Seminera
Fizarana 3: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5


Fizarana 3: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5

Fampidirana

Na dia nanary ireo takila 116 natao sora-tanana voalohany aza i Martin Harris nandritra ny fahavaratry ny taona 1828, dia nitazona ny faniriana te hanampy amin’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna izy. Ny volana martsa 1829, dia nanao drafitra i Martin Harris ny hanao dia niainga avy tany an-tranony tany New York ka handeha hamangy an’i Joseph sy i Emma Smith tao Harmony, Pennsylvanie. Nampalahelo an’i Lucy Harris vadin’i Martin anefa ny fotoana sy ny vola izay natokan’ny vadiny ho an’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna. Tezitra tamin’i Joseph Smith ihany koa izy noho ny fandavany ireo fangatahany tany aloha mba hahita ireo takela-bolamena. Nameno antontan-taratasy misy fitarainana ara-dalàna mikasika an’i Joseph izy ary nanangona olona maromaro izay vonona hijoro ho vavolombelona fa nandainga momba ny fisian’ireo takelaka i Joseph. Ankoatra ny fampitahorana momba ny fanenjehana ara-panjakana an’i Joseph, dia nampitandrina an’i Martin Harris ireo olona ireo fa raha toa ka tsy miaraka amin’izy ireo amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny famitahana sy fisolokiana niampangana an’i Joseph Smith izy dia ho voarohirohy ihany koa miaraka amin’i Joseph ka hiara-higadra aminy.

Tsy mbola nahita ireo takela-bolamena i Martin hatreto, na dia mpitantsoratr’i Joseph aza izy. Naneho ny faniriany hahazo tenivavolombelona bebe kokoa momba ny fisian’ireo takela-bolamena i Martin rehefa tonga tany an-tranon’i Joseph. Rehefa avy nihaino ny fangatahan’i Martin mba hahita ireo takelaka i Joseph dia nangataka tamin’ny Tompo ary nandray ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5. Nanambara ny Tompo tato amin’ity fanambarana ity fa hisy vavolombelona telo ho antsoina mba ho vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna, ary nampahafantatra an’i Martin izay tsy maintsy ho ataony mba hahatonga azy ho mendrika ny ho iray amin’ireo vavolombelona ireo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:1–22

Nanambara ny Tompo fa hamoaka ny teniny Izy amin’ny andro farany ary hisy vavolombelona hijoro

Efa nisy fotoana ve nangatahana anao mba ho vavolombelona? Inona no ilaina mba hahatongavana ho vavolombelona matihanina? Misy trangan-javatra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao ve izay mba tianao raha nahita izany mivantana ianao? Misy ve trangan-javatra teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana izay tianao raha mba hitanao na natrehanao maso? Nahoana?

Nianatra ianao tao amin’ny fampidirana ity lesona ity fa nanam-paniriana ny hahita ireo takela-bolamena i Martin Harris. Efa nanam-paniriana ve ianao ny hahita ireo takela-bolamena? Nahoana?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:1–3, ary tadiavo ny fomba nilazan’ny Tompo tamin’i Joseph Smith ny valin’ny fangatahan’i Martin Harris. Araka ny voalaza ao amin’ireo andininy ireo, nahoana i Joseph Smith no tsy afaka nampiseho ireo takelaka tamin’i Martin Harris?

Sary
takela-bolamena

Efa nanontany tena ve ianao hoe inona no antony tsy namelan’ny Tompo nampisehoana ireo takela-bolamena ho hitan’izao tontolo izao? Ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nanazava antony iray farafahakeliny nahatonga ny olona naniry ny hahita ireo takelaka: “Matetika ny [olona] rehefa… maheno ny tantaran’ny nahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna, dia manontany izy ireo raha toa ka napetraka any amin’ny karazana tranom-bakoka azo hijerena azy ireo takelaka. Ny sasany amin’izy ireo izay manana traikefa ara-tsiansa dia [manome torohevitra] fa raha afaka mahita sy manadihady ireo takelaka ireo manam-pahaizana ka mianatra mamaky izany, dia hijoro vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny fahamarinan’i Joseph Smith izy ireo, ka ho resy lahatra ny tany manontolo” (Church History and Modern Revelation, 2 vols. [1953], 1:40).

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:5–10 ianao dia tadiavo hoe inona no antony nahatonga ny Tompo nilaza tamin’i Joseph Smith mba tsy hampiseho ireo takelaka eo anatrehan’izao tontolo izao.

Araka ny hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:7, ireo izay tsy nino ny tenin’ny Tompo izay nambara tamin’ny alalan’i Joseph Smith dia tsy hino na dia ho nahita ireo takelaka aza izy ireo.

  1. Manorata fehezan-teny roa ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina miainga avy amin’izay nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:5–10 mikasika ny hoe nahoana no tsy tian’ny Tompo hasehon’i Joseph Smith an’izao tontolo izao ireo takelaka.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:10 no ianarantsika fa niantso an’i Joseph Smith ny Tompo mba hitondra ny teniny amin’izao tontolo izao. Antso manokana ho an’ny Mpaminany Joseph Smith izany. Azonao atao ny manisy marika ireo teny izay mampianatra io fahamarinana io ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:10.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony hiheveranao ny maha-zava-dehibe ny fananana fijoroana ho vavolombelona mikasika io fahamarinana io.

Talohan’ny nandraisana an’io fanambarana io dia voantso teo anoloan’ny mpitsara iray tao New York i Martin Harris mba hijoro ho vavolombelona mikasika ny fitarainana momba ny fisolokiana sy hosoka niampangana an’i Joseph Smith. Nijoro ho vavolombelona tamim-pahasahiana i Martin momba ny maha-olom-banona an’i Joseph Smith sy momba ny toetrany ary nilaza tamin’ny fitsarana izy hoe: “Raha ny momba ireo takelaka izay ambarany fa ananany, ry andriamatoa isany, raha toa ianareo tsy mino izany kanefa manohy manohitra ny fahamarinana dia ho fitaovana hanamelohana ny fanahinareo izany indray andro any” (ao amin’ny Lucy Mack Smith, History of Joseph Smith by His Mother, ed. Preston Nibley [1958], 146). Taorian’ny nahenoany ny fijoroana ho vavolombelon’i Martin dia nanaisotra ilay fitoriana an’i Joseph Smith ilay mpitsara.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:11, ary tadiavo izay nolazain’ny Tompo fa hoe ataony mba hanohanana ny tenivavolombelon’ny Mpaminany Joseph Smith mikasika ny Bokin’i Môrmôna. Ianaranatsika avy amin’io andininy io fa ny Tompo dia nanambara hoe hijoro ho porofon’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ny tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:11–15, dia tadiavo ny zavatra ho henon’ireo Vavolombelona Telo sy ho hitan’izy ireo ary ho asaina ataon’izy ireo. Azonao atao ny manisy marika izay hitanao rehefa mamaky ianao.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny eritreritrao mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no fomba ahafahan’ny tenivavolombelon’ny vavolombelona telo fanampiny mikasika ny Bokin’i Môrmôna manampy olona iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana?

    2. Ahoana no fomba ahafahan’io fahamarinana io manampy ny olona iray izay mpikamban’ny Fiangonana?

Ankoatra ny fitarihana an’i Joseph Smith sy ireo Vavolombelona Telo mba hijoro ho vavolombelona dia nanome fomba iray hafa ny Tompo izay ahafahantsika mahafantatra ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:16 ary tadiavo izay zavatra nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mino ny Bokin’i Môrmôna.

Fenoy, arak’izay zavatra novakianao, ity fahamarinana manaraka ity: Raha toa isika hino ny tenin’ny Tompo, . (Azonao atao koa ny manoratra io fitsipika nofenoina io ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny andininy 16.)

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia niresaka mikasika ny andraikitsika manokana amin’ny fahazoana sy fizarana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Bokin’i Môrmôna: “Isika tsirairay dia mila mahazo ny fijoroana ho vavolombelona antsika manokana momba ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Avy eo ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika miaraka amin’ny Bokin’i Môrmôna dia tokony hozaraina amin’ny hafa mba hahafahan’izy ireo mahafantatra koa momba ny fahamarinan’izany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina” (“The Book of Mormon and the Doctrine and Covenants,” Ensign, mey 1987, 84).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto manaraka ireto, na izy roa:

    1. Ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana mikasika ny Bokin’i Môrmôna

    2. Ny zavatra azonao atao mba hahazoana na hanatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa marina ny Bokin’i Môrmôna

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:21–22, ka soloy ny anaranao manokana ny anarana hoe “Joseph.” Diniho ny fomba ahafahanao tsy hilefitra amin’ny “fandresen-dahatry ny olona.”

Inona no nampanantenain’ny Tompo tamin’i Joseph Smith fa ho azony raha toa ka mahatoky izy na dia “hovonoina” aza?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:23–35

Mety ho voantso ho anisan’ny iray amin’ireo Vavolombelona Telo i Martin Harris raha toa ka mibebaka

Inona no ilaina mba hirehetan’ny jiro takamoa iray?

Sary
jiro sy takamoa

Ankoatra ny herinaratra, dia mila mametaka ilay takamoa ao anaty jiro isika, sy manatsatoka ilay jiro ary avy eo mandrehitra ny jiro. Tsy misy hafa amin’ny hoe misy dingana maromaro ny fampirehetana ny takamoa iray, dia nianatra i Martin Harris fa hisy dingana maromaro ny fahazoana ilay fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo takelaka izay niriany tamin’ny Tompo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:23–24, ary fantaro ny fampanantenana arahina fepetra izay nomen’ny Tompo an’i Martin Harris. Eo am-pamakianao dia jereo ilay teny hoe raha ary fantaro ireo dingana na fepetra manaraka io teny io. Fenoy ity filazana manaraka ity miainga amin’izay novakianao: Raha toa i Martin Harris ka , dia hotovin’ny Tompo aminy ny fahitana ireo takelaka araka izay niriany. Tamin’ny alalan’io fampanantenana io no nanoloran’ny Tompo fahafahana an’i Martin Harris ho lasa vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna.

Ny fampanantenana izay nomen’ny Tompo an’i Martin Harris ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:24 dia mihatra amintsika ihany koa: Raha toa isika tena mivavaka amim-panetrentena sy amim-pinoana dia afaka mahazo valiny araka ireo faniriana marina ananantsika.

Eritrereto ny hevitry ny hoe mivavaka amim-panetrentena, sy amim-pinoana ary amin-kitsimpo. Eritrereto ny fotoana nahenoanao na nanaovanao vavaka izay tsapanao fa natao tamin’io fomba io. Inona no nampiavaka an’io vavaka io tamin’ireo vavaka hafa izay efa henonao na nataonao?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:25–26, ary jereo izay nantenain’ny Tompo fa ho ataon’i Martin Harris rehefa tonga isan’ireo vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna izy. Ary avy eo dia vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:27–28, 32 ary jereo ireo torohevitra sy fampitandremana fanampiny izay nomen’ny Tompo an’i Martin Harris.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nasain’ny Tompo nanao inona sy nampitandremany hanao inona i Martin Harris?

    2. Inona no nolazain’ny Tompo fa hitranga amin’i Martin Harris raha toa ka tsy manetry tena izy sy tsy “mandray ny vavolombelona” (F&F 5:32) avy amin’ny Tompo?

    3. Ahoana no fomba hampiharantsika amin’ny tenantsika an’io torohevitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:32 io?

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy