Fizarana 8: Andro 1
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:31–50
Fampidirana
Fotoana fohy talohan’ny Fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny 26 septambra 1830 dia nanome ny fanambarana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29 “teo anatrehan’ny loholona enina” ny Tompo (F&F 29, lohatenin’ny fizarana). Tamin’ianao Nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:1–30 nandritra ny lesona tany aloha, dia nianatra ianao momba ny fanangonan’ny Tompo ireo olom-boafidiny sy ny fananganana an’i Ziona. Mifantoka amin’ny toetry ny Fahalavoan’i Adama ity lesona ity araka izay nambara ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:31–50.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:31–35
Manazava ny Mpamonjy fa ny zavatra rehetra dia ara-panahy Aminy
Saintsaino hoe ahoana ny ho fihetsikao manoloana ireto toe-javatra manaraka ireto:
Toejavatra 1: Alao sary an-tsaina ny namanao iray mandray anjara amin’ny fihetsika tsy mendrika izay fantatrao fa mampidi-doza azy. Manandrana ianao indray mandeha hamporisika ilay namanao hanajanona io fihetsika io, saingy milaza aminao izy fa ny safidiny dia tsy maninona loatra satria tsisy zavatra ratsy mitranga aminy. Inona ireo fitsipiky ny filazantsara izay afaka hanampy ilay namanao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny safidiny?
Toe-javatra 2: Alao sary an-tsaina hoe misy namanao iray manatona anao ka milaza fa mahatsiaro ho somary kivy izy. Lazainy anao fa tsy fantany raha misy vokany ny fiezahana mitandrina ireo didy. Manazava izy fa na dia niezaka ny nanao izay nandidian’ Andriamanitra aza izy, dia tsy hitany hoe tsara kokoa ny toe-javatra misy azy noho ny an’ny olon-kafa mitovy saranga aminy izay misafidy ny hanota. Inona ireo fitsipiky ny filazantsara izay afaka hanampy ilay namanao hijanona ho mpankatò foana?
Rehefa mandalina ny ampahany farany amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29 ianao, dia tadiavo ireo Fotopampianarana sy fitsipika izay azo ampiasaina mba hanampiana ny olona izay miaina ao anatin’ireo toe-javatra ireo.
Naverina tamin’ny laoniny sy naorina indray ety an-tany tamin’ny 1830 ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, ary nambara tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fahafenoan’ny filazantsara. Ao amin’ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29, dia nanampy ireo Olomasina voalohany hahatakatra bebe kokoa mikasika ny Fahalavoan’i Adama sy nanambara ny sasany amin’ny tanjon’ireo Didiny ny Tompo.
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:31–33 dia mampianatra fa namorona ny zavatra rehetra ara-panahy Andriamanitra. Izany dia midika fa mety ho efa nisy teo Anatrehany ireo zavatra ireo ary tsy niharam-pahafatesana. Nanomana fomba Izy mba hahatonga ireo zavatra nohariany hanana vatana, izany hoe hiala teo anatrehany ireo ary ho lasa mety maty. Nanome fomba ho an’ireo zavatra nohariany koa Andriamanitra mba handresen’izy ireo ny fahafatesana sy hiverenany eo anatrehany. Tafiditra ao amin’ny drafiny ny manome fahafahana ho an’ireo Zanany mba ho lasa tahaka Azy.
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:34–35, ka tadiavo ny fomba fijerin’ny Tompo ireo didy omeny antsika. Asio marika ao amin’ny soratra masinao ity fahamarinana ity: Ireo didin’ Andriamanitra rehetra dia ara-panahy. Ny didy tsirairay omen’ Andriamanitra dia manana tanjona ara-panahy sy natao hanampy antsika hiverina eo anatrehany.
-
Diniho ny Tenin’ny Fahendrena izay ohatra iray maneho ilay Fotopampianarana milaza fa ny didin’ Andriamanitra rehetra dia ara-panahy. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Nahoana no mety hisy vokany amin’ny ara-nofontsika ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena?
-
Nahoana no mety hisy vokany amin’ny ara-panahintsika ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena?
-
Mety hisy vokany ara-nofo ny tsy fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena, saingy ny vokatra lehibe indrindra dia ara-panahy, indrindra ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nanao fanekempihavanana hankatò io didy io. Satria ara-panahy avokoa ireo didy rehetra avy amin’ Andriamanitra, anisan’izany ny Tenin’ny Fahendrena, dia mitondra fitahiana ara-panahy eo amin’ny fiainantsika ny fankatoavana. Etsy an-kilan’izay, ny tsy fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra dia misakana antsika tsy handray na mahatonga antsika tsy hahazoireo fitahiana ara-panahy.
Saintsaino hoe nahoana no hanampy ireo olona ao amin’ireo toe-javatra novakianao tamin’ny fiandohan’ity lesona ity ny fahafantarana fa ara-panahy avokoa ireo didin’ Andriamanitra.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:36–41
Ny Fahalavoan’i Adama dia nitondra ny fahafatesana ara-panahy
Na dia manome didy antsika aza Andriamanitra mba hitahiana antsika ara-panahy, dia jereo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:35 fa mamela antsika hisafidy ho an’ny tenantsika manokana Izy. Midika izany fa Andriamanitra dia manome fahafahana misafidy ho an’ny zanany ary mamela azy ireo hisafidy raha toa izy ireo vonona ny hankatò ny didiny.
-
Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity. Avy eo vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:36–41, ary fenoy ireo safidy sy vokany ho an’ireo olona na vondron’olona:
Safidy
Vokany
Ny devoly.
“Ampahatelon’ny miaramilan’ny lanitra”
Adama
Azonao atao ny manoratra izao fitsipika manaraka izao ao amin’ny soratra masinao: Nomen’ Andriamanitra ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misafidy isika mba hisafidianantsika sy handraisantsika ny vokatry ny safidintsika.
Talohan’ny nihinanan’i Adama ilay voankazo voarara, dia niaina tety an-tany izy tao amin’ny Saha Edena ary afaka nitoetra teo anatrehan’ Andriamanitra. Taorian’ny nihinanany ilay voankazo, dia nijanona tety an-tany izy saingy tsy afaka intsony nitoetra teo anatrehan’ Andriamanitra. Koa satria resin’ny fakampanahy i Adama ka nihinana ilay voankazo voarara, dia lasa manana toetra ara-nofo isika rehetra (mety maty) ary tafasaraka amin’ny fanatrehan’ Andriamanitra. Araka ny voalaza ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:41, inona no iantsoana io fisarahana io?
-
Adikao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity:
Soraty eo amin’ilay tabilao, eo ambanin’ny teny hoe “Tany Lavo (Ara-nofo),” ny hoe: Ny fahafatesana ara-panahy dia ny fanaisorana tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra. Avy eo dia valio ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny eritreritrao no ilaintsika ny misaraka amin’ Andriamanitra elaela?
Vakio ity fanambarana manaraka ity mikasika ny Fahalavoana sy ny antony tsy maintsy hahatafasaraka antsika amin’ Andriamanitra elaela: “Lafiny iray manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any an-danitra ny Fahalavoana (jereo ny 2 Nefia 2:15–169:6). Izany dia mandray roa—sady mampidina nefa koa mampandroso. Ankoatra ny fitondrana ny fahafatesana ara-panahy sy ara-batana dia nanome antsika fahafahana ny ho teraka eto an-tany izany ary hianatra sy hivoatra” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 57; jereo ihany koa ny 2 Nefia 2:25).
Ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome izao fampianarana manaraka izao mikasika ny Fahalavoana:
“Ireo toe-javatra tena manan-danja indrindra niseho hatramin’izay na hiseho any amin’ny mandrakizay rehetra … dia ny Fahariana sy ny Fahalavoana ary ny Sorompanavotana.
“Alohan’ny hahafahantsika mba manomboka manakatra an-tsaina ny fahariana ara-batana ny zavatra rehetra dia tsy maintsy fantatsika hoe amin’ny fomba ahoana no mahatonga ireo fahamarinana telo ireo hifatotra tsy hay sarahana —ny Fahariana, ny Fahalavoana, sy ny Sorompanavotana—mba hanorenana drafitry ny famonjena iray. Tsy misy na dia iray aza mandeha irery amin’izy ireo. Mamatotra ilay roa hafa ny tsirairay avy amin’izy ireo; ary tsy afaka mahafantatra ny fahamarinana mikasika ny iray amin’izy ireo raha tsy manana fahalalana mikasika azy rehetra. …
“… Aoka ho tsaroana fa tonga ny Sorompanavotana noho ny Fahalavoana. Nanonitra ny fandikan-dalàna nataon’i Adama i Kristy. Raha tsy nisy ny Fahalavoana dia tsy ho nisy ny Sorompanavotana miaraka amin’ny tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay izay vokatr’izany. Noho izany, toy ny hananana antoka amin’ny hahatongavan’ny famonjena noho ny Sorompanavotana, no hahatongavan’ny famonjena koa noho ny Fahalavoana.
“Ny toetra mety maty sy ny fiterahana ary ny fahafatesana dia samy niatomboka niaraka tamin’ny Fahalavoana ” (“Christ and the Creation,” Ensign, June 1982, 9).
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:42–50
Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manavotra antsika amin’ny fahafatesana ara-panahy
Saintsaino izao fanontaniana manaraka izao: Iza no hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra?
Mba hahatakarana ireo fampianaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29, dia zava-dehibe ny mahafantatra fa ny olon-drehetra dia hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra aorian’ny fitsanganany amin’ny maty. Izay no izy satria ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia manavotra ny olona rehetra amin’ny vokatra ara-batana sy ara-panahin’ny Fahalavoana (jereo ny Helamàna 14:15–18).
-
Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina eo amin’ny lafiny havanan’ilay tabilao, eo ambanin’ny teny hoe “eo anatrehan’ Andriamanitra” ny hoe: Amin’ny alalan’ny Sorompanavotana, dia havotana avokoa ny olona rehetra amin’ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy izay vokatry ny Fahalavoan’i Adama. Avy eo dia valio izao fanontaniana manaraka izao: Raha toa isika rehetra hoentina hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny farany, nahoana araka ny eritreritrao no misy dikany raha manao na tsy manao safidy tsara isika ety an-tany?
Amin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataony, i Jesoa Kristy dia manolotra famelan-kelona sy fiainana mandrakizay ho an’ireo rehetra izay mino Azy sy mibebaka amin’ny fahotany. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:42–43, ary tadiavo ny zavatra tsy maintsy hataontsika mba ho mendrika hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra. Saintsaino hoe inona ireo zavatra mety ilainao hibebahana mba hahatonga anao ho mendrika ny hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra.
Na dia hitsangana amin’ny maty avokoa aza ny olona rehetra sy havotana amin’ny fahafatesana ara-panahy ary hoentina miverina eo anatrehan’ Andriamanitra mba hotsaraina, dia tsy ny rehetra no hijanona eo.
-
Asio tsipika mitapatapaka miaraka amin’ny zana-tsipìka manondro miala tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra eo amin’ny ilany havanan’ilay tabilao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Avy eo vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:44–45, ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona avy ireo safidy izay mahatonga ny olona tsy ho mendrika ny hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra?
-
Inona avy no vokatr’ireo safidiny?
-
-
Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, eo akaikin’ilay tsipika mitapatapaka eo amin’ilay tabilao hoe: Ireo izay tsy mino na mibebaka dia tsy afaka hitoetra mandrakizay eo anatrehan’ Andriamanitra.
Tokony ho toy izao ny endrik’ilay sary nataonao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina.
-
Ataovy famerenana ireo toe-javatra roa voalaza tany amin’ny fiandohan’ny lesona. Avy eo dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no nianaranao androany ka mety hanampy ilay namana tao amin’ny toe-javatra 1?
-
Inona no nianaranao androany ka mety hanampy ilay namana tao amin’ny toe-javatra 2?
-
Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:49, ary eritrereto ny zavatra andrasan’ny Tompo aminao. Mametraha tanjona mba hampihatra hatrany ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao amin’ny fibebahana amin’ny fahotanao sy ny fiomananao hiaina indray eo anatrehan’ Andriamanitra.
-
Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:
Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:31–50 ary nahavita io lesona io ny (daty).
Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: