Seminera
Fizarana 28: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131


Fizarana 28: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131

Fampidirana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131 dia ahitana ny fanangonana ireo fitsipika nampianarin’ny Mpaminany Joseph Smith tao Ramus, Illinois, tamin’ny 16–17 mey 1843. Nampianatra momba ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana ary ny fampanantenana momba ny fiainana mandrakizay ho an’ireo mahatoky izy. Nampianatra ihany koa izy fa ny fanahy rehetra dia tamba-tsinga.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4

Mampianatra momba lanjan’ny fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay i Joseph Smith

mpivady manao akanjo fotsy eo anoloan’ny tempoly iray

Nahoana ny Tompo sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana no manantitrantitra mafy ny hanambadiana any amin’ny tempoly? Manampy antsika hamaly io fanontaniana io ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131. Toy izany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132, izay hohalalininao ao amin’ny lesona manaraka.

Tamin’ny 16 mey 1843 dia nandeha tany Ramus, Illinois ny Mpaminany Joseph Smith. Raha mbola nitoetra tao an-tranon’i Benjamin sy Melissa Johnson izy dia nanatontosa ny famehezana azy ireo ho mpivady mandrakizay (nomena lalana tao anatin’ny fotoana fohy ny fanaovana io ôrdônansy io mandra-pahavitan’ny tempoly). Nampianariny azy ireo ihany koa ny fomba ifandraisan’ny fanambadiana mandrakizay amin’ny fanjakana selestialy. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4 ireo fahamarinana ireo. (Jereo ny History of the Church, 5:391–92.)

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1, mba hitadiavana ny fahamarinana izay nampahafantarin’ny Mpaminany mikasika ny fanjakan’ny lanitra. Dia fenoy avy eo ity fehezanteny manaraka ity: Misy lanitra na ambaratonga vitsivitsy ao anatin’ny fanjakana selestialy.

Matetika isika no miantso ny fahazoana ny ambaratongam-boninahitra ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy hoe fisandratana faratampony na fiainana mandrakizay. Ireo izay mahazo io ambaratongan’ny voninahitra selestialy io dia hiaina karazam-piainana tahaka izay iainan’ny Raintsika any An-danitra.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:2–4, mba hitadiavana ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny ambaratonga ambony indrindra amin’ny fanjakana selestialy. (Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4 dia andinin-tsoratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika ireo andininy ireo amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireo mora foana amin’ny ho avy.)

Fenoy avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny andininy 2 ity teny nambara izay mifono Fotopampianarana ity: Mba hahazoana ny ambaratonga avo indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy, dia tsy maintsy miditra ao amin’ny .

Mianatra isika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:4, fa raha tsy voafehy ao amin’ny tempoly amin’ny alalan’ny fahefana marina isika dia “tsy afaka ny hanana fitomboana.” Ny hoe fitomboana dia entina ilazana ny fahafahana manohy manan-janaka any amin’ny fanjakana selestialy.

Jereo ny andian-teny hoe “fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ ny fanambadiana” ao amin’ny andininy 2. Ny teny hoe vaovao amin’io sahan-kevitra io dia midika fa vao naverina tamin’ny laoniny ho ao anatin’ny fotoampitantanana misy antsika io fanekempihavanana io. Ny teny hoe mandrakizay dia midika fa haharitra mandritra ny mandrakizay io fanekempihavanana tena ilaina io. Ao amin’ny tempoly ihany no hidirantsika ao anatin’io fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay io.

Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no hanomanan’ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy iray azy ireo ho amin’ny fisandratana faratampony? Nanome hevi-baovao manan-danja vitsivitsy hamaliana io fanontaniana io ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Rehefa mamaky ny zavatra nampianariny ianao dia asio marika ireo teny na andian-teny izay manazava ny fomba hanampian’ny fanambadiana selestialy antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Loholona David A. Bednar

“Antony ara-potopampianarana roa tsy hay tohaina no manampy antsika hahatakatra ny mahatonga ny fanambadiana mandrakizay ho manan-danja eo amin’ny drafitry ny Ray.

Antony 1: Ny toetoetran’ny fanahin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia mifameno sady tonga lafatra rehefa miaraka, ka noho izany ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao hivoatra miaraka mankany amin’ny fisandratana. …

“Araka ny tendrin’ Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao hiaraka handroso mankany amin’ny fahatanterahana sy ny fahafenoan’ny voninahitra. Noho ny toetra voajanahary sy ny fahaiza-manaon’izy ireo izay samy miavaka tsara dia samy mitondra fomba fijery sy traikefa tsy manam-paharoa ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin’ny fifandraisana ao amin’ny fanambadiana. Ny lehilahy sy ny vehivavy dia mitondra anjara biriky amin’ny fomba samy hafa nefa mitovy lenta hanatratrarana ny firaisan-kina izay tsy azo tratrarina amin’ny fomba hafa ankoatra izany. Ny lehilahy dia mameno sy mandavorary ny vehivavy ary ny vehivavy dia mameno sy mandavorary ny lehilahy rehefa mianatra amin’izy samy izy sy mifampahery ary mifampitahy izy ireo. …

Antony 2: Efa tendrin’ Andriamanitra fa ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia samy ilaina mba hitondrana ireo zanaka ho eto amin’ny fiainana an-tany ary mba hanolorana ny rafitra tsara indrindra hitaizana sy hamelomana ireo zanaka. …

“Ny tokantrano iray ahitana mpivady mifankatia sy mahatoky no toerana tsara indrindra izay ahafahan’ny zanaka ho voataiza amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ary toerana ahafahana manome ny zavatra ara-panahy sy ara-nofo ilain’ny zanaka. Tahaka ny hitondran’ny toetoetra manokana ananan’ny lahy sy ny vavy anjara biriky amin’ny fahafenoan’ny fifandraisana eo amin’ny mpivady no maha-zava-dehibe ireo toetoetra ireo amin’ny fitaizana sy ny fikolokoloana ary ny fampianarana ny zanaka” (“Marriage Is Essential to His Eternal Plan,” Ensign, jona 2006, 83–84; na Liahona, jona 2006, 51–52).

  1. sary famantarana ny diaryValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Manova inona amin’ny zavatra tadiavinao ao amin’izay ho vadinao amin’ny ho avy ny fahatakarana ny Fotopampianarana fa ny fanambadiana selestialy dia ilaina mba hahazoana ny fisandratana faratampony?

    2. Nahoana no zava-dehibe ny manao ho laharam-pahamehana amin’izao taonanao izao ny fiomanana handray “ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ ny fanambadiana” (F&F 131:2) ao amin’ny tempoly?

Afaka mahazo ny fitahian’ny fisandratana faratampony ireo izay tsy nanana fahafahana nanao fanambadiana selestialy teto amin’ity fiainana ity: “Ireo mpikambana sasany ato am-piangonana dia mijanona ho tokan-tena tsy fidiny na dia manam-paniriana ny hanambady aza izy ireo. Raha ao anatin’izany toe-javatra izany ianao dia matokia fa ‘ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra’ (Romana 8:28). Rehefa mitoetra ho mendrika ianao dia homena ireo fitahiana rehetra mba hanana fianakaviana mandrakizay indray andro any, eto amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainana ho avy. Namerimberina nanome io fampanantenana io tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny amin’izao andro farany izao ny Tompo” (Miorim-paka ao amin’ny finoana: Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004]).

scripture mastery icon
Soratra masina fehezina— Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4

  1. journal iconVakio intelo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4. Manaova sary iray izay manampy amin’ny fanazavana ireo fahamarinana ao anatin’ireo andininy ireo. Mitadiava fotoana ahafahana mampianatra io andinin-tsoratra masina fehezina io amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na ny namana iray. Ampiasao mba hanazavanao ireo fahamarinana ny sary nataonao. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe iza no nampianarinao ary oviana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:5–6

Manazava ny “faminaniana mafy orina kokoa” i Joseph Smith

Ny fiantohana dia fampanantenana na fanomezana toky fa hotanterahina amin’ny ho avy ny zavatra iray.

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona avy ireo tombony azo avy amin’ny fananana fiantohana? Nahoana no ny antoka avy amin’ny Ray any An-danitra no ho sarobidy indrindra?

Tamin’ny marainan’ny 17 mey 1843, tao Ramus, Illinois no nanaovan’ny Mpaminany Joseph Smith lahateny mikasika ilay andian-teny hita ao amin’ny 2 Petera 1:19 izay maneho antoka iray avy amin’ Andriamanitra (jereo ny History of the Church, 5:392). Jereo ny 2 Petera 1:19, ary tadiavo ilay andian-teny hoe “faminaniana atao mafy orina kokoa.” Dia vakio avy eo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:5 mba hahafantarana ny hevitry ny hoe “faminaniana mafy orina kokoa.”

  1. journal iconAraka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:5 dia inona no antoka omen’ny Ray any An-danitra ny olona iray amin’ny alalan’ilay faminaniana mafy orina kokoa? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny zavatra mety ho tsapanao raha toa ianao ka mahazo antoka toy izany.

Ny olona sasany dia mahazo io antoka hahazo ny fiainana mandrakizay io raha mbola miaina eto an-tany. Indraindray isika dia mahita ireo andian-teny ao amin’ny soratra masina izay maneho ny Tompo manome io antoka io amin’ny olona sasantsasany. Ohatra, nanome io antoka io an’i Joseph Smith ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:49 ary nanome izany an’i Almà ao amin’ny Môsià 26:20. Na izany aza anefa dia raharaha manokana eo amin’ny olona iray sy ny Tompo izany. Tsy tokony haminavina isika hoe iza ireo olona nahazo an’ilay “faminaniana mafy orina kokoa.”

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:6, mba hitadiavana ny zavatra izay hanakana ny olona iray tsy hahazo ny fiainana mandrakizay.

Inona no nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith fa hahatonga ny olona iray tsy ho voavonjy mihitsy na tsy hahazo ny fiainana mandrakizay? Fenoy ity fitsipika manaraka ity: Tsy afaka ny ho voavonjy isika .

Filoha Marion G. Romney

Ny Filoha Marion G. Romney tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanome fanazavana momba ny dikan’izany: “Ny fahalalana ilay ‘Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy’ (Jaona 17:3) no fahalalana manan-danja indrindra eto amin’izao tontolo izo. Io ilay fahalalana izay nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith fa raha tsy ananan’ny olona dia tsy ho afaka ny hovonjena izy. Ny tsy fananana izany no tsy fahalalana izay resahan’ilay fanambarana izay milaza hoe: ‘Tsy azo heverina ny hamonjena ny olona ao amin’ ny tsy fahalalana.’ (F&F 131:6.)” (“Except a Man Be Born Again,” Ensign, nôv. 1981, 14).

  1. journal iconValio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no karazana fahalalana izay tsy maintsy ananantsika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay? Araka ny eritreritrao, nahoana no tena ilaina amin’ny famonjena io fahalalana io?

    2. Inona no ho ataonao mba hampitomboana ny fahalalanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Fotopampianarana sy fanekempihavanana 131:7–8

Mampianatra i Joseph Smith fa tamba-tsinga ny fanahy rehetra

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:7–8, mba hitadiavana ny zavatra mandrafitra ireo fanahy.

Ireo andininy ireo dia mampianatra fa ny zavaboary rehetra dia tamba-tsinga, saingy ny tamba-tsinga ara-panahy dia “madio sy malefaka kokoa” (F&F 131:7). Ny tamba-tsinga no akora nanamboarana ny zavatra. Nanazava ny Mpaminany Joseph Smith fa namboarina tamin’ny tamba-tsinga madio sy malefaka kokoa izay tsy afaka ho hitan’ny masontsika raha tsy ampian’ny Tompo ny fanahintsika.

  1. journal iconSoraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: