Seminera
Fizarana 13: Andro 2,Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57


Fizarana 13: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57

Fampidirana

Nodidin’ny Tompo i Joseph Smith sy ireo loholona hafa ny volana jona 1831 mba hanatanteraka fihaonamben’ny Fiangonana any Missouri (jereo ny F&F 52). Nankatò ilay didy ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo hafa ka nanao dia teo amin’ny 1.448 km teo ho eo niala avy tany Ohio nankany Missouri. Taorian’ny nahatongavan’i Joseph tany Missouri, dia nahazo fanambarana izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57 izy. Tao anatin’io fanambarana io no nanambaran’ny Tompo ny toerana hisian’ny tanànan’i Ziona ho fanatanterahana ilay fampanantenana iray izay nataony tamin’ireo Olomasina tany aloha tany (jereo ny F&F 52). Nampianatra olona maromaro momba ny andraikiny amin’ny fananganana an’i Ziona ihany koa ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:1–6

Nanambara ny toerana misy ny tanànan’i Ziona ny Tompo

Vakio ity teny nambaran’ny Mpaminany Joseph Smith ity mba hahatakarana tsara kokoa ny zavatra tsapany mikasika ny fametrahana sy fanorenana an’i Ziona:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Ny fihaonanay tamin’ireo rahalahinay [Oliver Cowdery, Peter Whitmer Jr., Ziba Peterson ary Frederick G. Williams, izay nandeha tany Missouri daholo tamin’ny naha-misiônera azy], izay efa ela niandrasana anay, dia tena tsara dia tsara tokoa ary nampitomany olona maro. Toa tsara sy nahafinaritra an’ireo rahalahy ery ny niara-nihaona tao anatin’ny firaisan-kina. Saingy betsaka ny zavatra nampieritreritra anay, noho ny tenanay avy tany amin’ny faritra iray any atsinanana izay efa nivoatra lavitra ara-pahalalana ary indro mijoro eo anoloan’ireo fetran’ny toe-javatra iainana hita tany amin’ny faritra andrefan’i Etazonia, sy rehefa nijery ilay tany foana goavan’ireo izay nitoetra tao anatin’ny haizina; dia mora ny mahita ny fikororosy fahana, ny tsy fahampian’ny fahalalana, ny fahasiahana, ny fialonan’ny vahoaka iray izay tara taonjato iray eo ho eo ary mora ny mangoraka ireo izay nirenireny teny tsy nanam-pahalalana, tsy nahay niaina na tsy nahalala momba ny finoana; eny ary nihiaka nampiasa ny fitenin’ireo Mpaminany hoe: ‘Rahoviana ny tany foana no hamony tahaka ny raozy? Rahoviana i Ziona no haorina ao amin’ny voninahiny ary aiza no hatsangana ny Tempolinao izay any no handehanan’ireo firenena rehetra amin’ny andro farany?’ Vetivety dia nisava ny tebitebinay rehefa nahazo ity [fanambarana manaraka ity: F&F 57]” (ao amin’ny History of the Church, 1:189).

Mieritrereta fotoana iray izay niandrandranao mafy zavatra anankiray, toy hoe ny fankalazana andro manan-tantara iray na tsingerintaona nahaterahana, fandehanana hanao asa fitoriana, fandehanana any amin’ny tempoly, fahazoana fanomezana iray, na famangiana olona iray akaikin’ny fo. Inona no tsapanao rehefa nanakaiky ilay fotoana nandrasanao? Nahoana no zava-dehibe ho anao izany fotoana izany? Ahoana no nahitana taratra ny fientanentananao mikasika an’io zava-niseho io teny amin’ny asa nataonao?

Maro tamin’ireo Olomasina tany am-piandohana no nientanentana mialoha tamin’ny famantarana izay ho toerana marina hisy ny tanànan’i Ziona. Talohan’ny nanomezana ilay fanambarana tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57 dia namaky tao amin’ny Bokin’i Môrmôna mikasika an’ilay Jerosalema Vaovao izy ireo ho hita any amin’ny kaontinanta Amerikanina (jereo ny 3 Nefia 20–21; Etera 13). Tamin’ny alalan’ny fanambarana nomena ny Mpaminany Joseph Smith no nahafantaran’ireo Olomasina fa ho ao amin’ny faritra iray ao Missouri i Ziona (jereo ny F&F 52:2, 5, 42).

Tsarovy fa nisy andiana mpikamban’ny Fiangonana miisa telo lehibe nantsoina mba hanao dia teo amin’ny 1.448 km teo ho eo hankany Missouri: ny Mpaminany sy vondrona loholona kely iray (jereo ny F&F 52–53), vondrona misiônera iray izay nantsoina hitory teny an-dalana (jereo ny F&F 52) ary ireo Olomasina avy tany Colesville, New York, notarihin’i Newel Knight (jereo ny F&F 54).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:1–3 ary asio marika ny anaran’ilay toerana hanorenana ny tanànan’i Ziona.

Arak’ireo andininy ireo dia aiza no misy ny tanànan’i Independence raha oharina amin’i Ziona?

Avereno vakiana nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:3 ary asio marika ny zavatra nolazain’ny Tompo fa tokony ho hita any Independence, na ilay toerana afovoan’i Ziona.

Azonao soratana eo amin’ny sisin’ny soratra masinao izao fitsipika manaraka izao: Ny tempoly no afovoan’i Ziona.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny itoeran’ny tempoly ao amin’ny faritra afovoan’i Ziona?

    2. Nahoana no zava-dehibe ny mametraka ny tempoly eo amin’ny faritra afovoan’ny fiainantsika?

Mieritrereta zavatra izay mety hahavarimbariana ny olona ka hanakana azy tsy hahazo ireo fitahian’ny tempoly. Inona no mety hitranga amin’ny olona izay misafidy ny hampifantoka ny fiainany amin’ireo zavatr’izao tontolo izao?

Sary
faribolana
  1. Manaova sarina faribolana ka asio sarina mason’omby iray eo afovoan’izany. Soraty eo afovoan’io faribolanao io ny teny hoe tempoly. Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Hanao ahoana ny fiainanao raha toa ka ampifantohanao bebe kokoa amin’ny zavatra ara-panahy izany, toy ny tempoly ohatra?

    2. Nahoana no hanampy antsika hampifantoka ny fiainantsika amin’i Jesoa Kristy ny fametrahantsika tempoly ho ivon’ny fiainantsika?

Vakio ireto fanambarana manaraka ireto izay manazava ireo fitahiana mety ho azonao raha toa ka mampifantoka ny fiainanao amin’ny tempoly ianao. Rehefa mamaky ianao dia asio marika izay fitahiana efa niainanao.

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Ho anareo izay mendrika ny handeha any amin’ny tempoly dia mamporisika anareo aho mba handeha any matetika. Toerana ahafahantsika mahita fiadanana ny tempoly. Any no hahazoantsika fanolorantena nohavaozina amin’ny filazantsara sy fahavononana izay natanjahana hitandrina ny didy” (Thomas S. Monson, “Mandra-pihaonantsika Indray,” Ensign or Liahona, May 2009, 113).

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Indraindray ny saintsika dia vesaran’ny olana maro ary maro ireo zavatra misarika ny saintsika ao anatin’ny fotoana iray ka manjary tsy afaka mieritreritra sy mahita mazava tsara. Ao amin’ny tempoly dia toy ny miravina ireo fisahotahotahan’ny zava-mahasarika rehetra, toy ny misava ny zavona sy ny haizina ary dia afaka ‘mahita’ ireo zavatra izay tsy nety hitantsika teo aloha isika ary mahita fomba iray izay tsy hitantsika teo aloha ahafahana miala amin’ireo olana ananantsika” (Boyd K. Packer, “The Holy Temple,” Ensign, Oct. 2010, 35).

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Rehefa mikasika sy mitia ny tempoly isika dia ho hita taratra eo amin’ny fiainantsika ny finoantsika. Rehefa mandeha mankany amin’ilay trano masina isika ary rehefa mahatsiaro ny fanekempihavanana izay nataontsika tao dia afaka hizaka ny fitsapana rehetra ary hahatohitra ny fakam-panahy rehetra. Manome tanjona ho an’ny fiainantsika ny tempoly. Mitondra fiadanana ho an’ny fiainantsika izany”(Thomas S. Monson, “Blessings of the Temple,” Ensign, Oct. 2010, 15).

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Raha olona mpandeha any amin’ny tempoly isika dia ho tsara kokoa ny fiainantsika. … Fantatro fa enjikenjika ny fiainanareo. Fantatro fa maro ny zavatra ataonareo. Saingy mampanantena anareo aho fa raha mandeha any amin’ny tranon’ny Tompo ianareo dia ho voatahy ary ho tsara kokoa ny fiainanareo” (Gordon B. Hinckley, “Sombiny avy tamin’ireo lahateny faramparan’ny Filoha Gordon B. Hinckley,” Ensign, jolay 1997, 73).

Sary
Filoha Howard W. Hunter

“Aoka isika mba ho olona mpandeha any amin’ny tempoly sy ho olona tia ny tempoly. Aoka isika handeha ho any amin’ny tempoly matetika araka izay hamelan’ny fotoantsika sy ny enti-manana eo amintsika ary ny toe-javatra iainantsika manokana hanao izany. Handeha isika ho any, tsy ho an’ireo havantsika nodimandry fotsiny, fa ho any koa mba hahazoana ny fitahiana ho an’ny tena manokana avy amin’ny fanompoam-pivavahana hatao any amin’ny tempoly sy ny fahamasinana ary ny fiarovana azo ao anatin’izany rindrina masina sy voatokana izany. Ny tempoly dia toerana tsara tarehy sy toeran’ny fanambarana ary toeran’ny fiadanana. Tranon’ny Tompo izany. Masina izany ho an’ny Tompo. Tokony ho masina izany ho antsika” (Howard W. Hunter, “The Great Symbol of Our Membership,” Ensign, Oct. 1994, 5).

Sary
Tempolin’i Nauvoo Illinois
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Iza amin’ireo fitahiana notanisaina tetsy ambony no efa niainanao?

    2. Inona no fiantraikan’ireo fitahiana ireo teo amin’ny fiainanao?

Saintsaino izay zavatra azonao atao bebe kokoa mba hampahatonga ny tempoly ho ivon’ny fiainanao. Mametraha tanjona mba hitoetra na ho lasa mendrika ny hanana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly sy mba handeha ho any amin’ny tempoly matetika araka izay ahafahana manao izany.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:4–6 dia mirakitra fa nodidin’ny Tompo mba hividy sombin-tany tao amin’ny Fivondronan’i Jackson Missouri sy manodidina azy ny Olomasina izay hanome fahafahana azy ireo hanomboka hanorina an’i Ziona sy hanangana tempoly iray.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:7–16

Nampianatra olona momba ny andraikiny amin’ny fananganana an’i Ziona ny Tompo

Alaivo sary an-tsaina hoe niaraka tamin’ireo Olomasina tany Missouri ianao tamin’ny fotoana nanambaran’ny Tompo ny toerana hisy an’i Ziona ary nangatahina ianao mba hijanona tany hitondra fanampiana amin’ny fanorenana an’i Ziona ao amin’ny tanànan’i Independence. Inona no ho tsapanao raha toa ka nanana andraikitra manan-danja toy izany ianao? Ahoana no fomba hanombohanao ny fanorenana tanàna iray ho an’ny Tompo? Iza no tianao hanampy anao hanorina izany?

  1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57:7–13. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny anaran’ireo lehilahy efatra izay notendren’ny Tompo mba hanampy amin’ny fanorenana an’i Ziona sy ny zavatra nasainy nataon’ny tsirairay tamin’izy ireo.

Ny olona tsirairay izay notoroina hevitra mba hipetraka ao Missouri dia nanana fanomezam-pahasoavana sy talenta ary nilaina mba hanampy amin’ny fanorenana ny Ziona. Azonao soratana eo amin’ny sisin’ny soratra masinao ity fitsipika manaraka ity: Tokony hampiasa ny hery ananan’ny tenantsika manokana isika mba hitondrana fanampiana amin’ny fanorenana ny fanjakan’ny Tompo noho Izy miantso antsika mba hanao izany.

Mieritrereta olona izay fantatrao fa nanorina ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny fampiasana ny hery ananan’ny tenany manokana, ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy ananany, na ny talentany.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona avy ireo karazana hery anananao?

    2. Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo karazana hery anananao ireo mba hitahiana ny fianakavianao sy ny Fiangonana?

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 57 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy