Seminera
Fizarana 24: Andro 1, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109


Fizarana 24: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109

Fampidirana

Niasa efa ho telo taona ireo Olomasina mba hamitana ny Tempolin’i Kirtland. Rehefa tontosan’izy ireo izany dia nambaran’ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ilay vavaka izay hatolotra tamin’ny fanokanana ny tempoly. Novakian’ny Mpaminany ho ampahany amin’ireo fotoam-bavaka fanokanana ilay vavaka tamin’ny 27 martsa 1836. Nangataka ny Tompo izy mba hanaiky ilay tempoly sy hanatanteraka ireo fampanantenana izay nataony mikasika azy io, anisan’izany ny fiarovana sy ny fitahiana ireo izay mivavaka ao. Nivavaka ho an’ireo Olomasina izay nenjehina tany amin’ny Fivondronan’i Jackson izy, ary nivavaka ho an’ireo mpanenjika ihany koa izy. Nivavaka koa izy ny mba hiovan’ny olona manerana izao tontolo izao fo ho amin’ny fahafenoan’ny filazantsara, indrindra i Isiraely miely patrana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:1–23.

Nangataka ny Tompo i Joseph Smith mba hanaiky ny Tempoly sy hitahy ireo rehetra izay mivavaka ao.

Fantatrao ve hoe aiza avy no misy ireo tempoly ireo? Ampifandraiso amin’ny toerana misy azy ny sarin’ny tempoly tsirairay. (Ny valiny dia hita any amin’ny faran’ity lesona ity.)

  1. Sary
    Tempolin’i Salt Lake

  1. Hong Kong, Sina

  1. Sary
    Tempolin’i Hong Kong Sina

  1. Salt Lake City, Utah

  1. Sary
    Tempolin’i Tegucigalpa Honduras

  1. São Paulo, Brésil

  1. Sary
    Tempolin’i São Paulo Brazil

  1. Kirtland, Ohio

  1. Sary
    Tempolin’i Kirtland

  1. Tegucigalpa, Honduras

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana ireo Olomasina amin’ny Andro Farany no manorina tempoly? Manoratà valiny vitsivitsy ho an’io fanontaniana io. Amelao toerana asiana valiny ao aoriana kely mandritra ity lesona ity.

Afaka mahita valiny ho an’io fanontaniana io ianao amin’ny alalan’ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109, izay mirakitra ny vavaka nataon’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny fanokanana ny tempoly tao Kirtland Ohio.

Taorian’ny asa mafy sy ny fahafoizan-tena nandritra ny telo taona mba hanorenana ny Tempolin’i Kirtland, dia hitan’ireo Olomasina ny fahatanterahan’ny fampanantenan’ny Tompo hoe raha mitandrina ny didiny izy ireo, dia “hanan-kery hanorenana izany” (F&F 95:11). Tamin’ny 27 Martsa 1836 dia nanatrika ny fanokanana ny tempoly ireo mpikamban’ny Fiangonana, ary nanao ny vavaka fanokanana ny Mpaminany Joseph Smith. Efa ho 1.000 ny isan’ny olona nanatrika ilay fotoam-panokanana. Mbola maro hafa no naniry ny hanatrika, kanefa tsy tafiditra tao amin’ilay trano. Nataon’ny Mpaminany izay ahafahan’izy ireo manatrika fivoriana ao amin’ny trano fivoriana iray hafa, ary naverina ho azy ireo ilay fotoam-panokanana andro vitsivitsy taty aoriana.

Efa nanatrika fanokanana tempoly ve ianao? Alaivo sary an-tsaina hoe manatrika ny fotoam-panokanana ny Tempolin’i Kirtland ianao: Io no tempoly voalohany naorina taorian’ny tamin’ny andro taloha. Efa nandrasanao hatry ny ela io andro io. Misy hira fanombohana hirain’ny amboarampeo. Avy eo dia manao lahateny i Sydney Rigdon, mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Rehefa niato kely dia manana fahafahana ianao hanohana ireo mpitarika ny Fiangonana. Dia mitsangana ny Mpaminany Joseph Smith avy eo ka mamaky ilay vavaka fanokanana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:1–4, ary tadiavo ny antony voalohany nananganan’ireo Olomasina ny tempoly. Marihina fa ankehitriny, tahaka ny tamin’ny fotoana vao nananganana ny Fiangonana, dia mandidy antsika ny Tompo mba hanorina tempoly.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:5, ka tadiavo ireo andian-teny izay milazalaza momba ny fahafoizan-tena nataon’ireo Olomasina mba hanorenana ny tempoly. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Sary
Ny Tempolin’i Kirtland eo andalam-panorenana

Teo anelanelan’ny volana Jona 1833 sy ny volana Martsa 1836 dia nahafoy fotoana, vola sy fananana ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hanampiana amin’ny fanorenana trano ho an’ny Tompo. Niasa an-tsitrapo tamin’ny asa fanorenana ireo lehilahy. Ireo vehivavy dia nanamboatra fitafiana, nanome fialofana, ary rehefa maro tamin’ireo lehilahy no tsy teo an-toerana noho ny Tobin’i Ziona mba hanampy amin’ny fiatrehana ireo olana tany Missouri, dia nisy vehivavy sasantsasany nanohy ny asan’ny tempoly. Ny Olomasin’ny Andro Farany sasany, toa an’i John Tanner sy i Vienna Jacques dia nanome betsaka tamin’ny hareny ho fanorenana ny tempoly.

Rehefa nandroso ny fanorenana, dia hitan’ireo Olomasina fa nila zavatra atao solon’ny biriky izy ireo ho an’ny ivelan’ny tempoly. Nisy nilaza fa ny mpandrafitra vato iray antsoina hoe Artemus Millet dia nanana ny talenta nilaina mba hamitana ny ivelan’ny tempoly tamin’ny fampiasana ny vatobe tamin’ny fanorenan-trano. Nipetraka tany Kanadà anefa i Artemus sady tsy mpikamban’ny Fiangonana izy. Niantso an’i Brigham Young i Joseph Smith mba handeha any Kanadà hampianatra sy hanao batisa an’i Artemus ary hitondra azy any Kirtland mba hanampy amin’ny fanorenana ny tempoly. Avy eo dia hoy ny Mpaminany hoe: “Ary teneno izy mba hitondra vola arivo dôlara miaraka aminy” (voalaza ao amin’ny M. Russell Ballard, “What Came from Kirtland” [Fampaherezampanahin’ny Oniversite Brigham Young, 6 nôv. 1994], 8–9; speeches.byu.edu). Nankatò i Brigham. Nisafidy ny hatao batisa i Artemus, ary nandao ny fonenany tany Kanadà tamim-pahafoizan-tena lehibe izy mba hanampy amin’ny fanorenana ny tempoly.

Sary
drafitra jerena avy ety ambony

Drafitra jerena avy ety ambony maneho ny rihana ambanin’ny Tempolin’i Kirtland

Ny fitambaran’ny vola lany tamin’ny tempoly dia manakaiky ny 60.000 dôlara—izay vola tsy mampino tamin’izany fotoana izany, indrindra raha eritreretina ny fahantran’ireo Olomasina.

  1. Inona no manaitra anareo momba ireo fahafoizan-tena nataon’ny Olomasina mba hananganana ny tempoly? Vakio indray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana109:5 ka mitadiava fahamarinana mikasika ny tempoly izay manazava ny antony nahavonona ireo Olomasina hanao fahafoizan-tena lehibe mba hanorenana azy. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izany fahamarinana izany.

Eritrereto hoe inona no dikan’ny hoe ny Tompo dia “haneh[o] ny tenany amin’ny vahoakany” (F&F 109:5). Ny teny hoe maneho dia midika hoe manambara na mampahafantatra. Ho an’ny olona sasany, dia tafiditra tao anatin’izany koa ny fisehoana ara-batana. Amin’ireo izay manatrika ny tempoly amim-pahamendrehana, dia maneho ny tenany Izay amin’ny alalan’ny Fanahy Masina sy ireo Fotopampianarana izay ampianarina any ka manampy antsika hahafantatra Azy. Afaka maneho ny tenany amin’ny vahoakany any ivelan’ny tempoly ihany koa ny Tompo, kanefa ny tempoly no toerana izay ahafahan’ireo izay mendrika mahatsapa mandrakariva ny fitaomany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:12–13, ka mitadiava andian-teny izay manampy anao hahatakatra ny fomba ahafahan’ny Tompo maneho ny tenany aminao ao amin’ny tempoly. Asio marika ireo andian-teny izay manan-danja indrindra aminao.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fotoana izay nahatsapanao fa akaiky ny Tompo ianao tao amin’ny tempoly. Raha tsy mbola tany amin’ny tempoly ianao, dia manorata mikasika ny zavatra antenainao ho tsapa rehefa manana fahafahana mankany amin’ny tempoly ianao.

Saintsaino hoe ahoana no hampiova ny fiainanao ivelan’ny tempoly rehefa mahatsapa ho akaikin’ny Tompo ianao ao amin’ny tempoly. Avy eo dia halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:14–23, ka tadiavo ireo fitahiana fanampiny izay ampanantenaina an’ireo izay mivavaka ao amin’ny tempoly. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:22–23 ny hoe ny fandraisana ireo fitahian’ny tempoly dia manome antsika hery sy fanampian’ny Tompo rehefa manompo Azy isika. Azonao atao ny mampiditra izany ao amin’ilay lisitry ny antony hananganantsika tempoly ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina.

Inona araka ny eritreritrao ny dikan’ny hoe “mitondra ny [herin’ Andriamanitra] ho fiadiana” (F&F 109:22)? Diniho ity teny nambaran’ny Loholona Joseph B. Wirthlin ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary tadiavo ilay karazana hery izay tonga amintsika rehefa mivavaka ao amin’ny tempoly isika: “Ao amin’ny tranon’ny Tompo,dia afaka ny ho tafiana ‘hery avy any ambony,’ ireo mpikamban’ny Fiangonana mahatoky, [F&F 95:8] hery izay hahatonga antsika ho afaka hanohitra ny fakam-panahy, sy hanatanteraka ireo fanekempihavanana, hankatò ireo didin’ny Tompo, ary hanao fijoroana ho vavolombelon’ny filazantsara mahery vaika sy tsisy tahotra amin’ny fianakaviana, namana, ary mpiray monina” (“Cultivating Divine Attributes,” Ensign, nôv. 1998, 27).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no fomba itahian’izany karazana hery izany anao sy ny fianakavianao?

    2. Ahoana no hahatongavan’ izany ho fitahiana ho an’ireo misiônera?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:24–34

Nivavaka ny Mpaminany mba hiarovan’ny Tompo sy hitahiany ireo olona izay nitsaoka tao amin’ny tempoly

Jereo ireo sary nampiarahana tamin’ny lesona izay ahitana sotron-tsokay sy sabatra. Ny sotron-tsokay dia fitaovana ampiasaina mba handalorana feta eny anelanelan’ny biriky na vato. Ahoana no mety hampiasana ireo fitaovana tsirairay ireo mba hanorenana tempoly?

Sary
sotron-tsokay sy sabatra

Nandritra ny fanorenana ny Tempolin’i Kirtland, dia nandrahona ny hanimba ny rindrin’ny tempoly ireo mpihetraketraka. Ny Filoha Brigham Young dia niresaka momba ireo “mpiasa nanao rindrina, izay nihazona ny sabatra tamin’ny tanana ilany mba hiarovana azy ireo tamin’ny mpihetraketraka, raha toa ka ny tanana ilany kosa nametraka vato sy nandalorana” (Discourses of Brigham Young, nofantenin’i John A. Widtsoe [1954], 415). Indraindray ireo lehilahy izay niasa tao amin’ny tempoly mandritra ny andro dia voatery niambina izany koa mandritra ny alina.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:24–28, ka tadiavo ny karazana fiarovana nangatahin’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny Tompo.

Jereo ao amin’ny andininy 24 ilay andian-teny hoe “hitazona amim-panajana ny anarany sy ny toerany.” Izany dia milaza fa ilaina ny fahamendrehana mba hivavahana amin’ny Tompo ao amin’ny tempoly sy hahatongavana ho marina amin’ireo fanekempihavanana izay ataontsika any.

Fenoy avy amin’ny zavatra novakianao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:24–28 ity fitsipika manaraka ity: Raha mendrika isika sady mitsaoka ny Tompo ao amin’ny tempoly, dia . (Mety hahita fomba maro ianao hamenoana ity teny nambara ity. Ohatra, mety hahita ianao fa ny iray amin’ireo fitahian’ny fitsaohana any amin’ny tempoly dia ny hoe “tsy hisy fiadiana voamboatra hamelezana antsika ka hiroborobo” [F&F 109:25]. Azonao atao ny manampy io fitsipika io sy fitsipika hafa amin’ilay lisitry ny antsony hanorenantsika tempoly.)

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:29–34, ny fomba nivavahan’ny Mpaminany Joseph Smith mba hangaihay ireo izay manaparitaka lainga momba ny Olomasina ary mba hahafahan’ireo mpikamban’ny Fiangonana hitsangana sy hanao ny asan’ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:35–67.

Mivavaka ho an’ireo mpitarika ny Fiangonana i Joseph Smith, sy ho an’ireo Olomasina any Missouri, sy ho an’ireo mpanenjika ny Olomasina, ary mba hihaino ny misiônera ireo firenena ety ambonin’ny tany.

Niandrandra ilay fanafiana hery sy voninahitra izay nampanantenaina azy ireo ny Olomasina mba ho vokatry ny fanorenana ny Tempolin’i Kirtland. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:35–46, dia nitalaho tamin’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith mba hamenoany ny tempoly amin’ny voninahiny sy hanomezany ho an’ireo mpanompony ny fijoroana ho vavolombelona sy hery izay ilain’izy ireo mba hanambarany ny filazantsara.

Sary
anjely ao amin’ny Tempolin’i Kirtland

Tamin’ny takarivan’ny 27 Martsa 1836, taorian’ny fanokanana ny tempoly, dia nivory tao amin’ny tempoly ireo kôlejin’ny fisoronana. Niteny i Joseph Smith fa “nanome azy ireo torolalana mifandraika amin’ny fanahin’ny faminaniana, ary niantso ny daholobe mba hiteny. …

“Nitsangana Rahalahy George A. Smith ary nanomboka naminany, tamin’izay no nandrenesana kotaba toy ny feon’ny rivotra mifofofofo, izay nameno ny Tempoly, ary ny mpanatrika rehetra dia niara-nitsangana avokoa, nentanin’ny hery tsy hita maso, ary maro no nanomboka niteny tamin’ny fiteny sy faminaniana; ny hafa nahita fahitana feno voninahitra; ary hitako fa feno anjely ny Tempoly, ary nambarako tamin’ny mpanatrika izany. Niara-nihazakazaka ireo olona teo amin’ny manodidina (naheno feo tsy mahazatra tao anatin’izany, azy nahita hazavana mamiratra tahaka ny andry afo nipetraka teo ambonin’ny Tempoly), ka gaga tamin’izay zava-nitranga” (ao amin’ny History of the Church, 2:428). Mitantara zava-nitranga mitovitovy amin’izany ny Testamenta Vaovao teo anivon’ireo Olomasina mahatoky izay niangona fotoana fohy taorian’ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Izany trangan-javatra izany, izay matetika antsoina hoe andron’ny Pentekôsta, dia voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apôstôly 2. Azonao atao ny mampifandray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:36–37 amin’ny Asan’ny Apôstôly 2:2–3.

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:47–67, fa i Joseph Smith dia nivavaka ho an’ireo Olomasina izay noroahina hiala tao amin’ny tranony tany Missouri ary nivavaka izy ho an’ireo izay nampahory azy ireo. Nivavaka koa izy mba hanalefahan’ny Tompo ny fon’ireo olona ety an-tany mba handraisan’izy ireo ny mpanompo izay handeha hiala avy ao amin’ny tempoly mba hitory ny filazantsara.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:68–80

Mivavaka ho an’ny Fiangonana ny Mpaminany sy ny mba haneken’ny Tompo ny fanokanana ny tempoly.

Hadihadio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:68–69, 71–73, 78–80, ka mitadiava fangatahana fanampiny izay nataon’ny Mpaminany ao amin’ilay vavaka fanokanana.

  1. Tanisao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sasany amin’ireo fangatahana nataon’ny Mpaminany tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Avy eo dia soraty ireo tombontsoa izay eritreretinao fa mety ho azo avy amin’ny fampidirana ireo fangatahana ireo ao amin’ny vavakao.

Raha manana boky fihirana an’ny Fiangonana ianao dia sokafy ny “Fanahin’ny Ray” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 56). Nohiraina tamin’ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland io hira io, vao vita ilay vavaka fanokanana (jereo ny fanamarihana eo ambanin’ilay hira). Mbola hiraina hatrany io hira io amin’ny fanokanana tempoly amin’izao fotoana izao. Henoy, vakio na hirao ilay hira.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109 ary nahavita io lesona io ny daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy