Seminera
Fizarana 13: Andro 3,Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58


Fizarana 13: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58

Fampidirana

Ny 1 Aogositra 1831, roa herinandro latsaka taorian’ny nanendren’ny Tompo an’i Independence, Missouri ho toerana afovoan’i Ziona dia nahazo fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58 ny Mpaminany Joseph Smith. Io fanambarana io dia valinteny nomena an’ireo izay tsindrian-daona ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo mikasika azy ireo eo amin’ilay tany vaovao. Nanoro hevitra ireo Olomasina ny Tompo ao anatin’io fanambarana io mba hahatoky ao anatin’ny fahoriana mianjady amin’izy ireo ary nanazava ny antony nandefasany azy ireo any Ziona. Namporisika ireo Olomasina ihany koa ny Tompo hampiasa ny fahafahany misafidy mba hahatonga fahamarinana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:1–13

Nanoro hevitra ny Olomasina ny Tompo mba hahatoky ao amin’ny fahoriany

Inona avy ireo olana sasantsasany atrehanao eo amin’ny fiainana amin’izao fotoana izao?

Rehefa mamaky ity andinin-tsoratra manaraka ity ianao ity tadiavo ireo olana natrehan’ny Olomasina tany Missouri tamin’ny 1831:

Tamin’ny Janoary 1831, dia nahita vondrona Indianina avy any Delaware izay nipetraka tao amin’ny Faritanin’ny Indianina tany ivelan’ny sisintany andrefan’i Missouri ny misiônera. Liana tamin’ny fianarana ny filazantsara tao amin’ny Bokin i Môrmôna ireo Indiana avy any Delaware ireo. Kanefa noho ny misiônera izay tsy nahazo fahazoan-dalana hiditra ny Faritanin’ny Indiana sy hitory ny filazantsara ary noho ny fanoherana nataon’ireo tompon’andraikitra Indianina sy mpitondra fivavahana teo an-toerana dia voatery nandao ilay faritra ireo misiônera avy amin’ny Fiangonana. Dia nanandrana nampianatra mponina fotsy hoditra tao Independence, Missouri, sy ny faritra manodidina ny misiônera, saingy 10 latsaka no mba niditra ho mpikamban’ny Fiangonana hatramin’ ny jolay 1831. Rehefa nanomboka tonga tao Missouri ny loholon’ny Fiangonana avy any Ohio tamin’ny volana jolay 1831 dia diso fanantenana tamin’ny zavatra hitany ny sasany tamin’izy ireo. Nanantena ny sasany tamin’izy ireo fa hahita fitomboana faingana eo amin’ny isan’ny mpino sy fiorem-ponenana izay voaomana handraisana ireo mpikamban’ny Fiangonana vao nifindra monina. Naneho ny ahiahiny ny sasany satria tsy voaomana sy voakarakara ny tany teo Independence ary hitaky asa be ny fanaovana fambolena eo amin’izany. Ny sasany tamin’ireo rahalahy dia namporisihina mba hijanona tao Missouri sy hividy tany hanomanana an’i Ziona ho an’ireo Olomasina izay ho avy any aoriana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:1–2 ka tadiavo ao anatin’izany ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ireo loholona izay mety nanampy azy ireo ho tony teo anatrehan’ireo olana natrehany.

Fenoy avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny andininy 2, ireto fitsipika manaraka ireto:

Hotahiana isika raha .

Ho lehibe kokoa ny valisoantsika mandrakizay raha toa isika ka .

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:3–5 ka tadiavo ny zavatra izay matetika tsy hitantsika na tsy takatsika rehefa mandalo fahoriana isika.

Nanoro hevitra an’ireo loholona ny Tompo mba hanana finoana Azy sy hijery lavitra mihoatra ny fahoriana zakainy ka hifantoka amin’ilay hoavy be voninahitra izay hiainan’izy ireo raha mahatoky izy ireo. Ny hafatry ny Tompo ho an’ireo Olomasina tao Missouri dia afaka manampy antsika hiaritra ny fanamby amin’ny fitazonana antsika hifantoka amin’ireo fitahiana nampanantenaina an’ireo izay maharitra amim-pahatokiana ny fahoriana.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto, na izy roa:

    1. Ahoana no ahafahan’ilay fahatokianao hoe hitahy anao ny Tompo, manampy anao hiaritra fahoriana amim-pahatokiana?

    2. Oviana ianao no nahatsapa ho voatahy noho ny fiaretanao fahoriana tamim-pahatokiana?

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:6–13, dia nanambara fomba vitsivitsy hitahiana ireo Olomasina noho ny fankatoavany hanampy amin’ny fanorenana an’i Ziona ny Tompo. Manolora tena hitoetra ho mahatoky mandritra ny fisedranao olana mba hahafahanao mahazo ireo valisoa izay nomanin’ny Tompo ho anao amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:14–23

Milaza ny andraikitry ny eveka ny Tompo ary mandidy ny Olomasina hitandrina ny lalàn’ny tany

Nanome torolalana an’ny Eveka Edward Partridge sy an’i Sydney Gilbert ny Tompo hijanona tany Missouri mba hitantanan’izy ireo ny fananan’ny Fiangonana sy mba hividianan’izy ireo tany ao Independence, Missouri sy ny manodidina (jereo ny F&F 57:7–8). Niady hevitra mikasika ny kalitaon’ny tany izay voafantina ny Eveka Partridge sy ny Mpaminany Joseph Smith. Nahatsapa izy fa tany hafa no tokony novidiana. Io tsy fitovian-kevitra io dia niteraka fahatsapana ratsy teo amin’izy ireo.

Manaova famerenana nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:3 ary vakio avy eo nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:14–15, ka jereo ny zavatra notenenin’ny Tompo an’ny Eveka Partridge.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana ny fitsipika hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:3 no mety ho nanampy an’ny Eveka Partridge hisafidy ny hibebaka amin’ny fifandirany amin’ny Mpaminany mikasika ny tany tokony hovidiana?

    2. Eritrereto ireo olana na toe-javatra amin’izao fotoana izao izay mety hanehoan’ny olona sasany “tsy finoana sy fahajamban’ny fo” amin’ireo mpitarika azy ireo ao amin’ny Fiangonana (F&F 58:15). Inona no azonao atao mba tsy hanaovana an’izany fahadisoana izany?

Nanaiky tamin’ny fo feno fanetren-tena ny fananaran’ny Tompo ny Eveka Partridge ary voavela ny helony.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:16–23, ka jereo ny zavatra nolazain’ny Tompo an’ny Eveka Partridge fa tokony hataony mba hanatanterahany ny antsony. Araka ny andininy 21–23, inona no zavatra nolazain’ny Tompo an’ny Olomasina fa tokony hataony? Inona no zavatra ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika an’ireo izay mampiasa ny lalàn’ Andriamanitra ho fanamarinana ny tsy fankatoavana ny lalàn’ny tany?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58: 24–33

Nanoro hevitra ireo Olomasina ny Tompo hampiasa ny fahafahany misafidy mba hahatonga fahamarinana.

Alaivo sary an-tsaina hoe mandeha eny amin’ny arabe eny ianao ka mahita zokiolona iray mianjera. Mariho ao anaty boribory ny zavatra tokony ataonao eo amin’ity tabilao manaraka ity.

Miandry ny Fanahy hamporisika anao mba hanampy.

Miandry raha toa ka misy olona hafa hanampy.

Miandry ny olona hilaza amiko ny tokony atao.

Manampy ilay olona nianjera.

Nahoana no nisafidy io valinteny io ianao?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:24–28, ka jereo ireo fitsipika nampianarin’ny Tompo an’ireo Olomasina raha niatrika ny fanambin’ny fananganana ny tanànan’i Ziona izy ireo. Azonao atao ny manisy marika ireo fitsipika hitanao. Ny fitsipika iray ampianarina ao amin’ireo andininy ireo dia ny hoe tokony hazoto hirotsaka amin’ny safidy tsara ary hahatonga fahamarinana fatratra isika. (Ny andian-teny hoe “izay terena amin’ny zava-drehetra” [F&F 58:26] dia milaza olona iray izay tsy hanao na inona na inona raha tsy takiana aminy izany. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hahitanao izany amin’ny manaraka.)

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ilay “valisoa” tian’ireo andininy ireo hambara? Nahoana no hisy fiantraikany amin’ny fandraisantsika ny fiainana mandrakizay ny fanaovantsika zavatra tsara maro amin’ny nahim-po?

    2. Inona avy ireo fomba ahafahanao hazoto hirotsaka hanao ny tsara ao an-tokantrano? Any an-tsekoly? Ao amin’ny paroasy na sampana misy anao?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:29–33, ka jereo ny zavatra manjo an’ireo izay tsy mampiasa ny fahafahany misafidy mba hanaovana ny tsara na misalasala amin’ny didin’ Andriamanitra. Asio marika izay hitanao.

Sary
scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27

  1. Ho fanampiana anao hitadidy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27 dia soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny litera voalohany amin’ny teny tsirairay ao amin’ny andininy 27. Ampiasao ireo litera nosoratanao hanampiana anao hanao tsianjery ilay andinin-tsoratra masina. Raha ilaina izany dia azonao atao ny mijery an’ilay soratra masina. Avereno hatrany izany hatramin’ny fotoana hahafahanao manonona an’ilay andinin-tsoratra masina amin’ny fampiasana ireo litera voalohany fotsiny na hatramin’ny fotoana hahaizanao izany tsianjery. Azonao atao ny manonona sy manazava ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27 amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na namanao iray.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:34–65

Manome toromarika mikasika an’i Ziona ny Tompo sy mampianatra ireo fitsipiky ny fibebahana

Ahoana no ahafantaranao fa navelan’ny Tompo ny fahotanao? Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43 ary asio marika ny zavatra nampianarin’ny Tompo mikasika ny famelan-keloka. (Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hahitanao izany amin’ny manaraka.)

Fenoy avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42 ity fitsipika manaraka ity: Raha isika, dia hamela ny helotsika ny Tompo ary tsy hahatsiaro izany intsony.

Ny andian-teny hoe “tsy hahatsiaro izany intsony” dia tsy midika fa hanadino ny fahotantsika Andriamanitra. Andriamanitra dia mahafantatra ny zava-drehetra—tsy manadino na inona na inona Izy. Ny fahotana izay efa nibebahana nefa dia handraisana famelana ary tsy hotsaroana intsony ka tsy tokony holazaina intsony.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana ity: Araka ny hevitrao, inona no mety hiova rehefa mino ny olona iray fa ny Tompo dia hamela ny helony ary tsy hahatsiaro izany intsony?

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:43 dia mampianatra ny fomba hahafantarantsika raha efa nibebaka isika. Vakio io andininy io ary fenoy ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mibebaka isika dia tsy maintsy sy ny fahotantsika.

Ny mahafoy fahotana iray dia ny tsy fitodihana amin’izany intsony ary ny tsy fanaovana izany intsony. Rehefa mamaky ity teny nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity ianao, dia tsarovy ny fotoana izay nibebahanao ary nahatsapanao ny famelan’ny Tompo: “Rehefa avy nibebaka marina isika dia hanala ny vesatry ny fahamelohana noho ny otantsika i Kristy. Ny tenantsika ihany dia afaka mahalala fa voavela heloka sy voadio isika. Hanamarina izany amintsika ny Fanahy Masina; Izy no Mpanamasina. Tsy misy fijoroana ho vavolombelona momba ny famelan-keloka lehibe mihoatra noho izany” (“Point of Safe Return,” Ensign or Liahona, May 2007, 101).

Sary
zatovolahy mivavaka mandohalika

Sary
scripture mastery icon
Soratra Masina Fehezina—Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43

  1. Soraty eo amin’ny taratasy na baoritra kely iray ny andinin-tsoratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43 ary tonony isaky ny fanaovana ny vavaka manokana eo am-pandohaliana izany. Ny fanaovana izany dia manampy anao hahatsiaro ity andinin-tsoratra masina manan-danja ity ary mampatsiahy anao ny hivavaka mba hahazoana fanampiana amin’ny ezaky ny fibabohana sy fahafoizana ny fahotana.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy