Seminera
Fizarana 10: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–93


Fizarana 10: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–93

Fampidirana

Araka ny novakianao tao amin’ny fampidirana ny lesona tamin’ny Andro 2 dia nandray ny fanambarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42 ny Mpaminany Joseph Smith ho “fanatanterahana ny fampanantenan’ny Tompo natao tany aloha, fa ny ‘lalàna’ dia homena any Ohio” (fampidirana ny fizarana ao amin’ny F&F 42). Ato amin’ity lesona faharoa ity momba ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42 izay mahafaoka ny andininy 30–93 dia hianatra ianao fa ny Tompo dia nanolotra lalàna ara-batana, ara-bola, ary ara-panahy tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hanampiana ny mahantra sy ireo raharaha ara-bola samihafan’ny Fiangonana, ary hanampiana ireo Olomasina hafa izay tonga tany Ohio.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–42

Nandroso ny lalàn’ny fanokanana ny Tompo

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–42 dia ahitana ny lalàn’ny fanokanan’ny Tompo. Mba hanampiana anao hianatra sy hahatakatra ity lalàna ity dia hanomana lesona sy hampianatra ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na ny namanao momba ny lalàn’ny fanokanana izay nomena ato anatin’ireto andinin-tsoratra masina ireto no asa ampanaovina anao. Hanana fahafahana handrakitra ny traikefanao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ianao avy eo ato anatin’ity lesona ity.

Mba hanampiana amin’ny fampianarana ilay lesona dia vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–42 ary ataovy izao manaraka izao:

  • Mampiasà scotch na marker mba hanaovana tsipika amin’ny vera miisa enina. (Mampiasà vera tavoahangy tsy miloko raha azo atao.) Ataovy amin’ny haavo samihafa eo amin’ny vera tsirairay ireo tsipika. Dia afeno na tapeno ireo vera mba tsy hahitan’ilay olona ampianarinao izany.

  • Makà zinga misy rano mihoatra kely noho ny ilaina mba hamenoana ireo vera rehetra eo amin’ilay tsipika eo amin’izany. (Raha misy dia afaka manisy lokon-tsakafo amin’ilay rano ianao.)

Ampisehoy an’ilay olona ampianarinao ilay zinga, ary lazao azy fa maneho ny harena sy loharanon-karena rehetra ao amin’ny fiarahamonina iray ilay rano. Hazavao fa tamin’ny volana febroary 1831, ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Kirtland, Ohio, izay nila nanampy tamin’ny fikarakarana ny mahantra, dia nanampy ireo mpifindra monina vaovao izay nahafoy zavatra maro mba hivondrona tao Ohio ary nanampy tamin’ny famatsiana vola ireo asa nataon’ny Fiangonana.

Asaivo mamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30 ny mpianatrao ka hitady ny zavatra nambaran’ny Tompo mikasika ny mahantra. Asaivo manisy marika ilay teny hoe hanokana izy.

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Vakio ity famaritana ny teny hoe manokana ity izay nomen’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ny manokana dia midika hoe fanokanana zavatra iray ho masina, natolotra ho an’ny tanjona masina” (“Fanehoan-kevitra momba ny Fanokanana ny Fiainana ho Masina,” Liahona, nôv. 2010, 16).

Azonao atao ny manasa ny mpianatrao mba hanoratra ity famaritana ity eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny andininy 30.

Hazavao fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42 dia ahitana ireo fitsipiky ny lalàna iray izay antsoina hoe lalàn’ny fanokanana. Mba hanampiana ny mpianatrao hahatakatra ireo fitsipika fototra ireo dia azonao atao ny mamaky mafy ity fanazavana manaraka ity izay nataon’ny Filoha J. Reuben Clark zanany tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Filoha J. Reuben Clark zanany

“Ny fitsipika fototry ny [lalàn’ny fanokanana] dia hoe an’ny Tompo ny zavatra rehetra ananantsika. Ka noho izany dia afaka mangataka amintsika ny fananana rehetra izay ananantsika ny Tompo, na inona izany na inona, satria Azy izany” (tao amin’ny Conference Report, Oct. 1942, 55).

Asaivo mamintina ny zavatra ampianarin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30 antsika momba ny andraikitsika amin’ny mahantra sy sahirana ny mpianatrao. (Mety hitovitovy amin’izao manaraka izao ny havalin’ireo mpianatrao mikasika izany fitsipika izany: Isika dia tokony hikarakara ny mahantra sy ny sahirana. Amporisiho izy mba hanisy marika ireo teny na andian-teny ao amin’izany andinin-tsoratra masina izany izay mampianatra izany fitsipika izany.)

Ampisehoy ireo vera tsy misy rano miaraka amin’ireo marika eo amin’izany ary manomboha manisy rano amin’izany avy amin’ilay zinga. Fenoy rano hatreo amin’ilay tsipika nataonao teo aminy ny vera iray, fenoy rano mihoatra ny tsipika nataonao teo aminy ny vera telo, ary fenoy rano eo ambanin’ilay tsipika nataonao teo aminy ny vera roa. Hazavao fa ireo tsipika eo amin’ny vera tsirairay dia maneho ny zavatra ilaina sy ny faniriana marin’ny fianakaviana samihafa. Ohatra, mety ho samy hafa amin’ny zavatra ilain’ny fianakaviana iray manana zanaka iray ny zavatra ilain’ny fianakaviana iray manana zanaka dimy. Hazavao fa maneho ny harena sy loharanon-karen’ny fianakaviana tsirairay ilay rano. Ireo vera misy rano hatreo ambanin’ny tsipika dia mampiseho ireo fianakaviana tsy dia manam-bola na zavatra entina hamatsiana ny zavatra ilain’izy ireo.

Vakio mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:31 ary asao ny mpianatrao mba hanaraka ny vakiteny ao amin’ny soratra masiny. Dia mametraha an’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no dingana voalohany amin’ny fiainana ny lalàn’ny fanokanana ho an’ireto Olomasina ireto? (Mba hanome izay ananany—ny volany sy ny fananany ary ny trano sy taniny—any amin’ny eveka.)

  • Rehefa manome ny mahantra isika dia amin’iza koa no hanomezantsika? (Ny Tompo.)

Mba hanehoana ny mpikamban’ny Fiangonana izay manokana ny fananany amin’ny Fiangonana dia avereno ao anatin’ilay zinga indray ny rano rehetra tao anatin’ireo vera.

Asao ny mpianatrao mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:32 ka hitady ny dingana faharoa amin’ny fiainana ny lalàn’ny fanokanana. Dia anontanio avy eo hoe:

  • Inona ilay dingana faharoa amin’ny fiainana ny lalàn’ny fanokanana? (Nahazo ampahany tamin’ilay loharanon-karena araka ny sahaza azy avy tamin’ny eveka ny fianakaviana rehetra.)

Hazavao fa taorian’ny fanomezana na fanokanana ny fananany tamin’ny Fiangonana dia naverina tamin’ny fianakaviana ny fananana araka izay sahaza azy. Nanjary ho fananana manokan’ilay fianakaviana izany ampahany izany. Mpitandrina ny fananany ny fianakaviana ary navela nampiasa izany araka izay hitany fa naha-mety azy saingy tompon’andraikitra tamin’ Andriamanitra ny amin’ny fampiasana izany izy ireo.

Mandraraha rano avy ao anatin’ilay zinga ary fenoy hatreo amin’ny tsipika ny vera tsirairay. Hazavao fa teo ambanin’ny lalàn’ny fanokanana dia nandray araka ny zavatra ilainy sy araka ny faniriana mariny ny fianakaviana tsirairay. Ny eveka sy ny lohan’ny fianakaviana izay niara-nifanakalo hevitra no nandray izany fanapahan-kevitra izany. Fantatry ny fianakaviana fa ny maha-tompon’ilay fananana azy dia fanomezana avy amin’ny Tompo ary amin’ny maha-mpitandrina izany azy ireo dia tompon’andraikitra izy ireo tamin’ny fampiasana ny zavatra nomena azy ireo mba hanampiana amin’ny fananganana ny fanjakan’ny Tompo.

Tondroy ilay rano tavela ao anatin’ilay zinga. Asao ny mpianatrao mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:33–35 ka hitady hoe atao inona ilay “ambiny” na sisa tavela amin’ilay fananana natokana. Dia mametraha an’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no nandidian’ny Tompo ireo Olomasina mba hataony amin’ireo ambina fananana, na ny “ambiny”? (Nasaina nampiasain’izy ireo izany mba hanampiana ny mahantra, hamatsiana vola ny fanorenana trano fiangonana ary hanampiana ireo mpikambana sahirana.)

  • Avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny andininy 34, maneho inona araka ny eritreritrao ilay zinga? (Ny trano fitehirizana.)

Asao ny mpianatrao mba hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:38 ka hitady fahamarinana iray izay hanampy ny olona tsirairay hanana faniriana hiaina ny lalàn’ny fanokanana, na inona na inona toe-javatra iainan’izy ireo. Dia anontanio avy eo hoe:

  • Inona no fitsipika nampianarin’ny Tompo mikasika ny fanaovana soa ny hafa? (Tokony hitovy amin’izao fitsipika manaraka izao ny valinteny: Rehefa manao soa ny hafa isika dia manao izany amin’ny Tompo. Asaivo manisy marika izany fahamarinana izany ao anatin’ny soratra masiny ny mpianatrao.)

  • Ahoana no mety nanampian’izany fahamarinana izany an’ireo Olomasina mba hananany faniriana hanokana ny fananan’izy ireo? Inona no fanampiana entin’ny fahatsiarovana izany fitsipika izany eo amin’ny fiainanao?

  • Oviana no nahatsapanao fa nanompo ny Tompo ianao rehefa nanao zavatra iray mba hanampiana ny hafa?

Hazavao fa na dia tsy didina hiaina ny lalàn’ny fanokanana araka ny fomba nandidiana ireo Olomasina tany am-piandohana aza isika dia mbola manan-kery io lalàna io amin’izao fotoana izao. Vakio mafy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Spencer W. Kimball ity ary asaivo mihaino ny mpianatrao hoe ahoana izany hoe miaina ny lalàn’ny fanokanana izany ho antsika amin’izao fotoana izao: “Ny fanokanana dia fanomezan’ny olona iray ny fotoany sy ny talentany ary ny fananany mba hikarakarana ireo izay sahirana—na ara-panahy izany na ara-batana—ary amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra” (“Welfare Services: The Gospel in Action,” Ensign, Nov. 1977, 78).

Azonao atao ny mamporisika ny mpianatrao mba hanoratra izany famaritana izany eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny andininy 30. Rehefa mamaky ny fanambarana avy tamin’ny Filoha Kimball ianao dia manontania hoe:

  • Inona no fotoana sy talenta ary fahafahana anananareo izay azonareo ampiasaina hanampiana ireo sahirana?

Mizarà traikefa iray momba ny fotoana izay nitahiana anao tamin’ny alalan’ny olona iray izay nahafoy ny fotoany, ny talentany na ny fananany mba hanampiana anao. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fanaovana soa ny hafa. Rehefa tontosa ny lesona dia misaora ny mpianatrao tamin’ny fandraisany anjara tamin’ny lesona.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny anaran’ny olona izay nampianarinao miaraka amin’ny daty nahavitanao ity asa nampanaovina ity. Manorata famaritana ny zavatra eritreretinao fa nandeha tsara tamin’ny fampianaranao sy ny zavatra sarotra. Ankoatra izany dia farito ny fomba nitahiana anao rehefa niaina ny fitsipika ianao fa rehefa manao soa amin’ny hafa isika dia manao izany amin’ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:43–55

Manome torohevitra momba ny fahafatesana sy ny fanasitranana ny Tompo

Nampianatra momba ny fahafatesana sy fanasitranana ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:43–55. Nanazava Izy fa ho mamy amin’ireo izay maty ao Aminy ny fahafatesana, ho mangidy amin’ireo izay tsy maty ao Aminy kosa izany. Nilaza ihany koa izy fa ireo izay marary dia tokony “amin’ny fanambatambazana fatratra no hamahanana azy” (F&F 42:43) ary tokony handray ny tsodranon’ny fisoronana. Ny sasany dia ho sitrana amin’ny alalan’ny finoany an’i Jesoa Kristy (jereo ny F&F 42:48).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:56–69

Mampanantena ny Tompo fa hanambara soratra masina sy fanambarana fanampiny amin’i Joseph Smith

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:56–69 dia nianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa hanohy hanome fanambarana ny Tompo rehefa manohy mikatsaka izany izy. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61 ary mitadiava fitsipika iray momba ny fandraisana fanambarana. Mitarika sy mitantana ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fitsipiky ny fanambarana mitohy ireo mpitarika antsika amin’izao fotoana izao.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fanambarana iray izay ahitana hoe raha–dia, izay miresaka momba ny fitsipika izay nianaranao avy tamin’ny andininy 61

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:70–87

Mandray torolalana momba ny fanadihadiana ireo mpikamban’ny Fiangonana izay manao fahotana goavana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana.

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:70–87 dia ahitana ireo fitsipika sy lalàna fototra sasany izay mitantana ny lalàna mifehy ny Fiangonana. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:78 ary asio marika ny didin’ny Tompo ho an’ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:88–93

Manome torolalana ny Olomasina mikasika ny fomba handravonana ny fahatafintohinan’ny tena manokana ny Tompo

Mieritrereta momba ny fotoana iray izay nahitanao olona iray tafintohina noho ny teny na fihetsika nataon’ny olona iray hafa. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:88–89 ka tadiavo ny torolalan’ny Tompo momba ny zavatra tokony hataontsika raha toa ka nanafintohina antsika ny olona iray.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no zavatra voalohany tokony ataontsika raha toa ka nanafintohina antsika ny olona iray?

    2. Nahoana araka ny eritreritrao no mety hanampy izany?

Mianatra isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:90–91 fa ny fahotana sy fanafintohinana sasany izay fantatry ny besinimaro dia mitaky fibabohana na fanasaziana ampahibemaso mifanaraka amin’izany. Mianatra izao fitsipika manaraka izao isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:92–93: Ny fanafintohinana atao any amin’ny miafina dia tokony hovahana any amin’ny miafina.

  1. Farito ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony maha-tsara kokoa ny hamahana ny fanafintohinana natao tamin’ny miafina any amin’ny miafina araka ny eritreritrao.

Mila risimpo ny manatona olona iray izay nanafintohina anao. Mangataha fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra eo am-pikatsahanao ny famahana ireo fahatsapana ratsy mety anananao momba ny hafa.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–93 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy