Seminera
Fizarana 18: Andro 1, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:1–42


Fizarana 18: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:1–42

Fampidirana

Tamin’ny volana Septambra 1832 dia niverina tany Kirtland, Ohio ireo misiônera rehefa avy nitory ny filazantsara tany amin’ny faritra antsinanan’i Etazonia. Nandritra ilay fihaonan’izy ireo indray izay nahafinaritra dia nandray ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84 ny Mpaminany Joseph Smith. Nandritra ny roa andro no nandraisany ilay fanambarana: ny 22 sy ny 23 Septambra. (Misy porofo sasantsasany ara-tantara izay maneho fa ny andininy 1–41 dia noraisina ny andron’ny 22 septambra ary ny andininy 42–120 dia noraisina ny andron’ny 23 septambra.) Ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84 dia mizara ho lesona roa. Ny lesona voalohany dia miompana amin’ny toromariky ny Tompo mikasika ny fisoronana sy ny fomba ahafahan’ny fisoronana manomana antsika hahazo ny zava-drehetra izay ananan’ny Ray any An-danitra.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:1–30

Manambara ny Tompo fa haorina ny tempoly iray ary manazava ny tanjon’ny fisoronana Izy.

Mieritrereta tempoly iray efa notsidihinao na koa tianao hotsidihana. Ahoana no hanazavanao amina namana iray avy amin’ny finoana hafa ny fahasamihafan’ny tempoly sy ny trano iray hafa eo amin’ny fiarahamonina?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:2–5, ka asio marika ireo teny na andian-teny nampiasain’ny Tompo hanampiana ny Olomasina hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fananganana tempoly iray.

Sary
Tempolin’i Saint Domingue, République Dominicaine

Ireto andinin-tsoratra masina ireto dia manantitrantitra ny faminaniana fa ny tanànan’i Jerosalema Vaovao sy ny tempoly iray dia haorina ao Jackson County, Missouri. Taty aoriana anefa, tamin’ny 1841, ny Tompo dia niteny tamin’ny Olomasina fa tsy notakiana tamin’izy ireo tamin’izany ny hananganany ny tanàna na ny tempoly tao Missouri noho ny hamafin’ny fanenjehana nataon’ireo fahavalon’ny Fiangonana (jereo F&F 124:49). Ilay andian-teny hoe “ity taranaka ity” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:5 dia ilazana ilay faminaniana momba ny fananganana ny Jerosalema Vaovao sy ny tempoly—fa mbola hitranga sy ho tanteraka izany amin’ny fotoana ho avy (jereo ny Mosesy 7:62).

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84 dia manome fahafahana hianarana mikasika ireo fitahiana manan-danja azonao raisina any amin’ny tempoly. Mialoha ny hanohizanao ny fandalinanao an’ity fizarana ity dia hanampy ny mamerina ireo teny manan-danja mifandray amin’ireo fitsipiky nampianarin’ny Tompo ato amin’ity fanambarana ity. Vakio tsara ireo famaritana ara-potopampianarana eo ankavanana eo amin’ity tabilao manaraka ity. Ampifandraiso amin’izay teny marina ilazana azy eo amin’ny ankavia ny tsirairay avy aminy.

Teny

Famaritana

  1. Fanekempihavanana

  2. Ôrdônansin’ny famonjena

  3. Fisoronana Melkizedeka

  4. Fisoronana Aharôna

  1. Ny fisoronana avo kokoa na ambony izay misahana ny zavatra ara-panahy

  2. Ny fisoronana fanomanana, izay mihazona ireo fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny batisa

  3. Fifanarahana masina eo amin’ Andriamanitra sy ny olombelona

  4. Asa masina iray tena ilaina amin’ny fahazoana ny fisandratana faratampony ary arahina fanekempihavanana

(Jereo any amin’ny faran’ity lesona ity ny valin’ny asa fampifandraisana.)

Vakio ity lisitr’ireo ôrdônansy sy tsodranon’ny fisoronana manaraka ity ka asio marika ao anatin’ilay faritra mifanila amin’ireo izay heverina ho ôrdônansin’ny famonjena:

Batisa

Fandraisana ho mpikambana

Fanomezana anarana sy fitsofandrano ny zaza

Fanomezana ny Fisoronana Melkizedeka (ho an’ny lehilahy)

Fametrahan-tanana ny marary

Ny fanafiana masin’ny tempoly

Ny famehezana ny fanambadiana

Ny zavatra tsirairay ao amin’ilay lisitra ankoatra ny fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza ary ny fametrahan-tanana ny marary, dia ôrdônansin’ny famonjena. Ireo ôrdônansin’ny fisoronana toy ny fanomezana anarana sy fitsofan-drano ny zaza ary ny fametrahan-tanana ny marary dia mitahy ny fiainan’ireo izay mandray azy ireny, saingy tsy miankina amin’ireny ny famonjena.

Mianatra isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:6–19 fa i Mosesy dia nihazona ny Fisoronana Melkizedeka, na ny “fisoronana ambony” (F&F 84:19). Azony soritana miainga hatrany amin’ny nandraisana izany avy tamin’ Andriamanitra ny niavian’ny fahefan’ny fisoronana ananany. Amin’ny maha-mpihazona ny fisoronana mendrika azy, i Mosesy dia naniry ny hanampy ny olon-kafa hanakaiky bebe kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny famonjen’ny fisoronana.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–22, ka tadiavo ireo fitahiana azontsika raisina avy amin’ny Fisoronana Melkizedeka.

Jereo ao amin’ny andininy 20 fa miharihary ao amin’ny ôrdônansin’ny Fisoronana Melkizedeka ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra. Ankoatra ny batisa, ny tsiraitray avy amin’ireo ôrdônansy tao amin’ilay tabilao teo dia tsy maintsy tanterahan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka. Ahoana no ahatsapanao fa miharihary ao amin’ireo ôrdônansy ireo ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra?

Any amin’ny tempoly irery ihany no azo andraisana ny roa amin’ireo ôrdônansin’ny famonjen’ny Fisoronana Melkizedeka —ny fanafiana masina any amin’ny tempoly sy ny famehezana ny fanambadiana—. Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:22, inona no maha-zava-dehibe ny handraisantsika ireo ôrdônansin’ny famonjena omena amin’ny alalan’ny Fisoronana Melkizedeka?

Ny andininy 22 eto dia mety entina ilazana ny fahitana an’ Andriamanitra mandritra ity fiainana an-tany ity, saingy ilazana ny fahafahantsika mitoetra mandrakizay eo anatrehan’ny Ray any An-danitra kosa izy io amin’ny farany. Azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao eo akaikin’ny andininy 21–22: Mila mandray ireo ôrdônansin’ny famonjena omena amin’ny alalan’ny Fisoronana Melkizedeka isika mba ho tonga tahaka an’ Andriamanitra.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nanampian’ireo fitsipika nianaranao nandritra ny fandalinanao hatreto ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84 mba hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fisoronana sy ny tempoly.

Sary
Loholona Russell M. Nelson

Eo am-pamakiana ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia eritrereto hoe inona no maha-zava-dehibe aminao ny mandray ireo ôrdônansin’ny famonjen’ny filazantsara rehetra—anisan’izany ireo izay tsy raisina raha tsy any amin’ny tempoly: “Ny tempoly no tanjon’ny asa hatao rehetra, ny lesona rehetra, ny dingana mampivoatra rehetra ato amin’ny Fiangonana. Ny ezaka rehetra ataontsika eo amin’ny fitoriana ny filazantsara, ny fanaovana izay hahalavorary ny Olomasina ary ny fanavotana ny maty dia mitondra mankany amin’ny tempoly masina. Tena zava-dehibe ireo ôrdônansin’ny tempoly. Tsy afaka miverina any amin’ny voninahitr’ Andriamanitra isika raha tsy miaraka amin’izy ireo” (“Prepare for the Blessings of the Temple,” Ensign, ôkt. 2010, 41).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:23 hahafantaranao ny zavatra nokasain’i Mosesy hatao. Tadidio fa ny teny hoe manamasina dia midika hoe manadio sy manao izay hahamasina. Avy eo dia Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:24–25, ka tadiavo ny fomba namalian’ny zanak’i Isiraely ny ezaka rehetra nataon’i Mosesy hampianarana azy ireo. Inona avy ireo vokatry ny nataony?

Araka ny zavatra hitanao, ny Zanak’i Isiraely dia namotsotra ny fahafahana handray ireo ôrdônansin’ny famonjena avy amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Na dia izany aza dia tsy nitsahatra niezaka ny hanampy azy ireo hivoatra ny Tompo. Mbola navelany tamin’izy ireo ny fisoronana ambany, na ny Fisoronana Aharôna. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:26–28, ka tadiavo ny fomba nanohizan’ny Tompo ny fitahiana ny zanak’ i Israely. Eo am-pandalinanao dia azonao atao ny manisy marika ireo fitahiana azontsika raisina amin’ny alalan’ny Fisoronana Aharôna.

Mety hanampy tokoa ny mahatakatra fa ao amin’ny andininy 28 ilay andian-teny manao hoe “natao batisa izy fony izy mbola tao amin’ny fahazazany” dia ilazana ny batisan’i Jaona tamin’izy feno valo taona. Ny andian-teny manao hoe “ary natokan’ny anjelin’ Andriamanitra tamin’ny fotoana nahafeno valo andro azy” dia midika fa i Jaona dia natokana “hanitsy ny lalan’ny Tompo [sy] hanomana [ny olona] ho amin’ny fiavian’ny Tompo.” Tsy ilazana ny fotoana nandraisan’i Jaona ny Fisoronana Aharôna akory izany. Ny fanomezana an’i Jaona ny Fisoronana Aharôna dia tonga taorian’ny batisany. (Jereo Bruce R. McConkie, The Mortal Messiah: From Bethlehem to Calvary, 4 vols. [1979–81], 1:384–85.)

Ny Fisoronana Aharôna dia manomana antsika handray ireo ôrdônansy sy fitahiana avy amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Ohatra, aorian’ny batisa, izay ôrdônansy iray ao amin’ny Fisoronana Aharôna, dia mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina isika amin’ny alalan’ny fahefan’ny Fisoronana Melkizedeka. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika, izay ôrdônansy ao amin’ny Fisoronana Aharôna, dia manavao ny fanekempihavanana izay manampy antsika ho masina sy hanana mandrakariva ny Fanahy Masina ho namantsika ary manampy antsika hiomana handray ireo ôrdônansy sy hanao fanekempihavanana any amin’ny Tempoly. Ny anjara fanompoan’ny zatovolahy iray amin’ny maha-mpihazona ny Fisoronana Aharôna azy dia manomana azy handray ny Fisoronana Melkizedeka.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Inona no azonao atao amin’izao fotoana izao mba hiomananao handray ireo ôrdônansin’ny famonjen’ny filazantsara rehetra?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:31–42

Nampianatra ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny fisoronana ny Tompo

Sary
Niantso an’i Aharôna ho amin’ny asa fanompoana i Mosesy

Rehefa mandalina momba ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny fisoronana ianao dia ataovy ao an-tsaina fa “ny fianianana dia fanekena amin’ny velirano ny ho marina sy ho mahatoky amin’ny fampanantenana natao. Ny fanekempihavanana dia fampanantenana matotra eo amin’ny antokon’olona roa samy hafa. Fanekempihavanana irery ihany no andraisana ny Fisoronana Aharôna. Ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia mandray ny fisoronana amin’ny fianianana tsy tononina sy amin’ny fanekempihavanana. Mitahy ireo mpihazona ny fisoronana Andriamanitra rehefa mahatoky sy milofo amin’ny antsony araka izay itarihany izy ireo. Ireo izay mahatoky hatramin’ny farany sy manao izay rehetra angatahiny aminy dia hahazo izay rehetra ananan’ny Ray (F&F 84:33–39)” (Torolalana ho an’ny Soratra masina, “Fianianana sy Fanekempihavanan’ny Fisoronana” scriptures.lds.org). Ny “fanekempihavanana” dia fifanekena ataon’ny olona iray amin’ Andriamanitra, ary ny “fianianana” dia ny fampanantenana matotra ataon’ Andriamanitra amin’ireo izay mitandrina ny fanekempihavanana.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:31–32 dia mampianatara fa ireo mpihazona ny fisoronana amin’ny andro farany (“ireo zanakalahin’i Mosesy sy ny an’i Aharôna”) dia hiasa ao an-tranon’i Jehovah (ny tempoly) ary dia hofenoina ny voninahitry ny Tompo. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–44 dia mirakitra ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny fisoronana. Izao fitsipika izao no ianarantsika avy amin’izany: Raha milofo amin’ny antsony ireo mpihazona ny fisoronana dia hanamasina sy hanome azy ireo izay rehetra ananany ny Ray.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao: Ny Tompo dia mampanantena ny …Avy eo dia halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–44, ary mitadiava farafahakeliny fampanantenana dimy omen’ny Tompo ireo izay miditra amin’ny fianianana sy ny fanekempihavanan’ny fisoronana. (Azonao ampitahaina amin’ireo valinteny omena any amin’ny faran’ity lesona ity ny valinteninao.)

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nampianatra izao manaraka izao momba ny filofosan’ireo mpihazona ny fisoronana amin’ny antsony:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Milofo amin’ny fisoronantsika isika ary mampivelatra ny antsontsika rehefa manompo amin’ny zotom-po sy am-pientanentanana amin’ireo andraikitra izay niantsoana antsika tamin’ny alalan’ny fahefana mifanaraka amin’izany. …

“Milofo amin’ny antsontsika isika sy mampivelatra ny fahafaha-manaontsika rehefa mamonjy ireo izay malemy sy manome tanjaka ireo izay sahirana. …

Milofo amin’ny antsontsika isika, rehefa mandeha am-pahamarinan-toetra sy am-pahamarinana” (“Magnify Your Calling,” Ensign, mey 1989, 48–49).

Ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra izay mandray antso sy natokana dia mandray ireo fitahiana avy amin’ny Fisoronana Melkizedeka mba hilofosany amin’ny antsony ao am-piangonana. Ny Filoha Thomas S. Monson dia nanome ohatra tsotra iray mikasika ny fomba ahafahan’ny tsirairay avy amintsika milofo amin’ny antsontsika: “Ahoana no ilofosan’ny olona iray amin’ny antsony? Tsotra ihany, amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny asa fanompoana mifanandrify amin’izany antso izany” (“Priesthood Power,” Ensign, nôv. 1999, 51).

Sary
Fivorian’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna
  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto izay momba ny dikan’ny hoe milofo amin’ny antso:

    1. Ahoana no fomba ilofosan’ny mpihazona fisoronana iray amin’ny antsony ao amin’ny fisoronana?

    2. Inona no fitahiana azonao noho ny filofosan’ny olona iray tamin’ny antsony?

Ny adidin’ny mpihazona ny fisoronana rehetra dia ny manomana ny tenany sy ny hafa handray ireo ôrdônansin’ny famonjen’ny filazantsara sy ny miaina mifanaraka amin’ny fanekempihavanana mba hahafahan’izy ireo hahazo ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:1–42 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy