Seminera
Fizarana 6: Andro 1, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–36


Fizarana 6: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–36

Fampidirana

“Ny Fiangonan’i Kristy amin’izao andro farany izao dia nalamina sy natsangana mba hifanaraka amin’ny lalàn’[i Etazonia Amerika]” ny 6 aprily 1830 (F&F 20:1). Teo anivon’ireo mpikambana voalohany tao amin’ny Fiangonana, ny niantsoana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20 dia hoe “Andinindininy sy Fanekempihavanana” an’ny Fiangonana noho izy manambara ireo antsipiriany mikasika ny finoana, ny anjara fanompoana, ny ôrdônansy, sy ireo fomba fanaovan-draharaha ao amin’ny Fiangonana vao avy naverina tamin’ny laoniny. Io fizarana io, miaraka amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21–22, dia matetika no nantsoina hoe “lalàm-panorenana” an’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny. Noho ny halavany sy ny zavatra raketiny, dia nozaraina ho lesona telo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–4

Mandidy ny hanorenana ny Fiangonana Andriamanitra

Eritrereto ny fivoriana farany natrehanao izay nizaran’olona fijoroana ho vavolombelona. Raha nisy namana iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana nanatrika io fivoriana io niaraka taminao ka nanontany anao hoe inona no atao hoe fijoroana ho vavolombelona, dia ahoana no ho nanazavanao izany?

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

Diniho ity famaritana ny fijoroana ho vavolombelona ity izay nomen’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny filazantsara dia fijoroana ho vavolombelona manokana teraka ao amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay milaza fa marina sy fantatsika ho marina ireo zava-misy izay manana dikany mandrakizay” (“Testimony,” Ensign or Liahona, May 2008, 26).

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20 dia novakiana mafy nandritra ny sasany tamin’ireo fihaonamben’ny Fiangonana taloha ary nentina hampahatsiahivana ireo mpikamban’ny Fiangonana ny amin’ireo fahamarinana maro manan-danja ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–2. Avy eo dia fenoy ity fitsipika manaraka ity amin’ny famenoana ny banga: I Joseph Smith dia n’ Andriamanitra ary nodidiana mba handamina ny .

  1. Saintsaino ny fijoroanao ho vavolombelona sy ny fahatsapanao ny amin’ny antson’i Joseph Smith avy amin’ Andriamanitra sy ny fahamarinana fenon’ny fiangonana izay nandidiana azy mba haoriny. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny traikefanao iray na mihoatra izay nanampy anao handray fijoroana ho vavolombelona anao manokana na handroso ho amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona anao manokana momba ny anjara asan’i Joseph Smith amin’ny maha mpaminany azy amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Tompo ety an-tany.

Jereo fa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1, dia ny 6 Aprily 1830 no nomen’ny Tompo ho andro nanorenana ny Fiangonany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:5–16

Fitantarana fohy ireo zava-nitranga tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:5–6 dia miresaka momba ny fitsidihan’ny anjely Môrônia an’i Joseph Smith. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:7–8 ary fantaro hoe inona no nomen’i Môrônia an’i Joseph Smith.

Navoaka tamin’ny 26 Martsa 1830 ny bokin’i Môrmôna. Naorina tao anatin’ny tapa-bolana taorian’ny fanontana printy azy io ny Fiangonana, tamin’ny 6 Aprily 1830. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny famitana ny Bokin’i Môrmôna alohan’ny nanorenana ny Fiangonana?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:9–12, ary asio marika ireo andian-teny izay milaza ny fomba hitahian’ny Bokin’i Môrmôna izao tontolo izao.

  1. Fenoy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao andian-teny manaraka izao ka ampiasao ny zavatra nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:9–12:

    1. Manaporofo amin’izao tontolo izao ny Bokin’i Môrmôna fa ny anjely dia mbola

    2. Manaporofo amin’izao tontolo izao ny Bokin’i Môrmôna fa ny soratra masina dia

    3. Manaporofo amin’izao tontolo izao ny Bokin’i Môrmona fa Andriamanitra dia miantso sy

    4. Maneho amin’izao tontolo izao ny Bokin’i Môrmôna fa Andriamanitra dia

Ireo teny nambara ireo dia manampy antsika hahatakatra fa ny Bokin’i Môrmôna dia porofo maneho fa Andriamanitra dia namerina tamin’ny laoniny ny filazantsara amin’izao andro iainantsika izao. Inona no fiantraikan’ny fahafantarana izany fitsipika izany amin’ny fanirianao hizara ny Bokin’i Môrmôna amin’ny olona iray?

  1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:14–15, ary asio marika ny zavatra nampanantenain’ny Tompo ho an’ireo izay mandray ny Bokin’i Môrmôna sy miaina araka ny fampianarany. Avy eo dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no fitahiana nampanantenain’ny Tompo ho an’ireo izay mandray ny Bokin’i Môrmôna “amin’ny finoana”?

    2. Inona ireo fomba vitsivitsy afaka handraisan’ny olona iray ny Bokin’i Môrmôna amin’ny finoana?

    3. Ahoana no ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna hitarika ny olona iray “hanao ny marina”?

Mba hanampiana anao handinika ny fomba nandraisanao ny Bokin’i Môrmôna teo amin’ny fiainanao, dia ataovy ao anaty boribory ireo andian-teny ao amin’ity tabilao manaraka ity izay milaza tsara ny zavatra iainanao miaraka amin’ny Bokin’i Môrmôna amin’izao fotoana izao:

Fiverimberenany

Hatsarany

Vakiako isan’andro izy io.

Miezaka araka izay vitako aho mba hampihatra eo amin’ny fiainako ny zavatra ianarako.

Vakiako amin’ny ankamaroan’ny andro izy io.

Ampihariko matetika amin’ny fiainako ny zavatra nianarako.

Vakiako tsindraindray izy io, rehefa manana fotoana aho.

Amin’ny mahazatra dia tsy mifantoka loatra amin’ny zavatra vakiako aho.

Tsy vakiako mihitsy izy io.

Inona no azonao atao mba handraisana tsaratsara kokoa ny Bokin’i Môrmôna “amin’ny finoana” eo amin’ny fiainanao?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:17–36

Ampianarina ireo fahamarinana manan-danja mikasika ny Andriamanitra sy ny drafitry ny famonjena

Inona ireo fahamarinana fototry ny drafitry ny famonjena? Inona no holazainao raha misy olona mangataka anao hanome fanazavana fohy momba ny drafitry ny famonjena? Amin’ny fampiasana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:17–29 irery ihany, dia azonao atao ny manome fanazavana fohy ho an’olona iray momba ny drafitry ny famonjena.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:17, 29–31, 35, ary asio marika eo akaikin’ny fiantombohan’ny andininy tsirairay ireo andian-teny izay miverimberina. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:17–36 dia ahitana zavatra manan-danja maromaro izay ambaran’ny Fiangonan’ny Tompo amin’izao tontolo izao fa fantantsika hoe marina. Anisan’izany ireo fahamarinana mikasika ny Ray any An-danitra, Jesoa Kristy, sy ny Fanahy Masina ary ireo zavatra izay tsy maintsy ataontsika mba ho voavonjy ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

  1. Vakio ireo andinin-tsoratra masina voalaza etsy ambany, ary valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina avy eo ireo fanontaniana:

    1. Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 20:17–19. Inona no fantatsika momba ny Ray any An-danitra?

    2. Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 20:21–25. Inona no fantatsika momba an’i Jesoa Kristy?

    3. Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 20:25–26. Inona no fantatsika momba ny toetra tsy manam-pahataperan’ny Sorompanavotana? (jereo koa ny Môsià 4:7).

    4. Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 20:26–28. Inona no fantatsika momba ny Fanahy Masina?

Ny hoe “Fantatsika” dia fiteny izay mameno ny fanambarana nataon’ny Loholona Oaks fa “ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny filazantsara dia fijoroana ho vavolombelona manokana teraka ao amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay milaza fa marina sy fantatsika ho marina ireo zava-misy izay manana dikany mandrakizay” (“Testimony,” 26).

Ny sasany amin’ireo valim-panontaniana nosoratanao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina dia mety hampahafantatra ireto fahamarinana ireto: velona Andriamanitra, tsisy fetra sy mandrakizay ary tsy miova Izy (andininy 17). Nohariana tahaka ny endrika sy araka ny tarehin’ Andriamanitra isika (andininy 18). Nanome ny Zanany Lahitokana Andriamanitra mba hohomboina sy hitsangana indray mba hahafahan’ireo rehetra izay hino sy hatao batisa ary haharitra hatramin’ny farany ho voavonjy (andininy 21–25). Vavolombelona manambara ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina (andininy 27). Miara-miasa ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina mba hanomanana antsika amin’ny fiainana mandrakizay (andininy 17–28).

  1. Misafidiana iray amin’ireo Fotopampianarana voalaza tetsy aloha izay manan-danja aminao sy fantatrao na inoanao fa marina. Alaivo sary an-tsaina hoe nanana fahafahana ianao hanoratra lahatsoratra ao anatin’ny andiam-pehezan-teny iray ao amin’ny gazetiboky na gazety iray lehibe mba hanambaranao ny zavatra fantatrao na inoanao fa marina mikasika izany Fotopampianarana izany. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe iza amin’ireo Fotopampianarana ireo no hosafidinao ary inona no hozarainao sy hijoroanao ho vavolombelona mikasika izany fahamarinana izany.

Andramo raha vitanao ny mandahatra ny litera nakorontana ao amin’ireto teny ireto: abimebka, anfanaramain, amasainfanan, iat, nomapom, omahini, avivamak. Ireo teny ireo dia manantitrantitra ny andraikitra ananantsika mba haneho fa manaiky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:29–34 mba hahitana ireo teny misy ny litera amin’ny toerany ary fenoy ireto fanambarana manaraka ireto:

  • “Ny olon-drehetra dia tsy maintsy sy mino ny anaran’i Jesoa Kristy.”

  • dia midika hoe voavela heloka sy ambara fa tsy meloka.

  • dia midika hoe lasa masina, voadio amin’ny vokatry ny ota, ary tahaka an’i Kristy.

  • Ny fahasoavan’ny Mpamonjy dia hanampy ireo rehetra izay sy an’ Andriamanitra

  • Isika dia tokony sy mandrakariva mba hanoherana ny fakampanahy.

Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa tsy maintsy ataontsika mba ho voavonjy ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra?

Avereno jerena ireo Fotopampianarana sy fitsipika izay misoratra matevina ao amin’ity lesona ity. Diniho hoe iza amin’ireo fahamarinana ireo no lasa fantatry ny tenanao manokana fa marina. Rehefa averinao jerena izy ireny, dia mety hanampy ny manisy marika maneho hoe vita eo akaikin’ireo fahamarinana izay fantatrao fa marina.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–36 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy