Seminera
Fizarana 11: Andro 3,Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46


Fizarana 11: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46

Fampidirana

Ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46 dia voaray tamin’ny 8 martsa 1831—efa ho iray taona taorian’ny nananganana ny Fiangonana. Nampahatsiahy ny Olomasina ny Tompo tato anatin’ity fanambarana ity fa ireo fivoriam-piangonana dia tokony hotarihin’ny Fanahy, ary nanantitrantitra Izy fa ireo izay tsy mpikamban’ny Fiangonana dia tsy tokony horoahina amin’ireo fivorian’ny daholobe. Nanazava ny tanjon’ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ihany koa ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:1–6

Manome torolalana ny Olomasina mikasika ireo fivoriam-piangonan’izy ireo ny Tompo

Alaivo sary an-tsaina hoe angatahina handrafitra fandaharam-potoan’ny fivoriana fanasan’ny Tompo iray manontolo ianao. Ahoana no fomba isafidiananao ny hira, ny olona izay hivavaka, ny lohahevitr’ireo lahateny, ny olona izay hanao lahateny, ary ahoana no ho filaharan’ireo lahateny?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:1–2 ka tadiavo ny torolalana nomen’ny Tompo momba ny fomba itantanana ireo fivoriana. Ny teny hoe mitantana ao amin’ny andininy 2 dia sady ahitana ny fanaovana drafitra no ahitana ny fitarihana ny fivoriam-piangonana.

  1. Farito ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fieritreretanao ny mety ho endriky ny fivoriana iray, araka ny “hitondrana sy hitarihan’ny Fanahy Masina” izany.

  2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana ireo mpitarika ny Fiangonana sy ireo mpikambana no mila manao fivoriam-piangonana amim-pilaminana mba hitondrana sy hotarihin’ny Fanahy Masina izany?

    2. Inona no azonao atao mba handraisana anjara amin’ny fitaoman’ny Fanahy mandritra ireo fivoriam-piangonana?

Asio marika ireo teny na andian-teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:2 izay mampianatra izao fitsipika manaraka izao: Tokony hotarihin’ny Fanahy Masina ireo mpitarika ny Fiangonana rehefa mitarika fivoriana izy.

Mieritrereta momba ny sasany amin’ireo toerana izay nahitanao ny andian-teny hoe “Tonga soa ny mpitsidika.” Vakio ny fampidirana ny fizarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46 ka tadiavo hoe iza ireo olona nampidirin’ireo Olomasina tany aloha tao amin’ny fivoriany. Dia vakio avy eo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:3–6 mba hahitana ireo teny na andian-teny izay mampiseho fa nandidy antsika handray tsara ny olona rehetra amin’ireo fivorian’ny daholobe ataontsika ny Tompo. Mety efa fantatrao fa mipetaka eo amin’ny trano fivavavahantsika ilay andian-teny hoe “Tonga soa ny mpitsidika.”

Saintsaino izao toe-java-misy manaraka izao: Mitsidika voalohany ny paroasy vaovao miaraka amin’ny fianakaviany ny zatovovavy iray. Aorian’ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia miarahaba ilay fianakaviana ny mpikambana iray ao amin’ny Fiangonana ka mampiseho azy ireo ny toerana aleha ho an’ny Sekoly Alahady. Mitondra ilay zatovovavy any amin’ny kilasiny izy ary mampahafantatra azy amin’ny mpampianatra. Miarahaba vetivety ilay zatovovavy ireo zatovolahy sy zatovovavy tao amin’ilay kilasy dia manohy mifampiresaka avy eo ka tsy miraharaha azy.

Ahoana no tsy isehoan’ny toe-java-nitranga toy ity raha toa ka nahatakatra ilay didy mba handray tsara ny olon-drehetra amin’ny fivoriam-bavaka ataontsika ireo mpianatra tao amin’ny Sekoly Alahady?

  1. Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fomba vitsivitsy azonao hanampiana ireo izay tsy mpikamban’ny Fiangonana, ireo mpikambana izay efa ela no tsy tany am-piangonana, ireo mpikambana vaovao ao amin’ny paroasinao na ny sampana misy anao, ary ireo mpitsidika mba hahatsapa ho voaray amin-kafanampo.

Mety ho sarotra aminao ny manao ireo fomba vitsivitsy izay notanisao, kanefa eritrereto ireo fotoana izay nanatrehanao fivoriana na hetsika tany amin’ny paroasy na sampana hafa ato amin’ny Fiangonana. Inona no nataon’ireo mpikambana hafa tato am-piangonana na inona no tianao raha nataon’izy ireo mba hanampiana anao hahatsapa ho voaray tamin-kafanampo? Mieritrereta sy mivavaha momba ny fomba ahafahanao manampy ny hafa hahatsapa ho voaray amin-kafanampo bebe kokoa amin’ireo fivoriana sy hetsiky ny Fiangonana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–33

Manazava ny tanjon’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny Tompo

Inona no dikan’ny hoe voafitaka? Afaka mieritreritra fotoana iray izay nahatsapanao fa voafitaka ve ianao? Inona no azonao atao mba hisorohana izany hoe voafitaka izany?

Rehefa tonga tany Ohio ny Mpaminany Joseph Smith dia nanatri-maso fihetsika hafahafa sy mihoa-pampana tamin’ireo mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana izy. Ohatra: nisy sasany izay nitompo teny fa teo ambany fitarihan’ny Fanahy kanefa nampiseho fitondrantena tsy mifanaraka tamin’ny Fanahy Masina. Niahiahy izany fitondrantena izany ho vokatry ny fitaoman-dratsy ny mpitarika sy ireo mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana. Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–8 ka tadiavo ny zavatra notoroan’ny Tompo hevitra tamin’ny vahoakany mba hataony ahafahan’izy ireo tsy ho voafitaky ny fanahy diso na fotopampianaran-diso.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–8, inona no manampy antsika hisoroka ny ho voafitaka?

    2. Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’izany manampy ny olona iray mba tsy ho voafitaka?

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7 dia mampianatra izao fitsipika manaraka izao: Rehefa manaraka ny fitarihan’ny Fanahy amin’ny fahamasinana tanteraka isika ary manao ny zavatra rehetra amin’ny vavaka sy fisaorana dia afaka misoroka ny ho voafitaka isika.

Azonao atao ny manisy marika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:8 ny zavatra izao nolazain’ny Tompo fa tokony katsahintsika fatratra.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:9–12, 26 ka tadiavo ny tian’ny Tompo ho takatsika momba ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy. (Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.) Fenoy araka ny fitsipika nianaranao avy tamin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izao fitsipika manaraka izao: Rehefa mikatsaka fatratra ireo fanomezam-pahasoavana tsara indrindra isika dia .

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony hieritreretanao fa maha-manan-danja ny hikatsahantsika ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ho tombontsoan’ny zanak’ Andriamanitra fa tsy ho amin’ireo tanjona feno fitiavan-tena. Valio izao fanontaniana manaraka izao avy eo: Araka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:11–12, nahoana no manan-danja ho an’ny Fiangonana ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ananan’ny olona tsirairay? (jereo ihany koa ny 1 Korintiana 12).

Na dia mety ho samy hafa aza ny fanomezam-pahasoavana ananantsika dia mila izany rehetra izany ny Fiangonan’ny Tompo. Manana anjara asa sy andraikitra amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra eo ambonin’ny tany ny rehetra. Halalino ilay lisitry ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy nomen’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:13–27. Azonao atao ny manisy marika ny tsirairay amin’izany.

Mba hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa ny sasany amin’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ireo dia ampifandraiso amin’ny fanazavana izay mifanaraka tsara aminy ny fanomezam-pahasoavana voatanisa ato amin’ity tabilao manaraka ity. (Azo jerena any amin’ny faran’ny lesona ny valinteny.)

Fanomezam-pahasoavana

Fanazavana

  1. Ny fanomezam-pahasoavana “hahafantatra ny maha-samihafa ny asa fanompoana” (F&F 46:15)

  1. Ity fanomezam-pahasoavana ity dia matetika no hita amin’ireo misiônera izay afaka mianatra sy mahatakatra fiteny haingana.

  1. Ny fanomezam-pahasoavana “hahafantatra ny maha-samihafa ny asa” (F&F 46:16)

  1. Ity fanomezam-pahasoavana ity dia mamela ny olona iray hahafantatra na hahatakatra ireo fikasana marina sy ireo tanjona miafina. Manampy ny olona iray hahafantatra ireo ratsy miafina izany sy hahita ny tsara any amin’ny hafa.

  1. Ny fanomezam-pahasoavan’ny “famantarana ireo fanahy” (F&F 46:23)

  1. Ity fanomezam-pahasoavana ity dia hita amin’ireo mpitarika izay mahafantatra ny fomba ahafahan’ny fanomezam-pahasoavana hafa manampy amin’ireo anjara asa samihafa na dia tsy mitovy aza izany.

  1. Ny fanomezam-pahasoavana “hiteny amin’ny fiteny hafa” sy “handika ireo fiteny” (F&F 46:24–25)

  1. Ity fanomezam-pahasoavana ity dia hita amin’ny fahaizan’ny olona iray mijery ireo fahasamihafana eo amin’ny tena fanomezam-pahasoavana na fiasan’ny Fanahy sy ireo fanahy na Fotopampianarana na didy diso.

Ny lisitr’ireo fanomezam-pahasoavana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46 dia vitsy ihany amin’ireo fanomezam-pahasoavana misy. Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Tsy mety tapitra ny isan’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ary tsy voatanisa ny karazany. Ireo izay voatanisa ao amin’ilay teny nambara dia fanehoana fotsiny ihany ny firotsahana tsy manam-petran’ny fahasoavan’ Andriamanitra izay omen’ny Andriamanitra be fahasoavana ho an’ireo izay tia sy manompo Azy” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 371).

Afaka mieritreritra fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izay hitanao na azonao fantarina ve ianao ka tsy voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46?

Raha efa nahazo ny tsodranon’ny patriarika anao ianao dia mety nitanisa ny sasany amin’ireo fanomezam-pahasoavana nomeny anao ny Tompo. Mety hahazo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ihany koa ianao rehefa manompo ny Ray any An-danitra sy ny zanany amin’ireo karazana antso ato am-piangonana. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46 dia mampianatra fa ireo izay nantsoina “hiandry ny Fiangonana” dia omena fanomezam-pahasoavana hitsara hoe fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy manao ahoana no avy amin’ Andriamanitra (jereo ny F&F 46:27). Afaka manana finoana amin’ny fahafahan’ny evakanao mamantatra ny fanomezam-pahasoavana anananao ianao sy hoe amin’ny inona no ahafahanao manompo amin’ny fomba tsara indrindra sy mitahy ny olon-kafa ato amin’ny Fiangonana, na dia tsy mbola nampahafantarina anao aza ireo fanomezam-pahasoavana ireo.

Mety hanampy ny mahatakatra bebe kokoa momba ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny. Nampianatra izao manaraka izao ny Mpaminany Joseph Smith mikasika ity fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ity:

Sary
Rahalahy Joseph

“[Ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny] dia nomena mba hanatanterahana ny fitoriana eo anivon’ireo izay tsy takatra ny fiteniny; toy ny tamin’ny andron’ny Pentekosta, sns, ary tsy ilaina ampianarina manokana an’ny Fiangonana ny fiteny, satria na iza na iza manana ny Fanahy Masina dia afaka miteny ireo zavatr’ Andriamanitra amin’ny fiteniny manokana izy sy hiteny izany amin’ny fiteny hafa koa; satria tsy tonga amin’ny alalan’ireo famantarana ny finoana fa amin’ny alalan’ny fihainoana ny tenin’ Andriamanitra kosa” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 383–84).

“Raha misy zavatra ampianarina amin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny dia tsy tokony horaisina ho Fotopampianarana izany” (Teachings: Joseph Smith, 384).

“Aza miteny amin’ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny raha tsy mahatakatra izany, na raha tsy misy mpandika izany. Afaka miresaka amin’ny fiteny hafa ny devoly. Ho avy miaraka amin’ny asany ny fahavalo. Afaka maka fanahy ny saranga rehetra izy. Afaka miteny anglisy na hôlandey izy. Aza misy avela hiteny amin’ny fiteny hafa raha tsy mandika teny izy, raha tsy hoe nahazo alalana tamin’ny olona iray izay miahy; izay afaka mamantatra na mandika izany, na manondro olona iray hafa hanao izany” (Teachings: Joseph Smith, 384).

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Omena ho amin’ny tanjona manokana amin’ny zava-mitranga miavaka ny fiteny sy fandikan-teny. Misy fanomezam-pahasoavana marobe izay manan-danja lavitra ka rehefa ampiasaina izany dia tsy hisy mihitsy ny fitaka. Ny fanomezam-pahasoavana hamporisika, hitory, hamelabelatra Fotopampianarana, hampianatra ny filazantsara—na dia tsy tena goavambe aza—dia lehibe kokoa sy manan-danja bebe kokoa noho ny fiteny” (Mormon Doctrine, boky navoaka faharoa [1966], 800).

Saintsaino vetivety ny fomba nahazoanao tombontsoa avy tamin’ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy. Mieritrereta ihany koa momba ny fomba ahafahanao mikatsaka na mampiasa ny fanomezam-pahasoavana anananao mba hitahiana ny zanak’ Andriamanitra.

Nofaranan’ny Tompo ity fanambarana ity tamin’ny fananarana ny mpanaradia azy momba ny zavatra tsy maintsy ataon’izy ireo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:31–33 ka tadiavo izay zavatra nampianariny.

Sary
scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:33

Mandania minitra vitsy hitadidiana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:33. Raha azo atao dia tanisao amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na namanao iray izany.

  1. Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fomba ahafahanao “mampihatra hatsaran-toetra sy fahamasinana.” Eo am-panaovanao ny lisitrao dia misafidiana fizarana roa na telo avy amin’ny kiboky Ry Tanora, Mahereza ary ampiasao izany mba hanampiana anao hanampy hampiditra zavatra fanampiny ao amin’ny lisitrao. Manorata tanjona iray momba ny drafitra eritreretinao mba hampiharana hatsaran-toetra sy fahamasinana manoloana ny Tompo.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy