Seminera
Fizarana 28: Andro 1, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129; 130:1–11, 22–23


Fizarana 28: Andro 1

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129; 130:1–11, 22–23

Fampidirana

Tamin’ny 9 febroary 1843 ny Mpaminany Joseph Smith dia nampahafantatra “fanalahidy lehibe telo” (F&F 129:9) mba hanavahana ny toetoetran’ireo anjely manompo sy ny fanahy. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129 ireo torolalana ireo. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130 dia mirakitra ireo fampianaran’ny Mpaminany mikasika ireo Fotopampianarana samihafa nandritra ny fotoana nihaonany tamin’ireo Olomasina tao Ramus, Illinois, tamin’ny 2 aprily 1843.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129

Manome fampianarana mikasika ny toetoetran’ny anjely manompo sy ny fanahy ny Mpaminany Joseph Smith

Raha misy olona manontany anao raha toa ka mino ny fisian’ny anjely ny Olomasin’ny Andro Farany dia inona no holazainao azy ireo?

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Hatrany am-boalohany sy nandritra ireo fotoam-pitantanana nifandimby dia nandefa anjely foana Andriamanitra ho mpisolo tena Azy amin’ny fampitana fitiavana sy fitahiana ho an’ireo zanany. …

“Matetika dia tsy hita izany olona izany. Indraindray hita. Fa na hita na tsy hita dia eo akaiky eo foana izy ireo. Indraindray ny iraka ampanaovina azy dia misy lanjany lehibe ho an’izao tontolo izao manontolo. Indraindray izany ho an’ny olona iray manokana. Indraindray ny iraka nampanaovina an’ireo anjely dia ny hampitandrina. Fa amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia ny hanohana, ny hiahy amin’ny alalan’ny famindram-po ary ny hitarika amin’ny fotoana sarotra” (“Ny anjara fanompoan’ny anjely,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 29).

Nanomboka tamin’ny taona 1839 ary nitohy hatramin’ny taona 1843 ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra olona maro mba hanampiana azy ireo hahalala ny fomba hanavahana ny toetoetran’ireo anjely manompo sy ireo fanahy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129:1–3, mba hitadiavana fahasamihafana lehibe eo amin’ny anjely sy ny fanahy . Inona no mampiavaka ny anjely amin’ny fanahy?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129:4–7, mba hitadiavana fomba iray hanavahana ny anjely amin’ireo fanahin’olo-marina.

Mba hahatakarana feno ny andininy 7, dia tadidio fa noho ny tsy fananan’ireo fanahy vatana nofo sy taolana dia tsy afaka mifandray tanana amin’ny olombelona izy ireo. Raha miseho ho manana fahafahana manao zavatra izay tsy ananany ireo fanahy, dia ho fitaka izany, ary ny fanahy izay manandrana hanao izany dia tsy “olomarina.” Noho izany, ireo fanahin’ny olomarina izay natao tanteraka dia tsy hiezaka ny hifandray tanana rehefa misy manolotra tanana amin’izy ireo. Mianatra isika avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129:7 fa tsy hamitaka antsika ireo iraka marina nalefan’ny Ray any An-danitra.

Indraindray ny devoly dia miezaka ny miseho ho toy ny “anjelin’ny hazavana” mba hamitaka ny olona (jereo ny F&F 129:8). Ankoatra izay dia “miresaka koa ny momba ny anjelin’ny devoly ny soratra masina. Ireo dia fanahy izay nanaraka an’i Losifera ka nesorina hiala avy teo anatrehan’ Andriamanitra tamin’ny fiainana talohan’ny fiainana an-tany ary nazera ety an-tany (Apokalypsy. 12:1–9; 2 Ne. 9:9, 16; F&F 29:36–37)” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Anjely,” scriptures.lds.org).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129:8–9, mba hitadiavana ny fomba hamantarana ny fanahy ratsy izay mikatsaka ny hamitaka amin’ny alalan’ny fisehoana toy ny anjelin’ny fahazavana. (Mety hanampy ny mahafantatra fa ny teny hoe fisehoana ao amin’ny andininy 9 dia entina ilazana ny fitsidihana ataon’ny anjely na ny fanahy iray.)

Sary
Joseph Smith

Ity teny manaraka nambaran’ny Mpaminany Joseph Smith ity dia mety hanampy anao hahatakatra ny antony hanarahan’ny fanahy ratsy mandrakariva ilay toromarika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129: “Toa hoe … ireo fanahy ratsy dia manana ny zavatra mamatotra sy mametra azy ireo ary ny lalàna izay mitondra sy mifehy azy ireo, ary mahafantatra izay hiafarany any aoriana any” (ao amin’ny History of the Church, 4:576).

  1. Fintino ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nianaranao avy amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129 mikasika ireo zavatra mahasamihafa ireo anjely sy ireo fanahin’olomarina ary ireo fanahy ratsy. Hazavao hoe inona koa, ankoatra ny fampianarana ao amin’ireo andininy ireo, no nomen’ny Ray any An-danitra anao mba hanampiana anao hamantatra ny famitahan’i Satana.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:1–11, 22–23

Manazava ireo Fotopampianarana maro isan-karazany ny Mpaminany Joseph Smith

Tamin’ny 2 aprily 1843 dia nanao fihaonamben’ny tsatòka niaraka tamin’ireo Olomasina tao Ramus, Illinois ny Mpaminany Joseph Smith, izay sahabo ho 32 kilômetatra tao atsimo atsinanan’i Nauvoo. Nandritra ny fivoriana maraina iray dia nanao lahateny ny Loholona Orson Hyde tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary nampianatra fandikana ny soratra masina izay tsy marina, izay fantany avy amin’ny fiarahany tamin’ny fiangonana iray hafa. Inona no andraikitra nananan’ny Mpaminany tao anatin’io toe-javatra io?

Ireo mpitarika mpiahy ao amin’ny Fiangonana, toa ireo mpaminany, filohan’ny tsatòka, ary eveka dia manana andraikitra ny haka antoka fa Fotopampianarana marina no ampianarina ao am-piangonana. Taorian’ilay fivoriana maraina dia nisakafo tao amin’ny tranon’i Sophronia anabavin’i Joseph i Joseph Smith sy i Orson Hyde ary ireo olona hafa vitsivitsy. Nandritra ilay sakafo antoandro dia nilaza tamin’ny Loholona Hyde ny Mpaminany fa “hanolotra fanitsiana vitsivitsy tamin’ny lahateny nataony izy.” Namaly ny Loholona Hyde hoe: “Horaisiko amim-pankasitrahana izany” (ao amin’ny History of the Church, 5:323).

Sary
Orson Hyde

Orson Hyde

Nanazava ny Jaona 14:23 tamin’ny fomba diso i Orson Hyde nandritra ny lahateny nataony io maraina io. Makà fotoana handalinana io andininy io.

Rehefa avy niresaka io andininy io i Orson Hyde dia hoy izy tamin’ny olona hoe “tombontsoa lehibe ho antsika ny manana ny Ray sy ny Zanaka mitoetra ao am-pontsika” (ao amin’ny History of the Church, 5:323). Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130 dia mirakitra ny fanitsian’ny Mpaminany Joseph Smith an’io hevitra io. Ahitana fampianarana fanampiny vitsivitsy ihany koa izany.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:1–3, mba hitadiavana ny antony naha-diso ny zavatra nolazain’i Orson Hyde mikasika ny hevitra fonosin’ny Jaona 14:23.

Maro ny olona amin’izao fotoana izao no tsy manana hevitra ny amin’ Andriamanitra na, tahaka an’i Orson Hyde angamba, izay mpitandrina mpanaradia an’i Campbell, izay nanana fomba fijery diso mikasika ny toetran’ Andriamanitra noho ireo fomban-drazana diso. Afaka manampy ny hafa isika hahatakatra ny tena toetran’ny Ray any An-danitra marina sy ny fifandraisan’izy ireo Aminy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Mandritra ireo resaka atao miaraka amin’ny olona izay manana fomban-drazana na finoana diso mikasika an’ Andriamanitra, dia amin’ny fomba ahoana no ahafahanao ho tsara fanahy sy hanana fahatakarana rehefa mizara ny zavatra fantatrao mikasika ny tena toetran’ Andriamanitra ianao—hoe toy ny ahoana marina Izy?

Halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22–23, mba hitadiavana ireo fahamarinana izay nampianarin’ny Mpaminany Joseph Smith mikasika ny Andriamanitra. (Andinin-tsoratra masina fehezina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22–23. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hanampy anao hitady ny misy izany amin’ny hoavy.)

  1. Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity asa ampanaovina manaraka ity:

    1. Manorata Fotopampianarana roa na telo mikasika ny Andriamanitra avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22–23.

    2. Manorata fehezan-teny iray na roa izay manazava ny fomba ahafahanao mampiasa ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny andininy 22–23 mba hampianarana ny hafa mikasika ny Andriamanitra.

    3. Nahoana ianao no mieritreritra fa zava-dehibe ny mahatakatra fa olona samy hafa manana vatana nofo sy taolana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Fomban-drazana maro mikasika an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina no mifototra amin’ireo hevitra nosaintsainin’ny olombelona. Niforona vokatry ny adihevitra teo amin’ireo mpitarika fivavahana ny sasany tamin’ireo hevitra ireo. Tonga amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra ho an’ireo mpaminaniny ny fahalalantsika mikasika ny Andriamanitra. Ireto teny nambara manaraka ireto dia mamintina ireo fahamarinana mambara mikasika ny Andriamanitra. Rehefa mamaky azy ireo ianao dia asio marika ireo teny sy andian-teny manaitra anao.

Sary
Fahitana Voalohany

Andriamanitra Ray: Amin’ny ankapobeny dia ny Ray na Elohima no tondroina amin’ny hoe Andriamanitra. Atao hoe Ray Izy satria Izy no rain’ny fanahintsika. … Andriamanitra Ray no mpanapaka faratampony eo amin’izao rehetra izao. Izy dia tsy toha … , mahalala ny zava-drehetra … , ary manerana izao rehetra izao amin’ny alalan’ny Fanahiny. … Ny olombelona dia manana fifandraisana manokana amin’ Andriamanitra izay manavaka ny olona amin’ireo zavatra nohariana hafa rehetra: ny lehilahy sy ny vehivavy dia zanak’ Andriamanitra araka ny fanahy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Andriamanitra, Andriamanitra Ray”; scriptures.lds.org).

Andriamanitra Zanaka: Ny Andriamanitra fantatra amin’ny hoe Jehovah no Jesoa Kristy Zanaka. … Miasa eo ambany fitarihan’ny Ray i Jesoa ary mifandrindra tanteraka Aminy. Ny olombelona rehetra dia rahalahiny sy anabaviny, satria Izy no zokiny indrindra amin’ny zanak’i Elohima ara-panahy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Andriamanitra, Andriamanitra Zanaka,” scriptures.lds.org) Izy no Mpanavotra izay nijaly noho ny fahotana sy ny fanaintainan’ny olombelona rehetra sy nandresy ny fahafatesan’ny vatana ho an’ny rehetra.

Andriamanitra Fanahy Masina: Ny Fanahy Masina dia Andriamanitra ihany koa ary atao hoe ny Fanahy na ny Fanahin’ Andriamanitra, ankoatra ireo anarana na fiantsoana hafa mitovy amin’izany [toy ny hoe ny Mpampionona]. Amin’ny fanampian’ny Fanahy Masina no ahafantaran’ny olona ny sitrapon’ Andriamanitra Ray ary ahafantarany fa i Jesoa no Kristy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Andriamanitra, Ny Andriamanitra,” scriptures.lds.org). Ny anjara asa voalohany iandraiketan’ny Fanahy Masina dia ny mijoro ho vavolombelona ny momba an’ Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy. Mampianatra sy manamafy ny fahamarinana ny Fanahy Masina.

  1. Manorata fehezan-teny vitsivitsy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izay mamintina ny zavatra nianaranao mikasika ny Andriamanitra. Hazavao hoe inona ireo fahamarinana nanaitra anao ary nahoana. Azonao atao ihany koa ny mampiditra ny Fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ny Andriamanitra ao anatin’izany.

Avereno jerena ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:2. Rehefa manao izany ianao dia azonao atao ny manisy marika ireo teny izay mampianatra ity teny nambara mifono Fotopampianarana ity: Ireo fifandraisana azontsika ananana any an-danitra dia ireo izay azontsika ananana eto an-tany ihany, kanefa ho tafiditra ao anatin’izany ny voninahitra mandrakizay. (Ny teny hoe fiaraha-miaina ao amin’ny andininy 2 dia entina ilazana ny toetran’ny fifaneraserantsika manokana sy ny fifandraisantsika.)

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany mikasika ireo fifandraisana mandrakizay ireo: “Noho ny famerenana amin’ny laoniny ny fahalalana momba ny fianakaviana mandrakizay, dia be fanantenana sy tsara toetra kokoa isika ao amin’ny fifandraisantsika rehetra amin’ny fianakaviana. Ny fifaliana lehibe indrindra eo amin’ity fiainana ity dia mifototra ao amin’ny fianakaviana, ary toy izany koa ny fisehony any amin’ny fiainana ho avy. Feno fankasitrahana aho noho ny fahatokiana ananako fa raha mahatoky isika, dia ny fiaraha-miaina izay misy eto amin’ity fiainana ity ihany no hiaraka amintsika mandrakizay any amin’ny fiainana ho avy, dia homban’ny voninahitra mandrakizay. [Jereo ny F&F 130:2.]” (“Ilay Fiangonana marina sy velona,” Ensign na Liahona, mey 2008, 22).

  1. Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity asa ampanaovina manaraka ity:

    1. Valio ity fanontaniana manaraka ity: Lasa manao ahoana ny fifaneraseranao amin’ny hafa rehefa mahafantatra fa mitohy ao anatin’ny voninahitra mandrakizay any an-danitra ny fifandraisantsika amin’ny hafa?

    2. Mieritrereta zavatra iray azonao atao mba hanamafisana orina ny fifandraisanao amin’ny hafa, indrindra fa amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao. Dia manorata tanjona hanaovana izany avy eo.

Voarakitra ao anatin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:4–11 ireo Fotopampianarana fanampiny sasantsasany izay nampianarin’ny Mpaminany Joseph Smith tao Ramus, Illinois. Vakio ireo andininy ireo mba hitadiavana ny fampianarana nomen’ny Mpaminany mikasika ireo anjely sy mikasika ny hoavin’ny tany. Araka ny voalazan’ny andininy 10–11, dia handray ny Orima sy Tomina ireo rehetra izay handova ny fanjakana selestialy mba hanampiana azy ireo hianatra sy hahatakatra ireo zavatry ny lanitra. Tsy nanome fampahalalana bebe kokoa momba io fampianarana io ny Mpaminany.

Sary
scripture mastery icon
Andinin-tsoratra masina fehezina— Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22–23

  1. Hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland: “Manambara izahay fa mibaribary avy amin’ny soratra masina fa ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia olona miavaka, manan’aina masina telo” (“The Only True God and Jesus Christ Whom He Hath Sent,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 41). Mba hahitana hoe ny fomba ampianarana mazava tsara ny Fotopampianarana momba ny Andriamanitra ao amin’ny soratra masina dia mitadiava andinin-tsoratra masina telo farafahakeliny ao amin’ny Testamenta Vaovao, izay mampianatra ilay Fotopampianarana nofariparitan’ny Loholona Holland. Ny fampiasana fitaovana enti-manampy amin’ny fandalinana soratra masina, toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina dia hanampy tokoa. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny toko sy andinin’ireo andinin-tsoratra masina hitanao. Azonao atao ihany koa ny manoratra azy ireo ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22–23.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129; 130:1–11, 22–23 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy