pahamehana i Joseph Smith teo amin’ny fiainana, toy ny fikarakarana ny vadiny sy ny asa fivelomana, ka dia notoroiny hevitra izy mba tsy hiasa na handika teny mihoatra ny hery nananany. Ahoana no fomba ahafahanao mahazo fitarihana avy amin’ilay torohevitra hoe tsy mihazakazaka mihoatra ny hery anananao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5–37

Nikatsaka ny handrava an’i Joseph Smith sy ny asan’ Andriamanitra i Satana

Ahoana no fomba ahafahan’ny fandri-boalavo tahaka ity eto amin’ny sary ity maneho ny tanjon’i Satana mikasika antsika?

Sary
fandri-boalavo misy frômazy

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5, ary tadiavo hoe inona no nasain’ny Tompo nataon’ny Mpaminany Joseph Smith mba hahafahany miala amin’ny fandrik’i Satana. (Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5 dia andinin-tsoratra masina fehezina.)

Fenoy miainga avy amin’ny zavatra ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5 mikasika ireo fitahiana azo avy amin’ny vavaka ity fitsipika ity: Rehefa mivavaka foana isika dia . Azonao atao ny manisy marika ireo teny na andian-teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5 izay mampianatra io fitsipika io.

Nampitandrina an’i Joseph ny Tompo mikasika ny fandrika napetrak’i Satana mba hamotehana ny Mpaminany sy ny asan’ Andriamanitra. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:6, 10–19 ary jereo ny drafitr’ireo olon-dratsy izay nahazo ireo soratra voadika izay nentin’i Martin Harris tany an-tranony.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:20–29 ny Tompo dia niresaka mikasika ny fitaoman’i Satana teo amin’ireo olona nangalatra ireo soratra voadika 116 pejy. Nambarany ihany koa ny tanjon’i Satana. Avy amin’ireo andininy ireo no ianarantsika fa maniry ny hanimba ny asan’ny Tompo sy ny fanahintsika i Satana.

  1. Ahoana no fomba ahafahan’ny fahafantarana ny tanjon’i Satana sy ny fomba fiasany manampy antsika hanalavitra sy hiala amin’ireo fandrika apetrany? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny drafitra iray ahitana ny zavatra izay azonao atao hanalavirana sy hialana amin’ny fandrika apetrany, toy ny fialana amin’ny fijerena sary mamoafady raha toa ka miseho tampoka eo anoloanao izy ireny, na ny tsy fandehanana any amin’ireo toerana izay fantatrao fa tokony hohalavirinao.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:30–37 isika dia mianatra fa noho ny drafitr’ireo olon-dratsy izay mitetika ny hamotika ny asan’ Andriamanitra sy ny lazan’i Joseph Smith, dia nandidy ny Mpaminany ny Tompo mba tsy handika intsony ilay ampahany amin’ireo takelaka izay hita ao amin’ireo pejy efa very.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:38–45

Nandidy an’i Joseph Smith handika ireo takelak’i Nefia ny Tompo

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:38–42, ary tadiavo izay nasain’ny Tompo nadikan’i Joseph Smith ho solon’ilay ampahany tamin’ireo takelaka izay efa voadika tao amin’ilay dikanteny very.

Ilay antontan-taratasy very dia nahitana ny fandikana ny bokin’i Lehia, izay tao anatin’ny famintinana nataon’i Môrmôna mikasika ireo takelaka lehibe an’i Nefia (mahafaoka ny taona 600 talohan’i J.K. ka hatramin’ny 130 talohan’i J.K.). Nentanim-panahy i Nefia hanoratra ny takelaka kelin’i Nefia ary nentanim-panahy i Môrmôna hampiditra ireo takelala kelin’i Nefia ho ao anatin’ny rakitsorany noho ny “fikasana hendry,” izay tsy mbola takatr’izy ireo tsara akory tamin’izany fotoana izany (jereo ny 1 Nefia 9:5; Tenin’i Môrmôna 1:3–7). Ireo takelaka kelin’i Nefia dia mahafaoka vanimpotoana mitovitovy amin’ny bokin’i Lehia (manomboka ny taona 600 talohan’i J.K. ka hatramin’ny 130 talohan’i J.K.).

Ahoana no fomba ahafahanao mametraka fitokisana tanteraka kokoa amin’ Andriamanitra noho ny fahalalana fa nanomana lalana iray Andriamanitra hanoloana ny soratanana 116 takila very, efa arivo taona maro mialoha ny nahaverezan’izy ireo?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:46–70

Nanazava ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna ny Tompo sy ny anjara asan’izany eo amin’ny fanorenana ny Fiangonany

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:46–70 isika dia mianatra fa novalian’ny Tompo ny vavaka feno finoana izay nataon’ireo Nefita mpianany, tamin’ny alalan’ny fiarovana sy ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna amin’izao androntsika izao. Nampianatra an’i Joseph Smith Mpaminany ny Tompo fa ny Bokin’i Môrmôna dia “mitondra eo amin’ny mazava ireo lafiny marina amin’ny fotopampianarany” (F&F 10:62). Tamin’ny alalan’ny fanorenana teo ambonin’ireo lafiny amin’ny fotopamapianarany ireo no nananganan’ny Mpamonjy ny Fiangonany amin’izao andro farany izao.

Sary
scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5

  1. Avereno vakiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5 ary soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina avy eo ny fotoana iray izay nanampian’ny vavaka anao handresy an’i Satana.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3; 10 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy