Fizarana 25: Andro 1
Nifindra tany avaratr’i Missouri ny Fiangonana
Fampidirana
Tamin’ny taona 1837 sy 1838, dia nitarika ny Fiangonana amin-katsaram-panahy tao anatin’ny vanim-potoana tena sarotra ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Vokatry ny fahasahiranana ara-toekarena, ny fimatimatesan-karena sy ny fifanomezan-tsiny ary ny fanenjehana dia voatombantombana ho ny 10 na 15 isan-jaton’ny Olomasina tao Kirtland, Ohio, no nihemotra, ka anisan’izany ireo mpitarika lehibe tao amin’ny Fiangonana. Nanomboka nifindra monina ireo Olomasina mahatoky tany Ohio mba hanatevin-daharana ireo izay tany Missouri avaratra. Lasa foiben’ny Fiangonana ny faritra andrefana indrindra tao Missouri mandra-pahatongan’ny fotoana nanerena ireo Olomasina hiala ilay tanàna tany am-piandohan’ny taona 1839. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra sy hianatra avy amin’ireo zava-nitranga ara-tantara ary hanome anao hevi-baovao mikasika ireo fanambarana voaray nandritra io vanim-potoana io.
Fotoan-tsarotra sy fihemorana tao Kirtland, Ohio
Saintsaino ity fanontaniana manaraka ity: Moa ve ireo fotoan-tsarotra sy fitsapana manampy amin’ny fampatanjahana ny finoanao, sa miha-ketraka ny finoanao mandritra ireo fotoana ireo?
Tamin’ny taona 1837 sy 1838, dia nahatonga ny maro tamin’ireo Olomasina hametraka io fanontaniana io ny vanim-potoana iray niaretan’izy ireo fitsapana. Na dia vokatry ny fanenjehana avy any ivelan’ny Fiangonana aza ny sasany tamin’ireo fitsapana niainan’izy ireo dia maro tamin’izany no vokatry ny fifanjihirana tao anatin’ny Fiangonana. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia saintsaino ny fomba izay, na hampatanjahan’ny fihetsika asehontsika manoloana ny fitsapana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, na hampihenany izany finoana izany.
Rehefa mamaky ity famintinana ara-tantara manaraka ity ianao dia saitsaino ireo fitsipika azonao ianarana avy amin’ireo zava-nitranga tantaraina ao amin’ny antsipiriany:
Tamin’ny taona 1837, dia niatrika olana ara-bola ireo Olomasina tao Kirtland, Ohio. Mba hanampiana ireo Olomasina hahaleo tena bebe kokoa ara-bola dia nanangana ny Kirtland Safety Society, izay orinasa mitovy amin’ny banky ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Noho ny olana ara-toekarena niely patrana nandritra izany fotoana izany dia maro ireo banky no maty antoka nanerana ny firenena. Maty antoka ihany koa ny Kirtland Safety Society tamin’ny fararanon’ny taona 1837. Mpametra-bola miisa roanjato tao amin’ilay banky no efa saika namoy ny volany rehetra, ary i Joseph Smith no very vola betsaka indridra raha nitaha tamin’ny hafa. Na dia tsy novatsian’ny Fiangonana ara-bola aza ny Kirtland Safety Society dia noraisin’ny Olomasina sasany ho bankin’ny Fiangonana izany na bankin’ny Mpaminany ka dia nanome tsiny an’i Joseph noho ny olana ara-bola nananany izy ireo. Nanomboka niantso azy ho mpaminany lany hery mihitsy aza ny sasany. Kanefa na dia teo aza ny fatiantoka nitranga tamin’ilay banky dia maro ireo olona hafa very vola no nijanona ho nahatoky sy tsy nivadika tamin’ny Mpaminany. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times Student Manual, fanontana faha 2 [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2003], 171–73.)
Nielipatrana teo anivon’ny Olomasin’ny maro ny fanahin’ny fihemorana sy ny fitsikerana. I Brigham Young dia nitantara ny fotoana iray izay nivorian’ny mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana, anisan’izany ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana, mba hanilika an’i Joseph Smith ka hanendry mpaminany vaovao: “Maro tamin’ireo Roambinifololahy, ireo vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna, ary ireo manampahefana hafa sasany tao amin’ny Fiangonana no nanao filankevitra tao amin’ny rihana tao amin’ny tempoly. Ny zavatra nifanakalozan’izy ireo hevitra dia mikasika ny fomba hanonganana ny Mpaminany Joseph sy ny fomba hanendrena an’i David Whitmer ho Filohan’ny Fiangonana. … Nitsangana aho ary nilaza tamin’izy ireo tamin-kery fa Mpaminany i Joseph, ary fantatro izany, ary izy ireo dia afaka ny mianiana sy mivazavaza araka izay mahafinaritra azy ireo; tsy afaka ny hamotika ny fanendren’ Andriamanitra izy ireo, ny hany azon’izy ireo atao dia ny mamotika ny fahefan’izy ireo manokana sy manapaka ny tady izay nampifamatotra azy ireo tamin’ny Mpaminany sy tamin’ Andriamanitra, ary mitsoraka any amin’ny helo” (Manuscript History of Brigham Young, 1801–1844, natontan’i Elden Jay Watson [1968], 15–16).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona avy ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo zava-niseho ara-tantara ireo ?
-
Inona no mety ho nataonao mba hijanonana ho mahatoky tamin’ny Mpaminany nandritra io fotoana nanjakan’ny fitsikerana io? Oviana no nampatanjaka ny finoanao an’i Jesoa Kristy ny fiaretana fitsapana?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nahazoanao fiarovana ara-panahy avy amin’ny fanarahana ny mpaminany?
-
Tamin’ny volana jona 1838 dia olona nihemotra tokotokony ho 200 na 300 teo no niala ny Fiangonana, ka anisan’izany ny Apôstôly efatra, ireo Vavolombelona Telon’ny Bokin’i Môrmôna, ary mpikambana iray tao amin’ny Fiadidiana Voalohany (jereo ny Church History in the Fulness of Times, 177). Na izany aza dia naneho fihetsika mitovy be amin’izay nasehon’i Brigham Young teo anoloan’ity fotoana fisedrana ny finoana ity ny ankamaroan’ireo Olomasina. Nampatanjahin’ny Tompo izy ireo ka nijanona ho mahatoky tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany. Maro tamin’ireo izay nandao ny Fiangonana nandritra io fotoan’ny fihemorana io no niverina taty aoriana ary nangataka ny hiara-hiangona indray tamin’ny Fiangonan’ny Tompo. Anisan’izy ireo i Oliver Cowdery, i Martin Harris, i Luke Johnson, ary i Frederick G. Williams.
Nandritra ireo fotoan-tsarotra tao Kirtland ireo dia nikatsaka ny hamono an’i Joseph Smith ny olona vitsivitsy izay nihemotra. I Luke Johnson, izay nihemotra niala ny Fiangonana, dia nanana fahamarinan-toetra ampy ka nampandre ny Mpaminany mikasika ilay fikasan-dratsy. Niala tao Kirtland i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon tamin’ny volana janoary 1838. Nenjehina nandritra ny andro maro izy ireo, saingy niaro azy ireo ny Tompo. Tonga tany amin’ny Far West, Missouri, niaraka tamin’ny fianakaviany izy ireo tamin’ny Martsa 1838.
Missouri Avaratra
Jereo ny fanjakan’i Missouri ao amin’ny sarintany any am-piandohan’ity lesona ity. Rehefa noterena hiala tao amin’ny faritanin’i Jackson, Missouri, ny Olomasina tamin’ny taona 1833 dia nandray tsara azy ireo ireo mponina tao amin’ny faritany iray teo akaikin’izy ireo ary nanome azy ireo fanampiana vonjy maika noho izy ireo nanantena fa tsy hijanona afa-tsy fotoana fohy ireo Olomasina. Rehefa nipetraka efa ho telo taona tao anefa ny Olomasina dia manomboka nanery azy ireo hiala tao amin’ilay fivondronana ireo mponina ireo.
Rehefa mamaky ity famintinana ara-tantara manaraka ity ianao dia eritrereto hoe inona avy ireo fitsipika azonao ianarana avy amin’ireo zava-mitranga izay voafariparitra:
Tamin’ny taona 1837, dia nampiasa ny teti-bolan’ny Fiangonana i John Whitmer sy i William W. Phelps, ireo mpanolotsaina roa tao amin’ny fiadidian’ny tsatòkan’i Missouri, mba hividianana tany tao amin’ny toerana iray antsoina hoe Far West ao Missouri avaratra. Kanefa rehefa nanolotra ireo ampahan-tany tamin’ireo Olomasina tonga tao izy ireo dia namidin’izy ireo ka nakany tombony kely ilay tany, ary notazoniny ho an’ny tenany izany vola izany. Na dia teo aza izany dia namela azy ireo ny filankevitra avo tao Missouri ka nanendry olona hafa hizara ilay tany. Mbola nanohy niezaka ny haka tombony tamin’ny famarotana ireo tany ihany anefa i John sy i William. Nesorin’ny filankevitra avo tsy ho mpikambana intsony izy ireo tamin’ny taona 1838. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times, 183–85.)
Nanohana ny zavatra nataon’ilay filankevitra i Joseph Smith ka dia tezitra i William. Nanao sonia fanambarana ombam-pianianana hanoherana ny Mpaminany izy tamin’ny volana nôvambra 1838. Io fanambarana ombam-pianianana io dia nanampy tosika tamin’ny fisamborana an’i Joseph sy ireo olona hafa sy nandefasana azy ireo tao amin’ny Fonjan’i Liberty nandritra ny ririnina.
Nijaly mafy tokoa ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo izay niaraka taminy rehefa tao am-ponja, tsy noho ireo toe-javatra feno herisetra niainan’izy ireo tamin’ny famonjana azy ihany fa noho ireo tatitra avy amin’ireo Olomasina izay noroahina hiala ny tranony sy nararaotina tamin’ny fomba maro ihany koa. Ireo andian’olona tao Missouri, izay tsy nosakanan’ny governora, dia nanimba fananana sy namono olona 17 tao amin’ny trano fitotoam-bary izay an’ny lehilahy iray antsoina hoe Jacob Haun.
Nijaly ara-panahy noho ny zavatra nataony i William W. Phelps ka nanoratra taratasy ho an’i Joseph mba hangataka famelan-keloka. Hoy ny Mpaminany raha namaly ilay taratasy hoe:
“Marina tokoa fa tena nijaly izahay vokatry ny fihetsika nasehonao—ilay[ kapoaka mangidy], izay efa feno loatra ka tsy vitan’ny olona intsony ny hisotro azy dia tena feno loatra ka niraraka mihitsy rehefa nivadika nanohitra anay ianao. …
“Na izany aza anefa dia efa nosotroina ilay kapoaka, natao ny sitrapon’ny Raintsika, ary mbola velon’aina ihany izahay, ka isaoranay ny Tompo noho izany. …
“Noho ny finoako fa tena marina ny fibabohanao, ary tena amin-kitsimpo ny fibebahanao dia tena mahafaly ahy tokoa ny mihavana aminao indray ary faly aho amin’ny fiverenan’ilay zanaka adala. …
“‘Andao ry rahalahy malala, fa efa tapitra ny ady, / Satria ireo namana tany am-piandohana dia lasa namana indray nony farany’” (ao amin’ny History of the Church, 4:163–64).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Nahoana no sarotra ny mamela namana iray izay namadika anao ka nahatonga anao hijaly?
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Joseph Smith? (Io fitsipika io dia mety mampahatsiahy anao an’ilay andinin-tsoratra masina fehezina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11. Azonao atao ny mamerina mijery izany andinin-tsoratra masina izany mba hahitana ny fomba ifandraisan’izany amin’ny zavatra niainan’i Joseph Smith sy i W. W. Phelps.)
-
Inona ireo lesona hafa azontsika ianarana avy amin’io tantara io?
-
-
Misafidiana iray amin’ireo fitsipika hitanao avy amin’ireo famintinana ara-tantara roa ireo. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fotoana izay nahitanao ohatra tahaka izany teo amin’ny fiainanao na ny fiainan’ny olona iray izay fantatrao.
Ireo zava-nitranga izay nitarika ny fandroahana ireo Olomasina tao Missouri avaratra
Efa nahita mpikamban’ny Fiangonana nanao safidy izay nahatonga ny olona iray hafa nieritreritra zavatra ratsy mahakasika ny Fiangonana ve ianao? Azonao atao ihany koa ny mieritreritra ny fomba niantraikan’ny zavatra nataonao tamin’ny eritreritry ny hafa mikasika ny Fiangonana.
Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mieirtreritra mikasika ny fomba izay hiantraikan’ny zavatra ataontsika amin’ny fomba fijerin’ny hafa ny Fiangonana?
Tamin’ny taona 1838 dia nampitombo ireo fahatsapana ratsy nananan’ny sasany tamin’ireo mponina tao Missouri mikasika ny Olomasin’ny Andro Farany ny mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana. Eo am-pamakinao an’ity famintinana ara-tantara ity dia tadiavo ireo zavatra izay nolazain’ireo Olomasina sasany na nataon’izy ireo ka nanimba ny Fiangonana sy nandratra ireo mpikambana tao aminy. Asio marika ny zavatra hitanao.
Tamin’ny taona 1837 sy 1838 dia nanomboka nitory sy nanorisory ny Fiangonana ny mpikambana sasany feno fankahalana tao amin’ny Fiangonana sy ireo nesorina tsy ho mpikambana izay niara-nipetraka tamin’ireo Olomasina tao amin’ny Far West, Missouri. Nanomboka tsy nanam-paharetana tamin’ireo mpiendaka ireo ny Olomasina sasany. Tamin’ny volana Jona 1838, dia nanao lahateny nampientanentana tokoa izay lasa fantatra amin’ny hoe “Toriteny momba ny Fanasina” i Sydney Rigdon. Naka hevitra avy tamin’ny Matio 5:13 izy ary nilaza fa raha ny fanasina no tonga matsatso, dia tsy ho tsara na amin’ny inona na amin’ny inona izany ka tokony hariana, izay nidika fa tokony ho roahina hiala teo anivon’ny Olomasina ireo izay niala ny Fiangonana. Ankoatra izay dia nanasonia antontan-taratasy iray ny mpikambana miisa 84 tao amin’ny Fiangonana, izay mandidy ireo olona nihemotra hiala ilay faritany. Roa herinandro taty aoriana, tamin’ny 4 Jolay, dia nanao lahateny i Sydney, ka tamin’izany no nanomezany fampanantenana fa hiaro ny tenany ireo Olomasina na dia ho lasa “ady fandringanana” aza izany. Na dia nifanohitra tamin’ny fampianaran’ny Tompo amin’ny hoe “mamitràna fihavanana” (F&F 105:38) aza ireo lahateny roa ireo, dia navoaka avokoa ireo lahateny ireo ka niteraka fahatairana be teo amin’ireo tsy Olomasin’ny Andro Farany. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times, 191–92.)
Tamin’ny 6 aogositra 1838, dia nisy vondron’Olomasina izay niezaka nandeha nifidy tany Gallatin, Missouri, saingy notafihan’ny vondron’olona avy ao Missouri izy ireo. Namaly ny Olomasina, ary maro ireo lehilahy naratra avy amin’ny andaniny sy an-kilany. Io tranga io dia nitarika ho amin’ny ady fanampiny sy fandrahonana ary nampitombo ny tsy fifankahazoana teo amin’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ireo mponina manodidina azy ireo tao Missouri. (Jereo ny Journals, Boky 1: 1832–1839, Boky 1 amin’ireo andian-diary ao amin’ny The Joseph Smith Papers [2008], 298–301.)
Nandritra io fotoana io dia nanao voady miafina niaraka tamin’ireo izay vonona ny hiaraka taminy ny mpikambana vaovao iray nantsoina hoe Sampson Avard mba hanorina andian-jiolahy mpangalatra iray nantsoina hoe Danites. Nanome torolalana azy ireo i Avard mba hangalatra ny fananan’ireo mponina avy ao Missouri, ary nilaza izy fa hanampy amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra izany.
Nandresy lahatra ireo mpanaradia azy i Avard fa avy any amin’ny Fiadidiana Voalohany ireo torolalana nomeny. Nisy nahafantatra ny tena marina taty aoriana, ka dia nalàna tsy ho mpikambana i Avard. Niteraka fahavoazana lehibe teo amin’ny fijerin’ny olona ny Fiangonana ny zavatra nataon’i Avard ary nitarika ny fampidirana am-ponja ny Mpaminany tao amin’ny Fonjan’i Liberty.
Tamin’ny volana ôktôbra 1838 dia nisy ady teo amin’ny mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana sy ireo milisy tao Missouri. Tonga tany am-pototsofin’ny Governora Boggs ireo tatitra manao laza masaka, ka dia namoaka didy fandringanana izy taorian’izay nanao hoe: “Tsy maintsy raisina ho toy ny fahavalo ny Môrmôna ary tsy maintsy aringana na roahina hiala ny faritany, raha ilaina mba hitsinjovana izay mahasoa ny vahoaka” (ao amin’ny History of the Church, 3:175). Tsy ela dia voahodidinin’ireo milisy izay maro an’isa lavitra, efa ho dimy avo heny noho ny herin’ny Olomasina ny tanànan’i Far West. Nogadraina tao amin’ny fonjan’i Liberty ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana, izay toerana nijanonan’izy ireo nandritra ny ririnina manontolo. Noterena hiala ilay faritany ny Olomasina sisa. (Jereo ny Church History in the Fulness of Times, 199–200, 204, 208.)
Fitsipika iray mety ho hitantsika avy amin’io vanim-potoana io ny hoe mety misy fiantraikany amin’ny fomba fijeren’ny hafa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ny zavatra ataontsika sy ny teny ambarantsika.
Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja amintsika ny miaiky fa ny zavatra nataon’ireo mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana tany aloha tany dia anisan’ny nahatonga ny olona sasany avy ao Missouri hanana fomba fijery ratsy mikasika ny Fiangonana?
Na dia afaka mitaona ny hanana fomba fijery ratsy mikasika ny Fiangonana aza ny safidy ratsy ataontsika dia afaka manampy ny hafa ihany koa isika mba hanana fomba fijery tsara mikasika ny Fiangonana amin’ny alalan’ny tenintsika sy ny zavatra ataontsika.
-
Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fotoana iray izay nahitanao ny teny na ny zavatra nataon’ny olona iray nitaona olona hanana fomba fijery tsara momba ny Fiangonana.
Mitadiava fomba hanehoana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’ny endriny tsara mandritra ny herinandro manarana. Raha manao izany ianao dia hitahy anao ny Tompo.
Iray amin’ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’io fotoana teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana io ny hoe rehefa misafidy ny hiatrika amim-pinoana fa tsy am-pisalasalana ireo fitsapana isika dia afaka ny hohatanjahina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no zavatra mila ovaiko noho ireo Fotopampianarana sy fitsipika nianarako andronay?
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny lesona mitondra ny lohateny hoe “Nifindra tany Missouri avaratra ny Fiangonana” ary nahavita io lesona io ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: