Fizarana 14: Andro 3
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–19
Fampidirana
Ny volana Septambra 1831, dia vao niverina tany Ohio ny Mpaminany Joseph Smith sy ny loholona maromaro izay nanao dia ho fanokanana ny tany sy ny toerana hisy ny tempoly tany Ziona, na Independence, Missouri. Nisy fifandirana sy tsy fifanarahana teo anivon’ny loholona nandritra io dia io, kanefa afaka nifamela ihany ny ankamaroany. Ny 11 Septambra, dia nandray fanambarana iray izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64 ny Mpaminany.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–7
Manome toky ny loholona ny Tompo fa vonona ny hamela heloka
Tadidio ny fotoana iray izay nahatonga anao ho tohina noho ny teny nataon’ny olona hafa ary tadidio ny fihetsika nataonao manoloana izany.
Tokony teo amin’ny iray volana teo ho eo taorian’ny niverenan’ny Mpaminany Joseph Smith sy ny vondrona loholona izay niverina tany Ohio, avy tany Independence Missouri no nandraisana ilay fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64. Ireo loholona ireo sy ny mpikamban’ny Fiangonana sasany dia niatrika fitsapana noho ny fifandirana sy tsy fifanarahana nisy teo anivon’izy ireo. Nilaza ny Tompo tao amin’io fanambarana io hoe: “Misy ireo eo anivonareo izay efa nanota” (F&F 64:3). Ny tenin’ny Tompo ao amin’io fanambarana io dia mampianatra antsika ny fomba fiatrehana ny hafa rehefa nanao ratsy tamintsika izy ireo.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–4 ary jereo ny andian-teny izay mamariparitra ny fomba fihetsiky ny Tompo manoloana an’ireo izay nanota. Soraty ao amin’ity tabilao manaraka ity izany. (Azonao asiana marika ao amin’ny soratra masinao ihany koa izy ireo.)
-
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–4 dia mampianatra antsika fa ny Tompo dia feno famindram-po sy vonona hamela heloka. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony maha-zava-dehibe an’io fitsipika io aminao.
Tamin’ny fotoana nandraisana io fanambarana io no nahatonga ny mpikamban’ny Fiangonana sasany, anisan’izany ny loholona sasantsasany izay nanao dia niaraka tamin’i Joseph Smith hitsikera azy. Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:6 ny Tompo dia miresaka mikasika ny tsikera nahazo ny Mpaminany amin’ny fampiasana ny andian-teny manao hoe “nitady hirika hiampangana azy.” Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:5–6 ary jereo ny zavatra nampianarin’ny Tompo.
Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no zavatra nolazain’ny Tompo momba an’i Joseph Smith?
-
Inona no hianarantsika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?
Nanazava ihany koa ny fepetra sasany mikasika ny famelan-keloka ny Tompo. Araka ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:7, inona no zavatra tsy maintsy hataontsika mba hahazoantsika ny famelan-keloky ny Tompo?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:8–19
Nanome didy ny mpanompony ny mba hifamelan’izy ireo ny Tompo
Ankoatra ny fanaintainana ara-batana, inona no mety ho fihetseham-po tsapanao raha toa ianao ka voakaikitry ny biby misy poizina? Ny bibilava maneno dia bibilava misy poizina matetika hita any Amerika. Ny kaikitr’izy ireny dia mahatonga ny olona hanaintaina, hivonto, ho ngoly ary hiova loko. Raha tsy tsaboina izany dia mety hiteraka fahasimban’ny hoditra tanteraka na fahafatesana mihitsy aza.
Ny Loholona Marion D. Hanks ao amin’ny Kolejin’ny Fitopololahy dia niresaka mikasika ny safidy ananan’ny olona iray izay sendra ny kaikitry ny bibilava maneno: “Misy karazany roa ny zavatra ataon’ny olona rehefa voakaikitry ny bibilava maneno. Ny olona iray dia mety hanenjika ilay biby mba hamonoana azy noho ny fahatezerana, ny tahotra na ny valifaty. Na mety hanala faran’izay haingana ilay poizina amin’ny vatany izy” (“Forgiveness: The Ultimate Form of Love,” Ensign, Jan. 1974, 21).
Iza amin’ireo zavatra roa ireo no heverinao fa tsara kokoa? Nahoana?
Hoy ny Loholona Hanks hoe: “Raha manao ilay safidy [faharoa] isika dia tsy ho faty, fa raha manandrana manao ilay safidy [voalohany] kosa dia mety tsy ho tafajanona maharitra eo mba hamita izany” (“Forgiveness,” 21).
Ny safidin’ny olona iray izay voakaikitry ny bibilava maneno dia azo ampitahaina amin’ny safidy raisintsika rehefa tohina isika noho ny teny na fihetsika ataon’ny hafa. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:8 ary jereo ny zavatra niainan’ny mpanaradia sasany noho ny tsy naneken’izy ireo ny famelana ny hafa.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ahoana no maha-ory (na maha-tohina) ny olona iray izay tsy mamela ny hafa?
-
Inona no mampitovy izany amin’ny olona iray izay manenjika ilay bibilava maneno izay nanaikitra azy?
-
Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9 ary jereo ny vokatra iray hafa ateraky ny tsy famelana ny hafa.
Mianatra isika avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9 fa raha tsy mamela ny hafa isika, dia meloka eo anoloan’ny Tompo.
Ny lesona tena mety hanampy antsika indrindra avy amin’io andinin-tsoratra masina io dia ny famelana. Tena manana fiadanana lehibe mihitsy isika rehefa mamela ny hafa. Rehefa mamaky ity teny manaraka ity izay nataon’ny Loholona David E. Sorensen avy amin’ny Kolejin’ny Fitopololahy ianao dia diniho ny ifandraisan’izany amin’ity fahamarinana manaraka ity: “Mety ho sarotra tokoa ny mamela olona iray izay nanohina antsika, fa raha manao izany isika, dia manokatra ho antsika ho avy tsaratsara kokoa. Tsy hifehy ny lalam-piainantsika intsony ny fanafintohinana nataon’ny hafa. Rehefa mamela ny hafa isika dia mamela antsika hisafidy ny fomba hiainantsika ny fiainantsika izany. Ny famelan-keloka dia midika fa tsy hibaiko ny hoavintsika intsony ireo olana teo aloha ary afaka hifantoka amin’ny hoavy miaraka amin’ny fitiavan’ Andriamanitra ao am-pontsika isika” (“Forgiveness Will Change Bitterness to Love,” Ensign or Liahona, May 2003, 12).
Halalino tsara ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:10–11 ary tadiavo ireo fitsipika fanampiny izay nampianarin’ny Tompo momba ny famelana.
-
Hazavao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba ahafahan’ny fitsipika nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:10–11 manampy ny olona izay ao anatin’ ireto toe-javatra manaraka ireto:
-
Tohina sy afa-baraka ny zatovovavy iray rehefa naheno fa ny namany sasany dia manaparitaka tsaho momba azy. Niala tsiny ny sasany tamin’ireo taty aoriana, fa nisy hafa kosa tsy nanao izany. Namela ireo izay niala tsiny taminy ilay zatovovavy, fa mbola nitazona lolom-po kosa tamin’ireo hafa.
-
Tsy mankatò didy iray ny zatovolahy iray. Mivavaka izy mba hahazo famelan-keloka ary miresaka momba izany amin’ny evekany. Na izany aza anefa, dia mbola mahatsapa tsy fahamendrehana noho ilay heloka nataony taloha foana ilay zatovolahy na dia efa nanome toky aza ny eveka fa efa nibebaka tanteraka izy.
-
Malahelo sy tsy mahafantatra izay zavatra tokony hataony ny zatovovavy iray noho ny fihetsiky ny rainy. Nandao ny fianakaviany izy. Talohan’ny nandaozany azy ireo dia zara raha nampiseho fitiavana ny fianakaviany izy ary matetika no ratsy fanahy. Tsy takatr’ilay zatovovavy ny antony nanaovan’ny rainy izany fihetsika izany ary tezitra aminy izy. Fantany fa tokony hiezaka hamela azy izy, kanefa mieritreritra izy fa tsy hahavita izany.
-
Eritrereto raha misy olona izay tokony havelanao. Indraindray dia tena farany izay sarotra ny famelana ny hafa. Rehefa mamaky ity torohevitra manaraka avy amin’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity ianao, dia tadiavo ny zavatra azonao atao raha toa ka tsy mora aminao ny mamela olona iray: “Raha toa ka misy ny olona iray izay mamolavola ilay fankahalana feno poizina ao am-pony, dia miangavy anao aho mba hangataka hery avy amin’ny Tompo hamelana heloka. … Mety tsy ho mora ary mety tsy ho tonga vetivety izany. Saingy raha hikatsaka amin-kitsim-po sy hikolokolo izany ianao dia ho avy izany” (Of You It Is Required to Forgive,” Ensign, June 1991, 5).
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Amin’ny fomba ahoana, araka ny hevitrao, ny fangatahana hery amin’ny alalan’ny vavaka no mety hanampy anao hamela ny hafa?
Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:12–14. Tazony an-tsaina fa ny Tompo dia nampianatra fa ny safidintsika ny hamela ny hafa dia tsy manala velively ny maha-tompon’andraikitra azy ireo amin’ny zavatra ataony. Mbola hohadinin’ny Tompo amin’ny zavatra tsy mety nataony izy ireo.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:15–17 ary jereo fa nilaza ny Tompo fa hamela ny heloky ny mpanompony roa, dia i Isaac Morley sy i Edward Partridge satria nibebaka izy ireo.
Teo am-piandohan’ny lesona dia nianatra ianao fa ny Tompo dia feno famindram-po sy vonona ny hamela heloka. Rehefa mamela heloka ianao dia lasa mitovy Aminy bebe kokoa. Mandraisa fanapahan-kevitra amin’ny fomba ampiharanao ny fitsipiky ny famelan-keloka izay nianaranao androany.
Soratra Masina Fehezina— Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11
Vakio mafy mandritra ny minitra vitsivitsy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–11. Rehefa nahavita izany farafahakeliny in-dimy ianao dia mangataha ny mpiray tampo aminao na namana iray hanampy anao hizatra hanao izany tsianjery. Tonony amin’io olona io ilay andinin-tsoratra masina mandrapahafahanao mamerina izany tsianjery. Hazavao amin’io olona io ny fomba hahafahan’ny fitsipika ao amin’ilay andinin-tsoratra masina manampy anao amin’ny fiainanao. Rehefa izany dia angataho ilay olona mba hanao sonia ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:1–19 ary nahavita io lesona io ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: