Seminera
Fizarana 4: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11–12


Fizarana 4: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11–12

Fampidirana

Fotoana fohy taorian’ny namerenana ny Fisoronana Aharôna tamin’ny laoniny tamin’ny mey 1829, dia namangy ny Mpaminany tany Harmony, Pennsylvanie, i Hyrum rahalahin’i Joseph Smith sy i Joseph Knight rainy. Samy naneho ny faniriany hanompo an’ Andriamanitra izy mirahalahy ary hanampy amin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11 sy 12 dia ahitana ny tenin’ny Tompo ho an’i Hyrum Smith sy ny tenin’ny Tompo ho an’i Joseph Knight rainy.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:1–14

Nianatra ny fomba hanampiana amin’ny fampandrosoana ny asan’ny Tompo i Hyrum Smith

Moa ve ianao efa naniry ny handray anjara tamin’ny fotokevitra iray mendrika ho tohanana izay tsapanao fa hitondra tombontsoa eo amin’ny fiainan’ny olona sy eo amin’izao tontolo izao? Tahaka izany no fahatsapana nananan’ny olona maro mikasika ny Fiangonana tamin’ireo andro niandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny. Raha ny marina, dia tahaka izany no tsapan’ny olona maro mikasika ny fanompoana ao amin’ny Fiangonana—ilay fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany—amin’izao andro izao. Ao amin’ny fizarana faha-11 sy 12 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, dia nanome torohevitra an’i Hyrum Smith sy i Joseph Knight rainy ny Tompo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:27 sy ny 12:7 mba hahitana hoe iza ihany koa no resahan’ny Tompo ao amin’ireo fanambarana ireo.

Sary
Hyrum Smith

I Hyrum Smith, zokin’i Joseph, dia mety efa nahafantatra mikasika ireo zava-mitranga vao haingana toy ny fandrosoana eo amin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna sy ny famerenana ny Fisoronana Aarôna amin’ny laoniny. Naniry hahafantatra ny fomba ahafahany manampy an’i Joseph ao amin’ny asan’ny Tompo izy. Nanontany ny Tompo i Joseph ary nandray ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11 ho an’i Hyrum. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:3, 8, 10, 14, 17, 21, ary 27, dia asio marika ireo teny hoe maniry, irianao, ary faniriana. Eritrereto ny fahatsapana amin-kitsimpo izay tokony hananan’olona iray izay tena maniry handray anjara amin’ny asan’ny Tompo.

  1. Manaova tabilao misy tsanganana roa ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Asio an’izao lohateny izao ny tsanganana voalohany Ireo fitahiana nampanantenaina noho ireo faniriana marina. Asio an’izao lohateny izao ny tsanganana faharoa Ny zavatra nilainy natao mba hahazoana ireo fitahiana ireo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:5–8. Eo amin’ny tsanganana voalohany, tanisao ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’i Hyrum Smith mikasika ny faniriany handray anjara amin’ny asan’ny Tompo. Eo amin’ny tsanganana faharoa, tanisao ny zavatra nilain’i Hyrum natao mba hahazoana ireo fitahiana masina ireo.

Teo am-pandalinana ireo andininy ireo ianao dia mety nahita ireto fahamarinana ireto: Afaka mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra isika araka ireo faniriana tsara ananantsika. Raha maniry hanao ny asan’ Andriamanitra isika, dia ho tonga fitaovana hanaovan-tsoa be.

  1. Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto asa ampanaovina manaraka ireto:

    1. Manorata valiny vitsivitsy ho an’ity fanontaniana manaraka ity: Inona no azonao atao mba “ho fitaovana amin’ny fanaovan-tsoa be” mandritra ny vanim-potoana iainanao?

    2. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:9–14, ary tadiavo ny torohevitra nomen’ny Tompo izay hanampy an’i Hyrum hanatanteraka zava-tsoa be. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny torohevitry ny Tompo ho an’i Hyrum, ary jereo raha toa ka mifandray amin’ireo hevitra sasany nosoratanao io torohevitra nomeny io.

    3. Araka ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–13, ahoana no fomba hahafantaranao ny fitaoman’ny Fanahy Masina?

Nianatra isika avy amin’ny torohevitra izay noraisin’i Hyrum fa mitarika antsika hanao ny tsara, handeha amim-panetrentena ary hitsara araka ny rariny ny Fanahin’ny Tompo. Ny Fanahy ihany koa dia manazava ny saintsika ary mameno fifaliana ny fanahintsika. Mety hanampy be ny mampifandray ireo fahamarinana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–13 ireo amin’ny andinin-tsoratra masina fehezina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3.

  1. Makà fotoana kely hieritreretana ireo toe-javatra izay nahatsapanao ny Fanahy. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray na ny maro amin’ireto traikefa manaraka ireto izay efa niainanao:

    1. Zavatra niainana iray izay nitarihan’ny Fanahy anao hanao ny tsara

    2. Zavatra niainana iray izay nitarihan’ny Fanahy anao hanetry tena

    3. Zavatra niainana iray izay nitarihan’ny Fanahy anao hitsara araka ny rariny

    4. Zavatra niainana iray izay nanazavan’ny Fanahy anao mikasika ny lohahevitra iray na ny olana iray anao manokana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:15–30

Nandidy an’i Hyrum Smith hiomana amin’ny antsony mba hitory ny Tompo

Alaivo sary an-tsaina hoe mijery ny fiantombohan’ny zavatra izay tsapanao fa ho fotokevitra lehibe indrindra maneran-tany ianao, sady mahafantatra fa ho anisan’ny mpandray anjara amin’izany. Ampahafiriny amin’ny fotoananao no ho lanianao hieritreretana mikasika io fotokevitra io sy hanomanana ary hiomanana mba handraisana anjara amin’izany? Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:15–16, ary tadiavo izay tian’ny Tompo hataon’i Hyrum Smith.

Nahoana araka ny hevitrao no nandidy an’i Hyrum ny Tompo “hiandry kely”? Eritrereto ny hoe mbola tsy naorina ara-dalana ny Fiangonana raha tsy volana maromaro aty aoriana, ary tsy mbola natonta ny Bokin’i Môrmôna. Ahoana, araka ny hevitrao, no fiantraikan’ireo zavatra mbola hitranga ireo eo amin’ny fiomanan’i Hyrum hanampy amin’ny asan’ny Tompo?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:18–20, ary tadiavo izay nolazain’ny Tompo fa ilain’i Hyrum atao mba hahatonga azy ho fitaovana mahomby eo am-pelatanan’ny Tompo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray na ny maro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no fomba ahafahan’ny tovolahy iray izay miomana ho amin’ny asa fitoriana “miantso [ny] Fanahy”?

    2. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mifikitra amin’[ny Tompo] amin’ny fonao rehetra”?

    3. Inona no angatahan’ny Tompo aminao amin’ny “fanampiana amin’ny fitondrana ho amin’ny fahazavana”?

Miainga avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:18–20, dia manorata fitsipika iray izay milaza ireo fomba maro manan-danja ahafahanao miomana hanompo ao amin’ny fanjakan’ny Tompo:

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21–22, ary mitadiava zavatra hafa izay nolazain’ny Tompo fa ilain’i Hyrum Smith ho atao mba hahatonga azy ho mpampianatra ny filazantsara mahomby. Inona no nolazain’ny Tompo fa tokony hataon’i Hyrum mba hahafahany manambara ny teniny?

Sary
misiônera mamaky soratra masina

Inona araka ny hevitrao no maha samy hafa ny mandalina soratra masina mba “hahazoana ny tenin’[ny Tompo]” sy ny hoe mamaky soratra masina tsotra fotsiny? Ireo izay mandalina ny tenin’ny Tompo dia hahazo ny Fanahiny sy ny hery handresen-dahatra ny hafa amin’ny fahamarinan’ny filazantsara.

Mba hahitana fa nitandrina ny didin’ny Tompo i Hyrum ary nanaraka ny torohevitra nomeny, dia jereo ny fampidirana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11, ary soraty ny daty nandraisana io fanambarana io. Avy eo dia jereo ny fampidirana ny fizarana ho an’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 23 ary mariho ny datin’io fanambarana io. Firy volana taty aoriana ny Mpaminany Joseph Smith no nandray ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21, ary avy eo dia vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 23:3. Inona no hitanao? Ahoana no fomba hampiharana izany amin’ny fiomanana hanao asa fitoriana?

Sary
Loholona David A. Bednar

Saintsaino ny torohevitra nomen’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay nataony ho an’ireo zatovolahy nandritra ny fivoriamben’ny fisoronana tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana: “Ny fanantenako ambony indrindra ho anareo zatovolahy tsirairay dia hoe tsy handeha hanao asa fitoriana fotsiny ianareo—fa mba ho tonga misiônera fotoana ela mialoha ny handefasanareo ny antontan-taratasy ahatongavana ho misiônera, fotoana ela be mialoha ny handraisanareo ny antso handeha hanompo, fotoana elabe mialoha ny hanokanan’ny filohan’ny tsatòkanareo anareo ary fotoana ela be mialoha ny hidiranareo ao amin’ny MTC” (“Becoming a Missionary,” Ensign na Liahona, nôv. 2005, 45).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny sasany amin’ireo zavatra izay tsapanao fa tokony ho tanterahana na ovana mandritra ireo volana vitsivitsy ho avy mba hanampy anao hahazo ny tenin’ Andriamanitra tsara kokoa.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12

Manoro hevitra an’i Joseph Knight rainy ny amin’ny fomba ahafahany manampy amin’ny fampiorenana an’i Ziona ny Tompo

Eritrereto ny anaran’ireo olo-malaza vitsivitsy teo amin’ny tantara. Inona no toetra tsara izay fantatra fa nananan’izy ireo?

Efa naheno ny amin’ny lehilahy iray antsoina hoe Joseph Knight rainy ve ianao? Vakio ny sasin-tenin’ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12 mba hianarana mikasika an’i Joseph Knight rainy sy ny ohatry ny anjara biriky nentiny ho an’ny fanjakan’ Andriamanitra.

Mety ho tsikaritrao fa ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12:1–6 dia mitovy amin’ny teniny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:1–6. Matetika ny Tompo no hamerina torolalana mitovy amin’ny olona samihafa—“izay lazaiko amin’ny iray dia lazaiko amin’ny rehetra” (F&F 82:5). Izany no niseho tamin’i Hyrum Smith (F&F 11) sy i Joseph Knight rainy (F&F 12); misy mitovy ny torolalana sasany.

Na dia mpikambana tsy dia nalaza aza i Joseph Knight rainy tao amin’ny Fiangonana tany am-piandohana dia nanao zava-tsoa be izy tamin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra. Nanohana ny Mpaminany ara-tsakafo izy, sy tamin’ny zavatra hafa nandritra ny fotoana manan-danja nanaovana ny asa fandikanteny. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12:6–8, ary mariho ireo toetra tsara izay voalazan’ny Tompo fa ilain’ireo izay te hanampy amin’ny asan’ny Tompo. Diniho ny fomba ahafahanao mampitombo ireo toetra ireo eo amin’ny fiainanao.

Niezaka hatrany hiaina ireo toetra tsara ireo i Joseph Knight rainy. Nanampy ny Mpaminany izy tamin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo nandritra ny fotoana nanompoany. Taona maro taorian’ny nandraisan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fanambarana tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12 dia nanoratra izao manaraka izao izy: “Joseph Knight, rainy, … dia nahatoky sy marina, ary tsy mba miangatra, ohatra tsara, ary madio fisainana sy tsara fanahy, tsy mba nivily ho amin’ny havia na ny havanana. … Lehilahy marina izy” (ao amin’ny History of the Church, 5:124).

  1. Mba hanampiana anao hieritreritra sy hampihatra izay nianaranao androany, dia tohizo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity teny ity: Mba hanampiana ny Tompo amin’ny asany, izaho dia …

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11–12 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy