Seminera
Fizarana 14: Andro 2,Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63


Fizarana 14: Andro 2

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63

Fampidirana

Tamin’ny fotoam-pahavaratry ny taona 1831, nandritra ny fotoana izay nanarahan’ny Mpaminany Joseph Smith maso ny fanokanana ny tany izay hananganan’ny Olomasina an’i Ziona tany Independence, Missouri dia nisy ireo mpikamban’ny Fiangonana sasany izay nania ny didin’ Andriamanitra ary nanao fahotana mahafaty. Niverina tany Kirtland Ohio ny 27 Aogositra ny Mpaminany ary ny 30 Aogositra dia nandray fanambarana izay voatahiry ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63 izy. Mampitandrina ny Olomasina amin’ny vokatry ny faharatsiana sy ny fikomiana, mampanantena fitahiana ho an’ny Olomasina izay mijanona ho mahatoky amin’ny andro farany ary manainga ny mpanompony amin’ny fitadidiana ny maha-masina ny anarany ny Tompo ao amin’io fanambarana io.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:1–21

Mampitandrina ny Olomasina amin’ny vokatry ny faharatsiana sy ny fikomiana ny Tompo

Araka ny hevitrao, inona ny maha-zava-dehibe ny fiainana araka ny finoantsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy antsika?

Manaova famerenana ny fampahafantarana ity lesona ity. Rehefa izany dia Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:1–2, 6 ary jereo ny zavatra notenenin’ny Tompo ny olon-dratsy sy ny mpikomy.

Inona ny maha-zava-dehibe ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana ny manokatra ny fo sy ny mihaino ny tenin’ny Tompo?

Jereo ilay andian-teny manao hoe “aoka ny tsy mpino hanakombona ny molony” (F&F 63:6). Tamin’io fotoana io dia nisy mpikamban’ny Fiangonana sasany izay tsy nino ny fahamarinan’ny Fiangonana intsony ka nanohitra am-pahibemaso ny Mpaminany Joseph Smith sy ny mpitarika ny Fiangonana sasany . Ny lehilahy iray antsoina hoe Ezra Booth no iray amin’ireo tena nanakiana mafy ny Fiangonana.

Mpitondra fivavahana Metôdista i Ezra Booth talohan’ny fotoana nidirany tao amin’ny Fiangonana. Lasa liana tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny izy taorian’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny voalohandohan’ny taona 1831. Nandeha tany Kirtland niaraka tamin’i John sy Alice Johnson izy mba hihaona amin’ny Mpaminany. Nijaly vokatry ny rohana izay nitarika fanaintainana sy fivontosana ary fihenjanana teo amin’ny sandriny Ramatoa Johnson. Fony izy nihaona voalohany tamin’i Joseph Smith dia tsy afaka nampiakatra ny tanany hatreo amin’ny lohany nandritra ny roa taona.

“Nandritra ny tafasiry sy dinika dia nivadika tamin’ireo fanomezam-pahasoavana tsy takatry ny sain’olombelona ny resaka, toy ireo izay nomena tamin’ny andron’ny apôstôly. Hoy ny olona iray: “Indro i Ramatoa Johnson izay malemy tànana; moa ve misy olona nomen’ Andriamanitra fahefana eto an-tany ankehitriny hanasitrana azy?” Fotoana vitsy taorian’izay, rehefa nivadika zavatra hafa ny resaka dia nitsangana i [Joseph] Smith ka namakivaky ny efitrano sy nandray an-dRamatoa Johnson tamin’ny tanana ary nilaza tamin’ny fomba masina sy mahatalanjona hoe: ‘Ravehivavy, amin’ny anaran i Jesoa Kristy Tompo no andidiako anao ho sitrana,’ ary nandeha nivoaka ny efitrano avy hatrany. … Tamin’ny voalohany Ramatoa Johnson dia afaka nanainga [ny sandriny] fotsiny ary rehefa niverina tany amin’ny toerana nisy azy izy dia afaka nanasa lamba tsy tamin-kahasarotana sy tsy tamin’ny fanaintainana intsony” (avy amin’ny Haydn’s History of the Disciples, voalaza ao amin’ny History of the Church, 1:215–16).

fahasitranan’ny sandrin’i Elsa Johnson

Alaivo sary an-tsaina ny zavatra mety hotsapanao raha nanatrika mivantana ny fahagagana toy izany ianao.

Tao aoriana kelin’ny nahitany an’io fahagagana io dia natao batisa i Ezra Booth.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:7–9 ary farito ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny famantarana sy ny finoana. Rehefa izany dia fenoy ity fitsipika manaraka ity: Ny finoana dia tsy mitranga avy amin’ny .

Rehefa vita batisa i Ezra Booth dia nandray ny fisoronana izy ary nalefa hitory ny filazantsara tany Missouri. Nanantena zavatra betsaka izy rehefa nanomboka ny misiônany, satria nino izy fa afaka hanova ny fon’olona betsaka amin’ny fampisehoana famantarana sy amin’ny fanaovana fahagagana. Kanefa, rehefa nitory ka tsy nahita ny zavatra izay nandrasany i Ezra Booth, dia “nihemotra” sy nivarina tamin’ny apôstazia (Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church, 1:216). Hoy ny Mpaminany Joseph Smith momba an’i Ezra Booth: “Rehefa hitany mialoha ny fitahiana foana ny finoana, fanetrentena, faharetana ary ny fitsapana ary Andriamanitra dia manetry aloha vao manandratra; fa tsy hoe manome azy hery hanasaziana olona sy hahatonga azy ireo hino’ ny ‘Mpamonjy,’ … dia ho diso fanantenana izy avy eo” (ao amin’ny History of the Church, 1:216).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:10–12 ary jereo ny fitsipika fanampiny momba ny famantarana sy ny finoana. Azonao atao ny manisy marika ny teny na andian-teny ao amin’ny andininy 10 izay mampianatra ity fitsipika manaraka ity: Ny famantarana dia mitranga noho ny finoana, araka ny sitrapon’ Andriamanitra.

  1. journal iconHazavao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony handraisantsika famantarana aorian’ny fampiharantsika finoana. Ataovy lisitra ny ohatra avy amin’ny soratra masina iray na roa ny olona izay nahita famantarana mahavariana na fahagagana kanefa tsy nanana finoana na fahamarinana naharitra. (Raha mila fanampiana ianao dia jereo ny 1 Nefia 17:43–45.)

Mety manampy ny mahafantatra fa ny famantarana sy ny fahagagana dia tsy voatery fisehoana mampitolagaga amin’ny endrika ivelany foana. Matetika isika no mandray famantarana na tenivavolombelon’ny fahamarinan’ny filazantsara amin’ny fomba mangingina sy ho an’ny tenantsika manokana rehefa avy nampihatra finoana. Afaka mampihatra finoana isika amin’ny alalan’ny vavaka, fandalinana ny soratra masina, fifadian-kanina, fanompoana ny hafa ary fiainana ny fitsipiky ny filazantsara.

Zazavavy mamaky soratra masina
  1. journal iconSoraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nanampian’ny fampiharanao ny finoanao amin’ny fandraisana ny tenivavolombelon’ny fahamarinan’ny filazantsara na ny fomba nanampian’izany ny olona iray fantatrao.

Araka ny voalaza tetsy ambony, ankoatra ny fitadiavan’izy ireo famantarana, dia “nivily niala tamin’ny didy” (F&F 63:13) ihany koa ny mpikambana sasany ary nanao fahotana mahafaty. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:14–19 ary tadiavo ny heloka sasany izay nataon’izy ireo. Mety hanampy anao hahatakatra ny andininy 17 ny fahafantarana izao zavatra manaraka izao: ny mpijangajanga dia olona iray izay mandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Ny mpanompo sampy dia olona iray izay mandray anjara amin’ny zavatra izay manasa ny fanahy ratsy. Ny andian-teny manao hoe “farihy mirehitra afo sy solifara” dia ampiasaina ho fampitahana ny toetra feno fahoriana hiainan’ny ratsy fanahy rehefa maty izy ireo (jereo ny Mosià 3:27). Izany ihany koa no resahin’ilay “fahafatesana faharoa” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:17 (jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahafatesana, Ara-panahy,” scriptures.lds.org).

Azonao atao ny manisy marika ireo teny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:16 izay mampianatra ity fitsipika manaraka ity: Raha mijery olona hafa ka mitsiriritra azy isika, dia tsy hanana ny Fanahy fa handà ny finoana. Tafiditra ao anatin’ny fitsiriritana ny fijerena zavatra mamoafady.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:22–66

Mampanantena fitahiana ho an’ny mahatoky ny Tompo amin’ny andro farany

Ao amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63 dia sady niresaka momba ny fandringanana izay ho avy amin’ny olon-dratsy amin’ny andro farany ny Tompo, no nanome fampanantenana feno hery ho an’ny Olomasina.

Rehefa mianatra momba ny fandringanana sy ny fampanantenana noresahan’ny Tompo ianao dia valio amin’ny fanisiana marika manao hoe marina (M) na diso (D) ireto fehezan-teny manaraka ireto rehefa voavakinao ny andinin-tsoratra masina izay mifandray aminy. Azonao atao ny manisy marika ao amin’ny soratra masinao ireo fitsipika manan-danja izay nianaranao rehefa nahavita io asa io ianao.

  1. Mandritra ny ady amin’ny andro farany dia hifamono ny olon-dratsy. (Jereo ny F&F 63:32–33.)

  2. Tsy hiharan’ireo fitsarana sy fandringanana amin’ny andro farany ny Olomasina. (Jereo ny F&F 63:34.)

  3. Rehefa hiverina indray i Jesoa Kristy, dia handringana ny olon-dratsy rehetra izay mbola hijanona eto ambonin’ny tany. (Jereo ny F&F 63:34.)

  4. Ireo izay mijanona ho mahatoky dia handresy ireo fitsapan’ny fiainana rehetra amin’ny farany. (Jereo ny F&F 63:47–48.)

  5. Ny olo-marina izay maty alohan’ny Fiaviana Fanindroany dia hitsangana amin’ny maty rehefa ho avy eto ambonin’ny tany ny Mpamonjy. (Jereo ny F&F 63:49.)

  6. Ny olo-marina izay miaina eto ambonin’ny tany amin’ny fotoan’ny Fiaviana Fanindroany dia tsy ho faty intsony. (Jereo ny F&F 63:50–51.)

Ny fehezan-teny 1 dia marina ary ny fehezan-teny 2 dia diso. Ny teny manaraka izay avy amin’ny Mpaminany Joseph Smith dia manazava ny antony maha-diso ny fehezan-teny 2: “Hevitra diso ny filazana fa ny Olomasina dia tsy hiharan’ny fitsarana, fa ny olon-dratsy dia hijaly; fa ny nofo rehetra dia hijaly ary ‘zara raha ho afa-miala ny olomasina;’ kanefa betsaka ny Olomasina no tsy hiharan’izany fitsarana izany satria ny marina dia hiaina amin’ny finoana; ary betsaka amin’ireo olo-marina no hiatrika faharariana, areti-mandripaka, sns., noho ny maha-mety lavo ny nofo, nefa ho voavonjy ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra izy ireo” (ao amin’ny History of the Church, 4:11).

Ny fehezan-teny 3–5 dia marina ary ny fehezan-teny 6 dia diso.

NyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:47 dia mitahiry fampanantenana iray nataon’ny Tompo. Fenoy amin’ny alalan’io andininy io ity fitsipika manaraka ity: Raha toa isika ka , dia .

Ahoana ny fomba hanampian’ny Tompo anao “handresy izao tontolo izao” amin’ny fiainanao andavanandro?

Araka ny fanazavan’ny Mpaminany Joseph Smith dia tsy afaka ny hiala amin’ireo olana isan-karazany izay mitranga eo amin’izao tontolo izao isika. Kanefa, raha marin-toetra isika, dia ho “voavonjy ao amin’ny Fanjakan’ Andriamanitra” (ao amin’ny History of the Church, 4:11). Halalino nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:49 ary jereo ireo fitahiana azon’ireo izay mandresy izao tontolo izao amim-pahatokiana.

Ny fomba iray ahafahantsika maneho ny fahatokiantsika dia ny fampiasantsika ny anaran’ny Tompo, izay hazavaina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:59–64. Rehefa mandalina ireo andininy ireo ianao dia jereo ireo teny na andian-teny izay mampianatra ity fitsipika manaraka ity: Ny anaran’i Jesoa Kristy dia masina ary tokony hitandrina isika amin’ny fampiasana izany. Azonao atao ny manisy marika teny na andian-teny ao amin’ny soratra masinao izay mampianatra io fitsipika io.

  1. journal iconManaova lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny toe-javatra sasany izay hahafahanao mampiasa araka ny tokony ho izy ny anaran’i Jesoa Kristy. Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny hevitrao, inona no antony hampiasantsika ny anaran’ny Mpamonjy rehefa mivavaka, mijoro ho vavolombelona ary manatanteraka ôrdônansin’ny fisoronana?

    2. Inona no azonao atao mba hahatsiarovana fa masina sy tokony hampiasana am-pitandremana ny anaran’ny Mpamonjy?

Tsy amin’ny anaran’ny Mpamonjy ihany nefa no mihatra io fitsipika io. Diniho ny teny na lohahevitra sasany izay “avy any ambony” ka masina. Rehefa izany dia diniho ny fomba ahazoanao antoka fa hanonona izany “am-pitandremana” ianao.

Loholona Dallin H. Oaks

Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ilay fitsipika nianaranao momba an’i Jesoa Kristy dia mihatra ihany koa amin’ny anaran’ny Ray any An-danitra: “Tsy misy teny hafa izay masina sy manan-danja indrindra amin’ny fomba fiteny rehetra afa-tsy ny anaran’ Andriamanitra Ray sy ny Zanany Jesoa Kristy” (“Reverent and Clean,” Ensign, May 1986, 50).

  1. sary famantarana ny diarySoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: