Seminera
Fizarana 23: Andro 4, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137


Fizarana 23: Andro 4

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137

Fampidirana

Tamin’ny 21 Janoary 1836, ny Mpaminany Joseph Smith dia niara-nivory tamin’ireo mpanolotsaina azy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy i Joseph Smith rainy, tao amin’ny efitra ambony rihana teo akaikin’ny Tempolin’i Kirtland izay efa ho vita. Tamin’io fotoana io dia nahita fahitana momba ny fanjakana selestialy ny Mpaminany ary naheno ny Tompo nanambara ny fomba hitsarany ireo izay maty ka tsy nanana fahalalana momba ny filazantsara. I Warren Parrish, mpitantsoratr’i Joseph Smith tamin’izany fotoana izany, dia nirakitra ilay fahitana an-tsoratra tao amin’ny diarin’ny Mpaminany. Taty aoriana dia nampidirina tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ho fizarana 137 ny rakitsoratra momba ilay fahitana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:1–6

Nahita fahitana momba ny fanjakana selestialy i Joseph Smith

Eritrereto ny sasany amin’ireo olona manan-danja indrindra eo amin’ny fiainanao. Nahoana izy ireo no manan-danja manokana aminareo?

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe nahoana no zava-dehibe aminao ny mahafantatra fa ireo olona izay tianao dia hanana fahafahana hiaina any amin’ny fanjakana selestialy aorian’ny fahafatesan’izy ireo.

Hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137 ny fitantaran’ny Mpaminany Joseph Smith ny fahitana iray izay nahitany ny fanjakana selestialy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:1–4, ka tadiavo ireo teny na andian-teny izay milazalaza momba ny fanjakana selestialy. Andramo alaina sary an-tsaina hoe mety hanao ahoana izany hoe any amin’ny fanjakana selestialy.

Nifaly tamin’ny fahitany ny sasany tamin’ny fianakaviany ao amin’ny fanjakana selestialy i Joseph Smith. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:3, 5–6, dia fantaro hoe iza no hitan’i Joseph Smith tao amin’ny fanjakana selestialy.

Mbola velona ireo ray aman-drenin’i Joseph Smith tamin’izany fotoana izany, ary ny rainy aza dia tao amin’ilay efitrano niaraka taminy nandritra io fahitana io. Izany dia maneho fa io fahitana io dia tsy momba ireo izay efa any amin’ny fanjakana selestialy fa momba ireo izay mety ho any rehefa any am-parany.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:6, dia nahoana i Joseph Smith no talanjona (gaga) rehefa nahita an’i Alvin rahalahiny tao amin’ny fanjakana selestialy?

    2. Inona koa no fahatsapana hafa eritreretinao fa mety ho nananan’i Joseph Smith rehefa nahita an’i Alvin tao amin’ny fanjakana selestialy izy?

Sary
Vatom-pasan’i Alvin Smith

Nodimandry tamin’ny 19 nôvambra 1823, talohan’ny nananganana ny Fiangonana i Alvin Smith rahalahin’ny Mpaminany.

Tia sy nidera fatratra an’i Alvin zokiny lahy ny Mpaminany Joseph Smith. Tia an’i Joseph ihany koa i Alvin, ary nanohana an’i Joseph tamin’ny fanomanany handray ireo takela-bolamena avy tamin’ny anjely Môrônia izy. Narary be tampoka i Alvin tamin’ny nôvambra 1823, rehefa 25 taona izy ary 17 taona i Joseph. Rehefa niharatsy ny toe-pahasalamany ary fantatra fa ho faty tsy ho ela izy dia nanoro hevitra an’i Joseph izy hoe: “Tiako ho zazalahy hendry ianao ka hanao izay rehetra vitan’ny herinao mba hahazoana ireo rakitsoratra. Matokia amin’ny fandraisana ireo torolalana sy amin’ny fankatoavana ny didy rehetra izay omena anao” (voalaza ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 401).

Nitondra alahelo lehibe ho andry Smith mianakavy ny fodiamandrin’i Alvin. “Nangataka mpitondra fivavahana Presbyteriana iray tany Palmyra, New York ny fianakaviana mba hitondra ny fotona amin’ny fanaovam-beloma farany. Koa satria i Alvin dia tsy mpivavaka ao amin’ny fiangonan’ilay mpitondra fivavahana, dia nanambara ilay mpitondra fivavahana tao anaty lahateniny hoe tsy afaka ny ho voavonjy i Alvin. Nitantara i William Smith, zandrilahin’i Joseph hoe: ‘[Ilay mpitondra fivavahana] … dia nilaza an-kolaka fa i Alvin dia lasa tany amin’ny helo, satria i Alvin dia tsy mpikamban’ny fiangonana, kanefa tovolahy hendry izy ary tsy tian’ny raiko ny zavatra nolazain’ilay mpitondra fivavahana’” (Teachings: Joseph Smith, 401, 403).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:7–10.

Nanambara ny fomba hitsarany ny olona izay maty ka tsy nanana fahalalana momba ny filazantsara ny Tompo

Rehefa talanjona ny Mpaminany Joseph Smith ny amin’ny hoe ahoana no nahafahan’i Alvin hiditra ny fanjakana selestialy kanefa tsy natao batisa, dia nanome valiny ny Tompo. Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:7–8, ary fantaro ny Fotopampianarana izay nampianarin’ny Tompo mba hanampiana an’i Joseph hahatakatra ny antsony ahafahan’i Alvin miditra ny fanjakana selestialy.

  1. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ilay Fotopampianarana hitanao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:7–8, ary valio ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no fomba mety hankaherezan’ity Fotopampianarana ity ireo olona izay manana olon-tiana nodimandry kanefa tsy nahafantatra ny filazantsara?

Nanambara ny Fotopampianarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:7–8 ny Tompo talohan’ny nanambarany ny fotopampianaran’ny batisa ho an’ny maty. Handalina ireo fanambarana momba ny batisa ho an’ny maty ianao amin’ny lesona ho avy.

Ao anatin’ity fanambarana mikasika ireo izay efa maty ity dia nampianatra ny fomba hitsarany ny olona rehetra ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9, ary fenoy ity teny nambara manaraka ity: Ny Tompo dia hitsara antsika araka ny sy ny .

  1. Hazavao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina amin’ny teninao manokana ny antony maha-zava-dehibe ny faniriantsika sy ny asantsika araka ny eritreritrao.

Mba hahatakarana bebe kokoa ny fomba hitsaran’ny Tompo antsika araka ny asantsika sy ny faniriantsika, dia halalino ity teny manaraka izay nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Azontsika antoka ve fa tsy meloka isika eo ambanin’ny lalàn’ Andriamanitra raha toa ka mijanona fotsiny amin’ireo asa ratsy? Ahoana raha manana fisainana sy fanirian-dratsy isika?

“Hisy fahatsapana fankahalana tsy ho tsikaritra ve amin’ny andron’ny fitsarana? Sa ny fialonana? Sa ny fitsiriritana? …

“Ny valintenintsika amin’ny fanontaniana toy izany dia maneho ny antsointsika hoe vaovao ratsy, fa hoe afaka manota isika fa tsy manao asa ratsy [hita miharihary], fa amin’ny fahatsapantsika sy amin’ny fanirian’ny fontsika fotsiny.

“Misy koa ny vaovao tsara. Afaka ny hahazo valisoa amin’ny fahamarinana isika eo ambanin’ny lalàn’ Andriamanitra na dia tsy afaka manao asa izay mifanaraka amin’ny fitahiana toy izany aza isika.

“Rehefa misy olona maniry marina tokoa ny hanao zavatra ho an’ny rafozan-dahiko kanefa tsy nahavita izany noho ny toe-javatra izay misy, dia hoy izy hoe: ‘Misaotra. Ekeko ho toy ny asa ny faniriana tsara.’ Toy izany koa, mino aho fa ny Ray any An-danitra dia handray ny tena fanirian’ny fontsika marina ho solon’ny asa izay tsy azo tanterahina” (“The Desires of Our Hearts” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Brigham Young University, 8 okt. 1985], 4; speeches.byu.edu).

  1. Ireto ohatra efatra manaraka ireto dia afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ilay Fotopampianarana hitanao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:7–8. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity ho an’ny ohatra tsirairay: Ahoana no anehoan’ity ohatra ity ny maha-zava-dehibe ny faniriantsika sy ny asantsika?

    1. Manana fanirina marina ny hanambady any amin’ny tempoly ny mpikamban’ny Fiangonana iray. Rehefa nanompo tamim-pahatokiana tao am-piangonana nandritra ny androm-piainany izy, dia maty kanefa tsy nanana fahafahana ho voafehy tamim-bady tany amin’ny tempoly.

    2. Mitandrina amin-kerimpo ireo fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa ny zatovolahy iray ary manatanteraka ireo andraikiny ao amin’ny Fisoronana Aharôna izy. Rehefa afaka baccalauréat izy, dia manam-paniriana lehibe hanompo amin’ny fanaovana asa fitoriana amin’ny fotoana feno kanefa tsy afaka ny hanao izany izy noho ny kilemany ara-batana.

    3. Manana lolompo amin’ny zatovovavy iray hafa ny zatovovavy iray. Mody manao tsara fanahy izy kanefa manantena ao anatiny fa hisy zava-dratsy hitranga amin’ilay zatovovavy iray hafa.

    4. Manana eritreritra tsy maotina ny zatovolahy iray, ary tsy mikatsaka ny fanampian’ny Tompo izy mba hanovana ny eritreriny sy ny fahatsapany izay tsy mendrika.

Saintsaino hoe midika inona aminao ny fahafantaranao fa hotsaraina ianao amin’ny asanao ary koa amin’ireo fanirian’ny fonao.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:10, ary asio marika ireo fahamarinana izay mampianatra momba ny ankizy izay maty alohan’ny taona maha-tompon’andraikitra.

Sary
I Joseph sy i Emma miaraka amin’ny zazakely

Tamin’ny Mpaminany Joseph Smith nandray ity fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:10 ity, dia nianjadian’ny fahafatesan’ny zanany efatra izy sy i Emma vadiny, anisan’izany ny zanaka iray izay natsangany. Taty aoriana, dia maty koa ny zanany roa hafa. Eritrereto hoe ahoana no ahafahan’ilay Fotopampianarana nambara tao amin’ity andinin-tsoratra masina ity mitondra fampiononana ho an’ireo fianakaviana izay malahelo noho ny fahafatesan’ny zanany.

Ahoana no ampitomboan’ity Fotopampianarana ity ny finoanao an’ Andriamanitra? Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny matoky ny drafitr’ Andriamanitra rehefa misy zaza maty mandritra ny fahazazany?

Sary
Joseph Smith

Nampianatra momba ny fahafatesan’ny zazakely ny Mpaminany Joseph Smith: “Alain’ny Tompo ny maro, eny fa na dia mandritra ny fahazazana aza, mba ahafahan’izy ireo miala amin’ny fitsiriritan’ny olombelona, sy ireo alahelo ary faharatsian’ity tontolo ity; madio loatra izy ireo, maha-te ho tia loatra, raha miaina ety an-tany; noho izany, raha dinihina tsara, manana antony hifaliana isika fa tsy hitomaniana noho izy ireo afaka amin’ny ratsy, ary tsy ho ela dia hanana azy ireo indray isika” (Teachings: Joseph Smith, 176).

Sary
Ny filoha Wilford Woodruff

Nampianatra ny Filoha Wilford Woodruff hoe: “Mety hametraka fanontaniana izaho sy ianao —’Nahoana ny Tompo no naka ny zanako?’ Tsy izaho anefa no tokony hiteny ny antony, satria tsy fantatro; eo an-tanan’ny Tompo izany, ary toy izany hatrany hatramin’ny fanorenana izao tontolo izao mandraka ankehitriny. Alaina ireo ankizy mandritra ny fahazazany, ary mankany amin’ny tontolon’ny fanahy izy ireo. Tonga ety izy ireo ary manatanteraka ny antony ahatongavany, dia ny hahazo vatana ara-nofo. Tonga izy ireo mba hisedra ny fotoam-pitsapana sy lova ety an-tany; mahazo vatana izy ireo, na tabernakely, ary io tabernakely fitsapana io dia voatahiry ho azy ireo, ary amin’ny marain’ny fitsanganana amin’ny maty, ny fanahy sy ny vatana dia hampiarahina indray ary toy ny ety an-tany dia hahita zanaka amin’ny taona isan-karazany isika ao anaty fianakaviana ao amin’ny tontolo selestialy. Haverina amintsika ireo zanatsika mitovy amin’izy ireo tamin’ny nodimandry raha toa isika, ray aman-dreny, mitàna ny finoantsika sy maneho fa mendrika isika ny hahazo fiainana mandrakizay; ary raha tsy maneho izany isika dia mbola voatahiry ihany ireo zanatsika, ary hahazo ny fanjakana selestialy izy ireo. Izany no fijeriko mikasika ireo ankizy rehetra izay maty” (Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff [2004], 84–85).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no nianaranao avy amin’ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137 momba ny ezaky ny Tompo hanomezany ny olona rehetra fahafahana hiaina ao amin’ny fanjakana selestialy?

    2. Nahoana no manan-danja aminao ireo fahamarinana ireo?

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy