Seminera
Fizarana 15: Andro 3, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68


Fizarana 15: Andro 3

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68

Fampidirana

Nihaona tamin’ny vondrona loholona tao Hiram, Ohio ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 1 Nôvambra 1831, mba hanao fihaonambe iray miavaka. Niresaka mikasika ny famoahana ny Bokin’ireo Didy, izay rakitsoratry ny fanambarana noraisin’ny Mpaminany izy ireo. Nangataka an’i Joseph Smith mba hanontany ny Tompo momba ny sitrapony mikasika azy ireo ny efatra tamin’ireo loholona tao amin’ilay fihaonambe. Ho valin’izany fangatahana izany, dia naharay fanambarana iray ny Mpaminany izay voarakitra ankehitriny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68. Io fanambarana io dia ahitana torohevitra ho an’ireo izay nantsoina hitory ny filazantsara, sy torolalana momba ny antson’ny eveka ary didy ho an’ireo ray aman-dreny mba hampianatra ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara amin’ny zanany.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:1–12

Manome torohevitra ho an’ireo izay nantsoina hitory ny filazantsara ny Mpamonjy

Sary
misiônera vavy

Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no mety fanahiana na fisalasalana ananan’ny olona iray mikasika ny fanaovana asa fitoriana amin’ny fotoana feno?

  • Inona avy ireo antony sasantsasany mahatonga ny olona ho matahotahotra amin’ny fizarana ny filazantsara amin’ny fianakaviany sy ny namany?

Nandritra ny fihaonambe tamin’ny 1 Nôvambra 1831, dia nisy loholona efatra izay handeha hanao asa fitoriana nanatona ny Mpaminany Joseph Smith ary nangataka ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo momba azy ireo. Ho setrin’izany dia nanambara ny lamina amin’ny fitoriana ny filazantsara ny Tompo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:1–5, ka tadiavo ny lamina iray amin’ny fitoriana ny filazantsara. Asio marika izay hitanao. (Hahita ny teny hoe fianarana ianao ao amin’ny andininy 2 sy 3. Ny fianarana dia lamina na maodely.)

Inona amin’ireto manaraka ireto no tsy tafiditra ao amin’ny zavatra atao rehefa mitory ny filazantsara araka izay hita ao amin’ny andininy 1?

  • Mihira ireo hiran’ny fitiavana maharitra mandrakizay.

  • Manambara ny filazantsara amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

  • Mandahatra hevitra amin’ireo olona ampianarinao.

  • Manazava ny soratra masina.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:6 ka tadiavo ny famporisihana fanampiny nomen’ny Tompo an’ireo mpanompony.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ireo fitsipika hitanao ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:6 izay mety hitondra fankaherezana ho an’ny misiônera iray?

    2. Nahoana no manan-danja aminao ny mahafantatra fa eo anilan’ireo misiônerany mahatoky ny Tompo?

    3. Ahoana no mety hanampian’io fampanantenana io anao amin’ny ezaka ataonao hizara ny filazantsara amin’izao fotoana izao?

Azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:4: Rehefa entanin’ny Fanahy Masina ireo mpanompon’ny Tompo, dia hitondra olona amin’ny famonjena ny tenin’izy ireo.

Sary
Ny Loholona M. Russel Ballard mandaha-teny amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Na dia afaka manampy antsika hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo aza ireo rehetra izay notendrena hitory ny filazantsara, dia ny Filohan’ny Fiangonana ihany no manana zo handray sy hanambara ny sitrapon’ny Tompo ho an’ny Fiangonana manontolo. Eo ambany fitarihany, ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ihany koa dia manana fahefana hanambara ny sitrapon’ Andriamanitra ho antsika. Noho izany, ilay fitsipika ampianarina ao amin’ny andininy 4 dia manan-kery isaky ny misy mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany na Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo miteny mandritra ny fihaonamben’ny fiangonana.

Vakio indray ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:3–5 ary tadiavo ny fampanantenana iray izay nomen’ny Tompo ho an’ireo mpanompony izay notendrena. Avy eo fenoy ity fanambarana manaraka ity: Rehefa miresaka noho ny fanentanan’ny Fanahy Masina ireo mpanompon’ny Tompo, ny tenin’izy ireo dia .

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona ireo fomba vitsivitsy hanasana ny fitaoman’ny Fanahy Masina rehefa mizara ny filazantsara isika?

Hitantsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:7–12, fa niantso ireo loholona efatra ireo ny Tompo mba hitory ny filazantsara sy hanao batisa ireo izay mino. Hitantsika ao koa ny momba ireo fitahiana izay mirotsaka amin’izy ireo sy ireo izay mino ny teniny.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:13–24

Manambara ireo toetra takina amin’ny anjara fanompoan’ny eveka ny Tompo

Alaivo sary an-tsaina hoe misy namanao iray izay hafa finoana manontany hoe, “Ahoana no nifidianana ny evekanareo?” Inona no holazainao?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:14–15, 20 ka tadiavo ny fomba ifantenana ireo eveka.

Ny andian-teny hoe “tarakan’i Aharôna ara-bakiteny” dia milaza ireo taranak’i Aharôna rahalahin’i Mosesy ao amin’ny Testamenta Taloha. Io taranaka io dia hanana ny zo amin’ny anjara fanompoan’ny Eveka Mpiahy raha voantso sy eken’ny Fiadidiana Voalohany. Tamin’ny andron’i Mosesy, dia ireo taranaky ny fokon’i Levy irery ihany no nihazona ny fisoronan’i Levy na an’i Aharôna. Ny olona iray dia tsy maintsy taranaka nateraka avy amin’io firazanana io mba hahazo ny fisoronana. Miampita avy amin’ny ray mankamin’ny zanaka lahy ny zo hihazona io fisoronana io. Tamin’izany fotoana izany, raha toa ny raim-pianakaviana ka tsy nihazona ny fisoronana, dia tsy hanana izany fahafahana izany ny zanaka lahy.

Soraty ao amin’ny soratra masinao ity fitsipika manaraka ity: Tsy maintsy ankatoavin’ny Fiadidiana Voalohany sy tendren’ny fahefana mety amin’izany ireo eveka.

Tamin’ny Fiangonana niorina vao tsy ela, dia ny mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany no nanendry sy nanokana ny eveka rehetra. Ao amin ny Fiangonana ankehitriny dia mbola marina ihany izany ho an’ny Eveka Mpiahy. Kanefa, ny fiantsoana sy ny fanendrena ary ny fanokanana ireo eveka dia tarihin’ireo filohan’ny tsatòka, eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany. Ny filohan’ny tsatòka, miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny mpanolotsaina azy ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, dia mikatsaka fanambarana hahafantarana ny fotoana hiantsoana eveka vaovao sy ny olona ho antsoina. Mandefa ny fanolorana ilay olona any amin’ny Fiadidiana Voalohany izy mba ahazoana fankatoavana. Rehefa manome ny fankatoavany ilay antso ny Fiadidiana Voalohany, dia manome lalana ny fiadidiana voalohany izy ireo hanendry sy hanokana ilay eveka vaovao.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa nankatoavin’ny Fiadidiana Voalohany ny fiantsoana ny evekanao?

Talohan’ny nandraisan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fanambarana voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68, dia i Edward Partridge no hany evekan’ny Fiangonana. Rehefa nisy eveka hafa nantsoina dia lasa Eveka Mpiahy ny Eveka Partridge. Ankehitriny ny Eveka Mpiahy dia Manampahefana Ambony ary manana andraikitra ny amin’izay mahasoa ny Fiangonana manontolo amin’ny zavatr’izao fiainana izao (jereo ny F&F 107:68).

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–35

Mandidy ireo ray aman-dreny ny Tompo mba hampianatra ireo zanany

Efa nieritreritra momba ny mety hahatonga anao ho vady sy hananao zanaka afaka taona vitsivitsy ve ianao?

Milazà zavatra telo izay tianao hampianarina ireo zanakao:

Sary
Adama sy Eva Mampianatra ireo Zanany

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–27 ary asio marika ireo Fotopampianarana izay andidian’ny Tompo ireo ray aman-dreny mba ampianariny ny zanany. Raha tsy tafiditra ao amin’ny zavatra notanisainao ireo dia azonao atao ny manampy izany.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony izay heverinao fa handidiana ireo ray aman-dreny hampianatra ny zanany hahatakatra ny fotopampianaran’ny fibebahana, ny finoana an’i Kristy, ny batisa ary ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ahoana no nanampian’ny ray aman-dreninao anao hianatra ny filazantsara? Azonao atao ny manoratra ho azy ireo hanehoanao fankasitrahana.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:28–31, ny Tompo dia nanome torohevitra fanampiny ho an’ireo ray aman-dreny, sy ho an’ireo Olomasina ao Ziona.

  1. Mba hanampiana anao amin’ny fiomanana ho lasa ray na reny, tanteraho ny roa na mihoatra amin’ireto asa ampanaovina manaraka ireto. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:28 ka tadiavo ny zavatra nandidian’ny Tompo ireo ray aman-dreny mba ampianarin’izy ireo ny zanany.

      • Nahoana, araka ny eritreritrao, no zava-dehibe ho anao ny mampianatra ny zanakao hivavaka?

      • Ahoana ny nampianarana anao hivavaka?

      • Ahoana no nahazoanao sy ny fianakavianao fitahiana noho ny vavaka?

      • Araka ny hevitra, ahoana no hanampian’ny vavaka antsika “handeha araka ny hitsiny eo anoloan’ny Tompo”?

    2. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:29 ka tadiavo ny zavatra nandidian’ny Tompo ny mponina ao Ziona (Mpikamban’ny Fiangonana) mba hataon’izy ireo.

      • Inona no nianaranao tamin’ny ray aman-dreninao na tamin’ny hafa momba ny fitandremana ny Sabata ho masina?

      • Inona no azaonao atao mba hanampiana ny fianakavianao hitandrina ny Sabata ho masina?

    3. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:30, ka tadiavo ny zavatra andidian’ny Tompo ny ray aman-dreny sy ny zanaka mba hataony. (Marihina fa ny teny hoe kamo dia ilazana ny olona izay malaindaina na tsy mirotsaka amin’ny zavatra mitondra voka-tsoa.)

      • Oviana ianao no nahita ireo fitahiana avy amin’ny asa mafy?

      Vakio ity fampahafantarana manaraka ity izay mikasina ny hakamoana: “Nandidy antsika mba tsy ho kamo ny Tompo. Ny fidonanaham-poana dia mety hitarika any amin’ny fitondrantena tsy mendrika, fahasimban’ny fifandraisana ary fahotana. Endrika iray isehoan’ny fidonanaham-poana ny fandaniana fotoana elabe amin’ny tsy fanaovana na inona na inona izay tsy hamela anao hanao asa mitondra vokatra, toy ny Internet, ny filalaovana jeux video, ary ny fijerena fahitalavitra” (For the Strength of Youth [bokikely, 2011], 40).

      • Ahoana no mahatonga ny fidonanaham-poana ho lasa faharatsiana?

      • Inona ireo zavatra vitsivitsy izay afaka manampy olona iray handresy ny fironany ho lasa kamo?

    4. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:31–32 ary tadiavo ny zavatra nandidian’ny Tompo ireo ray aman-dreny sy zanaka mba hataon’izy ireo.

      • Ahoana, araka ny hevitrao, no fiantraikan’ny fimatimatesan-karena eo amin’ny fianakaviana?

      • Inona no azonao atao eo amin’ny fiainanao mba handresena ny fitiavan-tena sy ny fimatimatesan-karena?

  2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana no zava-dehibe ny miomana dieny izao ho lasa ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo?

    2. Inona no tanjona azonao apetraka ka hanampy anao hiomana ho lasa ray na reny tsongoin’olom-bolo?

  3. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68 ary nahavita io lesona io ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

Hamoaka printy