Seminera
Fizarana 17: Andro 2, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78–80


Fizarana 17: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78–80

Fampidirana

Ny 01 Marsa 1832 no nanomezan’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith ny fanambarana izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78. Hita ao amin’ity fanambarana ity ny baiko nomen’ny Tompo ny Mpaminany mba hanangana orinasa (izay fantatra taty aoriana tamin’ny anarana hoe United Firm na Orinasa Mitambatra) hahafahana mitantana ny trano fitehirizana sy manohana ny ezaka rehetra ataon’ny Fiangonana amin’ny famoahana boky. Nanoritsoritra ny fitahiana ho azon’ireo Olomasina ihany koa ny Tompo raha toa ka mankatò ny didy hananganana io orinasa io izy ireo. Ho fiarovana ity asa fandraharahana nataon’ny Fiangonana ity amin’ny fahavalon’ny Fiangonana, dia novaina ny teny sasany tamin’ity fanambarana ity tamin’ny namoahana izany voalohany tao anatin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana natonta ny taona 1835. Ohatra, ny teny hoe orinasa dia novaina ho fandaminana jereo ny F&F 78:4).

Nanodidina io fotoana nandidian’ny Tompo an’i Joseph Smith mba hanangana ny United Firm io ihany koa no nanomezan’ny Tompo ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79–80. Ao anatin’ireo fanambarana ireo ny Tompo dia niantso an’i Jared Carter, Stephen Burnett, ary Eden Smith hanao asa fitoriana ny filazantsara.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:1–16

Didian’ny Tompo hanangana ny Orinasa Miray ny Mpaminany Joseph Smith

Ampahany manan-danja eo amin’ity tontolo misy antsika ity ny vola, ary azo ampiasaina amin’ny antony tsara na amin’ny antony ratsy izany. Tanisao eo amin’ny toerana banga eo ambany ireo fomba maro izay azo ampiasana ny vola amin’ny antony tsara ary koa ireo fomba maro azo ampiasana ny vola amin’ny antony ratsy.

Antony tsara

Fikasana ratsy

Sary
barika sy gona misy voamaina

Tamin’ny volana mey 1831, ny Tompo dia nandidy ny hanorenana trano fitehirizana hanangonana ny vola sy ny zava-drehetra mihoatra noho izay ilaina ho tombontsoan’ny mahantra (jereo ny F&F 51). Nila vola ihany koa ny Fiangonana mba hividianana tany sy hamatsiam-bola ny famoahana ireo fanambarana noraisin’ny Mpaminany Joseph Smith. Nisy fikambanana telo samy hafa nahazoana izany vola izany: (1) ny tranombarotra Newel K. Whitney tao Kirtland, Ohio, (2) ny tranombarotra notantanan’i Sidney Gilbert tao Missouri, ary (3) ny Literary Firm, izay natsangana mba hanara-maso ny fanontana ny bokin’ny Fiangonana. Ny toromarika nomen’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:3 dia nitondra tany amin’ny fanambarana ho iray ihany ireo fikambanana telo ireo. Nantsoina hoe United Firm ilay fikambanana vaovao ary izany dia nahitana an’i Joseph Smith, Sidney Rigdon, Newel K. Whitney, Edward Partridge, Sidney Gilbert, Oliver Cowdery, John Whitmer, William W. Phelps, ary i Martin Harris.

Ny teny hoe fandaminana izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78, dia ilazana ny United Firm. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:3–4 ka tadiavo ny zavatra avelan’izany orinasa na fandaminana izany mba hataon’ny Olomasina.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Araka izay voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:4, inona no antony nahatonga ny Tompo nisafidy ny fandrosoana amin’ny alalan’ny United Firm?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:5–6 ka tadiavo ny antony nandidian’ny Tompo ny Olomasina mba hanampy “ny mahantra amin’ny vahoakany” (F&F 78:3).

Araka ny voalaza ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo, ny zavatra any an-danitra dia ahitana ireo fitahiana tsy manam-petra, toy ny fahalalana, ny fijoroana ho vavolombelona, ary ireo fahafahana handray ireo ordônansin’ny famonjena.

Mety hanampy tokoa ny mahafantatra fa ny fitoviana amin’ny zavatra ety an-tany dia tsy midika hoe hitovy tsy misy valaka ny fananan’ny olona tsirairay, fa hoe ny fianakaviana tsirairay kosa dia hanana zavatra ampy ho an’izay ilainy sy tsy ampy aminy arakaraka ny toe-javatra iainan’ny tsirairay avy.

  1. Manorata ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina fehezan-teny vitsivitsy manazava ny fahazoanao ny hoe ny fitoviana amin’ny zavatra ananana ety an-tany dia mamela antsika hitovy amin’ny fahazoana ny zavatra any an-danitra.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:7. Rehefa mamaky ianao dia mitadiava antony iray hafa nahatonga ny Tompo handidy ny Olomasina hanangana ny United Firm sy hikarakara ny mahantra. Avy eo dia fenoy ity fitsipika manaraka ity: Ny fanaovana ny zavatra nandidian’ny Tompo dia manomana antsika amin’ny .

Araka ny eritreritrao, ahoana no hahafahan’ny fankatoavana ny didy mba hanangana ny United Firm hanampy ny Olomasina hiomana ny handova toerana ao amin’ny fanjakana selestialy?

  1. Ao anatin’ny iray minitra, mitanisà didin’ny Tompo betsaka araka izay tratranao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Avy eo dia misafidiana iray amin’ireo didy notanisainao ary manorata fehezan-teny vitsivitsy manazava ny antony mahatonga ny fankatoavana izany didy izany afaka manampy anao hiomana hahazo toerana ao amin’ny fanjakana selestialy.

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

Eo am-pamakianao ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity dia saintsaino ny antony maha-zava-dehibe ny mahatakatra ny tanjon’ny Tompo amin’ny fanomezany antsika didy: “Ny fitsarana farany dia tsy fitsarana ny fitambaran’isan’ny asa tsara na ratsy natao fotsiny ihany—ny zavatra vitantsika. Izany dia fampahafantarana ny vokatra farany avy amin’ireo asa nataontsika sy eritreritra nananantsika—lasa inona isika. Tsy ampy ho an’iza na iza ny manao zavatra iray fotsiny tsy amim-pieritreretana. Ny didy sy ny ôrdônansy ary ny fanekempihavanana dia tsy lisitr’ireo vola takiana mba harotsaka any amin’ny banky any an-danitra akory. Drafitra iray izay mampiseho ny fomba hahatongavantsika amin’ilay irin’ny Raintsika any An-danitra hahatongavantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” (“The Challenge to Become,” Ensign, nôv. 2000, 32).

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Ahoana no hahafahan’ny fahatakaranao ny fikasan’ny Tompo ny amin’ny nanomezany didy antsika hanampy anao hankato Azy amim-pahatokiana bebe kokoa?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:8–9, ka tadiavo ny anaran’ireo izay notendren’ny Tompo hanangana ny United Firm.

Diniho fa ao amin’ny andininy faha 9 ny Tompo dia nandidy ireo lehilahy ireo mba hiara-midinika amin’ireo Olomasina ao Ziona, izany hoe ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Independence, Missouri. Ho fankatoavana io didy io, dia nila nandeha saika ho 1600 kilometatra (mandroso sy miverina) avy tao Hiram, Ohio, nankany Indepedence, Missouri i Joseph Smith, sy i Newel K. Whitney, ary i Sidney Rigdon. Ny volana Aprily 1832, iray volana latsaka taorian’ny nandraisana io fanambarana io dia nankato ny didy izy telo lahy ka nandeha nankany Missouri.

Inona no ampianarin’ny fihetsik’izy ireo anao momba ny finoana sy ny fankatoavana ny didin’ny Tompo?

Fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’izy ireo tao Missouri, dia niara-nidinika izy telo ka tao anatin’izany no nanorenany ny United Firm araka ny torolalana tao anatin’ilay fanambarana. Ny tombom-barotra rehetra azo avy amin’ny asa fandraharahan’ny United Firm dia napetraka tao amin’ny trano fitehirizana hikarakarana ny mahantra sy hamatsiana ny filana ara-bolan’ny Fiangonana.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:10–16, ny Tompo dia manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny United Firm. Nanazava izy fa raha manaraka ny torimarika nomeny ny Olomasina, dia hanampy azy ireo Izy amin’ny fanatanterahana ny didiny ary ho afaka ny hahaleo tena amin’ny fikambanana hafa rehetra misy eto an-tany ny Fiangonana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:17–22

Manoritsoritra ny fitahiana natao ho an’ireo izay mitandrina ny didiny ny Tompo

Mieritrereta fanomezana na fitahiana sasantsasany izay azonao tamin’ny ianao mbola kely izay vao mainka tianao bebe kokoa amin’izao ianao lehibe izao. Inona no antony itiavanao bebe kokoa ireo fanomezana na fitahiana ireo amin’izao? Eritrereto ny fomba mety ifandraisan’izany amin’ireo fitahiana izay nomanin’ny Ray any An-danitra antsika.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:17–18, ka tadiavo ny zavatra nampitovy ny Olomasina tamin’ny ankizy madinika. Azonao atao ny manolo ny mpisolo tena ianareo, sy ny anareo amin’ny anaranao mba hanampy anao handray ireo andininy ireo ho toy ny natao ho anao manokana.)

Sary
I Kristy miaraka amin’ny ondriny

Saintsaino hoe afaka manampy antsika hatoky amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana fa ny Tompo dia “hitari-dalana antsika” (F&F 78:18) na dia tsy mbola afaka mahatakatra na mahatanty ny zava-drehetra aza isika.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:19, ka tadiavo ny torohevitra nomen’ny Tompo ny Olomasina. (Andinin-tsoratra masina fehezina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:19. Azonao atao ny manisy marika miavaka izany.)

Fenoy avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny andininy faha 19 izao fitsipika manaraka izao: Raha toa isika , dia hampitomboin’ny Tompo ny fitahiana azontsika.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no ahafahanao mandray ny zava-drehetra amim-pakasitrahana bebe kokoa?

    2. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fisafidiananao ny handray ny zava-drehetra amim-pankasitrahana hanampy anao ho matoky?

Sary
scripture mastery icon
Soratra masina fehezina—F&F 78:19

  1. Manorata lahateny iray maharitra roa minitra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay mifototra amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:19. Ataovy izay hampidiranao ireto manaraka ireto ao anatin’ny lahateninao:(1) fampahalalana ny zava-miseho izay mifanaraka amin’ity andininy ity, (2) ny fitsipika ampianariny, ary (3) zavatra niainan’ny tena manokana izay maneho ny fahamarinana ampianarin’ity andininy ity. Rehefa vita ny lahateninao dia zarao amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na amin’ny namana iray. Afaka manasa anao hizara ny lahateninao amin’ny mpiara-mianatra aminao ihany koa ny mpampianatra amin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano anao.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:20–22, ka tadiavo ny torohevitra nomen’ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79–80

Nantsoina hanao asa fitoriana i Jared Carter sy Stephen Burnett ary Eden Smith

Ao amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 79 sy ny 80, ny Tompo dia niantso lehilahy telo hanao asa fitoriana. Vakio ny fizarana tsirairay, ka tadiavo ireo fitsipika izay mihatra amin’ny asa fitoriana. Saintsaino ny fomba ahafahanao mampihatra ireo fitsipika hitanao mba hampahomby bebe kokoa ny fizaranao ny filazantsara amin’ny olona iray fantatrao.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78–80 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy