Fizarana 15: Andro 2
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67
Fampidirana
Ny volana Nôvambra 1831 dia nivory tao anatin’ny fihaonambe manokana tao Hiram, Ohio ny andiana loholona iray. Ny zavatra iray noresahana tao anatin’ilay fihaonambe dia mikasika ny famoahana ny fanambarana izay noraisin’ny Mpaminany Joseph Smith. Nanome fanambarana an’i Joseph Smith ny Tompo nandritra io fihaonambe io ary nanokana izany ho sasin-tenin’ny bokin’ny fanambarana izay havoaka ho boky. Ankehitriny, izany fanambarana izany no fizarana voalohany ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Taty aoriana dia nanome fanambarana ny Tompo, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67. Ao amin’io fanambarana io dia niresaka tamin’ireo rahalahy izay nanana fanontaniana mikasika ny fomba fitenin’ny fanambarana izay nomeny ny Mpaminany, ny Tompo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:1–3
Mahafantatra ny ao an-tsaina sy ny ao am-po ny olona ny Mpamonjy.
Efa nanontany tena ve ianao hoe maninona ny olona sasany no mahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fitsipiky ny filazantsara ary ny olona hafa sasany kosa dia tsy mahazo izany?
Ny volana Nôvambra 1831 no nivorian’ny vondrona loholona iray niaraka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith mba hiresahana momba ny famoahana ho boky ny fanambarana noraisin’ny Mpaminany. Loholona maro no efa nandray fijoroana ho vavolombelona fa marina ny fanambarana. Kanefa, ny hafa dia mety mbola nanantena ihany ny hahazo fijoroana ho vavolombelona tahaka izany.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:1–2 ary jereo ny zavatra notenenin’ny Tompo momba ny vavaka.
Fenoy, araka ny zavatra nianaranao tao amin’ny andininy 1–2 ny banga ao amin’ity fitsipika manaraka ity: Mandre ny ataoko ny Tompo ary mahafantatra ny .
-
Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no fomba hanampian’ny fahafantaranao io fitsipika io anao hanonona vavaka tsaratsara kokoa? Rehefa izany dia manorata momba ny zavatra iray niainanao izay nanampy anao na nanampy olona hafa fantatrao hahazo fanamafisana ara-panahy momba ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:3 ary fantaro ny antony tsy nandraisan’ireo loholona sasany ny fitahiana izay natolotry ny Tompo azy ireo. Azonao atao ny manisy marika ireo andian-teny izay manaitra anao.
-
Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no hanakanan’ny famelana ny tahotra hiditra ao amin’ny fontsika handray fitahiana? Rehefa izany dia ataovy lisitra ireo karazana tahotra izay mety hanakana ny olona handray fitahiana.
Saintsaino ny fanampian’ny herin’ny Tompo antsika hanolo ny tahotra amin’ny finoana. Ahoana no hanampian’izany ny olona iray hampitombo fijoroana ho vavolombelona?
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:4–9
Manome fitsapana ho an’ireo izay mitsikera ny fanambarany ny Tompo
Efa nanontany tena ve ianao hoe maninona isika no tokony hanaraka ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana na dia tsy tonga lafatra aza izy ireo?
Vakio ny fampahafantarana ny fizarana ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67 sy ny andininy 5 mba hahitana ny karazana toe-tsaina samihafa izay nananan’ny loholona manoloana ny fanambarana. (Tadidio fa nantsoina hoe Bokin’ireo Didy ny fanakambanana voalohany ny fanambarana nataon’ny Mpaminany Joseph Smith. Novaina ho Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny fiantsoana ny boky taty aoriana.) Jereo fa voalaza ao amin’ny fampidirana ny fizarana ny hoe “maro tamin’ireo rahalahy no nijoro ho vavolombelona marina tokoa” ny amin’ny fahamarinan’ny fanambarana. Kanefa, “nandeha ny resaka nanakiana ny fomba fiteny nampiasaina tamin’ireo fanambarana.” Araka ny andininy 5, dia nihevitra ireo loholona sasany fa afaka “maneho mihoatra noho ny fiteniny [ny an’i Joseph Smith].” Noho ny fiavonavonana teo amin’izy ireo no nahatsapany fa mendrika bebe kokoa noho ny mpaminany voahosotry ny Tompo ny hanoratra fanambarana izy ireo (jereo ny 2 Nefia 9:28–29).
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:4 ary avereno vakiana indray ny andininy 5. Jereo ny fomba namalian’ny Tompo ny loholona mikasika ny olana nananan’izy ireo momba ny fomba fiteny ao amin’ny fanambarana.
Araka ny hevitrao, inona no maha-zava-dehibe ny fahatakaran’ny loholona fa ny Tompo dia nahafantatra fa niara-niasa tamin’ny alalan’ny mpanompo tsy tonga lafatra Izy?
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:6–9 ary fantaro ilay fitsapana nomen’ny Tompo an’ireo izay nanana olana tamin’ny fomba fiteny ao amin’ny fanambarana.
I William E. McLellin dia nanapa-kevitra ny hanao ny fanamby napetraky ny Tompo, dia ny fanoratana fanambarana mitovy amin’ireo fanambarana noraisin’ny Mpaminany Joseph Smith. Nanoratra mikasika izany i Joseph Smith tao amin’ny boky tantarany: “I William E. M’Lellin, ilay lehilahy hendry indrindra araka ny eritreriny manokana, lehilahy nanan-pahaizana kokoa fa tsy dia nanana fandanjalanjan-javatra loatra, dia nanapa-kevitra ny hanoratra didy iray tahaka ny didy iray kelikely na ambany kokoa izay mety homen’ny Tompo, kanefa tsy nahavita izany. Tena andraikitra goavana tokoa ny manoratra amin’ny anaran’ny Tompo. Nanavao indray ny finoany amin’ny fahafenoan’ny filazantsara sy amin’ny fahamarinan’ny didy sy fanambarana izay nomen’ Andriamanitra ho an’ny Fiangonana tamin’ny alalako, ireo Loholona sy izay rehetra nanatrika ny andrana tsy nahomby nataon’ny lehilahy iray hangalana tahaka ny fomba fitenin’i Jesoa Kristy; ary ny Loholona dia nampiseho ny finiavany ny hijoro ho vavolombelona amin’ny fahamarinan’ireo didy sy fanambarana ireo ho an’izao tontolo izao” (ao amin’ny History of the Church, 1:226).
Taorian’io zava-nitranga io, dia nanaiky avokoa ireo loholona izay teo ny hanao sonia taratasy iray izay manome tenivavolombelona ôfisialy momba ny fahamarinan’ireo fanambarana voarakitra ao amin’ny Bokin’ireo Didy.
-
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Nahoana araka ny eritreritrao no afaka namoaka ireo fanambarana ireo i Joseph Smith, izay tsy dia nandia fianarana firy, kanefa i William E. McLellin, izay nandranto fianarana ambony, dia tsy nahavita izany?
-
Inona no azonao ianarana avy amin’io tantara io momba ny fitsaratsarana ireo mpitarika noho ny tsy fahatanterahany?
-
Saintsaino ny fanolorantenanao hanaraka ireo mpitarika amin’ny fahamarinana, na dia eo aza ny tsy fahatanterahana izay hitanao na hitan’ny hafa eny amin’izy ireo.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:10–14
Nanoro hevitra ireo mpanaradia Azy ny Tompo momba ny fomba hiomanana mba hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra
-
Manaova tabilao iray ahitana tsanganana roa ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Omeo lohateny hoe Valisoa ny tsanganana voalohany ary ny tsanganana faharoa kosa dia hoe Ny fomba ahazoana valisoa. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:10–14, ary tadiavo ilay valisoa nampanantenain’ny Mpamonjy an’ireo rahalahy sy ny asa tsy maintsy ataon’izy ireo mba hahazoany io valisoa io. Soraty eo amin’ny tsanganana mifandraika amin’izany ny valinteninao.
Araka ny voalazan’ireo andinin-tsoratra masina ireo, inona no tsy maintsy hataon’ireo rahalahy ireo mba hitoerany eo anatrehan’ Andriamanitra? (Ny teny hoe mitoetra dia midika hoe miaritra na mijanona eo amin’ny toerana iray.) Raha miala amin’ny fialonana sy ny tahotra izy ireo ka manetry tena, dia ho afaka ny hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra.
Araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67:13 dia namporisihina ireo rahalahy ireo mba “hitozo amin’ny faharetana” mandra-pahalavorary azy ireo. Vakio ity tantara manaraka ity, izay nozarain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, izay mampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny faharetana mandritra ny dingana lalovana mba ho lasa tanteraka:
“Tamin’ny taona 1960 dia nisy mpampianatra tao amin’ny Oniversiten’i Stanford nanomboka nanao fanandramana tsotsotra hahitana ny finiavan’ny ankizy efa-taona. Nasainy nipetraka teo anoloan’ny vatomamy gimaovy lehibe izy ireo ary dia nolazainy fa afaka mihinana izany avy hatrany izy ireo na, raha toa ka afa-miandry 15 minitra, dia afaka hahazo gimaovy anankiroa.
“Navelany irery teo ireo ankizy ary notazaniny taorian’ny fitaratra mahita avy any ambadika. Nisy tamin’ireo ankizy no nihinana ilay vatomamy gimaovy avy hatrany, ny sasany kosa niandry minitra vitsivitsy talohan’ny naharoboka azy tamin’ilay fakam-panahy. 30 isan-jato tamin’izy ireo ihany no nahavita niandry” (Mitozoa ao amin’ny faharetana,” Ensign na Liahona, mey 2010, 56).
Nahoana araka ny eritreritrao no manan-kery amin’ny tanora ankehitriny ilay fanandramana sy ny zavatra hitan’io mpampianatra io?
Avy eo ny Filoha Uchtdorf dia niresaka momba ireo zavatra hita avy amin’ilay fanandramana miaraka amin’ny vatomamy gimaovy:
“Nefa rehefa nandeha ny fotoana dia narahin’ilay [mpampianatra] maso hatrany ireo ankizy ary nanomboka nahatsikaritra fifandraisan-javatra izy: ireo ankizy izay tsy nahandry dia sahirana teo amin’ny fiainany taty aoriana ary nanana olana kokoa teo amin’ny toetrany, ary ireo niandry kosa dia nanana toe-tsiana hivoatra sy nanana zotompo kokoa, ary nahazo naoty tsara kokoa sy tsara fidiram-bola kokoa ary nilamina kokoa teo amin’ny fifandraisany tamin’ny hafa.
“Ilay fanandramana tsotsotra tany am-boalohany natao tamin’ny ankizy sy ny vatomamy gimaovy dia lasa valim-pikarohana manan-danja toa mamaritra fa ny fahaiza-miandry—ny fananana faharetana—dia toetra iray manan-danja izay hamaritra ny fahombiazana any aoriana eo amin’ny fiainana. …
“Mety ho sarotra ny miandry. Fantatry ny ankizy izany ary torak’izany koa ny olon-dehibe. Miaina ao anaty tontolo izay ahitana toeram-pisakafoana mandroso sakafo mora vita sy hohanina haingana dia haingana isika, ahitana fifandefasana hafatra eo no ho eo, sarimihetsika azo eo no ho eo, ary ahitana valiny avy hatrany amin’ireo fanontaniana faran’izay tsy manan-danja na faran’izay lalina. Tsy tia miandry isika. …
“Ny faharetana—ny fahafahana mampiandry ireo faniriantsika mandritra ny fotoana voafetra—dia hatsaran-toetra sarobidy sy miavaka. Tiantsika ny hahazo izay iriantsika ary izany dia izao dia izao. Noho izany ny hevitry ny hoe faharetana fotsiny dia mety ho tsy mahafinaritra ary indraindray mangidy.
“Raha tsy misy anefa ny faharetana dia tsy afaka manao izay hahafaly an’ Andriamanitra isika, ary tsy ho afaka ny ho tonga lafatra. Ny faharetana tokoa dia dingana manadio izay manadio ny fahatakarana, mahalasa lalina ireo fifaliana, mampifantoka amin’ny asa atao ary manolotra fanantenana ho amin’ny fiadanana” (“Mitozoa ao amin’ny faharetana,” 56).
-
Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana araka ny eritreritrao no ilaina amin’ny ezaka ataonao mba ho mendrika ny hitoetra eo anatrehan’ny Tompo ny faharetana? Ary koa, manokana minitra vitsivitsy hisaintsainana ireo lafiny eo amin’ny fiainanao izay mety ilànao faharetana bebe kokoa amin’ny tenanao ihany na amin’ny hafa. Raha tsy mampaninona anao, dia manorata tanjona iray izay ahitana hoe lasa manam-paharetana bebe kokoa amin’ny ezaka ataonao ianao ho tonga madio eo anatrehan’ Andriamanitra.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 67 aho ary nahavita io lesona io ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: