Seminera
Fizarana 4: Andro 3, Joseph Smith—Tantara 1:68–75; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13


Fizarana 4: Andro 3

Joseph Smith—Tantara 1:68–75; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13

Fampidirana

Teo am-pandikana ny ampahany tamin’ny takelaky ny Bokin’i Môrmôna mahakasika ny asa nataon’i Jesoa Kristy izay efa nitsangana tamin’ny maty teo anivon’ny Nefita (3 Nefia 11–28), dia nanana fanontaniana mikasika ny batisa ny Mpaminany Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Nandeha tany an’ala manakaiky ny toeram-piompian’i Joseph tao Harmony Pennsylvanie izy ireo mba hanontany ny Tompo mikasika io zavatra manan-danja io. Teo am-pivavahana izy ireo no indro nisy anjely niseho taminy. Nanome ny Fisoronana Aharôna ho an’izy ireo izy ary nitarika azy ireo mba hifanao batisa tsirairay tao amin’ny Renirano Susquehanna teo akaiky teo. Taorian’ny batisan’i Joseph sy i Oliver dia nomen’ilay anjely torolalana izy ireo mba hifanosotra ho ao amin’ny Fisoronana Aharôna. I Joseph aloha no nametraka ny tanany teo ambony lohan’i Oliver mba hanosotra azy ho ao amin’ny Fisoronana Aharôna, ary avy eo dia nanao ny toy izany tamin’i Joseph koa i Oliver.

Joseph Smith—Tantara 1:68–72; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13

Nanome ny Fisoronana Aharôna an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Jaona Mpanao Batisa

  1. Valio araka izay tsara indrindra vitanao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto, ary tsy an-kijery soratra masina:

    1. Oviana ny daty namerenana ny Fisoronana Aharôna?

    2. Iza no anaran’ilay anjely namerina ny Fisoronana Aharôna tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery?

    3. Inona no nataon’ilay anjely mba hanomezana ny Fisoronana Aharôna tamin’i Joseph sy i Oliver?

    4. Inona ihany koa no nolazain’ny anjely fa ho azon’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery aorian’ny Fisoronana Aharôna?

Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:68–72, ary hamarino ny valiny nosoratanao. Azonao soratana eo akaikin’ny Joseph Smith—Tantara 1:68 ity Fotopampianarana ity: Ny fisoronana dia omena amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Araka izany dia i Jaona Mpanao batisa, izay olona efa nitsangana tamin’ny maty no nanome ny Fisoronana Aharôna an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery.

Ivereno jerena ny Joseph Smith—Tantara 1:68, ary tadiavo izay nataon’i Joseph sy i Oliver ka nahatonga azy ireo hanontany ny Tompo mikasika ny batisa sy ny fahazoana ny famelana ny fahotan’izy ireo. Ny Joseph Smith—Tantara 1:69 dia ahitana ireo teny nambaran’i Jaona Mpanao batisa tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery.

Tena zava-dehibe ny famerenana ny Fisoronana Aharôna amin’ny laoniny ka dia nampidirina ihany koa ho ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana izany ka lasa hoe fizarana 13, izay andinin-tsoratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba ho mora aminao ny hahita ny misy izany amin’ny hoavy.

Sary
Varavarana sy fanalahidy maro

Inona no asan’ny varavarana sy ny tanjony?

Ahoana no fomba ifandraisan’ny fanalahidy iray amin’ny fiasan’ny varavarana?

Ny Tompo dia nampiasa ny fanalahidy ho toy ny sary maneho ny fahefan’ny fisoronana izay mamoha ireo fitahiana sy tombontsoa mandrakizay. Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13, ary tadiavo ireo fanalahidy izay mifandray amin’ny Fisoronana Aharôna. Asio marika ao amin’ny soratra masinao ireo fanalahidy ireo rehefa hitanao.

  1. Fenoy ity lisitra manaraka ity ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina amin’ny fanoratana ireo fanalahidy telo voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:

    Ny Fisoronana Aharôna dia mihazona ny fanalahidin’ny:

    1)

    2)

    3)

Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ireo fanalahidin’ny Fisoronana Aharôna sy ireo fitahiana entin’izy ireo ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Inona no dikan’ny hoe mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny an’ny ‘filazantsaran’ny fibebahana ary ny an’ny batisa ho famelana ny fahotana’ ny Fisoronana Aharôna’? Ny hevitr’izany dia hita ao amin’ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo. Ny batisa dia ho an’ny famelana ny fahotana, ary ny fanasan’ny Tompo dia fanavaozana ny fanekempihavanan’ny batisa sy ireo fitahiana entiny. Samy tokony hialohavan’ny fibebahana izy roa ireo. …

“Tsy misy na dia iray aza [amintsika] ka hoe niaina tsy nanam-pahotana taorian’ny batisa[ntsika]. Raha tsy misy fanadiovana fanampiny atolotra aorian’ny batisantsika dia samy very avokoa isika tsirairay raha ny ara-panahy. …

“Didiana isika mba hibebaka amin’ny fahotantsika ka hanatona ny Tompo amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina ka handray ny fanasan’ny Tompo mba hankatoavana ny fanakempihavanana mifandraika amin’izany. Rehefa manavao ny fanekempihavanantsika tamin’ny batisa amin’io fomba io isika, dia havaozin’ny Tompo ilay hery manadio ananan’ny batisantsika. …

“Tsy afaka ny hoe diso manantitrantitra be loatra ny lanjan’ny Fisoronana Aharôna isika mikasika izany. Tanterahina amin’ny alalan’ny ôrdônansim-panavotan’ny batisa sy ny ôrdônansim-panavaozan’ny fanasan’ny Tompo ireo dingana manan-danja mikasika ny famelana ny fahotana rehetra ireo. Ireo ôrdônansy ireo dia samy tanterahin’ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna eo ambany fitarihan’ny episkôpà, izay mampiasa ireo fanalahidin’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny an’ny batisa ho famelana ny fahotana” (The Aaronic Priesthood and the Sacrament,”Ensign, nôv. 1998, 37–38).

Diniho hoe ahoana no fomba hanampian’ny fanalahidin’ny Fisoroana Aharôna antsika handray ireo fitahiana entin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Araka ny Loholona Oaks, iza no mitarika ny fanalahidin’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny an’ny batisa any amin’ny sampana tsirairay?

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nanazava ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely tamin’izao fomba izao:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Rehefa Filohan’ny Fiangonana i Wilford Woodruff, lehilahy iray izay niaina tao anatin’ny taona maro sy nanana traikefa maro, dia niteny tamin’ireo zazalahy ao amin’ny Fisoronana Aharôna izy nanao hoe: ‘Te hanantitrantitra aminareo aho fa tsy mampiova na inona inona ny hoe Mpisorona na Apôstôly ny lehilahy iray, raha toa ka milofo amin’ny antsony izy. Mihazona ireo fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely ny Mpisorona iray’ hoy izy. ‘Tsy mbola nisy velively teo amin’ny fiainako, tamin’ny naha-Apôstôly ahy, tamin’ny naha-Fitopololahy ahy, na tamin’ny naha-Loholona ahy, fotoana nahazoako ny fiarovan’ny Tompo bebe kokoa noho ny tamin’ny fotoana nihazonako ny anjara fanompoan’ny Mpisorona.’ (Millennial Star, 53:629.)

“Eritrereto izany ry rahalahy zandry malalako. Ity fisoronana izay hazoninareo ity dia mitondra ireo fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely miaraka aminy. Izany dia midika, raha adikaiko, fa raha toa ka miaina ho mendrika ny fisoronana ianareo, dia manana ny zo handray sy hanana ilay tena herin’ireo olona any an-danitra mba hitarika anareo sy hiaro anareo ary hitahy anareo. Zazalahy iza, raha tena mieritreritra tsara izy, no tsy te handray izany fitahiana mahagaga izany?” (“The Priesthood of Aaron,” Ensign, Nov. 1982, 45).

Nanome hevi-baovao fanampiny mikasika ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely ny Loholona Oaks:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Fony aho mbola tanora mpihazona ny Fisoronana Aharôna dia tsy nieritreritra ny hahita anjely iray aho, ary nanontany tena aho hoe inona no hidiran’ny fisehoana toy izany amin’ny Fisoronana Aharôna.

“Mety ho tsy hita maso ihany koa ny fanompoan’ny anjely. Ny hafatra avy amin’ny anjely dia mety ambara amin’ny alalan’ny feo na amin’ny alalan’ny eritreritra tsotra izao, na amin’ny alalan’ny fahatsapana mifandray amin’ny saina. …

“Amin’ny ankapobeny, dia natao ho an’ireo izay madio ihany ny fitahian’ny finamanana sy ny fifandraisana ara-panahy. … Noho izany ireo izay mihazona ny Fisoronana Aharona dia manokatra ny varavarana ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra izay mandray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo mba hanana ny Fanahin’ny Tompo ho namana sy ny fanompoan’ny anjely” (“The Aaronic Priesthood and the Sacrament,” 39).

Sary
fanomanana, fanamasinana ary fizarana ny fanasan’ny Tompo
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fahatakarana ny herin’ny Fisoronana Aharôna eo amin’ny eritreritrao sy ny zavatra ataonao rehefa manomana sy manamasina na mandray ny fanasan’ny Tompo ianao amin’izao alahady izao.

Sary
scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1 Tonony amin’ny feo mafy io andininy io. Avy eo dia afeno ny ampahany sasany amin’ilay andininy ary avereno tononina indray izany. Tohizo hatrany ny fanakonana ampahany misimisy kokoa amin’ilay andininy ary avereno tononina mafy hatrany izany mandra-pahaizanao azy tsianjery.

Joseph Smith—Tantara 1:73–75

Niaina fitahiana lehibe maro i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery taorian’ny batisan’izy ireo

Nandrotsaka fitahiana lehibe maro teo amin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny Tompo taorian’ny batisan’izy ireo. Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:73–74. Azonao asiana marika ireo teny na andian-teny izay mamariparitra ny zavatra niainan’i Joseph sy i Oliver.

Zava-dehibe ny manamarika fa nahatsapa ny herin’ ny Fanahy Masina i Joseph sy i Oliver, satria tsy mbola nomena ny Fisoronana Melkizedeka hanolorana ny fanomezana ny Fanahy Masina (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:70; jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanahy Masina”).

Fenoy avy amin’ny zavatra niainan’i Joseph sy i Oliver tamin’io fotoana io, izay voafariparitra ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:74, ity fitsipika manaraka ity: Ny Fanahy Masina dia manampy antsika hahatakatra ny sy ny ny soratra masina.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny eritreritra mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny hevitrao no mila ny Fanahy Masina isika hanampy antsika hahatakatra ny soratra masina?

    2. Oviana ianao no nahatsapa ny Fanahy Masina nanampy anao hahatakatra ny “tena hevitra marina sy ny dikan’ny” soratra masina?

    3. Inona no azonao atao mba hanasana ny fanampian’ny Fanahy Masina rehefa mandalina ny soratra masina ianao?

    4. Ahoana no ahafahan’ny fanavaozanao ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo hisy fiantraikany eo amin’ny fahatakaranao ny soratra masina?

Ho famaranana ity lesona ity dia vakio ny fitantaran’i Oliver Cowdery ireo zava-nitranga nanodidina ny famerenana ny Fisoronana Aharôna amin’ny laoniny, izay hita aorian’ny faran’ny Joseph Smith—Tantara. Eo am-pamakianao dia azonao atao ny manisy marika ireo andian-teny izay manaitra anao. Inona no azonao ianarana avy amin’ny fitantaran’i Oliver?

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Joseph Smith—Tantara 1:68–75 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy