Seminera
Fizarana 9: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39–40


Fizarana 9: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39–40

Fampidirana

Tamin’ny volana janoary 1831 dia nisy mpitandrina Prôtestanta iray izay nantsoina hoe James Covel (soratana matetika hoe Covill ao amin’ireo rakitsoratry ny tantaran’ny Fiangonana) izay nihaona tamin’i Joseph Smith tany Fayette, New York, ka nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo fa hankatò izay mety ho didy rehetra omen’ny Tompo azy amin’ny alalan’ny … mpanompony dia [ny Mpaminany Joseph Smith]” (Joseph Smith, ao amin’ny History of the Church, 1:143). Nahazo ny fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39 i Joseph avy teo.

Ao anatin’ilay fanambarana, ny Tompo dia nandidy an’i James Covel mba ho atao batisa sy hitory ny fahafenoan’ny filazantsara any Ohio. Ny ampitson’ilay andro nahazoana ilay fanambarana anefa dia nandao an’i Fayette tsy nametra-panazavana i James. Dia nanome fanambarana iray ho an’i Joseph Smith sy i Sydney Rigdon ny Tompo izay nanazava ny antony tsy nankatoavan’i James ilay didy nomena azy. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40 izany fanambarana izany. (Jereo ny Documents, Boky 1: jolay 1828–jona 1831, boky 1 amin’ny Documents series The Joseph Smith Papers [2013], 233–27).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:1–12

Nanasa an’i James Covel handray ny filazantsarany sy ho atao batisa i Jesoa Kristy

Alaivo sary an-tsaina hoe nahazo fanomezana mahafinaritra avy tamin’ny rainao na reninao na olon-tianao ianao. Afaka mieritreritra antony mety hisafidiananao tsy handray ilay fanomezana ve ianao?

Sary
ankizivavy miaraka amin’ny fanomezana sy karatra

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:1–3 ka tadiavo ny fanomezana izay nomen’ny Ray any An-danitra ny zanany kanefa safidian’ny sasany mba tsy horaisina. Ny Tompo dia mampiasa ny andian-teny hoe “ny Ahy” mba hilazana ny vahoaka izay nanaovany asa fanompoana fony izy teto ambonin’ny tany, nandritra ny “mitataovovonan’ny fotoana.”

I Jesoa Kristy no ilay fanomezana izay nosafidian’ireo olona ireo mba tsy horaisina. Rehefa misafidy handray ny fanomezan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany isika dia mahazo fahasoavana sy fanomezana maro fanampiny. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:4 ary tadiavo ny fanomezana iray izay nolazain’ny Mpamonjy fa omeny ireo izay mandray Azy.

Mianatra isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa raha mandray an’i Jesoa Kristy isika dia hanome antsika hery hahatonga antsika ho zanany Izy. Asio marika ireo teny izay mampianatra io fitsipika io ao amin’ny andininy 4.

Vakio izao fanambarana manaraka izao izay nataon’ny Filoha Joseph Fielding Smith mba hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa ny dikan’ny hoe tonga zanakalahy sy zanakavavin’i Jesoa Kristy:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Lasa Raintsika araka ny heviny ampiasana io teny io ao amin’ny soratra masina ny Mpamonjy satria manome antsika fiainana izy, fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny sorompanavotana nataony ho antsika. …

“Koa lasa zanaka isika, zanakalahy sy zanakavavin’i Jesoa Kristy, amin’ny alalan’ireo fanekempihavanan’ny fankatoavana Azy. Noho ny fahefana masina ananany sy ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana dia lasa zanakalahy sy zanakavavy naterany ara-panahy isika, ary Izy no Raintsika” (Doctrines of Salvation, comp. Bruce R. McConkie, boky 3. [1954–56], 1:29).

  1. Araka ny zavatra nampianarin’ny Filoha Smith, soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hahatongavantsika ho zanak’i Jesoa Kristy.

Araka ny efa nianaranao dia tsy maintsy misafidy ny handray an’i Jesoa Kristy isika mialoha ny handraisantsika hery mba ho tonga zanakalahy sy zanakavaviny. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:5–6 ka tadiavo ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba handraisana Azy sy ny heriny mba ho tonga zanakalahy sy zanakavaviny.

Fintino amin’ny teninao manokana ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba ho tonga zanakalahy sy zanakavavin’i Jesoa Kristy:

Araka ny nianaranao tao amin’ny fampidirana ity lesona ity dia niantefa tamina mpitandrina Prôtestanta iray izay nantsoina hoe James Covel ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39 fotoana fohy taorian’ny nianarany momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny sy nanaovany fanekempihavanana hankatò izay didy noraisiny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith, na didy inona izany na didy inona.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hiharan’ny fampianarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:1–6 amin’i James Covel. Soraty ihany koa ny eritreritrao momba ny fomba hiharan’ireo andinin-tsoratra masina ireo aminao.

Sary
Jesoa Kristy

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:7–9. Inona no nolazain’ny Tompo momba ny toetry ny fon’i James Covel tamin’ny fotoana nanomezana ilay fanambarana? (Azonao atao ny manisy marika ny teny hoe ankehitriny ao amin’ny andininy 8.) Inona no antony nambaran’ny Tompo fa nandavan’i James Azy tany aloha? Raha teo amin’ny toeran’i James ianao dia mety ho nanao ahoana ny fahatsapanao taorian’ny fahenoana ireo teny ireo? Nahoana?

  1. Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity:

    Raha … ianao

    Dia …

    Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:10–12. Eo am-pamakianao izany dia tadiavo ny zavatra nandidian’ny Tompo mba ho ataon’i James Covel. Soraty eo ambanin’ilay lohateny hoe “Raha toa ianao …” eny amin’ny tabilao ireo torolalana ireo. Ankoatra izany dia tadiavo ny zavatra nampanantenain’ny Tompo an’i James Covel fa horaisiny raha toa ka nankatò ny Tompo izy. Soraty eo ambanin’ilay lohateny hoe “Dia …” eny amin’ny tabilao ireo fitahiana nampanantenaina ireo.

Saintsaino ireo fitahiana natolotry ny Tompo an’i James Covel. Na dia mpitandrina nandritra ny 40 taona aza i James Covel dia natolotry ny Tompo azy ny fahafenoan’ny filazantsara izay nahitana ireo andraikitra sy fitahiana tsy nananany teo aloha, toy ny fanomezana ny Fanahy Masina sy fanokanana ho amin’ny fisoronana.

Diniho ilay teny hoe raha ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:10–11. Azonao asiana marika ao anatin’ny soratra masinao ity teny ity. Saintsaino ny maha-zava-dehibe ilay teny hoe raha ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo sy ny zavatra nolazain’ny Tompo an’i James Covel fa tsy maintsy ataony mba handraisany ireo fitahiana nampanantenaina.

Afaka mianatra isika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa miankina amin’ny fihainoana ny tenin’ny Tompo ireo fitahiana nampanantenainy. Azonao atao ny manoratra io fahamarinana io ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:10–11.

  1. Saintsaino ny sasany amin’ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo anao. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny telo amin’ireo fitahiana ireo sy ny zavatra tsy maintsy ataonao mba hahazoana izany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:13–24

Nantsoina hitory ny fahafenoan’ny filazantsara tao Ohio i James Covel

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:13–14 ary tadiavo ny toerana niantsoana an’i James Covel mba hitoriany ny filazantsara.

Nanome torolalana an’i James Covel momba izay hampianariny ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:15–24. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:22 ary saintsaino ny fifandraisan’izany amin’ireo fitsipika izay efa nianaranao tao amin’ity fanambarana ity.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40

Mampahafantatra ny antony nitsipahan’i James Covel ny teniny ny Tompo

Ny ampitson’ny nanomezana ilay fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39 dia nandao an’i Fayette, New York, tsy nametra-panazavana i James Covel. Nambaran’ny Tompo tamin’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ny antony tsy nankatoavan’i James ny torolalany ka tsy nandraisany ireo fitahiana nampanantenaina. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40:1–3 ka tadiavo ny antony tsy nihainoany ny feon’ny Tompo.

Ampitahao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:8 sy ny 40:1 mba hahitana ny fomba niovan’ny fon’i James Covel. Azonao atao ny manisy marika ilay teny hoe efa ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 40:1.

Ampitahao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:9 sy ny 40:2. Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo, mitanisà antony telo nandavan’i James Covel ny tenin’ny Tompo:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

Nanome fanazavana bebe kokoa ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: “Resy lahatra i [James Covel] ny amin’ny fahamarinana, satria mazava fa nambaran’ny Tompo taminy ireo zavatra izay tsy misy mahafantatra ankoatra azy sy ny Tompo ihany hoe fahamarinana. Kanefa rehefa niala ny fitaoman’ny Fanahin’ny Tompo izy ka nanana fotoana nisaintsainana fa tsy hinamana aminy intsony izao tontolo izao, ary ho very ny toerany sy ny maha-izy azy teo anivon’ireo mpiara-miasa taminy dia tsy nahatohitra izany izy ka nandà ireo fampanantenana sy fitahiana izay natolotry ny Tompo azy” (Church History and Modern Revelation, boky miisa 2 [1953], 1:174).

Inona no mety haka fanahy antsika handà ny tenin’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao? Azonao atao ny manoratra izao fitsipika manaraka izay ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’nyFotopampianarana sy Fanekempihavanana 40 sy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina: Ny fahatahorana sy ny fiahiahiana izao fiainana izao dia mety mahatonga antsika hitsipaka ny tenin’ Andriamanitra.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny tahotra na fiahiahiana izao tontolo izao vitsivitsy izay mety hanakana antsika amin’ny fanarahana ny Tompo amin’ny fontsika manontolo. Dia soraty avy eo ny zavatra izay azonao atao mba hananana finoana handresena ireo tahotra na fiahiahiana izao tontolo izao ireo ka handray marina ny Tompo.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39–40 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy