Seminera
Fizarana 32: Andro 2, Filazana ôfisialy 2


Fizarana 32: Andro 2

Filazana Ôfisialy 2

Fampidirana

Nandritra ny taonjato faha roapolo ny asa fitoriana dia niparitaka eran-tany. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia mivavaka mba hahazo fitarihana mikasika ny famerana ny ordônansy ao amin’ny fisoronana sy ny ôrdônansy atao ao amin’ny tempoly ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny taranaka Afrikanina. Nisy fanambarana farany tonga tamin’ny Filohan’ny Fiangonana Spencer W. Kimball ary nohamafisina tamin’ireo mpanolotsaina azy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ary ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tao amin’ny Tempolin’ny Salt Lake izany ny 1 jona 1978. Tamin’ny taratasy iray ny 08 jona no nilazana ny fanambarana.

Filazana Ôfisialy 2

Manambara ny Tompo fa ny fisoronana sy ireo fitahian’ny tempoly dia azo omena ny mpikamban’ny Fiangonana mendrika rehetra

Alao sary an-tsaina hoe manana namana iray izay Olomasin’ny Andro Farany ianao kanefa manana olana amin’ny fanontaniana sasany momba ireo Fotopampianarana sy fitsipika mifehy ary fomba fanaon’ny Fiangonana izy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Inona no hamporisihanao ny namanao mba ho ataony?

Asio marika ato anatin’ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity ireo ampahany izay manampy anao indrindra:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Ahoana ny amin’ireo ahiahy sy ireo fametraham-panontaniana? Ahoana no fomba ahafantaranao fa marina ny filazantsara? Tsy maninona va izany hoe mametra-panontaniana mikasika ny Fiangonana sy ny fotopampianarany izany? Ry tanora malala namako isany, olona mpametra-panontaniana isika satria fantatsika fa ny fanontaniana no mitondra any amin’ny fahamarinana. Izany no fomba niantombohan’ny Fiangonana—avy tamin’ny zatovolahy iray izay nanana fanontaniana maro. Raha ny marina dia tsy azoko antoka hoe afaka mahita ny fahamarinana ny olona iray raha tsy mametraka fanontaniana. Ao amin’ny soratra masina dia mahalana ianao vao afaka mahita fanambarana izay tsy azo noho ny valin’ny fanontaniana iray. Isaky ny misy fanontaniana iray mipetraka ka hoe tsy azon’i Joseph Smith antoka ny valiny, dia nanontany ny Tompo izy, ary ny vokany dia ireo fanambarana mahatalanjona hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Matetika ny fahalalana izay voarain’i Joseph dia niitatra mihoatra lavitra noho ilay fanontaniana niaingana. Izany dia satria tsy hoe mamaly izay fanontaniana apetratsika fotsiny ny Tompo, fa ny manan-danja kokoa aza dia afaka manome valiny ho antsika Izy ho an’ireo fanontaniana izay tokony ho napetratsika. Aoka isika hihaino ireny valinteny ireny.

“Ny ezaka ataon’ny Fiangonana eo amin’ny asa fitoriana dia mifototra amin’ireo naman’ny Fiangonana izay mametraka fanontaniana avy ao am-po. Ny fametrahana fanontaniana no hiavian’ny fijoroana ho vavolombelona. Mety hahatsiaro ho menamenatra na ho tsy mendrika ny sasany satria manana fanontaniana lalina mikasika ny filazantsara, kanefa dia tsy tokony hahatsiaro ho toy izany izy ireny. Ny fametrahana fanontaniana dia tsy mariky ny fahalemena; fa fiantombohan’ny fitomboana.

“Andriamanitra dia mandidy antsika hikatsaka ny valin’ireo fanontaniantsika (jereo ny Jakoba 1:5–6) ary mangataka fotsiny ny mba hikatsahantsika ‘amin-kitsimpo …, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy’ (Môrônia 10:4). Rehefa manao izany isika dia aseho amintsika ny fahamarinan’ny zava-drehetra ‘amin’ny herin’ny Fanahy Masina’ (Môrônia 10:5).

“Aza matahotra; mametraha fanontaniana. Aoka ianao ho tia karokaroka, fa aza miahiahy! Mifikira hatrany amin’ny finoana sy amin’ilay fahazavana izay efa noraisinao. Koa satria tsy lavorary ny fahitantsika mandritra ny fiainana an-tany, dia tsy ary hazava amintsika daholo akory ny zava-drehetra amin’izao fotoana izao. …

“… Afaka mitondra anao akaiky kokoa an’ Andriamanitra ny fikatsahana ny valin’ireo fanontanianao, ka mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa tsy manozongozona izany. Marina fa hoe ‘ny finoana dia tsy … fahalalana tomombana’ (Almà 32:21 fa rehefa mampihatra ny finoanao ianao, mampihatra fitsipiky ny filazantsara isan’andro na inona na inona toe-javatra misy, dia ho afaka hanandrana ireo vokatra mamin’ny filazantsara, ary amin’ireo voa ireo no hahafantaranareo ny fahamarinany (jereo ny Matio 7:16–20Jaona 7:17; Almà 32:41–43)” (“The Reflection in the Water” [Takariva amorom-patan’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 1 nôv. 2009], LDS.org).

Izao tantara manaraka izao dia maneho ny fomba nikatsahan’ny olona roa, Helvécio and Rudá Martins, ny hahazo sy hahatakatra ny fahamarinana amin’ny fametrahana fanontaniana:

Sary
Loholona Helvécio Martins

Loholona Helvécio Martins

“ Ny alina mazava iray ny tamin’ny volana aprilin’ny taona 1972 … i Helvécio Martins dia nandinika ny fikatsahan’ny fianakaviany ny fahamarinana. Izy sy i Rudà vadiny dia nanadihady fivavahana maro, fa na iray aza dia toa tsy nahafeno ny hetaheta ara-panahin’izy ireo. ‘Nivavaka tamin’ Andriamanitra aho io alina io, nangataka fanampiana,’ hoy izy” (“Elder Helvécio Martins Of the Seventy,” Ensign, mey 1990, 106).

Andro vitsivitsy taty aoriana dia tonga tao amin’ny tranon’izy ireo tao Rio de Janeiro, Brésil ny misiônera. Ny Loholona Martins dia nitantara hoe: “Ny fotoana nidiran’ireo tovolahy tanora roa ny tranonay dia nanjavona avy hatrany ny haizina sy ny ahiahiko ara-panahy ary nosoloina fahatoniana izay fantatro izao fa avy amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina” (miaraka amin’i Mark Grover, The Autobiography of Elder Helvécio Martins [1994], 43).

Rehefa niresaka tamin’ireo misiônera i Helvécio sy Rudá, izay taranaka Afrikana, dia nanontany momba ny anjara asan’ny olona mainty fihodirana tao amin’ny Fiangonana i Helvécio. Nianatra ny fianakaviana Martins fa tamin’izany fotoana izany ny fenitra tao amin’ny Fiangonana dia nametra ny lehilahy mainty hoditra taranaka Afrikanina tsy handray ny fisoronana. Nitarika azy ireo hametraka fanontaniana bebe kokoa tamin’ireo misiônera izany.

Raha toa ka teo amin’ny toeran’ny fianakaviana Martins ianao, inona ireo fanontaniana mety ho nanananao rehefa nianatra momba ireo famerana momba ny fisoronana ianao?

Izao teny manaraka izao no fampidirana ny Filazana ôfisialy 2 ao amin’ny edisiônan’ny soratra masina tamin’ny taona 2013. Eo am-pamakianao ilay teny natao dia tadiavo ireo valin’ireo fanontaniana mety hananan’ny olona mikasika ny famerana momba ny fisoronana.

“Ny Bokin’i Môrmôna dia nampianatra fa ‘ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra’ anisan’izany ‘ny mainty sy ny fotsy, na andevo na olona afaka, na lahy na vavy’ (2 Nefia 26:33). Mandritra ny tantaran’ny Fiangonana, ireo olona avy amin’ny fiaviana rehetra sy ny foko ao amin’ny firenena maro dia natao batisa ary miaina amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana mahatoky. Nandritra ny fiainan’i Joseph Smith dia mpikamban’ny Fiangonana mainty hoditra vitsivitsy no nahazo ny fisoronana. Tamin’ny fiandohan’ny tantarany, ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nanajanona ny fanomezana ny fisoronana ireo mainty hoditra taranaka Afrikanina. Tsy manome fahalalana mazava momba ny niandohan’io fomba fanao io ny firaketan’ny Fiangonana. Nino ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana fa fanambarana avy tamin’ Andriamanitra no nialaina mba hanovana izany fomba fanao izany ka nikatsaka fitarihana amim-bavaka. Tonga tamin’ny Filohan’ny Fiangonana Spencer W. Kimball ilay fanambarana ary nohamafisina tamin’ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake tamin’ny 1 jona 1978. Nanala ireo famerana rehetra mikasika ny fihodirana izay nihatra tamin’ny fisoronana teo aloha izany fanambarana izany.”

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Fanontaniana inona momba ny famerana ny fisoronana no azo valiana amin’ny alalan’ity fanambarana ity?

Diniho izao andalan-tsoratra manaraka izao tao amin’ilay teny natao tetsy ambony: “Tsy manome fahalalana mazava momba ny niandohan’io fomba fanao io ny firaketan’ny Fiangonana.” Na dia mety hilaza ny heviny momba ny antony tsy nanendrena ny lehilahy mainty hoditra taranaka afrikanina ho amin’ny fisoronana aza ny olona sasany dia mety tsy ho marina izany antony izany. Ny teny natao tao amin’ny fampidirana ny Filazana ôfisialy 2 dia maneho ny toerana ôfisialin’ny Fiangonana.

Rehefa mamaky izao andinin-tsoratra manaraka izao ianao dia tadiavo izay nataon’ny fianakaviana Martins rehefa nianatra momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy ireo:

Natao batisa tamin’ny 2 jolay 1972 ny fianakaviana Martins ary nanompo tamim-pahatokiana tato amin’ny Fiangonana. Rehefa nandray ny tso-dranon’ny patriarika i Marcus ilay zanaka lahimatoa, dia nampanantena azy izany fa izy dia hitory ny filazantsara. Na dia nisoroka ny hanompoan’i Marcus amin’ny fotoana feno aza ny famerana ny fisoronana dia nanokatra kaonty fitehirizana ho an’ny misiônera ny ray aman-dreniny. Ny taona 1975 dia nanambara ny Fiangonana fa hisy tempoly haorina koa any Sao Paulo any Brésil. Mba hanampiana amin’ny petra-bola ny Rahavavy Martins dia nivarotra ireo firavaka nananany. Ny Rahalahy Martins dia nanompo amim-pahatokiana amin’ny maha-mpikamban’ny kaomity mpisahana ny seraseran’ny tempoly azy. Ny fianakaviana Martins dia nanao io fahafoizan-tena io na dia ninoan’izy ireo aza fa tsy hanana fahafahana ny handray ny ôrdônasin’ny fisoronana any amin’ny tempoly izy ireo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana araka ny eritreritrao no naniry hatao batisa sy nanompo tamim-pahatokiana tao amin’ny Fiangonana ny fianakaviana Martins na dia niharan’ny famerana momba ny fisoronana aza izy ireo tamin’izany fotoana izany?

Ampitahao amin’ity teny nambaran’ny Loholona Martin ity ny valinteninao: “Nahita ny fahamarinana izahay, ary tsy misy na inona na inona hanakana anay tsy hiaina izany. … Rehefa milaza aminao ny Fanahy fa marina ny filazantsara, … ahoana no ahafahanao mandà izany?” (ao amin’ny “Elder Helvécio Martins of the seventy,” 106).

Satria nandray fijoroana ho vavolombelona tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny fianakaviana Martins dia afaka nandroso izy ireo, nahatoky ny Tompo, na inona na inona zavatra tsy takatr’izy ireo.

Ankoatra ny fianakaviana Martins dia olona taranaka Afrikana maro tany amin’ny firenena samihafa no nanjary nahafantatra ny fahamarinan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny tao anatin’ireo folo taona maro talohan’ny fanambarana tamin’ny 1978. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana tao tao Salt Lake City dia nahazotaratasy misavovona avy amin’ ireo niova fo tsy mbola vita batisa avy tany Nigeria sy Ghana nangataka ny andefasana misiônera any Afrika. Nandritra ny taona maro ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana dia nandinika ombam-bavaka ireo olana fa nahatsapa hoe tsy mbola tonga ny fotoana andefasana ireo misiônera any Afrika, izay ny mpikambana any an-toerana dia tsy afaka ny hitantana sy hanatanteraka ireo ôrdônansy.

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

Filoha Spencer W. Kimball

Ny Filazana ôfisialy 2 dia ahitana ireo filazana ôfisialy momba ny fanambarana noraisin’ny Filoha Spencer W. Kimball tamin’ny 1 jona 1978. Vakio ilay andinin-tsoratra voalohany eo ambanin’ilay andian-teny hoe “Ry Rahalahy malala,” ka tadiavo izay nolazain’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana fa natrehin’izy ireo maso.

Inona no fitaomana azon’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana rehefa nanatri-maso ny fivelaran’ny asan’ny Tompo izy ireo?

Vakio ilay andinin-tsoratra manomboka amin’ny hoe “Noho ny fahalalana ireo fampanantenana.” Tadiavo ny fomba nanaovan’ireo mpitarika ny Fiangonana asa araka ireo fanirana nanentan’ny Fanahy azy ireo.

Ahoana no nanaovan’ny Filoha Kimball sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana asa araka ny faniriana tsara nananan’izy ireo?

Ity andiam-pehezan-teny ity dia manampy antsika hahatakatra fa mikatsaka ny fitarihan’ny Tompo ireo mpaminany amin’ny fitarihana ny Fiangonana. Azonao asiana marika ao anatin’ny soratra masinao ity fitsipika ity.

Diniho fa ny fiandohan’ny andinin-tsoratra faharoa dia manomboka amin’ny andian-teny hoe “Noho ny fahalalana ireo fampanantenana.” Izany andian-teny izany dia mampianatra antsika fa fantatr’ireo mpitarika ny Fiangonana fa ho avy ny fotoana hananan’ireo lehilahy mendrika rehetra fahafahana handray ny fisoronana. Nandritra ny taona maro talohan’ny 1978 dia niresaka sy nivavaka momba ny famerana ny fisoronana ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Nahatsapa ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana fa nilaina ny fanambarana mba hanovana ilay famerana, izay natsangana mihoatra ny zato taona mahery. Indraindray ilay fanontaniana dia somary navesatra ihany tamin’ny eritreritry ny Filoha Kimball ary matetika izy dia mandeha mankany amin’ny tempoly irery mba hivavaka mikasika izany.

Vakio ireo andiam-pehezan-teny ao amin’ny Filazana ôfisialy 2 izay manomboka amin’ny hoe “Efa nihaino ny vavakay Izy” sy “Ambaranay,” ka tadiavo ny valintenin’ny Tompo tamin’ny vavaka nataon’ny Filoha Kimball sy ireo mpanolotsainy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ary ireo mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Ireo andiam-pehezan-teny ireo dia manampy antsika hahatakatra fa mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ny mpaminaniny ny Tompo. Azonao soratana ao anatin’ny soratra masinao io Fotopampianarana io.

Ity fanambarana ity dia manana fiantraikany lalina teo amin’ireo vahoaka manerana an’izao tontolo. Vakio ny fihetsika nasehon’i Helvécio Martins sy i Rudá vadiny rehefa nahafantatra momba ilay fanambarana izy ireo: “Tsy afaka nifehy ny fihetseham-poko aho. I Rudà sy izaho dia nankany amin’ny efitra fatorianay, dia nandohalika ary nivavaka. Nitomany izahay rehefa nisaotra ny Raintsika any An-danitra momba ny zava-nitranga izay hany nofisinay. Tonga ihany ilay fotoana, ary mandritra ny fiainanay eto an-tany izany” (Autobiography, 69–70).

Nofehezina tany amin’ny tempoly ny fianakaviana Martins. Ny Marcus zanakalahin’izy ireo no mpikambann’ny Fiangonana voalohany izay avy amin’ny taranaka Afrikanina nanao asao fitoriana taorian’ny fanambarana izay nahatsahatra ny famerana ny fisoronana. I Helvécio Martins dia lasa mpitarika tao amin’ny fisoronana tao an-toerana izay voantso hanompo ho mpikamban’ny Kôlejin’ny Fitipololahy Faharoa taty aoriana.

Fotoana fohy taorian’ny fahazoana ilay fanambarana izay namarana ilay famerana ny fisoronana dia nalefa tany Afrika ny misiônera. Nanomboka teo dia nisy fananganana tempoly koa tany amin’io kaontinanta io, ary an-jato sy an’arivony ireo olona izay nandray ny ôrdônansin’ny filazantsara ho azy ireo manokana ary ho an’ireo razambeny efa nodimandry.

Mety hisy fotoana hanontaniana anao ny antony tsy nanendrena ireo lehilahy taranaka Afrika ho amin’ny fisoronana nandritra ny vanim-potoana iray. Saintsaino ny fomba hamalianao izany fanontaniana izany. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny LDS.org, fidio ny Sujets de l’ Evangile, ary tadiavo ny hoe race et prêtrise.

  1. Mety ny manazava amin’ny hafa fa tsy mahafantatra ny antony nanombohan’ilay famerana ny fisoronana isika. Ankoatra izany dia afaka mizara sy mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana izay fantatsika ianao, tahaka an’ireo izay nianaranao tato anatin’ity lesona ity. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba mety hamalianao ireo fanontaniana momba ny antony tsy nanendren’ny Fiangonana ireo lehilahy taranaka Afrikana ho amin’ny fisoronana nandritra ny vanim-potoana iray. Rehefa manamboatra ny valim-panontanianao ianao dia azonao atao ny mampiasa ny ohatry ny fianakaviana Martin tahaka ny fampidirana ny Filazana ôfisialy 2 ao amin’ny edisiônan’ny soratra masina tamin’ny taona 2013.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Filazana ôfisialy 2 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Hamoaka printy